Ny ankamantatra momba ireo vavahady
MARO ny olona liana fatratra amin’ny ankamantatra, amin’ny piozila izay ny tapatapany rehetra dia azo jerena amin’ny fomba samy hafa ary mitahiry fahagagana iray, mety ho ny fahitana harena aza angamba izany. Raha anisan’ny olona toy izany ianao dia ho liana amin’ny ‘ankamantatra momba ireo vavahady’.
Nanomboka tao Megido ny zavatra rehetra; izy io dia tanàna ara-tafika izay, tamin’ny andro fahagola, dia nanerinerina teo ambonin’ny lalana fampiasan’ny mpandranto sy ny miaramila tany Atsinanana afovoany. Ireo mpanao fikarohana ny any ambanin’ny tany dia nahita ny sisan’ny vavahady fiarovana lehibe iray izay, araka ny fahitana azy, dia nisy tany amin’ny andron’i Solomona mpanjaka. Nitovy tamin’inona izy io? Aoka hangonintsika ireo famantarana voalohany.
Jereo eto amin’ny ilany havanana, ny ambangovangon-tsarin’i Megido fahiny, ary indrindra ny toerana nisy ilay vavahady, ao amin’ny faritra voahodidina. Ny mpitsangantsangana iray, na ny tafika fahavalo iray, izay niakatra tamin’ny lalana mitondra ho any amin’ilay tanàna mimanda dia nifanehatra tamin’ny vavahady voalohany mitondra eo an-kalalahana na tokotany iray. Hiharihary avy hatrany ny mety ho mpanafika raha vao miditra sy miankavia mba ho tonga eo amin’ny vavahady fiarovana lehibe indrindra, izay fototry ny ankamantatra.
Avy any ivelany dia voaron’ny tilikambo mafy io vavahady io. Vita manontolo, tsy amin’ny vato tsy voavoatra na amin’ny biriky izy io, fa amin’ny vato voasikotra tamim-pitandremana, taozavatra nampiavaka ny andron’i Solomona. Niavaka ny fandrafetana ny tao anatin’ilay vavahady. Eo an-daniny roa amin’ny lalantsara lava iray no nitsanganan’ny ny andry efa-joro maro na andry voarafitra, izay mahaforona efitra enina azon’ny mpiambina nitoerana (Jereo Ezekiela 40:6, 10, 20, 21, 28, 29). Tamin’ny andavanandro dia afaka nandalo mora foana teo ny sarety na ny andia-mpivarotra iray, nefa kosa ho an’ny fahavalo tapa-kevitra ny hamaky ny vavahady lehibe mavesatra, izany dia ho raharaha hafa. Hanery azy handray ny lalana ety iray ny andry, lalana izay manavatsava ny miaramila notsongaina amin’ny tafik’i Megido niambina tao amin’ireo efitra ankavanana sy ankavia.
Andeha hozahantsika izao ny famantarana hafa ao amin’ny havoana kely na antontan-tsisan-javatra any Hazora fahiny, any avaratry ny ranomasin’i Galilia. Ny profesora John Garstang dia nanao fikarohana tany tamin’ny 1928, ary ilay arkeology isiraeliana atao hoe Yigael Yadin dia tonga teo amin’io antontan-tsisan-javatra miezinezina io tamin’ny 1955. Nataony an-tsaina ity fanambaran’ny Baiboly manaraka ity: “Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ny nanaovany ny tranon’i Jehovah sy (...) ny màndan’i Jerosalema sy Hazora sy Megido ary Gazera.” (1 Mpanjaka 9:15). Toa ara-dalàna ny hieritreretana fa ireo injeniera mpanorina tamin’ny andron’i Solomona dia nanisy manda mitovy teo amin’ireo tanàna samy hafa naoriny indray. Ho hita indray ao Hazora ve io karazam-bavahady nampiavaka ny andron’i Solomona io?
Tamin’ireo fikarohana notarihin’i Yadin dia nahitana manda roa miaraka amin’ny efitra maro. Avy eo dia nanomboka nitranga ny fanorenana iray miraikitra amin’io manda roa sosona io. Mitantara toy izao Yadin: “Avy hatrany dia takatray fa nahita ilay vavahady izahay (...). ankoatr’izany dia niharihary avy hatrany fa ny planina sy ny refin’ity vavahady ity izay nirakitra efitra enina sy tilikambo roa dia nifanaraka tamin’ny planin’ilay hita [taona maro] tany aloha tany Megido (...). Nihetsi-po ireo mpiasanay (...). Nataonay teo amin’ny tany ny planin’ny vavahadin’i Megido, ka nomarihinay tamin’ny tapa-kazo ny zoro sy ny rindrina ary nasainay nangady araka ilay sary ny mpiasanay sady nilazanay izy hoe: ‘Eto dia hahita rindrina ianareo’, na: ‘Hahita efitra iray ianareo eroa.’ Ny fahamarinan’ny ‘faminanianay’ dia nampitombo be dia be ny lazanay. (...) Nefa rehefa novakinay [taminy] ny andinin’ny Baiboly mifandray amin’ny asa nataon’i Solomona tany Hazora sy Megido ary Gazera, dia namoy ny ampahany amin’ny lazanay izahay fa ny an’ny Baiboly kosa dia nitombo.” — Hazora: ny famongarana trano fiarovana lehibe iray tamin’ny andron’ny Baiboly (anglisy).
Araka izany dia toa hita toy ny nanampoizana azy ny valin’ny ankamantatra momba ireo vavahady tamin’ny fanarahana ireo filazana nomen’ny Baiboly. Kanefa, hanao ahoana ny amin’i Gazera, any atsimo? Fantatr’i Yadin fa tsy nahita sisan-javatra iray akory avy tamin’i Solomona tany ilay arkeology irlanday atao hoe R. Macalister tamin’ny fikarohana izay nataony tany nanomboka tamin’ny 1902 ka hatramin’ny 1909. Mety ho nisy famantarana lehibe ilaina mba hanazavana izay nantsoin’i Yadin hoe “ny zava-miafin’i Gazera” natao tsirambina ve?
Mitantara toy izao i Yadin: “Ireo fikarohana natao tany Hazora sy ilay teny malaza ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka voalohany dia nahatonga ahy hamerina handinika ny filazan’i Macalister tamin’ny fanantenana hahita ny toeran’ny vavahady iray. Azonareo alaina sary an-tsaina ny fahagagako sy ny fientanam-poko mafy raha nahita sary iray (...) izay mitondra ny anarana hoe ‘Planin’ny lapa makabeana tany Gazera’.” Nihevitra i Macalister fa ireo sisan-javatra avy amin’io “lapa” io dia tany amin’ny andron’ny fikomian’ny Makabeo (taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana). Nefa kosa, nihevitra i Yadin fa io sary tranainy io dia angamba nampiseho ‘ny rindrin’ny andohalambo vato iray any ambanin’ny tany, vavahady ivelany, ary ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, dia izay mitovy amin’ny antsasaky ny vavahady tsy misy valaka amin’ireo hita tany Megido sy tany Hazora’. Naelin’i Yadin ny lahatsoratra izay nanazavany izany famantarana rehetra izany. Taorian’izany dia nanao fikarohana tany Gazera i William Dever. Inona no hitany? Nanoratra toy izao tamim-pihetseham-po lalina izy: “Tena nanorina indray an’i Gazera marina tokoa i Solomona!” Araka ny nanambaran’i Yadin azy, “tsy misy isalasalana mihitsy, tsy vitan’ny hoe nofongarin’i Dever sy ireo mpiasany ny tapany faharoa amin’ilay vavahady, fa ny fandinihana ny soson-tany mifanongoa sy ny fitaovana vita tamin’ny tanimanga dia nitondra porofo tsy azo lavina fa ny rehetra dia naorina tamin’ny andron’i Solomona”.
Nohazavaina àry ilay ankamantatra. Ny amin’izany dia izao no nasain’i Yadin nomarihina tao amin’ny The Biblical Archaeologist (Boky faha-33, 1970, 3): “Io teny fohy ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka ao amin’ny Baiboly io dia nahafahana nahita ny toerana sy ny fotoana nisian’ireo fanorenana mafy ireo, natsangana tamin’ny andron’i Solomona, modely iray ho an’ny tanàna telo.” “Toa miharihary fa tsy mbola nisy mihitsy fotoana teo amin’ny tantaran’ny arkeolojia nanamoran’ny teny toy ny ataon’ny 1 Mpanjaka 9:15 ny fampahafantarana ny karazana sy ny fotoana nisian’ny trano lehibe tao amin’ny maromaro amin’ireo antontan-tsisan-javatra lehibe indrindra.”
[Sary, pejy 25]
Niankina tamin’ny 1 Mpanjaka 9:15 ireo arkeology ary nahita tany Hazora vavahady iray nanana refy sy bika nitovy tamin’ilay tany Megido.
[Sary, pejy 26]
Sary nalaina avy eny amin’ny fiaramanidina mampiseho ny vavahadin’i Gazera. Ny sary nataon-tanana dia manondro izay hita tamin’ny voalohany (amin’ny tsipika matevina) sy izay hita enimpolo taona teo ho eo tatỳ aoriana (amin’ny tsipika tapatapaka).
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana Akaiky)
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Tantaran’ny any Atsinanana Akaiky)