FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/11 p. 21-23
  • “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony manosika azy
  • Inona no tokony hoeritreretina alohan’ny hiaingana?
  • Zava-misakana inona tokony horesena?
  • Fifaliana inona avy no hoentin’izany?
  • Manana Finoana Tahaka ny An’i Abrahama ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • “Tokony Hifindra Monina ve Aho?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • “Mampahereza ny Fonareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/11 p. 21-23

“Mialà amin’ny taninao sy ny havanao”

TAMIN’NY NOVAMBRA 1981, Tony sy Margaret vadiny dia nandao an’i Angletera niaraka tamin’ny zanany roa 9 sy 11 taona, mba hiorim-ponenana any andrefan’i Irlanda. Noho ny zava-kendrena inona? Mba handeha hanohana ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Taorian’ny herinandro vitsivitsy dia nisy fahasahiranana nitranga: nahery vaika indrindra ny ririnina ary tsy voafaritra tsara ireo vinavinan’asa. Nanangana orinasa manadio aty lafaoro àry i Tony. Noho izy tsy nanana fanandraman-javatra dia rakotry ny lavenona izy rehefa nody tany an-tranony taorian’ny andro iray niasana mafy. Alao sary an-tsaina ny nanjo azy indray takariva, rehefa hitany fa nandry ny rano tany amin’ireo lakan-drano ary tsy nisy rano afa-tsy eran’ny kafitera kely hisasana! Mitantara toy izao i Tony: “Tao anatin’ny fotoana fohy dia nanontany tena aho hoe: nahoana àry izahay no nifindra mba hiorim-ponenana lavitra ny misy anay sy ny ray aman-dreninay.”

Mitaky finoana matanjaka ny hoe handao ny havana sy ny sakaiza mba hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa, ary avy eo, dia haharitra amin’izany na dia eo aza ny zava-manahirana samy hafa. 4 000 taona lasa eo ho eo izay, dia naneho finoana toy izany ny lehilahy iray. Izany dia i Abrahama patriarka. Nanambara toy izao ny aminy i Stefana mpianatra: “Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana, ka nanao taminy hoe: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao’.” — Asan’ny apostoly 7:2, 3.

Marina fa tsy mangataka ny hialan’ny olona manokana amin’ny taniny Andriamanitra ankehitriny. Na dia izany aza, dia kristiana an’arivony maro, tahaka an’i Abrahama, no nandamina ny fiainany mba hahatongavana any amin’izay hahafahany manompo tsara kokoa ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 24:14; 28:19, 20; Romana 10:13-15). Manaiky izy ireny fa “ny tanimbary dia izao tontolo izao” ary toerana maro no mila fanampiana mitombo (Matio 13:38). Noraisin’izy ireo tamin-kafanam-po, toy ny nataon’i Isaia, izao fanasan’i Jehovah izao: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Izy ireo koa dia nahatsiaro ny tenany ho voatosika hamaly hoe: “Inty aho, iraho aho.” — Isaia 6:8.

Ny antony manosika azy

Nefa iza moa ireo kristiana ireo? Tsy ao anatin’ny fari-taona na ny laharana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina voafaritra tsara akory izy ireo ary tsy mihambo koa ho manana fanomezam-pahasoavana manokana. Tsia, naniry tsotra fotsiny hametraka ny fiadanany sy ny faniriany manokana eo amin’ny toerana faharoa izy mba hiasana bebe kokoa ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Amin’izany izy ireo dia manahaka an’i Abrahama, izay nandao an’i Ora, tanàna be harena sy mahafinaritra, mba honina an-day any an-tanin’olona. — Hebreo 11:8-10.

“Fantatray ny ilàna hanao betsaka indrindra mety ho vita mba hanompoana an’i Jehovah”, hoy ny nambaran’ny mpivady iray izay niova fonenana tamin’ny 1983, niaraka tamin’ny zanany zatovolahy roa. “Nahatsapa fihetseham-po toy ny nananan’i Paoly apostoly izay nanoratra toy izao izahay: ‘Efa fohy ny andro’; nanapa-kevitra àry izahay ny ‘hita hankany Irlanda’ mba hanohana ny asa tanterahina ao amin’io tany io.” (1 Korintiana 7:29; jereo Asa. 16:9). Ny fandikan-tenin’ny Soratra Masina malalaka iray (Testamenta Vaovao, famoaham-boky Farel) dia nandika ny tenin’ny apostoly 7:29 hoe: “Ny tena zava-dehibe ny hahatsiarovana azy dia ny hoe efa fohy ny fotoana tavela”, izany dia mampihena ny fahafahana ananantsika mba hanatanterahana ny asan’ny Tompo. Kristiana mahatoky maro no nankany amin’izay nilàna azy satria naniry hanararaotra ireny fahafahana ireny sao diso aoriana loatra sy hampiasa amin’ny fomba tsara indrindra izany fotoana sarobidy izany.

“Noheverinay fa fomba tsara izany mba ‘hahefana be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’.” (1 Korintiana 15:58). “Nirinay ny hanompo an’i Jehovah any amin’izay hilàna anay indrindra.” “Novinavinainay fa afaka mifindra toerana izahay raha eo amin’ny lafiny ara-bola ary hitanay fa tsy ho tsara ny hijanonana eo an-toerana raha mety hisy hilàna anay any an-toeran-kafa.” Izany raha ambara amin’ny teny vitsivitsy ny fihetseham-pon’ny kristiana maro izay nandamina ny fiainany mba hanompoana bebe kokoa. Nalatsany am-po ity famporisihana hita ao amin’ny Ohabolana 3:9, 27 ity: “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra. Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany.” Rehefa avy nandinika lalina ny toerany izy ireo dia nanatsoaka hevitra fa ‘azon’ny tanany atao’ ny mizara soa maharitra amin’ny mpiara-belona aminy any amin’ny faritra hafa amin’ny gilaoby. — Jereo koa Romana 1:14, 15; Lioka 10:27-37.

Mety hamela anao hihevitra fifindrana toy izany ny tarehin-javatra misy anao? Raha izany no izy, toy ny efa nataon’ny hafa, dia hodinihinao amim-pahalianana ireto fanontaniana manaraka ireto.

Inona no tokony hoeritreretina alohan’ny hiaingana?

Resaho amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasionanao aloha ny fikasanao ary raiso ny heviny (Ohabolana 24:6). Raha toa, noho ny antony maro samy hafa, ka tsy fahendrena loatra ny hanaovana izany noho ny toerana misy anao, dia hanampy anao hamakafaka amim-pahiratan-tsaina ny tarehin-javatra izy ireo. Ilaina indrindra ny hananana fahasalamana ara-panahy tsara mba tsy hahatongavana ho enta-mavesatra fa ho tena fanampiana kosa any amin’ilay faritany vaovao.

Avy eo dia mifandraisa amin’ny sampana izay mitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ilay tany izay nokasainao hitoerana, na, raha toa ka hiova faritra fotsiny no novinavinainao dia amin’ny sampana ao amin’ny taninao. Araka izay azo atao dia tongava eny amin’ilay toerana mba hifankazaranao amin’ny faritra manodidina sy ny mponina alohan’ny hanapahanao hevitra farany.

Fakafakao koa ny antony manosika anao. Nandao ny taniny i Abrahama, netsehin’ny faniriana mafy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny fitiavana hisetra zava-tsarotra na noho ny haitraitra. Diniho amim-pitandremana avokoa ny lafin-javatra voakasika rehetra. Mety hisy fahasahiranana ve amin’ny fiteny? Afaka ny hizatra mora ihany amin’ny fomba fiaina vaovao sy ny toetr’andro hafa ve ianao? Mitaky fikarakarana manokana ve ny fahasalamanao? Moa ve ny fianakavianao manontolo manohana tsy miahotrahotra io fikasana io? Efa nanao fandaharana sasantsasany ve ianao eo amin’ny lafiny ara-bola mba hahombiazan’io fikasana io? (Jereo Lioka 14:28.) Ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa dia tokony hodinihina amim-pitandremana ao amin’ny vavaka. — Efesiana 6:18.

Zava-misakana inona tokony horesena?

Mety tsy handresy zava-manahirana sasany ianao na dia alohan’ny hifindranao aza. Marina tokoa fa tsy hitovy fijery aminao ny olona rehetra. Angamba handre teny misy fandavana na tsy voahevitra ianao. Aza hadinoina àry fa ny tenan’ny apostoly Petera aza dia nanana fihetsika ratsy rehefa nandre izay hitranga amin’i Jesosy. Tsy nampahery azy mba hifikitra mafy amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy fa nilaza taminy kosa hoe: “Sanatria aminao izany [Manàna hatsaram-po amin’ny tenanao, MN ], Tompoko! Tsy ho tonga aminao tokoa izany!” Araka ny ohatr’i Jesosy dia aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hanaiky ho kivy amin’izany teny mampijery ny lafy ratsin-javatra izany. — Matio 16:22, 23.

Rehefa tafapetraka ianao, dia mety hanelingelina anao ny tsy fahazakana ny toe-tany. Nefa ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny olona izay mila ny mandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia hanampy anao handresy. Ho afaka hampihena fahasahiranana maro ianao raha ataonao tena fonenanao ny faritaninao vaovao ka tsy mampitaha azy amin’ilay nisy anao teo aloha ianao, satria tsy manao afa-tsy ny miteraka alahelo izany. Ao anatin’ny fahasahiranana dia aza hadinoina ny fanasana nataon’i Jehovah ao amin’ny Malakia 3:10: “Izahao toetra amin’izany Aho (...) raha tsy hovohakò ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.”

Fifaliana inona avy no hoentin’izany?

Hampitombo ny hatsaran’ny fanomponao ny fandraisana anjara be kokoa amin’ny fitoriana. Ho tonga mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra mahomby kokoa ianao, ka hitondra soa ho anao sy izay mihaino anao izany (1 Timoty 4:15, 16). Tombontsoa toy inona ny mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano sy ny manampy olona tso-po ho afaka amin’ny fampianaran-diso manana fiandohana babyloniana! Hahatsapa fifaliana toy ny an’ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao ho an’izay nampiany ho tonga kristiana ianao: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo va?” (1 Tesaloniana 2:19, MN ). Eny, fifaliana sy fitahiana toy inona ny manampy olona sy kongregasiona hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy!

Nantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah i Abrahama satria nankatò avy hatrany ireo toromarik’Andriamanitra izy (Jakoba 2:21-23; Isaia 41:8). Afaka manamafy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra koa ianao. Raha mbola mikely aina amin’ny fanompoana Azy ianao, dia hahatsapa fa manampy anao izy ary mikarakara anao. Ho takatrao lalina kokoa ny hevitr’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah.” — Salamo 34:8.

Marina aloha fa tojo fahasahiranana maro i Tony, Margaret sy ny zanany rehefa niorim-ponenana tany amin’izay hahafahany manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Na dia izany aza, noho ny fanampian’i Jehovah, dia noreseny avokoa izany rehetra izany. “Tsy navelanay hanamatroka ny fifalianay ireo fanakantsakanana, hoy ny fanazavan’izy ireo. Ny tarehin-javatra tsy maintsy natrehinay dia nampianatra anay hiantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah. Hitanay niasa izy tamin’ny fisehoan-javatra rehetra ary niempo tsirairay ny olana nipetraka taminay, toy ny ranomandry taninin’ny hainandro.” Amin’izao androntsika izao dia mpanompon’Andriamanitra an’arivony maro no naneho finoana sahala amin’izany raha nandeha niorim-ponenana any amin’izay ilàna izany kokoa. Afaka manao toy izany ve ianao?

[Sary, pejy 23]

Ny fifampidinihan’ny mpianakavy dia handray anjara amin’ny fahombiazan’ny fikasana hifindra toerana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara