Tongava soa amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Tia Fahafahana”!
FAHAFAHANA! Hevitra mahafinaritra toy inona moa no raketin’io teny io! Tsy misy izay tsy voasintony sy babony. Tamin’ny taon-dasa, dia nisy fihetsiketsehana ho amin’ny fahafahana ara-politika maro kokoa noho ny tamin’izay taona rehetra mety hotsaroana.
Kanefa, na dia faniry aza ny fahafahana ara-politika, dia misy fahafahana iray mbola lehibe sy faniry lavitra. Izany dia ilay fahafahana noresahin’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, rehefa nilaza tamin’ny mpianany toy izao izy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32). Izany dia fahafahana amin’ireo zavatra inoan’ny fivavahan-diso, fahafahana amin’ny tahotra olona, fahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahazarana manota, sy maro hafa koa.
Io ilay fahafahana natao foto-kevitry ny fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana” hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany manomboka amin’ity lohataona 1991 ity. Hatramin’ny taona 1919, izay voamariky ny fanafahana tamin’ireo fameperana nampiharin’ny fitondram-panjakana tamin’ireo izay nandray ny fitarihana teo amin’izy ireo, dia faly ny vahoakan’Andriamanitra nahazo fahafahana nitombo raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana madio arahiny.
Tena mifanentana indrindra, fa ny foto-kevitra ny amin’ny fahafahana dia nasongadina nandritra ireo taona tao amin’ireo fivoriambe teokratika, tamin’ny alalan’ny foto-kevitra toy ny hoe “Fivoriambe teokratikan’ireo firenena afaka” sy ny “Fivoriamben’ny Distrika ‘Ireo zanaky ny fahafahan’Andriamanitra’ ”. Resahina be dia be ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra toy ny “La vérité vous affranchira” sy ny “La vie éternelle — Dans La Liberté des Fils de Dieu” koa ny amin’ny fahafahana.
Tsy hoe hitondra soa sy fifaliana ho an’ny tenany fotsiny ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ananan’ireo mpanompon’i Jehovah, araka ny vakintsika toy izao ao amin’ny Galatiana 5:13: “Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ny fitiavana.” Ny zava-kendren’ny fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafahana”, dia ny hanampy antsika hamantatra ny zava-kendren’ny fahafahantsika sy hanampy antsika hahay hitana ny fahafahana sarobidy ananantsika ary hampiseho amintsika ny hoe ahoana no hampiasana azy io amin’ny fomba tsara indrindra.
Ny fivoriambe dia hanomboka ny zoma maraina amin’ny 10 ora sy fahatelony amin’ny alalan’ny fandaharana mozika izay hahatonga antsika hanana toe-tsaina vonona handray ny sakafo ara-panahy hanaraka izany. Ny foto-kevitry ny andro voalohany dia hoe “Aoka isika hahafantatra ny marina izay manafaka antsika”, miorina amin’ny Jaona 8:32. Amin’ny tapany maraina dia hanasongadina ny lahateny fiarahabana tonga soa sy ny lahateny fototra hoe “Ny zava-kendren’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ananantsika sy ny fampiasana azy” ny mpitari-draharaha. Io lahateny io dia hampisongadina ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahafahana tanteraka ananan’i Jehovah sy ny fahafahana voafetra omen’Andriamanitra antsika. Izany koa dia hampirisika antsika hampiasa tsara araka izay azo atao ny fahafahana ananantsika. Ny fandaharana ny tolakandro dia hamelabelatra ny amin’ireo endriny isan-karazany amin’ny fahafahantsika sy ny fanompoantsika, ary hamarana izany ny fampisehoana tantara hitondra ny lohateny hoe “Meteza ho afaka mba hampandroso ny fanompoam-pivavahana marina”.
Ny foto-kevitra amin’ny andro faharoa dia hoe “Aoka isika hifikitra amin’ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ananantsika”, miorina amin’ny Galatiana 5:1. Ny fandaharana ny maraina dia hampisongadina fitohitohizan-dahateny iray hampiseho ny fomba ahafahan’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fianakaviana hanana fahafahana avy amin’Andriamanitra ao amin’ny faritry ny fianakaviana. Ireo izay vonona ny hatao batisa dia hankasitraka indrindra ny lahateny mikasika ny fomba hanatratrarana ny fahafahana amin’ny alalan’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Tafiditra ao amin’ny fandaharana ny tolakandro ny famoaboasan-kevitra iray mahaliana mikasika ny hoe moa ve ny fanambadiana no fanalahidin’ny fahasambarana sa tsia? Hisy koa fitohitohizan-dahateny iray mikasika ireo endriny samy hafa ananan’ny fahafahana, ary avy eo dia hisy lahateny iray hitondra ny lohateny hoe “Ilay Lehilahy niavaka indrindra tamin’izay rehetra niaina teto an-tany”.
Ny foto-kevitra ny Alahady dia hoe “Aoka isika hampiasa ny fahafahantsika mifanaraka amin’ny fanahin’Andriamanitra”, miorina amin’ny 2 Korintiana 3:17. Ny fandaharana dia hanasongadina fitohitohizan-dahateny iray mahaliana indrindra mikasika ny fanoharan’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio 13:47-50, mampiharihary ny fomba anompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-mpanarato olona azy. Ny lahateny ampahibemaso ny tolakandro dia hitondra ny lohateny hoe “Aoka isika handray amim-pifaliana ny tontolo vaovaon’ny fahafahan’Andriamanitra!”, izay hanasongadina ny hany fomba ahafahan’ny olombelona mahazo ilay fahafahana irina aoka izany, dia ny tena fahafahana avy amin’Andriamanitra. Ny fandaharana dia hifarana amin’ny fampirisihana avy ao amin’ny Soratra masina ho antsika rehetra mba handroso hatrany amin’ny fampiasana amin’ny fomba tsara ny fahafahana avy amin’Andriamanitra ananantsika eo amin’ny fitondrantenantsika sy eo amin’ny fanambarana ataontsika.
Amin’izay rehetra tia fahafahana no ilazantsika ity tenin’i Davida mpanao salamo ity: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”. (Salamo 34:8). Aza avela hisy vato hisakana ny fiezahana ataonao hahatongavana amin’io fivoriambe io. Ataovy izay hahatongavanao hatramin’ny fandaharana fanokafana ny zoma maraina ka hatramin’ny lahateny famaranana ny alahady tolakandro. Raha tonga ianao amin’ny fananana fahazotoan-komana ara-panahy tsara, sady mahatsapa tanteraka ny filanao zavatra ara-panahy, dia tena ho sambatra tokoa ianao! (Matio 5:3, MN). Ary aoka isika tsy hanao tsirambina ilay fotopoto-pitsipika hoe: “Izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany”. Izany koa dia mihatra amin’ny hoe manao ahoana ny fiomanantsika amim-paharisihana mba hahatongavana, fitandremana manao ahoana no hoentintsika mihaino ny fandaharana araka izay hanolorana azy, ary hafanam-po manao ahoana no hoentintsika manao izay mety ho tombontsoa amin’ny asa an-tsitrapo mivelatra eo anoloantsika mifandray amin’ny fivoriamben’ny distrikantsika “Ireo tia fahafahana”. — 2 Korintiana 9:6