FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/04 p. 8
  • Ahoana no Fomba Hitoriana Amin’ny Havana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fomba Hitoriana Amin’ny Havana?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana ny Amin’ireo Havanao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mahaiza Manohina ny Fon’ny Havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Ho Voavonjy “Ireo Mihaino Anao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 12/04 p. 8

Ahoana no Fomba Hitoriana Amin’ny Havana?

1 Tsy misy fifaliana lehibe noho ny hoe miditra ao amin’ny tontolo vaovao miaraka amin’ny havan-tiantsika, ka miara-manompo an’i Jehovah amin’izy ireo! Ho tanteraka izany fanantenana mahafaly izany, raha mitory amin’izy ireo isika. Mila fahaiza-mandanjalanja anefa ny fanaovana izany, mba hampahery azy ireo. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Ny olona mahita vokatra tsara indrindra dia miresaka tsindraindray amin’ilay havany, momba ny foto-kevitra izay hahatonga azy ho liana.” Ahoana no mety hanaovana izany?

2 Ataovy izay hahatonga azy ho liana: Eritrereto tsara aloha izay mety hahatonga ilay havanao ho liana. (Ohab. 15:28) Inona no zavatra mampanahy azy? Azonao atao angamba ny mampiseho aminy lahatsoratra na andinin-teny manintona momba izany. Azonao soratana na resahina an-telefaonina ilay izy, raha lavitra no misy ilay havanao. Afafazo ny voan’ny fahamarinana, nefa aza atao be loatra, ary miantehera amin’i Jehovah mba hampitombo ilay voa.—1 Kor. 3:6.

3 Hoy i Jesosy tamin’ny lehilahy iray namoahany demonia maro: “Modia any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay rehetra nataon’i Jehovah taminao sy ny namindrany fo taminao.” (Marka 5:19) Eritrereto ny tsy maintsy ho vokatr’izany teo amin’ireo havany! Tsy misy zavatra miavaka be toy izany angamba eo amin’ny fiainanao, nefa liana amin’izay ataonao sy ireo zanakao ny havanao. Mety ho afaka hiresaka bebe kokoa momba an’i Jehovah sy ny fandaminany ianao, raha mitantara amin’izy ireo ny anjara nataonao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ny fivoriambe natrehinao, ny fitsidihanao ny Betela, na zavatra niavaka hafa.

4 Mahaiza mandanjalanja: Aza miresaka zavatra be loatra, rehefa mitory amin’ny havana. Tadidin’ny rahalahy iray ny nataony fony izy vao nianatra Baiboly. Niaiky izy hoe: “Nandritra ny ora maromaro, dia nohazavaiko tamin’ny mamanay daholo ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Niafara tamin’ny fifamaliana ilay izy matetika, indrindra fa tamin’i Dada.” Raha liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny havanao, dia ataovy foana izay hahatonga azy haniry hahafantatra bebe kokoa, rehefa mamaly ny fanontaniany ianao. (Ohab. 25:7) Mampisehoa foana fanajana, hatsaram-panahy, ary faharetana, toy ny rehefa miresaka amin’ny olona eny amin’ny fanompoana ihany.—Kol. 4:6.

5 Nihevitra an’i Jesosy ho very saina ireo havany, indray mandeha. (Marka 3:21) Lasa mpino anefa ny sasany tatỳ aoriana. (Asa. 1:14) Aza kivy raha nitory tamin’ny havanao ianao, nefa tsy nandray tsara izy ireo. Mety hiova ny toe-javatra misy azy sy ny fihetsiny. Hararaoty foana ny fotoana azo iresahana zavatra mety hahaliana azy. Mety ho faly ianao hanampy azy ireo hanomboka handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay.—Matio 7:13, 14.

[Fanontaniana]

1. Nahoana no ilaina ny fahaiza-mandanjalanja, rehefa mitory amin’ny havana?

2. Hahatonga ny havantsika ho liana amin’ny fahamarinana ny fiahiantsika azy. Ahoana no hanaovana izany?

3. Liana amin’izay ataontsika ny havantsika. Ahoana no anararaotantsika izany mba hitoriana aminy?

4. Inona no tsy tokony hataontsika rehefa mitory amin’ny havana?

5. Inona no tokony hatao, raha tsy mandray tsara ny havantsika rehefa hitoriantsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara