FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 1/11 p. 4-7
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ota — Amin’ny Fomba Ahoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ota — Amin’ny Fomba Ahoana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe ota?
  • Ny niavian’ny ota
  • Ezaka nataon’olombelona mba hamafana ny ota
  • Fanafahana amin’ny ota
  • Rehefa Tsy Misy Ota Intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana ny Olona no Maty?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Nafahana Tamin’ny Alalan’ny “Ra Sarobidy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 1/11 p. 4-7

Tontolo Iray Tsy Hisy Ota — Amin’ny Fomba Ahoana?

NANDRAVA ny fahanginan’ny maraina vao nangiran-dratsin’ny ririnina ny kiakiaka niantso vonjy, tao amin’ny faritra milamina iray akaikin’i Tokyo. Teo amin’ny dimy ka hatramin’ny folo minitra, dia nisy olona roa ambin’ny folo nandre ilay kiakiaka feno famoizam-po nataon’ny vehivavy iray mpanatitra gazety izay nisy nanenjika sy nanindrontsindrona tamin’ny antsy imbetsaka. Tsy nisy na dia iray akory aza mba niraharaha ka nijery izay nitranga. Maty noho ny fahaverezan-dra be loatra ilay ramatoa. “Raha nisy iray tamin’ireo olona ireo nilaza tamin’ny polisy ilay zava-nitranga raha vantany vao nandre ny kiakiakan’ilay ramatoa”, hoy ny mpanao famotorana iray, “dia nety ho voavonjy ny ainy”.

Na dia tsy nanao zava-dratsy kokoa noho ny tsy firaharahana fotsiny ilay ramatoa niala aina aza ireo izay nandre azy, moa ve izy ireo afaka mihambo ara-drariny fa tsy meloka? “Nanenjika ahy ny eritreritro ny zoma manontolo, taorian’ny nandrenesako ilay famonoana”, hoy ny lehilahy iray izay nandre ilay kiakiaka. Izany dia mahatonga antsika hanontany tena hoe: Inona marina no atao hoe ota?

Inona no atao hoe ota?

Rehefa nanondro ny fahatsapan-tena ho mpanota i Hideo Odagiri, mpitsikera haisoratra sy profesora tao amin’ny Oniversiten’i Hosei ao Tokyo, any Japana, efa misotro ronono dia niteny toy izao, araka ny voasoratra tao amin’ny gazety Asahi Shimbun: “Tsy afaka manafoana ireo fahatsiarovana velona momba ny fahatsapako tena ho mpanota aho, toy ny fitiavan-tena mahatsiravina izay misy eo amin’ny ankizy, ny fialonana mahamenatra, ny famadihana ny fitokiana any amin’ny takona. Io fahatsapan-tena io dia raikitra tsy azo nokosehina tao an-tsaiko fony aho tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra ary mbola mampijaly ahy ihany.” Mba efa nahatsapa fihetseham-po toy izany ve ianao? Moa ve ianao manana feo anaty izay manameloka anao raha manao zavatra izay fantatrao fa ratsy ianao? Angamba tsy nisy heloka bevava natao, kanefa dia misy fihetseham-po manelingelina mitarozaka sy manavesatra mafy ny sainao. Io ilay fieritreretanao miasa, ary manisy fitenenana ny aminy toy izao ny Baiboly ao amin’ity andinin-teny ity: “Na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany; fa ireo maneho ny asan’ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza”. (Romana 2:14, 15). Eny, amin’ny fomba voajanahary, dia mahatsiaro tena ho tsy milamin-tsaina ny ankamaroan’ny olona noho ny fanaovan-javatra toy ny fanitsakitsaham-bady sy ny fangalarana ary ny fandaingana. Ny fieritreretan’izy ireo dia manaporofo ny fisian’ny ota.

Rehefa tsy raharahaina amin’ny fomba miverimberina anefa ny feon’ny fieritreretana, dia tsy mpitari-dalana azo antoka intsony izy io. Mety hanjary donto sy voaloto izy. (Titosy 1:15). Very ny fahatsapana avy hatrany izay ratsy. Raha ny marina, ny fieritreretan’ny ankamaroan’ny olona dia maty raha ny amin’ny ota.

Moa ve ny fieritreretana no hany fomba anombanana ny ota, sa misy zavatra izay azo ampiasaina ho fari-pitsipika tsy azo iadian-kevitra ny amin’izay atao hoe ota sy izay tsy toy izany? Maherin’ny 3 000 taona lasa izay, Andriamanitra dia nanome fehezan-dalàna ho an’ny vahoaka voafidiny, ary tamin’ny alalan’io Lalàna io, ny ota dia nanjary “fantatra fa ota”. (Romana 7:13, New International Version). Na dia ny fitondrantena izay azo nekena ihany aza taloha, dia naseho araka ny tena naha-izy azy izao — ny naha-ota azy. Ireo Isiraelita, vahoaka voafidin’Andriamanitra, dia niharihary fa mpanota ary, noho izy ireo toy izany, dia teo ambanin’ny fanamelohana.

Inona avy ireo ota izay ampahafantarin’ny fieritreretantsika antsika ka faritan’ny Lalàn’i Mosesy mazava tsara sy tanisainy? Eo amin’ny fampiasan’ny Baiboly an’ilay teny, ny hoe ota dia midika hoe tsy fahatratrarana ilay fari-pitsipika araka ny fomba fijerin’ny Mpamorona. Na inona na inona tsy mifanaraka amin’ny toetrany, ny fari-pitsipiny, ny fombany ary ny sitrapony dia ota. Tsy afaka manome fahavelomana mitohy ho an’izay zavaboary rehetra tsy mahatratra ilay fari-pitsipika naoriny izy. Koa nampitandrina toy izao an’ireo Kristiana hebreo ny manam-pahaizana manokana iray momba ny lalàna tamin’ny taonjato voalohany: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona”. (Hebreo 3:12). Eny, ny tsy fahampiam-pinoana an’ilay Mpamorona dia mahaforona ota lehibe iray. Araka izany, ny ambaindain’ny ota araka ny anazavana azy ao amin’ny Baiboly dia midadasika lavitra noho izay heverina mazàna hoe ota. Tonga hatramin’ny filazana toy izao mihitsy aza ny Baiboly: “Samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. — Romana 3:23.

Ny niavian’ny ota

Milaza ve izany fa noforonina ho mpanota ny olombelona? Tsia, nanao ny lehilahy voalohany ho zavaboary lavorary i Jehovah Andriamanitra, ilay Niavian’ny fiainan’olombelona. (Genesisy 1:26, 27; Deoteronomia 32:4). Tsy nahatratra ilay fari-pitsipika anefa ilay mpivady voalohany rehefa ninia nandika ilay hany fandrarana nomen’Andriamanitra, fony izy ireo nihinana tamin’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izay voarara. (Genesisy 2:17). Na dia noforonina ho tanteraka aza izy ireo, dia tsy nahatratra ny fari-pitsipiky ny fankatoavana tanteraka ny Rainy izy izao ka tonga mpanota, ary voaheloka ho faty araka izany.

Inona no ifandraisan’io tantara tranainy io amin’ny ota amin’izao andro izao? Manazava toy izao ny Baiboly: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. (Romana 5:12). Mpanota noho ny fandovan-toetra isika rehetra tsy an-kanavaka; noho izany, dia nanjary teo ambanin’ny fanamelohana ho faty. — Mpitoriteny 7:20.

Ezaka nataon’olombelona mba hamafana ny ota

Namindra ota tamin’ny taranany i Adama, kanefa dia namindra koa ny fahaizan’ny fieritreretana izay nomen’Andriamanitra izy. Ny ota dia mety hahatonga fihetseham-po tsy mampandry mandry. Araka ny voalaza teo aloha, ny olombelona dia nitady tetika isan-karazany mba hampihenana ny fihetseham-po toy izany. Tena nahitana vokatra tokoa ve anefa izy ireny?

Any amin’ireo Tany Tatsinanana sy Tandrefana, ny olona dia nanandrana nandamina ny vokatry ny ota tamin’ny fanovana ireo fari-pitsipika narahiny na tamin’ny fandavana ny fisian’ny ota. (1 Timoty 4:1, 2). Ny maha-mpanota ny taranak’olombelona dia azo ampitovina amin’ny tarehin-javatra misy ny marary iray voan’ny tazo. Ny ota dia azo ampitahaina amin’ilay virosy mahatonga ireo soritr’aretina, ary ny fieritreretana tsy milamina dia azo ampitahaina amin’ilay tazo manorisory. Ny fanapotehana ilay tondrofana (thermomètre) akory tsy manova ilay zava-misy hoe voan’ny tazo mahery ilay marary. Ny fanariana ireo fari-pitsipika ara-pitondrantena, toy ny ataon’ny maro ao amin’ny Fitambaran’ireo Firenena Lazaina fa Kristiana, ary ny tsy firaharahana ny fanambarana ataon’ny fieritreretan’ny tena dia tsy manampy mihitsy eo amin’ny fanafoanana ny ota.

Ny olona iray dia mety hampiasa peta-gilasy mba hampihenana ny tazony. Izany dia mitovy amin’ny fanandramana mampihena ny fanenjehan’ny fieritreretana amin’ny fanaovana amim-pahazarana fotsiny ireo fombafombam-panadiovana Shinto. Ny peta-gilasy dia mety hampangatsiatsiaka vetivety ilay voan’ny tazo, fa tsy manala izay mahatonga ilay tazo. Nanandrana nanao fanasitranana toy izany tamin’ireo Isiraelita tamin’izany andro izany ireo mpisorona sy mpaminany tamin’ny andron’i Jeremia. “Nataotaony foana” ny fanasitranana ireo ratra ara-panahy sy ara-pitondrantena nahazo ny olona tamin’ny filazana hoe: “Mandeha tsara ny zava-drehetra, mandeha tsara ny zava-drehetra.” ­(Jeremia 6:14; 8:11, An American Translation). Ny fanaovana amim-pahazarana fomba ara-pivavahana sy ny fihirahirana zavatra toy ny hoe “mandeha tsara ny zava-drehetra” fotsiny dia tsy nanasitrana ny ratran’ny olon’Andriamanitra, ary ireo fombafomba fanadiovana dia tsy manova ny fitsipi-pitondrantena arahin’ny olona amin’izao andro izao.

Amin’ny fihinanana fanafody mampidina hafanana, ny olona iray voan’ny tazo dia mety hampitony ny fanaviany, kanefa dia mbola ao anatin’ny vatany ihany ilay virosy. Marina koa izany raha ny amin’ny fomba fiadian’ny Confucianisme amin’ny ratsy amin’ny alalan’ny fampianarana. Etỳ ivelany, dia mety hanampy olona hiala amin’ny ratsy izany, kanefa ny fanarahana ny li dia manakana ny fitondrantena feno ota fotsiny fa tsy manaisotra ao amin’ny olona iray ny fironany hanota nolovany, dia ilay antony mahatonga fitondrantena ratsy. — Genesisy 8:21.

Ahoana ny amin’ny fampianaran’ny Bodista momba ny fidirana ao amin’ny Nirvana mba hanesorana amin’ny tena ny fironana hanota? Ny Nirvana, izay lazaina fa midika hoe “famonoana”, dia heverina ho tsy hay lazalazaina, ho ny famonoana izay fihetseham-po mafy sy faniriana rehetra. Misy mihambo fa izy io dia fitsaharan’ny fisian’ny olona iray. Moa ve izany tsy toa milaza amin’ny olona iray mararin’ny tazo mba ho faty mba hahazoana fanamaivanana? Ankoatra izany, ny fahatongavana hatrany amin’ny Nirvana dia heverina fa tena sarotra, tsy mety ho vita mihitsy aza. Moa ve io fampianarana io mety hanampy ny olona iray enjehin’ny fieritreretany?

Fanafahana amin’ny ota

Mazava fa ireo filozofian’olombelona momba ny fiainana sy ny fironana hanota dia zara raha mampitony fotsiny ny fieritreretan’ny tena. Tsy manala ilay toe-piainana misy ota izy ireo. (1 Timoty 6:20). Moa ve misy fomba hanalana izany? Hitantsika ao amin’ny Baiboly, boky tranainy iray nosoratana tany Proche-Orient, ny fanalahidin’ny fanafahana amin’ny ota. “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala (...) Raha manaiky [“mampiseho fahavononana”, NW ] sy mankatò hianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany.” (Isaia 1:18, 19). Eto i Jehovah dia niteny tamin’ireo Isiraelita izay, na dia vahoaka voafidiny aza, dia tsy nahatratra ilay fari-pitsipika momba ny tsy fivadihana taminy. Mihatra amin’ny taranak’olombelona amin’ny fitambarany anefa io fotopoto-pitsipika io. Ny fampisehoana fahavononana hihaino ny tenin’ilay Mpamorona no fanalahidy mba hahatonga ny otan’ny tena ho voafafa, ho toy ny hoe nindaosin’ny rano, raha azo atao ny milaza izany.

Inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra amintsika momba ny fanadiovana ny otan’ny taranak’olombelona? Toy ny nahatongavan’ny taranak’olombelona rehetra ho mpanota tamin’ny alalan’ny otan’ny lehilahy iray, dia lazain’ny Baiboly fa, tamin’ny alalan’ny fankatoavana tanteraka an’Andriamanitra nasehon’ny lehilahy hafa iray, dia hafahana avy amin’ny fahoriany ny taranak’olombelona mankatò. (Romana 5:18, 19). Amin’ny fomba ahoana? “Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8). I Jesosy Kristy izay teraka ho olombelona tanteraka sy tsy nisy ota, dia mifanitsy amin’ilay Adama tany am-boalohany talohan’ny nanotany. Noho izany, dia afaka nanaisotra ny otan’ny taranak’olombelona izy. (Isaia 53:12; Jaona 1:14; 1 Petera 2:24). Tamin’ny fanekeny ho faty teo amin’ny hazo fijaliana toy ny mpanao heloka bevava iray, i Jesosy dia nanafaka ny taranak’olombelona tamin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. “Fa fony mbola tsy nanan-kery isika”, hoy ny fanazavan’i Paoly tamin’ireo Kristiana tany Roma, “dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy. (...) Tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — Romana 5:6, 21.

Ny nahafatesan’i Kristy ho an’ny taranak’olombelona iray manontolo sy ny nanaovany izay hifandanjan’ilay mizana natongilan’i Adama, dia antsoina hoe ny fandaharana momba ny “avotra”. (Matio 20:28). Azo ampitovina amin’ny fanafody iray izay mandaitra amin’ilay virosy mahatonga ny tazo izy io. Amin’ny fampiharana ny vidin’ny fanavotan’i Jesosy amin’ny taranak’olombelona, dia azo sitranina ny toe-piainana marary mahazo ny taranak’olombelona vokatry ny ota — anisan’izany ny fahafatesana mihitsy. Io fomba fanasitranana io dia lazalazaina ara-panoharana ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Teny an-daniny roa amin’ny ony nisy hazon’aina mamoa voa roa ambin’ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.” (Apokalypsy 22:2). Alao sary an-tsaina ange! Misy onin’ny ranon’aina ara-panoharana mikoriana eo anelanelan’ny hazon’aina manan-dravina, ka izany rehetra izany dia ho fanasitranana ny taranak’olombelona. Ireo zavatra natao ho ohatra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireo dia mampiseho ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hamerenana indray ny taranak’olombelona ho amin’ny fahatanterahana, mifototra amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy.

Tsy ho ela dia ho tonga tena izy ireo fahitana ara-paminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 22:6, 7). Avy eo, noho ny fampiharana tanteraka amin’ny taranak’olombelona ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ny olona mahitsy fo rehetra dia ho tonga tanteraka ary “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21). Ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manondro fa akaiky io fanafahana be voninahitra io. (Apokalypsy 6:1-8). Tsy ho ela Andriamanitra dia hanaisotra ny faharatsiana amin’ny tany, ary hiriaria amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa ny olombelona. (Jaona 3:16). Ho tontolo iray tsy hisy ota marina tokoa izany!

[Sary, pejy 7]

Ny sorom-panavotan’i Jesosy dia hamela ny fianakaviana toy izao hankafy fahasambarana mandrakizay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara