FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/5 p. 25-27
  • Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika ‘hanondraka’ ireo havantsika
  • Aoka ianao ho “loharano anovozana fahendrena”
  • Avelao ny fitondrantena tsaranao no hanao ny fanambarana
  • Aza manary toky!
  • Ahoana ny Amin’ireo Havanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ahoana no Fomba Hitoriana Amin’ny Havana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • ‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/5 p. 25-27

Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao

“RANO mangatsiaka amin’ny fanahy reraka ny filazana soa avy any an-tany lavitra”, hoy i Solomona (Ohabolana 25:25). Famelombelomana manao ahoana moa no azon’ny fanahy reraka iray rehefa mihaino ny filazana soa ataonao momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa ho avy! Amin’izany no ahatongavan’ny vavanao ho “loharanon’aina”. — Ohabolana 10:11; Isaia 52:7.

Mandena ny tany ny rano ary mampitombo ireo zavamaniry, fa ny tondra-drano kosa dia mety hitondra loza. Ambonin’izany koa, raha raisina toy ny zava-pisotro mangatsiatsiaka ny rano dia mamelombelona, kanefa iza no maniry ny ho tratra ao anatin’ny orampanala na ny havandra? Koa satria noharina tamin’ny rano ny teny miboiboika avy amin’ny vavantsika, dia zava-dehibe ny hitandremantsika akaiky ny fomba fampianatsika (1 Timoty 4:16). Tokony hitandrina indrindra ny amin’ireo vokatra isan-karazan’io “rano” io isika rehefa manao fanambarana amin’ireo havantsika.

Aoka isika ‘hanondraka’ ireo havantsika

Fahiny i Rahaba dia nanokatra ny lalana ho amin’ny famonjena ho an’ny fianakaviany, ary i Kornelio dia nanao fanambarana tamin’ireo havany (Josoa 2:13; 6:23; Asan’ny apostoly 10:24, 30-33). I Andrea, rahalahiny, kosa no nahatonga an’i Petera ho mpianatr’i Jesosy (Jaona 1:40-42). Amin’izao andro izao koa, ny Vavolombelon’i Jehovah maro dia mamela ny fahamarinan’ny Baiboly hiboiboika ho an’ireo havany. Mampanantena toy izao ny Ohabolana 11:25: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena [manondraka, MN ] dia mba holemana [hotondrahana, MN ] kosa.”

Naniry ny hizara ny finoany vaovao tamin’ny ray aman-dreniny, sy ireo anadahiny ary ireo anabavany tany Philippines ny vehivavy iray nonina tany Eoropa. Mitantara toy izao izy: “Noresahiko isaky ny taratasy rehetra nalefako tany aminy izany. Talohan’ny batisako, dia nandefa boky maromaro ho azy ireo aho ary nanontany azy raha tiany ny hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Toy inona moa ny hafaliana rehefa nanaiky izany izy ireo! Ankehitriny dia manompo an’i Jehovah ny valo amin’izy ireo. Nahita vokatra tsara ny Vavolombelona sasany tamin’ny fandefasana famandrihana fanomezana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ho an’ireo havany.

Ahoana kosa anefa raha tsy mampiseho fahalianana ireo mpianakavinao? Tao anatin’izany tarehin-javatra izany i Jesosy, satria nisy fotoana izay ‘tsy ninoan’ny rahalahiny azy’. Tatỳ aoriana, anefa, dia “niray saina naharitra nivavaka” niaraka tamin’ireo apostoly izy ireo (Jaona 7:5; Asan’ny apostoly 1:14). Nahoana no niova toy izany ny fony? Miharihary fa tsy maintsy nomen’i Jesosy fanampiana ireo havany talohan’ny niakarany ho any an-danitra. Tamin’ny fomba ahoana? Nampiany izy ireo mba hahazo finoana tamin’ny fisehoana tamin’i Jakoba, rahalahiny iray reny taminy (1 Korintiana 15:7). Noho izany àry dia aza mitsahatra manandrana manampy ireo havanao. Vavolombelon’i Jehovah maro no afaka niresaka tamin’ireo havany tsy mpino momba ny fahamarinan’ny Baiboly rehefa avy niandry ny fotoana mety ho amin’izany tamim-paharetana.

Ny hoe ‘manondraka’ ireo havantsika anefa dia tsy midika fa ilaina hototofana teny izy ireo. Nanao izao fanamarihana izao ny mpivady avy any Yougoslavie iray: “Eo foana ny loza ny hitory be loatra amin’izy ireo.” Nanambara toy izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Matetika ireo rahalahy no manao be loatra, ka mampiseho zotom-po tsy araka ny izy.” Nahatsiaro ny fotoana nanombohany nianatra ny Baiboly i Ludwig ka nanao hoe: “Nandritra ny ora maro nisesy dia nataoko safotry ny fanazavana momba saika izay rehetra nianarako tao amin’ny Baiboly ny reniko, ary matetika izany dia nitarika ho amin’ny fifandirana, indrindra fa tamin’ny raiko.”

Aoka ianao ho “loharano anovozana fahendrena”

“Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara; fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana”, ary “ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly”, hoy ny vakintsika ao amin’ny Baiboly (Ohabolana 15:2, 28). Ny fahaiza-misaina tsara, ny fahendrena ary ny fahaiza-manavaka àry izany dia takina amintsika mba hahafahantsika manolotra teny mamelombelona sy mampahery. Rahoviana no miresaka, inona no resahina, ary firy no zavatra resahina dia samy fanontaniana lehibe avokoa.

Amin’ny andro mafana, dia toy inona moa ny famelombelomana azon’ny olona mangetaheta avy amin’ny rano mangatsiaka eran’ny kaopy! (Matio 10:42) Tsy misy kosa anefa na dia iray aza haniry ny handrarahana rano eran’ny siny eo amin’ny lohany! Nanao izao fanamarihana izao ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany notononina tetsy aloha: “Ny vokatra tsara indrindra dia azon’ireo izay manaitra ny fahalianan’ny havany amin’ny fanaovana fanambarana amin’ny fomba voafetra.” Rehefa manjary mangetaheta ny havana manohitra iray, raha azo atao ny milaza azy toy izany, ka manomboka manontany, dia mazàna izany no miafara amin’ny adihevitra momba ny Baiboly misy vokany.

Izany no vokatra azon’i Huriye, vavolombelona tiorka iray, tamin’ny famelana boky momba ny Baiboly hisokatra eo amin’ny pejy nisy lahatsoratra izay nety hahaliana ny vadiny tsy mpino. Namaky tantara ao amin’ny Baiboly tamin’ireo ankizy izy, ary — raha nihaino ny vadiny — dia nanampy fanazavana izay azon’io nandraisana soa. Indraindray izy dia nanontany fotsiny hoe: “Izao sy izao avy no nianarako tamin’ny fianarako androany. Inona no hevitrao momba izany?” Nomarihiny toy izao koa ireo fitsipi-pitondrantena narahiny: “Aoka ianao ho tony hatrany, ary aza mora tohina na misafoaka. Aza miseho ho mahay ny zavatra rehetra. Manetre tena fotsiny ary aza mitady ny ho ambony. Nanaiky ny fahamarinana momba ilay Fanjakana ny vadiny tatỳ aoriana ary ankehitriny izy dia mpanompo manontolo andro.

Nanampy maromaro tamin’ireo havany hanaiky ny finoany i Marijan. “Aza terena, fa andraso ny fotoana mety ho amin’izany”, hoy ny toroheviny. “Tokony hohajaintsika ny fangatahany mba tsy hiresahantsika aminy momba ny fahamarinana. Tsy maintsy maharitra sy mampiseho fitiavana azy isika.” Rehefa tena manohitra indrindra ireo havantsika no tena mihatra ny Mpitoriteny 3:7. Milaza io andinin-teny io fa “ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. Izany dia midika ho fahavononana ny hihaino ny hafa amim-paharetana, tsy hanapaka azy rehefa miteny izy, ary hanaja ny heviny. “Tsy misy tokony hahatezitra antsika rehefa miresaka amin’ireo havantsika isika”, hoy i Petar, izay nanohitra be ny fahamarinana teo aloha fa nanova ny fomba fiheviny.

Avelao ny fitondrantena tsaranao no hanao ny fanambarana

Nandritra ny taona maro dia nanome fahasahiranana ho an’ny vadiny kristiana ny lehilahy tsy mpino iray, ka tsy nampiditra azy an-trano mihitsy aza indraindray. Indray andro izy dia tezitra aoka izany, hany ka norovitiny ny boky iray tsy voampirin’ilay anabavy. Inona no nampiova ny fihetsiny? Nanazava toy izao izy: “Nanontany tena foana aho ny amin’ny antony tsy nampihozongozona ny vadiko toy izany sy ny nianteherany tamin’i Jehovah. Tsy nahita hokianina taminy aho, satria nikarakara ny trano tsara izy, ary tena vady tsara sy reny tsara ho an’ny zanakay.” Indray andro raha nitady hevitra tsara ho an’ny famelabelarana dimy minitra hasehony tany am-piasana izy, dia nomen’ny vadiny Réveillez-vous! roa. Notopazany maso tsy fidiny izy ireo, nefa dia gaga izy nahita lahatsoratra iray azony nampiasaina momba ny fanamboarana pensilihazo. Tamin’izany fomba izany no nanomboka liana tamin’ireo gazety izy. Ankehitriny io fianakaviana io dia tafaray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.

Mihatra amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana koa ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera ny vehivavy mba ‘hitaona ny vadiny, tsy amin’ny teny, fa amin’ny fitondrantena madio miaraka amin’ny fanajana lalina’. (1 Petera 3:1, 2, MN.) Rehefa nandao ireo fomban-drazana tranainy tsy araka ny Baiboly sy ny fivavahan’ireo ray aman-dreniny avy any Romania ny mpivady iray, dia nanjary nanohitra azy mafy ny fianakaviany. Namely ilay ramatoa mihitsy aza ny rafozambaviny izay nitady ny hamono hahafaty azy. “Tsy navelanay hahakivy na hahasosotra anay izany. Napetrakay tamin’i Jehovah avokoa ny fanahianay rehetra”, hoy ny fitantaran’i Nikolic. Iraika ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, ny ray aman-dreniny, ny roa tamin’ireo anabaviny, ary ny vadin’izy ireo avy dia Vavolombelona vita batisa. Inona no nanova ny fihetsiny? “Ohatra tsara dia tsara ary fitondrantena kristiana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy nandany fotoana be hiresahana ny amin’ny fahamarinana taminy izahay, fa niezaka ny hampihatra izany teo amin’ny fiainanay.”

Aza manary toky!

Mitondra hafaliana lehibe dia lehibe ny fahitana havana manomboka manompo an’ilay Andriamanitra marina. Kanefa ahoana kosa raha manohy manohitra ny sasany? Inona no tokony ho fihetsikao? Hitan’i Jesosy mialoha fa hitondra fisaratsarahana mahery vaika eo amin’ny mpianakavy indraindray ny fanompoam-pivavahana marina (Matio 10:34-37). Nafoin’ny fianakaviany iray manontolo i Marica rehefa tonga iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Na dia tsy nilefitra mihitsy aza izy raha ny amin’ny fanompoam-pivavahany, dia nanaiky ihany izy fa “na dia ireo havana aza dia manana zo hanana ny fomba fiheviny manokana”. Ny fihetsiny àry dia nanosika azy ireo hanaja azy indray toy ny teo aloha.

Takatr’i Ludwig fa nanana adidy ho tia ny ray aman-dreniny izy na dia afaka nifidy ny hanaraka fomba fiaina hafa noho ny azy aza izy ireo. Tsy nitsahatra ny nampahatsiahy ny tenany andinin-teny ao amin’ny Baiboly nifanentana taminy toy ireto izy: “Manajà ny rainao sy ny reninao”; “aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira”; “aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo (...) amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”; ary “tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo”. (Efesiana 6:2; Kolosiana 4:6; 1 Petera 3:15; 2 Timoty 2:24.) “Isaky ny niantso ny ray aman-dreniko an-telefaonina aho, na nitsidika azy, dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazo fahendrena, ary dia nihanalefaka tsikelikely sy nihanisy fihavanana kokoa ny fifandraisanay”, hoy ny notantarainy.

Aza manary toky ny hahita ny voan’ny fahamarinana hitsiry ao am-pon’ireo havanao. Niteny toy izao ny lehilahy anankiray izay natao batisa mba ho tonga Vavolombelon’i Jehovah 31 taona taorian’ny vadiny: “Raha mitodika ny lasa aho, dia voatery miaiky fa nampiseho faharetana be tamiko ny vadiko. Fantatro tsara fa nivavaka matetika tamin’i Jehovah ho ahy izy.”

Enga anie ireo teny avoakan’ny vavanao ka hampahatanjaka sy hanala hetaheta mandrakariva toy ny rano mangatsiaka! Eny, zarao amin’ny hafa, anisan’izany ireo havanao, “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”. (1 Timoty 1:11, MN; Fanambarana 22:17). Amin’izay no ho tanteraka ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina”. — Jaona 7:38.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara