FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/11 p. 27
  • Tadidinao ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadidinao ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-43 — Jaona
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Notsarain’ny Fitsarana Avo Jiosy ary Nalefa Tany Amin’i Pilato
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/11 p. 27

Tadidinao ve?

Nankamaminao ve ny famakiana ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Jereo raha tadidinao ireto hevitra vitsivitsy voalaza manaraka ireto:

◻ Ahoana no fomba hisorohana ny zava-manahirana momba ny zatovovavy bevohoka?

Tokony homena fitarihan-dalana ara-pitondrantena sy ara-panahy ny tanora. Araka ny voalazan’ny Baiboly dia tokony hiantsorohan’ny ray aman-dreny izany (Efesiana 6:4). — 15/7, pejy faha-4.

◻ Anton-javatra inona avy no misakana ny fahombiazana eo amin’ny fitaizana ny ankizy?

Voalohany indrindra, tsy tanteraka ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ka noho izany dia manao fahadisoana (Romana 5:12). Manaraka izany, dia manan-kery lehibe eo amin’ny ankizy ny fironan-dratsin’ny fitambaran’olona amin’ny andro ankehitriny; misy vokany ratsy eo amin’ny fahatsapany zava-tsarobidy sy ny fomba fiheverany ny fiainana izany (2 Timoty 3:1-5). — 1/8, pejy faha-4.

◻ Manonòna lafin-javatra efatra izay tena mampiavaka ny kristiana marina amin’ny kristiana anarana fotsiny.

Mifady ny ra ny kristiana marina (Asan’ny apostoly 15:28, 29). Manaraka fitsipika ara-pitondrantena ambony izy (1 Korintiana 6:9, 10). Mialanalana hatrany ny kristiana marina manoloana ny raharaha ara-politika sy ny ady iraisam-pirenena maro (Jaona 17:16). Ny mpianatr’i Jesosy dia manaraka ny ohatra navelany eo amin’ny fifandraisany any an-tokantrano (Efesiana 5:21-25). — 1/8, pejy faha-17 ka hatramin’ny 19.

◻ Nahoana ny Jiosy no milaza an’i Jesosy ho Samaritana (Jaona 8:48)?

Nankahala ny Samaritana ny Jiosy. Nampiasa an’io teny io àry izy ireny mba hitenenan-dratsy an’i Jesosy sy hanehoana tamin’ny fanamavoany. — 15/8, pejy faha-8.

◻ Inona moa ny “fiteny madio” resahina ao amin’ny Zefania 3:9?

Izany dia ny fitambaran’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay mamela olona tia fivavahana avy amin’ny firenena rehetra sy ny firazanana rehetra hanompo an’i Jehovah ao anatin’ny firaisan-kina. — 15/8, pejy faha-16.

◻ Afaka amin’ny tahotra inona avy moa ny tena rehefa mamatotra fifandraisana amin’Andriamanitra?

Afaka amin’ny tahotra olona manandevo sy ny fitandremana fomba amam-panao mitambesatra izay sady tsy misy heviny no tsy misy vidiny marina (Ohabolana 29:25). Afaka amin’ny tahotra ny fahafatesana ihany koa ny tena (Mpitoriteny 9:5, 10; Jaona 5:28, 29). — 1/9, pejy faha-5, 6.

◻ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nanambara izy hoe: “Avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona”? (Jaona 9:4.)

Jesosy dia niresaka ny fotoana handevenana azy ka tsy hahafahany hanatontosa intsony asa mahatalanjona toy ny nataony fony fahavelony. — 1/9, pejy faha-8.

◻ Inona no hevitry ny batisa amin’ny rano?

Ny fandrobohana tanteraka olona iray ao anaty rano dia tena mariky ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra, ka amin’izany izy dia tonga minisitra voatokana. Rehefa aroboka izy, dia toy ny hoe maty raha ny amin’ny fiainany tamin’ny lasa. Rehefa miakatra avy ao anaty rano izy, dia toy ny hoe velona manomboka hatreo ho amin’ny fiainam-baovao, dia fiainana feno fahafoizan-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Jereo Romana 6:2-4; 12:1; Filipiana 3:16). — 15/9, pejy faha-29, 30.

◻ Manonòna fomba sasantsasany hanehoana ny fankasitrahan’ny tena an’i Jehovah.

Rehefa feno fankasitrahana lalina an’Andriamanitra ny olona iray, ny faniriana miredareda hanompo azy dia miboiboika avy ao am-pony feno fankasitrahana. Ny fomba iray hanomezana fahafahampo an’izany dia ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana, angamba amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Ny anankiray hafa dia ny fanohanana ny fandaharam-panorenana iraisam-pirenena. — 1/10, pejy faha-11.

◻ Nahoana moa Jesosy no nanome fahefana hanasitrana marary ho an’ny 70 tamin’ireo mpianany rehefa naniraka azy ireo hitory tany Galilia izy?

Tamin’ny fanaovana fahagagana, ireny mpianatra ireny dia hanomana ny lalana mba hahafahan’i Jesosy manatontosa ny asa tokony hanaraka izany. Rehefa avy nahita ny fahagagana nataon’izy ireny ny olona maro be dia tsy hahandry ny hahita an’i Jesosy sy hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana notoriny. — 1/10, pejy faha-16, 17.

◻ Nieritreritra an’i Jodasy ve Jesosy rehefa niteny tamin’i Pilato hoe: “Koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa”? (Jaona 19:11.)

Tamin’ireo teny ireo, dia toa nanisy fitenenana ny amin’ireo izay tompon’andraikitra tamin’ny fisehoany teo anatrehan’i Pilato i Jesosy. Tsy isalasalana mihitsy fa anisan’izy ireny Jodasy Isikariota, izay nanolotra an’i Jesosy (Lioka 22:2-6). Nandray anjara tamin’ny fisamborana an’i Jesosy ihany koa anefa i Kaiafa mpisoronabe sy ny filoha ara-pivavahana hafa (Matio 26:59-65; 27:1, 2, 20-23). Tao amin’ny fanambarana voasoratra ao amin’ny Jaona 19:11, dia azo antoka fa niresaka ny olona rehetra tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesany Jesosy. — 15/10, pejy faha-30.

◻ Nahoana moa no tena mampidi-doza ny fivavahana amin’ny sary?

Nanambara toy izao ny amin’ny Isiraelita ny mpanao salamo: “Nanompo ny sampin’ireny (ny an’ny mpanompo sampy) izay tonga fandrika ho azy (izy). Nataony sorona ho an’ny demony ny zanany lahy aman-janany vavy.” (Salamo 106:36, 37, Kat.). Ny soratra grika kristiana dia mampiseho ny loza mitovy amin’izany koa (1 Korintiana 10:19, 20). Na inona na inona endrika isehoany, ny fivavahana amin’ny sary dia mametraka an’ilay manao azy ho eo ambany herin’ny demonia. — 1/11, pejy faha-6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara