FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/4 p. 25-29
  • Ny fahamarinan’Andriamanitra — Antom-pifaliana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahamarinan’Andriamanitra — Antom-pifaliana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Sambatra izay mitandrina ny mahitsy”
  • ‘Raiso ny fifehezana mampahahendry’
  • “Marina sy ara-drariny ny fitsarany”
  • “Ny marina dia marina no harahinao”
  • Asaina ianao ho tonga ao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriam
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fivoriambe Mampientam-po Izay Mampandroso ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/4 p. 25-29

Ny fahamarinan’Andriamanitra — Antom-pifaliana!

“MIHIRÀ (...): ‘Indro ny Mpanjaka! Aoka hifaly ny tany sy ny lanitra!’ ” Mpanatrika arabo, espaniola, grika, italiana sy portiogay teo amin’ny 9 000 tafavory tao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra, natao tany Montréal (Kanada), no nanao izany hira izany. Nifanizina teo amin’ny ahi-maitson’ny kianja olympika ny rehetra mba hiredona ny hira famaranana tamin’io fivoriambe naharitra efatra andro io, niaraka tamin’ny mpanatrika hafa 36 900 efa teo. Nanaraka io fivoriambe io koa ireny antokon’olona samy hafa fiteny ireny tao amin’ny efitrano teny akaiky. Izao izy ireo dia niaraka tamin’ireo mpanatrika frantsay sy anglisy tamin’ny fientanam-pirahalahiana sy fahatokiana nampihetsi-po, fientanana tsy mety ho hita afa-tsy eo amin’ireo mpanompon’ilay Andriamanitry ny tena fahamarinana, dia Jehovah. Noho ny tsy rariny manjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny foto-kevitry ny fivoriambe — “Ny fahamarinan’Andriamanitra” — dia tena tamin’ny nilana azy. Io foto-kevitra io, novelabelarina tao anatin’ireo lahateny, dia nampitombo ny fankasitrahanay noho io toetra lehibe ananan’i Jehovah Andriamanitra io.

“Sambatra izay mitandrina ny mahitsy”

Izany no foto-kevitra tamin’ny andro voalohan’ny fivoriambe (Salamo 106:3, MN ). Ny lahateny fanokafana nataon’ny prezidà dia nampiseho mazava fa ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy natao hampiharana amin’ny fomba mangatsiaka fotsiny ny fahefany hitsara, fa natao hiarovana ny zo amin’ny fomba tsy miangatra sy araka ny rariny, mifanaraka amin’ireo fitsipik’Andriamanitra. Manonona ireo fotopoto-pitsipika ambony indrindra Jehovah, ary tanteraka amin’ny fahamarinana izy satria mifikitra amin’ireny fitsipika ireny. Noho izany dia azo atao ny milaza fa “ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”. — Deoteronomia 32:4.

Nasongadina indray izany tao amin’ny lahateny fototra mitondra ny lohateny hoe: “Rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra rehetra”. Tsy niala mihitsy tamin’ireo fotopoto-pitsipiny marina Jehovah. Nanaraka hatrany ny lalan’ny rariny kosa izy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olombelona tsy tanteraka rehetra (Malakia 3:6). Na dia nihevitra an’Andriamanitra tamin’ny fomba diso ho manao ny tsy rariny aza ny sasany noho ny tsy fisian’ny rariny mahavaky vava eo amin’ny fitambaran’olona, dia tsy tompon’andraikitra amin’ny hamafian-katoky ny olona ratsy akory izy.

Koa satria tia ny rariny Jehovah, dia antenainy ny hanehoantsika an’io toetra io amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy. Tokony hampiseho izany isika amin’ny namantsika sy ny fianakaviantsika, ao anatin’ny kongregasiona sy eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoam-pivavahantsika. Mitondra soa lehibe ho antsika izany, araka ny nasehon’ireo andro telo hafa tamin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’Andriamanitra”.

‘Raiso ny fifehezana mampahahendry’

Foto-kevitry ny andro faharoa io fananarana notsoahina avy ao amin’ny Ohabolana 1:3 io. Noraisina indray izy io tao amin’ilay lahateny hoe “Ekeo ny fifehezana ka hendre”. Mamolavola ny fiainantsika ny fifehezana avy amin’i Jehovah, indrindra fa amin’ny fanatsarana ny fahaizantsika ara-tsaina sy ny toe-pitondrantenantsika. Fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika koa izany (Hebreo 12:4-11). Izany fifehezana izany dia mahatonga antsika ho afaka hifikitra hatrany amin’ireo fitsipi-pahamarinana ambony indrindra, amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

Izany fampaherezana izany dia narahin’ilay lahateny hoe “Aoka isika hitandrina ny fahadiovantsika ara-batana sy ara-panahy”. Nampieritreritra anay mafy izany. Nasehony taminay tamin-kery fa tokony hadio, tsy hisy loto sy ho masina isika mba hisehoana eo anatrehan’Andriamanitra. Inona no antony? Satria Jehovah dia Andriamanitry ny fahadiovana sy ny fahamasinana tsy manam-paharoa, ka izany dia mampiavaka azy amin’ny andriamanitr’ireo firenena maharikoriko rehetra. Ny amin’io lahateny io, dia nanao izao fanamarihana izao ny tanora kristiana iray: “Nodinihina daholo izay rehetra mahakasika ny fahadiovantsika ara-tsaina, ara-pitondrantena, ara-batana sy ara-panahy. Fitafiana, taovolo, tokantrano, fiarakodia, toetra, nodinihina tsirairay izany rehetra izany.” Izao no nolazain’ny loholona iray: “Ny fampiharana ireo torohevitra ireo dia hahatonga an’ireo rahalahintsika ho afaka hiavaka tsy misy toy izany amin’ny manodidina sy ho salama kokoa noho ny ankamaroan’olona.”

Ilay tantara araka ny toetr’andro ankehitriny hoe “Voamarika mba ho tafita velona” dia nanampy ireo torohevitra ilaina maika dia maika nomena tao amin’ny fivoriambe. Tsy ho ela tokoa dia tsy maintsy hahazo fahafahampo ny fahamarinan’Andriamanitra. Nasehon’io tantara io mafy fa ilain’ny tsirairay avy maika dia maika ny hampihiratra ny masony ho amin’ny hevitry ny androntsika. Eny, alohan’ny hanafoanana ny fivavahan-diso, dia tokony hihazakazaka ho any amin’ny toeram-pialofana isika ka ho voamarika mazava ho amin’ny fahatafitana velona.

Ny tolakandro, dia mpandahateny maromaro no nampiseho ny ilàna ‘hifehezana ao amin’ny fahamarinana eo anivon’ny fianakaviana’. Nampirisika ireo lehilahy vady sy ray izy ireo mba hanomana fandaharana asa ara-panahy ho an’ny fianakaviany, hitarika azy raha ny amin’ny vavaka, ny fianarana sy ny asa masina. Ny tanjaky ny ray sy ny fomba fitarihany tokoa dia misy vokany miavaka eo amin’ny fiheveran’ny zanaka ny fahefana, na ny an’Andriamanitra na ny an’olombelona. Tokony hampihatra fifehezana ara-drariny sy mifandrindra àry ireo ray kristiana. Ilainy ny miseho ho mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy mafana mba hitanana ny fifampiresahana malalaka amin’ireo zanany.

Nampirisihina ireo ray aman-dreny mba hanome fampianarana mifanentana amin’ireo zanany. Zava-dehibe ny hanaovana izay hahatonga azy ireny hahira-tsaina amin’ny fieritreretana ny fomba hampianarana azy sy ireo zavatra tokony hodinihina, mba hanohinana ny fony. Ny zava-kendrena dia ny hampanan-kery ny fahamarinana eo amin’ny fianakaviana manontolo mba hahasoa azy.

Ny mpandahateny farany tamin’io fitohitohizan-dahateny io dia nananatra tamin-kafanam-po ny zanaka mba hanao izay antenain’i Jehovah aminy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana. Nampirisika azy ireny izy mba hanary ny fitiavana fikomiana eo amin’ny fitambaran’olona moramorainy ka ho faly mandray ny fifehezana manome fahiratan-tsaina.

Tamin’ny fampiasana ny andinin-teny ao amin’ny Ohabolana 2:1-9, rehefa avy eo ny mpandahateny iray dia nampirisika ny mpanatrika “hanohy hikatsaka harena afenina”. Nampitaha ireny harena ireny tamin’ny vatosoa ara-panahy mety ho hita noho ny fianarana sy ny fikarohana amim-paharisihana izy. Tao amin’ilay foto-dresaka hoe “Aoka isika hitady fahiratan-tsaina eo anilan’i Jehovah”, dia nanazava ilay mpandahateny fa ny fahiratan-tsaina dia ny fahaiza-mahatakatra tarehin-javatra iray, mahita mihoatra noho ny miharihary sy mahazo hevi-javatra (Matio 13:13-15; Romana 3:11; Efesiana 5:17). Tonga tamin’ny fara heriny io andro nahafinaritra io rehefa nampifandraisina an-tariby tamin’ny tanàna maro hafa tany Kanada sy Etazonia ny kianja olympika. Namarana an’ireo lahateny roa ireo ny filazana ny namoahana amin’ny teny anglisy, boky iray misy fizarana roa mitondra ny lohateny hoe Manome fahiratan-tsaina ny fahalalana ny Soratra masina. Io boky 2 500 pejy mahery io dia mirakitra lahatsoratra sy sary ahitana fianarana izay hahatonga antsika hankamamy bebe kokoa ihany ireo raharaha ara-panahy.

“Marina sy ara-drariny ny fitsarany”

Io fanambarana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 19:2 (MN ) io no foto-kevitry ny andro fahatelo, izay nitondra antom-pifaliana maro ho antsika. Niantefa tamin’ny fomba mahery tamin’ny tanora ilay lahateny hoe “Ny fahadiovana ara-pitondrantena: hasoan’ny fahatanorana”. Nampirisihiny izy ireny hihevitra ho sarobidy ny hasoa avy amin’ny fanajana ireo fitsipik’Andriamanitra momba ny fahadiovana ara-batana sy ara-pitondrantena ary ara-panahy. Ireo tanora kristiana dia mifanehatra mandrakariva amin’ny hirahira mahamenatra, ny zavatra maloto alefa ao amin’ny televisiona, ny sarimihetsika sy boky maloto ary ny fitaoman’ireo namany. Nolazaina fa maningana ny mpitovo tanora iray raha mbola tsy nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy teo amin’ny faha-19 taonany. Nirefodrefotra anefa ny tehaka teo amin’ny mpanatrika rehefa nidera ireo Vavolombelona tanora an’arivony maro maningana amin’ny fitanana fari-pahamarinana ambony ny mpandahateny. Miteraka fahasahiranana ny fanambadiana aloha loatra. Nanazava ny mpandahateny fa ny tenin’i Paoly manoro hevitra an’ireo “maimay” mba hanambady dia tsy natao ho an’ny zatovo, fa ho an’ireo izay “efa nandalo ny fivelaran’ny taona”. — 1 Korintiana 7:9, 36, MN.

“Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” Izany no lohatenin’ny lahateny nanaraka. Amin’ny fanarahana ny baikon’Andriamanitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany” no hitsimbinan-tena amin’ny fahasahiranana (1 Korintiana 7:39). Afa-tsy izany koa, dia tsy misy na inona na inona manamafy ny fanambadiana toy ny fanompoam-pivavahana atolotry ny mpivady ho an’i Jehovah sy ny fanajany ireo fotopoto-pitsipiny marina. Nampiana izahay rehefa avy eo hahatakatra fa tokony ‘haneho fanajana sy tahotra mampiseho fitiavam-pivavahana’ isika.

Avy eo dia tonga ny fotoana nahafaly tokoa: ny lahateny hoe “Hanamarinana anao ny batisa”, narahin’ny fandrobohana olona vao nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Nohamafisina tamin’io lahateny io fa mihoatra noho ny fanariana ny fahalotoan’ny nofo fotsiny no nantenaina taminy. Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fanoloran-tenany sy ny batisa ny fibebahana sy fiovana ary fiainana voatokana ho amin’ny asan’Andriamanitra mba hahazoana fanamarinana avy amin’i Jehovah.

Fahatsiaro indrindra ny fotoam-pivoriana ny tolakandro. Tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-tariby indray, dia nisy mpikambana ao amin’ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah namelombelona vetivety ireo mpanatrika tafavory tao amin’ny tanàna samy hafa any Amerika avaratra, tamin’ny fitohitohizan-dahateny nafana nitondra ny lohateny hoe “Akaiky ny fotoana voafetra”. Hatramin’ny am-polony taona maro, ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra dia manambara ny hafatra fanamelohan’Andriamanitra an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Nihamafy anefa izany hafatra izany tamin’io fivoriambe io. Meloka ho nandika ireo didin’i Jehovah ara-drariny Babylona Lehibe. Mendrika ny fandringanana izy, satria “ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony”. Noho izany antony izany, araka ny nolazain’ny anjelin’i Jehovah, “dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo [Jehovah, MN ] Andriamanitra, Izay nitsara azy”. — Apokalypsy 18:5, 8.

Rehefa nampiseho ny foto-kevitra hoe “Ilay ‘vehivavy janga’ ratsy: ny fianjerany sy ny fandringanana azy”, ny mpandahateny farany tamin’io fitohitohizan-dahateny io, dia nanintona ny saina ho amin’ny fiafarana lehibe voalazan’ny Apokalypsy. Izany fiafarana izany dia mifanitsy amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry tafaray amin’ny ampakariny, dia ny tanàna masina, mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Hamasinina ny anaran’i Jehovah. Nofaranana ilay fitohitohizan-dahateny tamin’ny fanambarana nampihetsi-po nanamarina fa akaiky tsy araka izay angamba iheverantsika azy ny fotoana voafetra. Tsy azo lavina fa akaiky ny fiafarana lehibe voalazan’ny Apokalypsy.

Mbola tsy nitsahatra ny nitehaka ny mpanatrika raha nambara ny famoahana boky vaovao 320 pejy mitondra ny lohateny hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!. Fifaliana re izany! Azo antoka fa io boky io dia hahatonga antsika ho afaka hanambara amin’ny fomba mandaitra fa voaheloka Babylona Lehibe, fa madiva hofoanana ao Haramagedona ireo firenena ka tsy ho ela Jehovah dia hampihatra ny didim-pitsarany. Aoka ny olona velom-pankasitrahana rehetra hamaly ny fanasana alefan’ny “Fanahy sy ny ampakarina” mba ‘ho avy’ eo amin’ny ranon’aina (Apokalypsy 21:2, 9; 22:17)! Ny fanambarana ny famoahana an’io boky mahavariana io dia narahin’ny fisehoan-javatra mahafaly hafa. Tamim-pifaliana sy fiaikena dia niray feo ireo mpanatrika mba handany fanapahan-kevitra iray mazava dia mazava sy feno fahatsorana tokoa nilazana fa maharikoriko antsika tokoa Babylona Lehibe.

“Ny marina dia marina no harahinao”

Io foto-kevitra io, notsoahina avy ao amin’ny Deoteronomia 16:20, no an’ny andro farany. Nohamafisin’ireo mpandahateny tamin’ny fotoam-pivoriana maraina fa tokony ho hafa noho izao tontolo izao isika mba handraisan-tsoa amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Ohatra, ilay lahateny hoe “Aoka harovantsika ny fahasalamantsika ara-panahy eo amin’izao tontolo izao marary” dia nanazava fa azontsika atao ny tsy ho voaloton’izao tontolo izao tsy salama ara-panahy amin’ny fitandremana mba hanohitra ireo fahalemen’ny nofontsika, ny fitaoman’izao tontolo izao ary “ny fanangolen’ny devoly”. (Efesiana 6:11, 12; Romana 7:21-25; 1 Jaona 2:15-17.) Ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Manameloka izao tontolo izao ve ny finoanao?” dia nampiseho fa raha manana finoana tahaka ny an’i Noa isika, dia hiavaka amin’izao tontolo izao. Tamin’ny andron’i Noa dia nisy tsy fitoviana hentitra teo amin’ireo ho tafita velona tamin’ny safodrano sy ireo ho ringana. Toy izany koa amin’izao andro izao.

Nosoritana io hevitra lehibe io tao amin’ilay tantara araka ny Baiboly hoe “Ny didim-pitsaran’i Jehovah manohitra ny olona mpankahatra lalàna”. Ireo mpandika lalàna tamin’ny andron’i Noa sy Lota dia nampitahaina, tamin’ny fomba velona, tamin’ny olona miaina amin’izao androntsika izao. Nanava-tena tanteraka tamin’ny olona nanodidina azy Noa sy Lota, ka nanameloka ireny olona ireny ny finoan’izy ireo. Moa ve ny tenantsika miavaka amin’ireo voatanan’ny zavatra ara-nofo amin’izao andro izao ka tia ny ratsy?

Ilay lahateny ampahibemaso hoe “Ny rariny ho an’ny rehetra noho ilay mpitsara voatendrin’Andriamanitra” dia nanao famakafakana nahaliana ny lahateny nataon’ny apostoly Paoly teo anatrehan’ny Ateniana tao amin’ny Areopago, na havoan’i Marsa. Ny tenin’ilay apostoly dia misy heviny lehibe ho antsika izay velona eo amin’izao tontolo izao ampiharana ny tsy rariny an-karihary sy ananan’ny fivavahan-diso hery lehibe. Rariny tokoa raha hifaly isika, satria miaina amin’ny fotoam-pitsarana tena lehibe ary afaka manao zavatra mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Eny, araka ny nolazain’i Paoly, Jehovah dia mihevitra ny ‘hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray [Jesosy Kristy] voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty”. — Asa. 17:31.

Rehefa nadiva hifarana ny fivoriambe, dia nahazo izao fampaherezana izao izahay: “Katsaho ny fahamarinana, akaiky ny farany.” Nanosika anay mafy hanao toy izany io fivoriambe nahafinaritra efatra andro io. Nomeny anay koa ny fahafahana hahita ny halehiben’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany voaforontsika. Ohatra, toy inona moa ny fifaliana nihaino misionera izay manompo amim-pahatokiana ao amin’ny faritaniny hatramin’ny taona maro!

Rehefa nifarana ny fivoriambe, dia tapa-kevitra tsy nisy toy izany izahay ny hisaraka hatrany amin’izao tontolo izao ka hitoetra ho madio eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pitondrantena ary ara-tsaina sy ara-batana. Nampirindra ny feonay tamin’ny hira famaranana izahay, faly nihira fiderana an’i Jehovah sady feno fankasitrahana noho ny fahamarinan’Andriamanitra izay antom-pifaliana lehibe ho anay.

Tany amin’ireo fivoriambe natao tany Etazonia fotsiny — nisy 125 mahery tamin’izany — dia 1 440 932 ny isan’ny mpanatrika ary 19 878 ny batisa.

[Sary, pejy 26]

1, 2. John Barr sy Lloyd Barry, anisan’ny Kolejy foibe, manambara ny famoahana ny boky Manome fahiratan-tsaina ny fahalalana sy Soratra masina (anglisy) sy La Révélation: le grand dénouement est proche! Tao amin’ny Yankee Stadium (New York).

3, 4. Fampisehoana ilay tantara araka ny Baiboly hoe “Ny didim-pitsaran’i Jehovah manohitra ny olona mpankahatra lalàna”.

5. Olona an’arivony maro no natao batisa ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra.

6. Fampisehoana ilay tantara araka ny toetr’andro ankehitriny hoe “Voamarika mba ho tafita velona”.

7. Nisy misionera, tahaka an’i John Cutforth, avy any Papouasie-Nouvelle-Guinée, nitantara tamin’ny mpanatrika ny sasany tamin’ny zavatra niainany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara