Endrey ny Hasambaran’ny Malemy Fanahy!
“Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany”. — MATIO 5:5.
1. Inona ilay fahalemem-panahy izay noresahin’i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra?
HOY i Jesosy Kristy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany”. (Matio 5:5). Io fahalemem-panahy na fandeferana io dia tsy fahalefahana feno fihatsarambelatsihy ankosotra, na toetoetra voajanahary fotsiny. Izy io kosa dia tena fahalemem-panahy sy fitiavana filaminana anaty izay aseho voalohany indrindra ho fanaovan-javatra noho ny sitrapon’i Jehovah Andriamanitra sy ny torolalany. Ny olona malemy fanahy marina tokoa dia manana fahatsapana lalina fiankinana amin’Andriamanitra izay hita taratra amin’ny fitondrantena feno halemem-panahy eo amin’ny mpiara-belona aminy. — Romana 12:17-19; Titosy 3:1, 2.
2. Nahoana i Jesosy no nilaza ireo malemy fanahy ho sambatra?
2 Nilaza ireo malemy fanahy ho sambatra i Jesosy satria izy ireo dia handova ny tany. Amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra malemy fanahy tanteraka an’i Jesosy, dia izy no Mpandova ny tany Lehibe indrindra. (Salamo 2:8; Matio 11:29; Hebreo 1:1, 2; 2:5-9). Kanefa amin’ny maha-“zanak’olona” Mesianika azy, dia tsy maintsy manana mpiara-manapaka aminy izy any amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Daniela 7:13, 14, 22, 27). Amin’ny maha-“mpiray lova” amin’i Kristy azy, ireo voahosotra malemy fanahy ireo dia hahazo anjara amin’ny tany ho lovan’i Kristy. (Romana 8:17). Misy olona malemy fanahy hafa toy ny ondry hahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa izay ao anatin’ny faritra eto an-tanin’ilay Fanjakana. (Matio 25:33, 34, 46; Lioka 23:43, MN). Marina tokoa fa mahasambatra azy ireo izany fahatsinjovan-javatra izany.
3. Inona no ohatra momba ny fahalemem-panahy navelan’Andriamanitra sy i Kristy?
3 Ilay Mpandova Lehibe indrindra malemy fanahy dia mahazo ny tany avy amin’i Jehovah Rainy, dia ilay ohatra tsara indrindra amin’ny fahalemem-panahy. Impiry akory moa ny Soratra masina no milaza fa Andriamanitra dia “tsy mora tezitra sy be hatsaram-panahy miharo fitiavana”! (Eksodosy 34:6, NW; Nehemia 9:17, NW; Salamo 86:15, NW). Manan-kery lehibe izy, kanefa dia mampiseho halemem-panahy aoka izany, hany ka afaka manatona azy tsy amin-tahotra ireo mpivavaka aminy. (Hebreo 4:16; 10:19-22). Ny Zanak’Andriamanitra izay “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” dia nampianatra ny mpianany mba halemy fanahy. (Matio 11:29; Lioka 6:27-29). Nisesy ireo mpanompon’Andriamanitra sy ny Zanany malemy fanahy ireo mba haka tahaka sy hanoratra ny amin’ny “halemem-panahy sy ny hatsaram-panahin’i Kristy”. — 2 Korintiana 10:1, NW; Romana 1:1; Jakoba 1:1, 2; 2 Petera 1:1.
4. a) Araka ny Kolosiana 3:12, inona no efa nataon’ireo malemy fanahy marina tokoa? b) Fanontaniana inona avy no mendrika hodinihintsika?
4 Amin’izao androntsika izao, na ireo kristiana voahosotra na ireo namany eto an-tany dia samy mila ny ho malemy fanahy. Rehefa nanaisotra izay mety ho faharatsiana sy fitaka, fihatsarambelatsihy, fialonana, ary fanaratsiana izy ireo, dia nampian’ny fanahy masin’Andriamanitra mba ho tonga vaovao amin’ny ‘hery manetsika ny sainy’. (Efesiana 4:22-24, NW; 1 Petera 2:1, 2). Nampirisihina izy ireo mba hitafy “famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Fa inona marina moa no voafaoka amin’ny hoe fahalemem-panahy? Nahoana no mitondra soa ny fahatongavana ho malemy fanahy? Ahoana no ahafahan’io toetra tsara io handray anjara amin’ny fahasambarantsika?
Fijerena akaiky ny fahalemem-panahy
5. Ahoana no azo amaritana ny atao hoe fahalemem-panahy?
5 Ny olona malemy fanahy iray dia malefaka eo amin’ny toetra sy eo amin’ny fihetsika. Ao amin’ny fandikana sasany ny Baiboly, dia ny mpamaritra anarana hoe pra·ysʹ no nadika hoe “mandefitra”, “malemy fanahy”, ary “malefaka”. Amin’ny fiteny grika klasika, ny mpamaritra anarana hoe pra·ysʹ dia azo ampiharina amin’ny tso-drivotra na feo malefaka. Mety hilaza olona izay tsara fanahy sady manaja ny hafa koa izy io. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe W. E. Vine: “Ny fampiasana [ny anarana hoe pra·yʹtes] dia mahakasika voalohany ary indrindra an’Andriamanitra. Io ilay toe-tsaina anekentsika izay ataony amintsika ho tsara, ary noho izany dia tsy asiantsika ady hevitra na fanoherana; izy io dia mifamatotra akaiky amin’ny teny hoe tapeinophrosunē [fanetren-tena].”
6. Nahoana no azo lazaina fa tsy fahalemena akory ny fahalemem-panahy?
6 Tsy fahalemena akory ny fahalemem-panahy. “Misy fahalefahana ao amin’ny praus”, hoy ny nosoratan’ilay manam-pahaizana atao hoe William Barclay, “kanefa, ao ambadiky ny fahalefahana dia misy tanjaky ny tsỳ (acier)”. Ilàna tanjaka ny fahalemem-panahy. Ohatra, ilaina ny tanjaka mba hisehoana ho malemy fanahy rehefa misy manao izay hahatezitra antsika na rehefa enjehina isika. Namela ohatra tsara dia tsara ny amin’izany ilay Zanak’Andriamanitra malemy fanahy, dia i Jesosy Kristy. “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina [Jehovah Andriamanitra].” (1 Petera 2:23). Sahala amin’i Jesosy nalemy fanahy, isika dia afaka matoky fa Andriamanitra dia hamaly ireo mpiteny ratsy sy mpanenjika antsika. (1 Korintiana 4:12, 13). Afaka ny ho tony isika, sahala amin’i Stefana izay nenjehina, amin’ny fahatakarana fa, raha mahatoky isika, dia hanohana antsika i Jehovah ary tsy hamela na inona na inona hanimba antsika maharitra. — Salamo 145:14; Asan’ny apostoly 6:15; Filipiana 4:6, 7, 13.
7. Inona no asehon’ny Ohabolana 25:28 mikasika ny olona iray tsy manana fahalemem-panahy?
7 Nalemy fanahy i Jesosy, kanefa dia nampiseho tanjaka izy tamin’ny fiandaniana mafy ho an’izay marina. (Matio 21:5; 23:13-39). Na iza na iza manana ny “sain’i Kristy” dia hitovy aminy amin’io lafiny io. (1 Korintiana 2:16). Raha tsy malemy fanahy ny olona iray, dia tsy manahaka an’i Kristy izy. Antonona azy kosa ireto teny ireto: “Tanàna rava tsy misy mànda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny”. (Ohabolana 25:28). Ny olona tsy manana fahalemem-panahy toy izany dia mora voan’ny fanafihan’ny sain-dratsy izay afaka manosika azy hanao zavatra amin’ny fomba tsy mety. Na dia tsy olona malemy aza ny kristiana malemy fanahy, dia fantany fa “ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana”. — Ohabolana 15:1.
8. Nahoana no tsy mora ny ho malemy fanahy?
8 Tsy mora akory ny ho malemy fanahy noho isika nandova tsy fahatanterahana sy ota. (Romana 5:12). Raha mpanompon’i Jehovah isika, dia manana ady atao koa amin’ireo hery ara-panahy ratsy izay mety hisedra ny fahalemem-panahintsika amin’ny fanenjehana. (Efesiana 6:12). Ary ny ankamaroantsika dia miasa eo anivon’ireo manana ny toe-tsaina henjan’izao tontolo izao izay eo ambany fifehezan’ny Devoly. (1 Jaona 5:19). Koa ahoana àry no ahafahantsika mampitombo fahalemem-panahy?
Ny fomba fampitomboana fahalemem-panahy
9. Fomba fijery inona no hanampy antsika hampitombo fahalemem-panahy?
9 Ny fiekena mafy, miorina amin’ny Baiboly, fa takina amintsika ny fanehoana fahalemem-panahy, dia hanampy antsika hampitombo io toetra tsara io. Isan’andro isan’andro, dia tsy maintsy miasa isika mba hambolena fahalemem-panahy. Raha tsy izany, dia ho sahala amin’ireo olona izay mihevitra ny fahalemem-panahy ho fahalemena isika, ka hieritreritra fa ny fahombiazana dia azo rehefa mieboebo, masiaka, na lozabe mihitsy aza. Melohin’ny Tenin’Andriamanitra anefa ny avonavona, ary hoy ny ohabolana feno fahendrena iray: “Ny olona mamindra fo [maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW] dia mahazo soa ho an’ny tenany; fa ny lozabe dia todìn’ny halozany”. (Ohabolana 11:17; 16:18). Manalavitra ny olona henjana sy ratsy fanahy ny olona, na dia manao izany indrindra aza izy mba tsy ho voaratra amin’ny halozan’io sy ny tsy fananany fahalemem-panahy.
10. Raha ta halemy fanahy isika, inona no tsy maintsy ekentsika?
10 Mba hahatongavana ho malemy fanahy dia tsy maintsy manaiky ny herin’ny fanahy masina na hery miasan’Andriamanitra isika. Toy ny nanaovan’i Jehovah izay hetezan’ny tany hamokatra, dia nataony koa izay hahatonga ireo mpanompony ho afaka hamokatra ny vokatry ny fanahiny, anisan’izany ny fahalemem-panahy. Nanoratra toy izao i Paoly: “Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra ny zavatra toy izany.” (Galatiana 5:22, 23, NW). Eny, ny fahalemem-panahy dia iray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra asehon’ireo mahazo sitraka aminy. (Salamo 51:9, 10). Ary fiovana toy inona moa no ateraky ny fahalemem-panahy! Ho fanazavana dia: Nisy lehilahy nahery setra iray nantsoina hoe Tony izay niady, nanendaka olona, nanao varo-maizina zavatra mahadomelina, nitarika andian-jiolahy mitaingina môtô, ary nandany fotoana tany an-tranomaizina. Kanefa, tamin’ny fahazoana fahalalana ny Baiboly ary noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, dia niova ho mpanompon’i Jehovah malemy paika izy io. Fandre ny tantaran’i Tony. Inona àry no azon’ny olona iray atao raha toa ka ny tsy fananana fahalemem-panahy no endriny misongadina indrindra amin’ny toetrany?
11. Inona no anjara asan’ny vavaka eo amin’ny fampitomboana fahalemem-panahy?
11 Ny fangatahana amim-pahatsorana amin’ny vavaka ny fanahin’Andriamanitra sy ny fahalemem-panahy izay vokany dia hanampy antsika hamboly io toetra tsara io. Mety hila ny ‘hangataka hatrany’ isika, toy ny nolazain’i Jesosy, ary dia homen’i Jehovah Andriamanitra izay angatahintsika. Rehefa avy nampiseho i Jesosy fa ireo ray olombelona dia manome zavatra tsara ho an’ny zanany, dia hoy izy: “Koa raha hianareo, na dia [mpanota ka noho izany dia azo oharina amin’ny] ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:9-13). Ny vavaka dia afaka manampy mba hahatonga ny fahalemem-panahy ho endriny raikitra amin’ny toe-panahintsika — dia toetra tsara izay mandray anjara amin’ny fahasambarantsika sy ny an’ireo namantsika.
12. Nahoana ny fitadidiana fa tsy tanteraka ny olombelona no manampy antsika halemy fanahy?
12 Ny fitadidiana fa tsy tanteraka ny olombelona dia afaka manampy antsika ho malemy fanahy. (Salamo 51:5). Tsy afaka mieritreritra na manao zavatra amin’ny fomba tanteraka isika, toy ny tsy ahafahan’ny olon-kafa manao izany. Koa tokony hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa tokoa àry isika ary hitondra azy ireo toy ny hitiavantsika hitondrana ny tenantsika. (Matio 7:12). Ny fahafantarana fa manao fahadisoana isika rehetra dia tokony hanosika antsika hamela heloka sy halemy fanahy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. (Matio 6:12-15; 18:21, 22). Rehefa dinihina tokoa, moa ve isika tsy mankasitraka ny nanehoan’Andriamanitra fitiavana sy fahalemem-panahy tamintsika? — Salamo 103:10-14.
13. Amin’ny ahoana isika no hahazo fanampiana mba hamboly fahalemem-panahy raha miaiky fa nataon’Andriamanitra hanana safidy malalaka ny olombelona?
13 Afaka manampy antsika hamboly fahalemem-panahy koa ny fiekena fa nataon’Andriamanitra hanana safidy malalaka ny olombelona. Izany akory tsy manome lalana na iza na iza tsy hiraharaha ny lalàn’i Jehovah ka ho afa-maina, fa mamela kosa ny hisian’ny fahasamihafana eo amin’ny fifidianana izay heverina fa tsara, eo amin’ny zavatra tiana sy tsy tiana eo anivon’ny olon’Andriamanitra. Koa aoka àry isika hiaiky fa tsy misy olona voatery hanana toetra manokana iray izay mety hoheverintsika fa tsara indrindra. Hanampy antsika halemy fanahy ny toe-tsaina toy izany.
14. Inona no tokony ho fahatapahan-kevitsika raha ny amin’ny fahalemem-panahy?
14 Ny fahatapahan-kevitra tsy hanary ny fahalemem-panahy dia hanampy antsika hamboly hatrany io toetra tsara io. Ny fanekena ny herin’ny fanahin’i Jehovah dia mahatonga fiovana eo amin’ny fisainantsika. (Romana 12:2). Ny toe-tsaina malemy fanahy sahala amin’ny an’i Kristy dia manampy antsika dieny izao hifehy tena tsy ‘handeha amin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra’. Tsy tokony hanary na oviana na oviana ny fahalemem-panahy isika noho ny antony ara-bola na ara-tsôsialy, na noho ny antony hafa na noho ny fitenenan-dratsy ataon’ny olona mikasika ny fitiavam-pivavahana ananantsika. (1 Petera 4:3-5). Tsy tokony hamela na inona na inona isika hahatonga antsika hanao ny “asan’ny nofo” izay hampanary antsika ny fahalemem-panahintsika ka tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra na hahazo ireo fitahiany. (Galatiana 5:19-21). Aoka isika hankamamy mandrakariva ny tombontsoa ho olon’Andriamanitra malemy fanahy, na voahosotra ho amin’ny fiainana any an-danitra isika na manana fanantenana ny ho eto an-tany. Noho izany, dia aoka hodinihintsika ny soa sasany entin’ny fahalemem-panahy.
Soa entin’ny fahalemem-panahy
15. Araka ny Ohabolana 14:30, nahoana no fahendrena ny ho malemy fanahy?
15 Ny olona iray malemy fanahy dia manana fahatonian’ny fo sy ny saina ary ny vatana. Izany no izy satria tsy miditra amin’ny fifandirana izy, tsy tafintohina amin’izay ataon’ny hafa, na mampahory tena amin’ny fanahiana tsy misy farany. Ny fahalemem-panahy dia manampy azy hifehy ny fihetseham-pony, ary izany dia mahasoa ara-tsaina sy ara-batana. Hoy ny ohabolana iray: “Ny fo mionona [tony, MN] no fiainan’ny nofo”. (Ohabolana 14:30). Ny tsy fananana fahalemem-panahy dia mety hitarika ho amin’ny fahatezerana izay mety hampiakatra ny tosi-dra na hahatonga fikorontanan’ny fandevonan-kanina, sohika (asthme), fanaintainan’ny maso sy zava-manahirana hafa. Mandray soa isan-karazany ny kristiana malemy fanahy, anisan’izany ny “fiadanan’Andriamanitra” izay miaro ny fony sy ny fahaizany misaina. (Filipiana 4:6, 7). Fahendrena tokoa ny fahatongavana ho malemy fanahy!
16-18. Inona no vokatry ny fahalemem-panahy eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?
16 Manatsara ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny fahalemem-panahy. Angamba isika taloha nanana fahazarana nanery ny toe-javatra mandra-pahazoantsika izay irintsika. Nety ho nanjary tezitra tamintsika ny olona noho isika tsy nanana fanetren-tena sy fahalemem-panahy. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy tokony ho gaga isika raha nanjary tafidipiditra tao anatin’ny tsy fifanarahana nisesy. Miteny toy izao anefa ny ohabolana iray: “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana. Toy ny arina atao amin’ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ny afo, dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.” (Ohabolana 26:20, 21). Raha malemy fanahy isika, dia tsy ‘hanampy kitay amin’ny afo’ sy hila ady amin’ny hafa, fa hanana fifandraisana tsara aminy kosa.
17 Azo ampoizina fa hanana namana tsara ny olona malemy fanahy iray. Tian’ny olona ny miaraka aminy satria izy manana fihetsika manorina, ary ny teniny dia mamelombelona sy mamy toy ny tantely. (Ohabolana 16:24). Marina izany ny amin’i Jesosy izay afaka niteny hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako”. (Matio 11:29, 30). Tsy henjana i Jesosy, ary tsy nampahory ny ziogany. Ireo nanatona azy dia nentina tsara ary novelombelomina ara-panahy. Mitovy amin’izany ny toe-javatra rehefa miaraka amin’ny namana kristiana malemy fanahy isika.
18 Mahatonga antsika ho mamin’ny mpino namana ny fahalemem-panahy. Tsy isalasalana fa ny ankamaroan’ny kristiana tao Korinto dia voasinton’i Paoly noho izy niangavy azy ireo tamin’ny “hamoram-panahy sy ny fandeferan’i Kristy”. (2 Korintiana 10:1). Tsy maintsy ho mailaka nanao zavatra noho ny tenin’ilay apostoly ireo Tesaloniana satria mpampianatra nalemy fanahy sy nalefaka izy. (1 Tesaloniana 2:5-8). Tsy azo lavina fa nianatra zavatra betsaka avy tamin’i Paoly ireo loholona tany Efesosy ary tia azy fatratra. (Asan’ny apostoly 20:20, 21, 37, 38). Moa ve ianao mampiseho fahalemem-panahy izay mahatonga anao ho mamin’ny hafa?
19. Ahoana no anampian’ny fahalemem-panahy ny vahoakan’i Jehovah hitana ny toerany ao anatin’ny fandaminany?
19 Ny fahalemem-panahy dia manampy ny vahoakan’i Jehovah hanaiky sy hitana ny toerany ao anatin’ny fandaminany. (Filipiana 2:5-8, 12-14; Hebreo 13:17). Ny fahalemem-panahy dia misakana antsika tsy hitady voninahitra izay mifototra amin’ny avonavona sady maharikoriko an’Andriamanitra. (Ohabolana 16:5). Ny olona malemy fanahy dia tsy mihevitra ny tenany ho ambony noho ireo mpino namany, ary tsy manandrana hihoatra ny hafa mba hitondrana fahavoazana ho azy ireo. (Matio 23:11, 12). Miaiky kosa izy fa mpanota ary mila ny fandaharam-panavotana nataon’Andriamanitra.
Mampitombo hasambarana ny fahalemem-panahy
20. Inona no vokatry ny fahalemem-panahy eo amin’ny fiainam-pianakaviana?
20 Tokony hitadidy ny mpanompon’Andriamanitra rehetra fa ny fahalemem-panahy dia vokatry ny fanahiny izay mampitombo hasambarana. Ohatra, noho ny vahoakan’i Jehovah maneho toetra tsara toy ny fitiavana sy fahalemem-panahy, dia sesehena ny tokantrano sambatra eo anivon’izy ireo. Rehefa mifandray amim-pahalemem-panahy ny mpivady, ireo zanany dia voataiza ao anatin’ny rivo-piainana milamina fa tsy ao anatin’ny fianakaviana mirona hanao teny sy fihetsika henjana. Raha toa ny ray iray ka manome torohevitra amim-pahalemem-panahy ho an’ny zanany, izany dia hisy vokany tsara eo amin’ny sainy tanora, ary ny toe-tsaina malemy fanahy dia azo ampoizina fa ho tonga anisan’ny toetrany. (Efesiana 6:1-4). Manampy ny lehilahy ho tia hatrany ny vadiny ny fahalemem-panahy. Izy io dia manampy ny vehivavy mba hanaiky ny vadiny ary manosika ny zanaka hankatò ny ray aman-dreniny. Ny fahalemem-panahy koa dia mahatonga ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana hanana toe-tsaina tia mamela heloka izay mandray anjara amin’ny fahasambarana. — Kolosiana 3:13, 18-21.
21. Amin’ny fotony, torohevitra inona no nomen’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesiana 4:1-3?
21 Mampitombo hasambarana ao amin’ny kongregasiona izay iarahany ireo fianakaviana sy olona malemy fanahy. Noho izany, ny vahoakan’i Jehovah dia mila ny miezaka fatratra mba halemy fanahy. Manao izany ve ianao? Niangavy ireo kristiana voahosotra namany ny apostoly Paoly mba handeha mendrika ny fiantsoana azy ho any an-danitra, hanao izany “amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana”. (Efesiana 4:1-3). Tsy maintsy mampiseho fahalemem-panahy sy toetra tsara araka an’Andriamanitra hafa koa ireo kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany. Izany no lalana mitondra ny tena fahasambarana. Sambatra tokoa lahy ny malemy fanahy!
Ahoana no havalinao?
◻ Nahoana no sambatra ny olona malemy fanahy?
◻ Inona no dikan’ny hoe malemy fanahy?
◻ Ahoana no ahafahana mampitombo ny fahalemem-panahy?
◻ Inona no soa sasany entin’ny fahalemem-panahy?