FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/3 p. 26-28
  • “Ny fetin’i Masindahy Nicolas” — Avy aiza no niaviany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Ny fetin’i Masindahy Nicolas” — Avy aiza no niaviany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Masindahy” Nicolas sy Odin
  • Ny fombafombam-pivavahan’ny fahavokarana amin’ny andro ankehitriny
  • Ny fanapahan-kevitra tokony hataon’ny mpivavaka marina
  • ‘Io no Anaran’Andriamanitra Miavaka sy Masina Indrindra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ahoana no Niandohan’ny Krismasy?
    Mifohaza!—2010
  • Fety
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Inona no Maharatsy ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/3 p. 26-28

“Ny fetin’i Masindahy Nicolas” — Avy aiza no niaviany?

MANDEHANA mamaky ny araben’i Belzika eo amin’ny fiandohan’ny volana desambra, dia hahita zavatra mahavariana ianao: andian’ankizy mandeha isan-trano sady manao hira miady rima fohy antsoina hoe: “Ny hiran’i Masindahy Nicolas”. Mamaly soa ireo zazalahy mahafatifaty ny tompon-trano amin’ny fanolorana azy ireo voankazo, vatomamy na vola.

Inona moa io fotoana io? “Ny fetin’i Masindahy Nicolas”! Any Etazonia sy any amin’ny tany hafa, i “Masindahy Nicolas” na i “Masindahy Claus” (Santa Claus) dia mifandray amin’ny andro krismasy. Saingy any Belzika, ilay “masindahy” be volombava dia manana ny fetiny manokana. Raha ny marina, i “Masindahy Nicolas” (Sinterklaas na Sint Nicolaas), izay ny fetiny dia mifanitsy amin’ny fahenin’ny volana desambra, dia iray amin’ireo “masindahy” fanta-bahoaka indrindra any Belzika sy Holandy. Maro amin’ny eglizy, trano fiangonana kely, arabe sy trano fonenana no mitondra ny anarany. Fantatra araka ny lovantsofina hoe “ilay sakaiza lehiben’ny ankizy” io “masindahy” io izay mailaka hizara fanomezana ho azy ireo amin’ny andro fetiny.

Ny takariva mialoha io andro fety io, ny ankizy madinika dia mametraka ny kirarony na kiraro fanao an-trano eo akaikin’ny fatan-dafaoro raha mbola miventy ny hira miady rima keliny izy ireo. Nolazaina tamin’izy ireo fa i “Masindahy” Nicolas sy ilay mpanompony mainty hoditra (antsoina hoe Petera Mainty) dia ho tonga io alina io amin’ny sambo avy any Espaina. Aorian’izany, ilay “masindahy” dia hitaingina ilay soavaliny volombatolalaka mamakivaky ny tampon-trano, arahin’i Petera Mainty, izay mitondra tsorakazo sy kitapo lehibe misy kilalao sy vatomamy. I Nicolas koa dia mitondra paoma, “noix” ary vokatry ny tany hafa. Matetika izy no mamela karazana bisikitra volontakatra misy zava-manitra antsoina hoe speculaas na bisikitran’ny eveka izay nahandroina tamin’ny lafaoro, nomena bikany manokana voakaly tsara.

Iza moa ireo mpandray fanomezana? Ankizy hendry nandritra iny taona lasa iny. Ireo tsy nankatò anefa, hono, dia hahazo kapoka, na, ny mbola ratsiratsy kokoa, izy ireo dia mety hataon’i Petera mainty ao anaty kitapony ary ho lasa babo! Takatry ny saina amin’izany àry fa may ny hampitony ireo mpitsidika amin’ny alina ireo ankizy. Noho izany, dia misy vera feno toaka miandry ilay “masindahy” ary karaoty iray na vaingan-tsiramamy vitsivitsy voaomana ho an’ny soavaliny.

Ray aman-dreny maro be any Belzika no mihevitra ny “fetin’i Masindahy Nicolas” ho fotoana mahafaly indrindra amin’ny taona. Ravoravo izy ireo mandinika ny endrika feno fanantenan’ireo zanany kely may ny hahita izay nentin’ilay “masindahy tsara fanahy” ho azy ireo! Noho izany, ny ray aman-dreny tsy mahalala firy ny fiandohan’ireo fomba fanao ireo, dia mampita amin’ireo taranany ilay angano. Raha nahalala ny tena marina izy ireo dia angamba ho tafintohina.

“Masindahy” Nicolas sy Odin

Manazava toy izao ny boky mitondra ny lohateny hoe Oosthoeks Encyclopedia: “Ny fankalazana [an’i Masindahy Nicolas] ao anatin’ny fianakaviana dia nipoitra avy tamin’ny fetin’ny eglizy (tafiditra amin’izany ny fanomezana tsy nampoizina ho an’ireo ankizy) izay nipoitra kosa avy tamin’ny foto-javatra talohan’ny kristianisma. I Masindahy Nicolas mandeha mitaingin-tsoavaly eny an-tampon-trano, dia ilay andriamanitra sampy antsoina hoe Wodan [na Odin]. (...) I Masindahy Nicolas koa dia mitarika ny fihazakazahana mafy natao hamangian’ny fanahin’ireo maty ny tany.”

Eny, ny Teutons dia nino fa i Odin na i Wodan, lehibe indrindra tamin’ireo andriamaniny, dia nitarika ny fanahin’ny maty hiriotra hamakivaky ny tanàna ao anatin’ny “andro ratsy roa ambin’ny folo” anelanelan’ny krismasy sy epifania (6 janoary). Ny tafio-drivotra aterak’izany dia nitondra niaraka taminy ny voa famafy any an-tsaha, izay manafaingana ny fahavokarana. Ary ahoana ny amin’ny paoma, “noix” ary vokatra hafa amin’ny fararano omena amin’ny “fetin’i Masindahy Nicolas”? Nampiseho ny fahavokarana ireo. Ireo mponina fahizay dia nino fa afaka nampitony ny andriamaniny izy ireo tamin’ny fanolorana azy fanomezana nandritra ny andro mangatsiaka, andro ririnina manjombona. Izany dia nety hampitombo ny fahavokarana ho an’ny olona, ny biby ary ny tany.

I Odin dia narahin’i Eckhard mpanompony, mpialoha lalana an’i Petera Mainty, izay nitondra tsorakazo koa. Vao tamin’ireo Taona Antenatenany, dia ninoan’ny olona fa ny hazo sy ny zavamaniry sasantsasany dia afaka nanome fahavokarana ho an’ny olona ary ny fikapohana ny vehivavy iray tamin’ny rantsan’ny iray amin’ireo hazo ireo fotsiny dia ampy hahatonga azy ho bevohoka.

Ilay boky hoe Ireo andro fety sy fankalazana ao amin’ireo Eglizy sy ny fanaom-bahoaka (holanday) dia manonona ireo fitoviana sasantsasany hafa eo amin’i Odin sy i “Masindahy” Nicolas: “I Wodan koa dia nameno ireo kiraro baoty sy kiraro hazo napetraka teo akaikin’ny fatan-dafaoro saingy tamin’ny volamena. Napetraka tao anaty kiraro hazo koa ny ahi-maina sy mololo ho an’ny soavalin’i Wodan. Natokana ho azy io koa ny amboara farany avy any an-tsaha.”

Ilay boky hoe Sint Nicolaas, nataon’i B. S. P. Van den Aardweg, dia manamarika ireto fitoviana sasantsasany manaitra hafa ireto:

“I Masindahy Nicolas dia olona lava, matanjaka mitaingina soavaly fotsy. Manana volombava lava fotsy izy, mitana tehin’ny eveka eny an-tanany, ary misy satroky ny eveka eo an-dohany (...) sy kapaoty malalaka sy mikopakopaky ny eveka.

“I Wodan dia lehilahy lava misy volombava fotsy. Manao satroka be sofina izay manakona hatreo amin’ny masony izy. Mitana lefona majika eny an-tanany izy. Mitafy kapaoty malalaka izy ary mitaingina ilay soavaliny mahatoky volombatolalaka antsoina hoe Sleipnir.

“Misy fitoviana hita maso koa ambonin’ireo: Nitaingina soavaly volombatolalaka i Wodan, namakivaky ny habakabaka ary ny vahoaka raiki-tahotra dia nanolotra mofomamy voasesika sy hena ary vokatry ny tany ho azy. I Masindahy Nicolas dia mamakivaky an-tsoavaly ny tampon-trano, ary ny ankizy dia manomana ahi-maina, karaoty ary rano ho an’ilay soavaly. Ny bisikitra misy sakamalaho sy ny tsorakazo dia sarin’ny fahavokarana taloha ela ben’ny fiandohan’ny fetin’i Md. Nicolas.”

Ny fombafombam-pivavahan’ny fahavokarana amin’ny andro ankehitriny

Maro amin’ny fanao hafa mifandray amin’i “Masindahy” Nicolas no mampiharihary koa ny fiaviany avy amin’ny mpanompo sampy. Ohatra, any amin’ny faritra avaratra, ny 4 desambra, ireo zazalahy 12 ka hatramin’ny 18 taona dia miseho eny an-dalambe. Manao fitafiana mahatsikaiky voaravaka volom-borona, akoran-driaka ary zavatra hafa fahita ao amin’ilay faritra izy ireo sady misaron-tava ka toy ny “Masindahy Nicolas kely” na Sunne Klaezjen. Mandritra ny takarivan’ny ampitson’iny dia mandimby azy ireo indray ny lehilahy 18 taona no ho miakatra. Mirenireny eran’ny arabe izy ireo amin’ny fiandohan’ny takariva. Mandroaka izay vehivavy rehetra sy ankizivavy ary ankizilahy kely mifanena aminy amin’ny kifafa sy tandrok’omby rana ary langilangy izy ireo. Asainy mandihy na mitsambikina amin’ny tehina ireo zazavavy.

Inona no zava-kendrena amin’izany rehetra izany? Mbola ny fahavokarana ihany, zavatra mitana ny sain’ireo kolontsaina fahizay mandrakariva. Vanim-potoana maizina sy mahatahotra ny ririnina, ary matetika izy io no heverina ho toy ny fotoana mampatory na mahafaty ny andriamanitry ny fahavokarana. Noheverina fa ilay zanahary dia azo nomena fiainana vaovao na fara faharatsiny, ilay andriamanitra na andriamanibavy dia nomena fanampiana ho amin’izany. Ny fanomezana, ny dihy, ny tabataba, ny kapoka amin’ny tehim-pahavokarana, izany rehetra izany dia noheverina ho fomba handroahana ireo fanahy ratsy ary hampitomboana ny fahavokarana eo amin’ny olona sy ny biby ary ny tany.

Noho izany, rehefa mitsambikina amin’ny tehina ireo zazavavy dia manahaka ny razambeny izay nino fa ny haavo nitsambikinany dia mety ho haavo izay hitomboan’ny rongonim-bazaha. Amin’ny fandroahana any ivelany ny vehivavy sy ny ankizy, ireo zazalahy dia mamelona ny fombafombam-pivavahana androahana ny fanahy ratsy.

Ny fanapahan-kevitra tokony hataon’ny mpivavaka marina

Nahoana ny fombafomba toy izany no nanjary anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Satria taonjato maro lasa izay, ireo misionera dia tsy nanantitrantitra fa ireo olona niova finoana tao aminy dia tokony hanaraka ity didy voalazan’ny Soratra Masina ity: “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy (...) ary aza manendry izay zavatra tsy madio.” (2 Korintiana 6:17). Tsy nanaisotra ireo fanaon’ny mpanompo sampy ny misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana raha ny tena marina fa nampaharitra ireo fanao ireo amin’ny fanovana sy amin’ny fampiasana azy. Ny fanao toy izany dia niitatra maneran-tany tatỳ aoriana.

Ireo mpifindra monina holanday izay niorim-ponenana tany Amerika avaratra dia nitondra ny fankalazana an’i “Masindahy” Nicolas niaraka taminy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia niova ho “Santa Claus” ny anarany. Ilay eveka miendrik’andriana dia niova ho rangahy mena takolaka, matavy be manao akanjo mena midorehitra. Ny satroky ny eveka nanaovany dia novana ho satroky ny zana-javatra ary ilay soavaly fotsy ho kalesin-dranomandry tarihin’ny diera. I “Masindahy” Claus anefa dia mbola mpitondra fanomezana ihany na dia nafindra ho amin’ny alin’ny Krismasy aza ny fitsidihany.

Ao amin’ireo faritra protestanta any Alemaina, ilay “Masindahy Nicolas” katolika dia nosoloana an’i “dadabe noely”, anarana tsy manavakavaka kokoa. Ireo zavatra mahaforona azy avy amin’ny mpanompo sampy anefa dia mitoetra miharihary tsy azo afenina hatramin’izao andro izao.

Nilaza i Jesosy Kristy fa “ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23.) Ho an’ny mpivavaka tso-po, ny fanao momba an’i “Masindahy” Nicolas dia mampiseho tena fihaikana: Moa ve ireo mpivavaka ireo hanohy hampaharitra ireo fanao fahiny ho amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Odin sa kosa izy ireo hiala ho afaka amin’ny soritra navelan’ny mpanompo sampy? Izao no fotoana tsara hiheverana ny amin’io raharaha lehibe io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Harper’s Weekly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara