Rehefa Tsy Misy Ota Intsony
“TERAKA misy ota ve isika?” Nahasanganehana mpianatry ny oniversite tany Etazonia io fanontaniana io, tsy ela taorian’ny nanombohany nianatra ny Baiboly. Noho izy avy amin’ny fivavahana hindoa, dia vaovao taminy ny hevitra ny amin’ny ota nolovana. Raha nolovana tokoa anefa ny ota, hoy ny fanjohian-keviny, dia tsy hahavitana na inona na inona ny fandavana na ny tsy fanekena ny fisiany. Ahoana no hahafahan’ny olona iray hahita ny valin’io fanontaniana io?
Raha nolovana ny ota, dia tsy maintsy nanana fiandohana izy io. Noforonina ho ratsy ve ilay olombelona voalohany, hany ka namindra toetra ratsy tamin’ireo zanany izy? Sa nipoitra tsikelikely tatỳ aoriana ny lesoka? Oviana marina no nanomboka ny ota? Etsy an-danin’izany, raha zava-dratsy mitokana na faharatsiana etỳ ivelany fotsiny izy io, afaka manantena ho afaka amin’izy io ve isika indray andro any?
Araka ny finoana hindoa, dia tsy misaraka amin’ny zavatra noforonina ny fijaliana sy ny faharatsiana. “Mifindrafindra toerana fotsiny, toy ny rohana [rhumatisme] mitaiza, ny fijaliana [na faharatsiana], fa tsy azo fongorana tanteraka”, hoy ny fanamarihan’ny manam-pahaizana manokana hindoa iray. Azo antoka fa anisan’ny tontolon’ny taranak’olombelona nandritra ny tantara voarakitra an-tsoratra ny faharatsiana. Raha talohan’ny tantaran’olombelona voarakitra an-tsoratra izy io, dia voatery tsy maintsy ho avy amin’ny loharano ambony kokoa noho ny olombelona ny valiny azo ianteherana momba ny fiandohany. Tsy maintsy avy amin’Andriamanitra ny valiny. — Salamo 36:9.
Olombelona — Noforonina tsy nisy ota
An’ohatra ny filazalazana ny famoronana ny olombelona nomena tao amin’ny Vedas, hoy ny fieken’i Nikhilananda, filôzôfa hindoa. Mitovy amin’izany, ny ankamaroan’ny fivavahana tatsinanana dia tsy manome afa-tsy fanazavana miharo angano momba ny famoronana. Kanefa, misy antony araka ny lôjika sy ara-tsiansa, inoana ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny famoronana ny olombelona voalohany.a Manambara toy izao ny toko voalohany aminy: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” — Genesisy 1:27.
Inona no dikan’ny hoe noforonina “tahaka ny endrik’Andriamanitra”? Izao fotsiny: Natao nitovy tamin’Andriamanitra ny olombelona, nanana toetra araka an’Andriamanitra — toy ny fitiavana ny rariny, ny fahendrena ary ny fitiavana — izay mampiavaka azy amin’ny biby. (Ampitahao amin’ny Kolosiana 3:9, 10.) Ireo toetra ireo dia nanome azy ny fahafahana hifidy ny hanao ny tsara na ny ratsy, ka nahatonga azy ho olona afaka nanao izay tiany hatao. Tsy nisy ota tao amin’ilay olombelona voalohany, tsy nisy faharatsiana na fijaliana teo amin’ny fiainany, fony izy noforonina.
Tamin’ilay lehilahy Adama no nametrahan’i Jehovah Andriamanitra izao didy izao: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17). Raha nifidy ny hankatò i Adama sy i Eva, vadiny, dia ho afaka nitondra fiderana sy voninahitra ho an’ny Mpamorona azy, sy nitoetra ho tsy nisy ota. Etsy an-danin’izany, ny fanaovan-javatra mampiseho tsy fankatoavana dia hanambara fa tsy narahin’izy ireo an-tsakany sy an-davany ilay fari-pitsipika lavorarin’Andriamanitra, ka izany dia nahatonga azy ho tsy lavorary — ho nisy ota.
Tsy noforonina ho andriamanitra i Adama sy i Eva. Kanefa, tena nanana ampahany tamin’ny toetra araka an’Andriamanitra sy ny fahaizana manao fanapahan-kevitra ara-pitondran-tena, izy. Noho izy noforonin’Andriamanitra, dia tsy nisy ota, izany hoe lavorary, izy. (Genesisy 1:31; Deoteronomia 32:4). Ny fisiany dia tsy nanakorontana ny firindrana izay efa nanjaka teo amin’Andriamanitra sy izao rehetra izao, hatramin’ny ela ka mandra-pahatongan’izay. Ahoana àry no niandohan’ny ota?
Ny fiandohan’ny ota
Tany amin’ny faritra ara-panahy no nitranga voalohany ny ota. Talohan’ny namoronana ny tany sy ny olombelona, Andriamanitra dia namorona zavaboary ara-panahy manan-tsaina — anjely izany. (Joba 1:6; 2:1; 38:4-7; Kolosiana 1:15-17). Nihevitra be loatra ny hatsaran-tarehiny sy ny fahakingan-tsainy manokana ny iray tamin’ireo anjely ireo. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 28:13-15.) Avy tamin’ny toromarik’Andriamanitra ny amin’ny hiterahan’i Adama sy i Eva, dia afaka nahatakatra io anjely io, fa tsy ho ela ny tany manontolo dia ho feno olona marina, ka hanompo an’Andriamanitra izy rehetra. (Genesisy 1:27, 28). Naniry hahazo ny fanompoam-pivavahan’izy ireo io zavaboary ara-panahy io. (Matio 4:9, 10). Nitarika azy hanaraka lalam-pitondran-tena ratsy ny fisaintsainany izany faniriana izany. — Jakoba 1:14, 15.
Niresaka tamin’i Eva tamin’ny alalan’ny bibilava ilay anjely mpikomy ka nilaza fa, tamin’ny fandrarana tsy hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, Andriamanitra dia nihazona fahalalana izay tokony ho an’i Eva. (Genesisy 3:1-5). Ny filazana izany dia fandaingana feno fankahalana — fanaovana ota. Tamin’ny fanambarana io lainga io dia nanao ny tenany ho misy ota ilay anjely. Ho vokany, dia nanjary nantsoina hoe ny Devoly, mpanendrikendrika, sy Satana, mpanohitra an’Andriamanitra, izy. — Apokalypsy 12:9.
Nisy voka-dratsy teo amin’i Eva ny fanaporofoan-kevitra nampiaiky nataon’i Satana. Natoky ny tenin’ilay Mpaka Fanahy izy, ka nanaiky ho voafitaka sy hihinana tamin’ny voan’ilay hazo voarara. Nanaraka azy i Adama vadiny, tamin’ny fihinanana ilay voankazo, ka tamin’izany izy roa dia samy nanjary nisy ota. (Genesisy 3:6; 1 Timoty 2:14). Mazava àry fa tamin’ny fifidianana ny tsy hankatò an’Andriamanitra, ireo ray aman-drenintsika voalohany dia tsy nahatratra ny mariky ny fahalavorariana ary nanao ny tenany ho nisy ota.
Ahoana ny amin’ny taranak’i Adama sy i Eva? Manazava toy izao ny Baiboly: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra’. (Romana 5:12). Efa nisy vokany sahady ny lalàn’ny fandovan-toetra. Tsy afaka namindra tamin’ny zanany afa-tsy izay nananany i Adama. (Joba 14:4). Nanary ny fahalavorariana ilay mpivady voalohany, ka efa nisy ota izy rehefa notorontoronina ny zanany. Ho vokany, isika rehetra — tsy an-kanavaka — dia nandova ota. (Salamo 51:5; Romana 3:23). Ny ota indray kosa dia tsy namokatra afa-tsy faharatsiana sy fijaliana. Ambonin’izany, dia mihantitra sy maty avokoa isika rehetra noho izy io, satria “fahafatesana no tambin’ny ota”. — Romana 6:23.
Feon’ny fieritreretana “miampanga” na “manala tsiny”
Hevero koa ny vokatry ny ota teo amin’ny fitondran-tenan’ilay mpivady olombelona voalohany. Nanarona faritra sasany tamin’ny vatany izy ary nanandrana niafina an’Andriamanitra. (Genesisy 3:7, 8). Nahatonga azy ireo hahatsapa fahamelohana sy fanahiana ary henatra ny ota, araka izany. Ny olombelona amin’izao andro izao dia tena mahalala tsara an’ireo fihetseham-po ireo.
Iza no tsy efa nizaka fihetseham-po tsy nahafinaritra noho ny tsy nanehoana hatsaram-panahy tamin’ny olona iray nila izany, na iza no tsy nahatsapa nenina noho ny nilazana teny tsy tokony ho notononina mihitsy? (Jakoba 4:17). Nahoana isika no manana fihetseham-po tsy milamina toy izany? Manazava ny apostoly Paoly fa misy ‘lalàna voasoratra ao am-pontsika’. Izay fandikana an’io lalàna io dia miteraka fikorontanana anaty, raha tsy hoe nanjary donto angaha ny feon’ny fieritreretantsika. Izany no izy, ka ny feon’ny fieritreretantsika no “miampanga” na “manala tsiny” antsika. (Romana 2:15, NW; 1 Timoty 4:2; Titosy 1:15). Na takatsika izany na tsia, isika dia manana, ao anatintsika ao, fahatsapana izay atao hoe ratsy, izay atao hoe ota!
Nahafantatra tsara ny fironany hanota i Paoly. “Raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy”, hoy ny fiekeny. “Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.” Koa nanontany toy izao i Paoly: “Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” — Romana 7:21-24.
Fahafahana amin’ny ota — Amin’ny fomba ahoana?
“Ao amin’ny lovantsofina hindoa, ny fahafahana, dia ny fahafahana avy amin’ny fahaterahana sy fahafatesana miverimberina”, hoy ny manam-pahaizana manokana iray. Ho fanafodiny, ny Bodisma dia manondro toy izany koa ny Nirvana — fanadinoana tanteraka ny zava-misy ivelan’ny tena. Noho ny Fivavahana Hindoa tsy tonga tamin’ny fahatakarana ny hevitra ny amin’ny ota nolovana, dia tsy mampanantena afa-tsy fandosirana ny fisiana fotsiny izy io.
Etsy an-danin’izany, ny fomba fanafahana lazain’ny Baiboly dia miteraka tena fanesorana ny toe-piainana feno ota. Rehefa avy nanontany ny fomba azo amonjena azy amin’ny ota ny apostoly Paoly, dia nanohy ary namaly hoe: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Romana 7:25). Eny, avy amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ny famonjena.
Araka ny Filazantsaran’i Matio, i Jesosy Kristy “Zanak’olona” dia tonga “hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Timoty 2:6, i Paoly dia nanoratra fa “nanolotra ny tenany ho avotra [mifanandrify ho an’ny, NW ] olona rehetra” i Jesosy. Ny teny hoe “avotra” dia midika hoe fandoavana ny vidim-panavotana olona babo. Ny hoe avotra mifanandrify dia manamafy ny fahafahan’ilay vidiny hampitovy tantana ilay mizana ara-dalàna takin’ny rariny. Ahoana anefa no ahafahana mihevitra ny fahafatesan’ny olona iray ho “avotra mifanandrify ho an’ny olona rehetra”?
Namidin’i Adama ho amin’ny ota sy ny fahafatesana ny taranak’olombelona rehetra, anisan’izany isika. Ny ainy lavorary no vidiny, na sazy naloany. Tsy maintsy naloa ny ain’olombelona lavorary iray hafa — avotra mifanandrify — mba hanaronana izany. (Eksodosy 21:23; Deoteronomia 19:21; Romana 5:18, 19). Koa satria tsy nisy olombelona tsy lavorary na dia iray aza afaka nanome io avotra io, dia nanokatra lalana hialana tamin’izany fahoriana izany Andriamanitra, noho ny fahendreny tsy hita fetra. (Salamo 49:6, 7). Namindra ny aina lavorarin’ny Zanany lahy tokana avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny virjiny iray teto an-tany izy, ka namela azy io ho teraka olombelona lavorary. — Lioka 1:30-38; Jaona 3:16-18).
Mba hanatanterahana ny asa fanavotana ny taranak’olombelona, dia tsy maintsy nitana ny tantaram-piainany ho madio i Jesosy nandritra ny fotoana manontolo naha-tetỳ an-tany azy. Izany no nataony. Avy eo dia maty ho sorona izy. Tamin’izany fomba izany dia nataon’i Jesosy izay hahazoana antoka fa ho azo aloa ny vidin’ny ain’olombelona lavorary — ny ainy — ho avotra hamonjena ny taranak’olombelona. — 2 Korintiana 5:14; 1 Petera 1:18, 19.
Izay azon’ny avotr’i Kristy atao ho antsika
Afaka mandray soa avy amin’ny avotr’i Jesosy isika dieny izao. Amin’ny fanehoana finoana azy io, dia afaka manana toeran’olona madio eo anatrehan’Andriamanitra isika ary afaka ho eo ambany fiahiana amim-panehoam-pitiavan’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 10:43; Romana 3:21-24). Toy izay ho resin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka noho ny ota mety ho nataontsika, dia afaka mitady tsy amim-pihambahambana famelan-keloka amin’Andriamanitra isika, miorina amin’ilay avotra. — Isaia 1:18; Efesiana 1:7; 1 Jaona 2:1, 2.
Amin’ireo andro ho avy, ilay avotra dia hahatonga hety ny fanasitranana tanteraka ny toe-piainana mankarary misy ny taranak’olombelona, vokatry ny ota. Ny boky farany ao amin’ny Baiboly dia milazalaza “onin’ny ranon’aina” iray izay mivoaka avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Misy hazo mamoa be sy manana ravina “ho fanasitranana ny firenena maro” manaraka ny moron’ilay ony. (Apokalypsy 22:1, 2). Ara-panoharana, ny Baiboly eto dia miresaka ny amin’ny fandaharana mahatalanjon’ny Mpamorona mba hanafahana mandrakizay ny taranak’olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy.
Ho tanteraka tsy ho ela ireo fahitana ara-paminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. (Apokalypsy 22:6, 7). Amin’izay ny olona mahitsy fo rehetra dia ho tonga lavorary, ka “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana”. (Romana 8:20, 21). Moa ve izany tsy tokony hanosika antsika hianatra misimisy kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, Zanany mahatoky, izay nanjary ilay avotra? — Jaona 17:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny boky La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? navoakan’ny Fikambanana Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 6]
Nitondra ny ota sy ny fahafatesana tamin’ny taranak’olombelona i Adama
[Sary, pejy 7]
Mitondra fahafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ny avotr’i Jesosy