FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/11 p. 10-14
  • Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny finoanao manokana
  • Mahazoa fahalalana
  • Mitomboa amin’ny fankasitrahana
  • Mandrosoa amin’ny fanompoana Azy
  • Ataovy ho Tanjonao ny Hanompo An’Andriamanitra Mandrakizay
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ry Tanora, Tiavo Hatrany ny Fanompoana An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Vonona ho amin’ny batisa ve aho?
    Mifohaza!—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/11 p. 10-14

Tanora sambatra eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah

“Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” — OHABOLANA 20:11.

1. Inona no zavatra miavaka sasany izay lazain’ny Baiboly mikasika an’i Samoela?

ANKIZY nety ho teo amin’ny telo ka hatramin’ny dimy taona teo ho eo monja i Samoela rehefa nanomboka “nanao fanompoam-pivavahana” tao amin’ny tabernakelin’i Jehovah tao Silo. Iray tamin’ny anjara asany ny “namoha ny varavaran’ny tranon’i Jehovah”. Lazain’ny Baiboly fa “Samoela zaza nitombo, sady tian’i Jehovah sy ny olona koa izy”. Rehefa lehibe izy, dia namerina ny Isiraely tamin’ny fanompoam-pivavahana marina. Nanompo an’Andriamanitra “tamin’ny andro rehetra niainany” izy. Na dia “antitra sy fotsy volo” aza izy dia mbola nampirisika ny vahoaka ‘hatahotra an’i Jehovah, ka hanompo Azy marina’. Tsy hahafinaritra ve raha afaka miteny ireo zavatra tsara dia tsara ireo momba anao ny olona, toy ny ilazan’ny Baiboly izany ny amin’i Samoela? — 1 Samoela 1:24; 2:18, 26; 3:15; 7:2-4, 15; 12:2, 24.

2. Inona no ianaran’ireo ankizy madinika any amin’ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny?

2 Raha iray amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ianao na manatrika ny fivoriana kristiana ataony, dia jereo manodidina anao ato amin’ny Efitrano Fanjakana izay anaovana ity fianarana ity. Mahita olona samy hafa taona ianao. Angamba misy olona efa “antitra sy fotsy volo”. Ao koa ny ray aman-dreny, ny tanora, ny ankizy madinika, ary na dia zaza trotroina aza. Moa ve ireo kely indrindra efa mianatra sahady? Eny. Anontanio fotsiny ireo izay nentina tany amin’ny fivoriana toy izany fony izy ireo mbola kely koa. Hilaza aminao amim-pahamarinana izy ireo fa hatramin’ny fahazazany dia nianatra ny hanaja an’Andriamanitra sy ho tia ny vahoakany ary hankamamy ny toerana nanompoana azy izy. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mianatra fahamarinana mahatalanjona ireo ankizy madinika. Tanora maro, rehefa nitombo tamin’ny fahalalana sy ny fankasitrahana, no tonga anisan’ireo ‘zatovolahy sy zatovovavy, antitra na tanora’ izay nampirisihin’ny mpanao Salamo ‘hidera ny anaran’i Jehovah, fa ny anarany ihany no misandratra’. — Salamo 148:12, 13.

3. Amin’ny ahoana ny tanora mahafantatra ny Baiboly no mijery ny fiainana amin’ny fomba hafa noho ireo izay tsy mahafantatra izany?

3 Raha tanora entin’ny ray aman-dreny any amin’ny fivoriana toy ireny tsy tapaka ianao, dia voatahy manokana. Tanora maro hafa no sahiran-kevitra noho ny zava-manahirana an’izao tontolo izao. Ny sasany mety hatahotra ny hanapotehan’ny olombelona ny tany. Fantatrao fa tsy havelan’Andriamanitra hitranga izany, tsy havelany hanimba hatrany ity planetany kanto ity ny olona. Tsy hamela izany hitranga Andriamanitra fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ kosa izy araka ny Baiboly. Fantatrao fa akaiky ny hoavy mamirapiratra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra vaovao sy marina ampanantenain’ny Baiboly. — Apokalypsy 11:18; Salamo 37:29; 2 Petera 3:13.

Ny finoanao manokana

4. Andraikitra inona no apetraky ny fahalalana ny lalan’Andriamanitra eo amin’ny tanora, ary amin’ny ahoana no ohatra tsara dia tsara ny amin’izany i Samoela zaza?

4 Tamin’ny voalohany, dia nety ho ny ray aman-dreninao no nikatsaka ny lalan’ny fahamarinana kristiana. Angamba tonga tany amin’ireo fivoriana kristiana ianao satria nentin’izy ireo, ary nety ho nandray anjara tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra ianao satria nanao izany izy ireo. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia afaka ny hanjary fifaliana manokana ho anao ny fanompoana sy ny fankatoavana an’i Jehovah. Nanome fiaingana azy tao amin’ny lalana marina ny renin’i Samoela zaza, nefa tsy maintsy nanaraka izany ny tenany manokana. Izao no vakintsika: “Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin’ny fanaony na madio sy mahitsy ny fitondrantenany.” — Ohabolana 20:11.

5. (a) Amin’ny inona no maha-sarobidy tokoa ny Baiboly? (b) Inona no nambaran’i Paoly tamin’i Timoty ny amin’ny maha-zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra voasoratra?

5 Lazain’ny Soratra masina amintsika izay ilain’Andriamanitra. Asehony mazava amintsika ny fomba fampifaliana azy, amin’ny fanomezana fahalalana sesehena izay mety hahasoa antsika tokoa. Nilaza tamin’i Timoty, tanora mpanampy azy, ny apostoly Paoly hoe: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”. — 2 Timoty 3:16, 17.

6. Inona no lazain’ny bokin’ny Ohabolana momba ny maha-zava-dehibe ny fahalalana sy ny fahendren’Andriamanitra?

6 Ilazan’ny Baiboly isika mba ‘hino anatra ka ho hendry’. Asainy ‘raketina ao am-po’ ny didin’Andriamanitra, ka ‘antsoina ny fahalalana [fahatakarana, MN ]’ ary ‘tadiavina’ toy ny fitady harena sarobidy afenina ny fahaiza-manavaka. Raha arahinao io torohevitra io, dia “ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra”. Hitantsika koa izao torohevitra izao: “Koa mihainoa ahy hianareo, anaka; fa sambatra izay manaraka ny diako; minoa anatra ka hendre, fa aza mandà. Sambatra izay olona mihaino ahy (. . .). Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’i Jehovah”. Toy izany ve ny fanombananao ny hasarobidin’ny Baiboly ary manokana karazana fiezahana toy izany ve ianao mba hianarana izay lazainy? — Ohabolana 2:1-5; 8:32-35.

Mahazoa fahalalana

7. Inona avy ireo zava-dehibe indrindra tokony hianarantsika?

7 Misy tanora sasany mahafantatra ny isa azon’ny mpandresy rehetra amin’ny fanatanjahan-tena, na afaka milaza aminao ny zavatra rehetra mikasika ny tarika mpihira ankafiziny manokana. Hitan’izy ireo ho mora hay sy mora tadidy ireny zavatra ireny satria liana amin’izany izy. Ny fanontaniana lehibe indrindra anefa dia izao: Inona no fantany mikasika an’Andriamanitra? Eritrereto fotsiny izay nataony. Nanao izao rehetra izao Andriamanitra. Nambarany mialoha izay hataon’ny olombelona sy izay hitranga, ela be talohan’ny hisehoan’ireo zavatra hitranga. Tsy ny momba an’Andriamanitra ihany no resahin’ny Baiboly amintsika fa ny amin’ny fomba azontsika ampifaliana azy koa. Asehony ny fomba hananana fiainana sambatra dieny izao sy ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolony vaovao sy marina. Moa ve izany tsy lehibe lavitra noho ny fahafantarana izay nandresy tamin’ny lalao baolina iray, na ny fianarana ny anaran’ireo mpihira izay hohadinoin’ny olona tsy ho ela? — Isaia 42:5, 9; 46:9, 10; Amosa 3:7.

8. Ohatra tsara inona no navelan-dry Josia sy Jesosy?

8 Araka ny voalaza teo aloha, rehefa feno 15 taona i Josia, mpanjaka tanora, dia “niantomboka nitady an’Andriamanitr’i Davida rainy”. Fony Jesosy 12 taona, dia hita “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra” tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy, “nihaino sady nanontany azy”.a Na firy taona ianao na firy taona, moa ve ianao nampitombo tena fahalianana marina tamin’ny fianarana ny amin’izay natao sy mbola hataon’Andriamanitra, sahala amin-dry Josia sy Jesosy? — 2 Tantara 34:3; Lioka 2:46.

9. (a) Zava-manahirana inona no hitan’ny tanora maro? (b) Inona no afaka manamora ny famakian-teny sy ny fianarana, ary hitan’ny tenanao manokana ve fa marina izany?

9 Mety hiteny toy izao anefa ianao: ‘Asa mafy ny fianarana.’ Olona maro, tanora sy be taona, no tsy namaky teny firy mihitsy mba hahamora ny vakiteniny. Arakaraka ny hamakianao teny no hahamora kokoa ny vakiteninao. Arakaraka ny hianaranao no hahamora kokoa ny fianarana. Mampifandray ny zavatra efa fantatrao amin’ny hevi-baovao ianao, ka manamora ny fahatakarana sy ny fitadidiana izany.

10. (a) Ahoana no hahazoanao soa bebe kokoa avy amin’ny fivoriana kristiana? (b) Inona no fanandraman-javatra hitanao manokana ny amin’izany?

10 Inona no afaka manampy anao hianatra bebe kokoa ny amin’Andriamanitra? Angamba afaka ny ho tonga tsy tapaka kokoa ianao amin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana. Azonao atao ve ny miomana mialoha ary mandray anjara marina tokoa? Ohatra, moa ve ianao hahazo fari-pahalalana lalina kokoa avy amin’ity fianarana ity amin’ny fijerena ireo andininy ao amin’ny Soratra masina izay voatonona fa tsy voasoratra? Moa ve ianao nanoratra teny iray na roa teo amin’ny sisim-pejy mba hampahatsiaro anao ny amin’izay anampian’ny tsirairay amin’ireny andinin-teny ireny ny fehintsoratra na ny fianarana? Moa ve ianao manana fahazarana mampiditra, fara faharatsiny, iray amin’ireny andinin-teny ireny ao amin’ny valinteny izay mampiseho ny fankasitrahanao ilay dinidinika momba ny Soratra masina? Hoy ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona izay nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka hatramin’ny taona maro: “Hitako fa sarotra ny mampifantoka ny saiko amin’izay rehetra mety ho fianarana tsy tena nomaniko tsara, nefa kosa dia fahafinaretana tanteraka ny manaraka izay nianarako tamin’ny fomba feno”.

11. Ahoana no azonao andraisana soa bebe kokoa avy amin’ny lahateny miorina amin’ny Baiboly, ary nahoana izany no zava-dehibe aoka izany?

11 Rehefa mihaino lahateny momba ny Baiboly ianao, moa ve ianao mandray an-tsoratra fohy mba hanampy anao hamakafaka ny fomba famelabelarana ilay lahateny sy mba hampifantohana ny sainao amin’izay lazaina? Moa ve ianao mampitaha izay renao amin’izay efa fantatrao, ka ahafahanao hahatakatra izany mora kokoa ary hitadidy izany tsara kokoa? Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao”. (Jaona 17:3) Moa ve tsy ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana no fahalalana tsara indrindra mety ho azonao? Mariho izay lazain’ny Baiboly mikasika izany: “Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana.” — Ohabolana 2:6, 10, 11.

Mitomboa amin’ny fankasitrahana

12. Inona ny sasany amin’ireo zavatra miavaka nataon’Andriamanitra ho antsika?

12 Moa ve isika tena mankasitraka izay nataon’Andriamanitra ho antsika? Namorona tany kanto iray sy nanomana izany ho an’ny fiainana izy. Noforoniny ny ray aman-drenintsika voalohany, ka tamin’izany dia nahatonga hety ny fahaterahantsika. Nataony izay hananantsika ny fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy avy amin’ny kongregasiona feno fitiavana iray. (Genesisy 1:27, 28; Jaona 13:35; Hebreo 10:25). Nirahiny teto an-tany ny Zanany lahimatoa mihitsy mba hampianatra antsika bebe kokoa ny amin’ny Tenany sy hanome ny avotra mahatonga ny fiainana mandrakizay hety hisy. Moa ve ankasitrahanao tokoa ny fanomezana mahatalanjona toy izany? Moa ve izany manosika anao hanaiky ny fanasany hianatra ny aminy sy hanompo azy? — Matio 20:28; Jaona 1:18; Romana 5:21.

13. Nahoana ianao no mahatsapa fa miahy ny isam-batan’olona Andriamanitra?

13 Mihevitra ny olona ilay Mpamorona izao rehetra izao. Niantso an’i Abrahama hoe “sakaizako” izy ary hoy izy tamin’i Mosesy: “Mahalala anao [amin’ny anaranao, MN ] tokoa Aho”. (Isaia 41:8; Eksodosy 33:12) Ambaran’ny bokin’ny Apokalypsy fa Andriamanitra dia manana boky ara-panoharana, na “bokin’ny fiainana” mirakitra ny anaran’ny mpanompony mahatoky “hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”. Ho tafiditra ao ve ny anaranao? — Apokalypsy 3:5; 17:8; 2 Timoty 2:19.

14. Amin’ny ahoana no azon’ny fanarahana ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra anatsarana ny fiainanao?

14 Mandaitra ny fotopoto-pitsik’Andriamanitra. Ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’ny fiheverany dia manafoana zava-manahirana maro — fahalotoam-pitondrantena, fahazaran-dratsy amin’ny zavatra mahadomelina sy amin’ny zavatra misy alikaola, zaza tsy nirina, areti-mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, herisetra, vonoana olona, ary zava-dratsy maro hafa koa. Ny fanarahanao ny lalany dia hanampy anao koa hahita tena sakaiza ary hanana fiainana sambatra kokoa. Tsy mendrika ny hatao ve izany? (1 Korintiana 6:9-11) Na dia ny tanora iray izay tena vonona ny hanao zavatra araka ny fiheveran’Andriamanitra aza, dia afaka mahazo ny hery hanaovana izay marina. Hoy ny Baiboly: “Ny olona tsy mivadika no isehoanao [Jehovah] ho tsy mivadika”. Manome toky antsika koa izy fa tsy “hahafoy ny olony masina [mahatoky, MN ]” izy na “hanary ny olony”. — Salamo 18:25, MN; 37:28; 94:14, MN; Isaia 40:29-31.

Mandrosoa amin’ny fanompoana Azy

15. Torohevitra avy amin’Andriamanitra inona no nomen’i Solomona ny tanora?

15 Moa ve ireo zava-kendrenao mifantoka amin’ny tontolo tonta iray miala aina sa amin’ilay vaovao sy marina? Mihaino an’Andriamanitra ve ianao sa mihaino ireo olon-kendry araka an’izao tontolo izao izay manohitra azy? Moa ve ny fialam-boly, ny fianarana ambony, na ny anton’asa ara-nofo mandany fotoana be mihoatra noho ny ho an’Andriamanitra sy ny fanompoana azy? Nosoratan’i Solomona mpanjaka hendry ny bokin’ny Mpitoriteny manontolo mba hanehoana izay tokony hitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. Hoy ny famaranan-teniny: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao. Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao ny faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.” — Mpitoriteny 12:1, 13.

16. Ahoana no hahafahan’ny tanora hiezaka hahazo tombontsoa fanampiny?

16 Ireo rahalahy kristiana be taona kokoa rehetra fantatrao — ny loholona sy ny mpitory maharitra ary ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika misy anao — dia efa mba ankizy. Inona no nitondra ireo fitahiana izay ifaliany amin’izao fotoana izao? Tia an’Andriamanitra izy ireo ary naniry ny hanompo azy. Maro taminy, tamin’ny fahatanorany, no nanararaotra ny fotoana malalaka nananany mba hahazoana fahalalana sy fanandraman-javatra. Nianatra sady nandray anjara tamin’ny fivoriana izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fampianarana izy ireo ary niezaka hahazo tombontsoa fanampiny — fitoriana maharitra, asa ao amin’ny Betela, na asa hafa mahafa-po. Tsy ‘tanora tsy nanan-tsahala’ akory izy ireny, fa nanana zavatra nahaliana sy ahiahy ara-dalàna toa anao ihany. Kanefa izy ireo dia nampifantoka mafy ny sainy tamin’ilay torohevitra hoe: “Ary na inona na inoana ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona”. — Kolosiana 3:23; ampitahao amin’ny Lioka 10:27; 2 Timoty 2:15.

17. Inona no afaka manampy ny tanora handroso amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

17 Ahoana ny aminao? Moa ve ianao tena mankasitraka zavatra momba an’Andriamanitra? Moa ve ianao mifidy namana eo amin’ireo izay mametraka ny raharaha ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany? Moa ve ianao mampirisika ny hafa mba handray anjara miaraka aminao amin’ny asa kristiana? Moa ve ianao mandeha any amin’ny fanompoana kristiana miaraka amin’ireo be taona kokoa izay manana fanandraman-javatra kokoa mba hianarana avy aminy sy hanandramana ny fifaliany ary mba hahazoana fampaherezana avy amin’ny asa tsara dia tsara ataony? Tsaroan’ny vehivavy Vavolombelona iray ny andro, efa ho 20 taona lasa izay, nanasan’ny olona be taona kokoa azy voalohany tamin’ny fomba nafana mba hiaraka aminy tamin’ny asa fitoriana. Fiolahana teo amin’ny fiainany izany, hoy izy: “Satria sambany aho no nandeha noho izaho naniry izany fa tsy hoe satria fotsiny nentin’ireo ray aman-dreniko.”

18. Inona avy ireo zavatra tokony hoeritreretina alohan’ny hanatonana mba hatao batisa?

18 Raha eo am-panaovana fandrosoana amin’ny fanaovan-javatra araka ny fiheveran’Andriamanitra ianao, dia mety hanomboka hieritreritra tsy ho ela ny amin’ny batisa. Zava-dehibe ny hitadidiana fa tsy fombafomba fidirana ho olon-dehibe amin’ny andron’ny fahatanorana akory ny batisa. Tsy mampiseho izany hoe nihalehibe ianao, ary tsy zavatra tokony hataonao izany satria nanao io dingana io ny namanao. Alohan’ny hangatahana ny hatao batisa, dia tokony hanana fahalalana fototra ny amin’ny fahamarinana ianao ary hiaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tokony hanana fanandraman-javatra antonony eo amin’ny fizarana izany fahalalana izany amin’ny hafa ianao ary hahalala tsara fa izany dia tapany iankinan’ny aina amin’ny fanompoam-pivavahana marina. (Matio 24:14; 28:19, 20) Tokony ho fantatrao koa fa aorian’ny hanaovanao io dingana kristiana lehibe io, dia ampoizina ny hiainanao mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika marina ara-pitondrantenan’ny Baiboly.b Tao am-ponao, dia tokony ho nanolotra ny fiainanao ho an’ny Rainao be fitiavana any an-danitra ianao. — Ampitahao amin’ny Salamo 40:8, 9.

19. Rahoviana ny olona iray no tokony hatao batisa?

19 Ny batisa dia dingana ataonao rehefa tapa-kevitra amin’ny fomba hentitra ianao fa na inona na inona hitranga amin’ny andro sisa rehetra amin’ny fiainanao, dia hanompo an’Andriamanitra ianao. Izany dia fampisehoana ampahibemaso fa ianao dia nanolo-tena tanteraka, tsy mizarazara, ary tsy misy fepetra ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nisy loholona kristiana iray nahatsiaro ilay andro, efa ho antsasaky ny taonjato iray lasa izay, nahatakarany tsara hoe: “Tokony hanao zavatra momba an’izany aho!” Hoy i Michelle, Vavolombelona tanora vita batisa taona vitsivitsy lasa izay tany Newcastle, any Angletera: “Teo amin’ny faha-13 taonako, dia takatro tsara fa tokony hanolotra ny fiainako sy hatao batisa aho; tsy misy na inona na inona tiako hatao mihoatra noho ny manompo an’Andriamanitra”.

20. (a) Ohatra tsara dia tsara inona no efa navelan’ny tanora an’aliny maro? (b) Ahoana no tokony hiheverana io dingana io?

20 An’aliny maro ny tanora natao batisa vao haingana. Nianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo ka nahafantatra ny lalany, ary avy eo, tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano, dia niaraka tamim-pifaliana tamin’ny be taona kokoa maro mba hampisehoana ampahibemaso ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra. Fantany fa tsy fiafaran-javatra akory ny batisa fa vao fanombohana eo amin’ny fomba fiaina voatokana tokoa izay maha-vonona azy hahafoy tena ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mpanompo tanora tamin’ny andron’ny Baiboly” ao amin’ny pejy faha-4.

b Izany akory tsy midika fa ny fitenenana hoe ‘tsy mbola vita batisa aho’ dia fialan-tsiny amin’ny fanaovan-dratsy. Raha vantany vao fantatsika izay takin’Andriamanitra, dia miharihary fa manana andraikitra ny hankatò azy isika. — Jakoba 4:17.

Ahoana no havalinao?

◻ Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra?

◻ Ahoana no azonao andraisana soa bebe kokoa avy amin’ny fivoriana kristiana?

◻ Fitahiana maro inona avy amin’Andriamanitra no tokony hanosika antsika hankatò azy?

◻ Ahoana no azonao androsoana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?

◻ Rahoviana ny olona iray no tokony hatao batisa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara