Ny Antony Isian’ny Olona Sasany Ateraka Indray
“RAHA tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” (Jaona 3:3). Sady mampientam-po no mametraka zava-manahirana ao an-tsain’ny olona maro ireo teny ireo hatramin’ny nilazan’i Jesosy Kristy azy, maherin’ny 1 900 taona lasa izay.
Mba hahatakarana araka ny tokony ho izy ireo filazan’i Jesosy momba ny fahaterahana indray ireo, dia tsy maintsy mamaly ireto fanontaniana ireto aloha isika: Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona? Inona no mitranga amin’ny fanahy (âme) eo am-pahafatesana? Nokendrena hanao inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
Fikasan’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona
Noforonina ho olombelona lavorary, zanak’Andriamanitra, i Adama, lehilahy voalohany. (Lioka 3:38). Tsy nikasa mihitsy ny hanao izay hahafaty an’i Adama i Jehovah Andriamanitra. I Adama sy i Eva, vadiny dia nanana fanantenana ny hiteraka fianakavian’olombelona tsy nisy ota izay hiaina mandrakizay sy hameno tany paradisa iray. (Genesisy 1:28). Tsy anisan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fahafatesana. Tsy nanafika ny faritra nisy ny olombelona izy io raha tsy noho ny fikomiana tamin’ny lalàn’Andriamanitra. — Genesisy 2:15-17; 3:17-19.
Io fikomiana io dia nampipoitra ady hevitra lehibe nahakasika fitondran-tena, toy ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahafahan’ny olombelona hitoetra ho tsy mivadika amin’ny lalàny. Hilaina ny fotoana mba handaminana ireo ady hevitra ireo. Tsy niova anefa ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra, ary tsy afaka ny tsy hahomby eo amin’izay nokasainy hatao izy. Mikendry tanteraka ny hameno ny tany amin’ny fianakavian’olombelona lavorary izay hifaly amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa izy. (Salamo 37:29; 104:5; Isaia 45:18; Lioka 23:43, NW ). Tsy maintsy mitadidy io fahamarinana fototra io isika rehefa mandinika ny tenin’i Jesosy mikasika ny fahaterahana indray.
Inona no mitranga amin’ny fanahy eo am-pahafatesana?
Noho izy ireo tsy nahalala izay nampahafantarin’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ny mpanoratra ny Baiboly, dia nifofotra nitady ny dikan’ny fiainana ireo filozofa grika. Tsy nety nino izy ireo fa ny olombelona dia natao ho velona taona vitsivitsy monja, mazàna ao anatin’ny toe-piainana mahafadiranovana, ary avy eo dia mitsahatra tsy misy intsony. Marina ny azy eo amin’izay lafiny izay. Kanefa dia diso izy ireo eo amin’ny fanatsoahan-keviny momba ny fanantenan’ny olombelona aorian’ny fahafatesana. Nanatsoaka hevitra izy ireo fa ny fisian’ny olombelona dia nitohy tamin’ny endriny hafa sasany taorian’ny fahafatesana, ary nisy fanahy tsy nety maty tao anatin’ny olona tsirairay.
Nisy heriny teo amin’ny Jiosy sy ireo mihambo ho Kristiana izany fomba fihevitra izany. Hoy ilay boky hoe Heaven—A History: “Na taiza na taiza nifanenan’ny Jiosy niaina lavitra ny taniny tamin’ny Grika avara-pianarana, dia nipoitra ny hevitra momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy.” Nanampy teny toy izao ilay boky: “Nisy fiantraikany naharitra teo amin’ireo zavatra inoan’ny Jiosy sy ny Kristiana tamin’ny farany ny fampianarana grika momba ny fanahy. (...) Tamin’ny famoronana fifangaroan-kevitra tokana avy amin’ny filozofian’i Platon sy ny lovantsofin’ny Baiboly, dia nanamora ny lalan’ireo filozofa kristiana tatỳ aoriana i Philon [filozofa jiosy tamin’ny taonjato voalohany tany Aleksandria].”
Inona no ninoan’i Philon? Nanohy ny teniny toy izao io boky io ihany: “Taminy, ny fahafatesana dia mamerina ny fanahy amin’ny toe-piainana nisy azy tany am-boalohany, talohan’ny fahaterahana. Koa satria ny fanahy dia an’izao tontolo izao ara-panahy, ny fiainana ao anatin’ny vatana dia manjary tsy inona fa vanim-potoana mihelina, mazàna tsy ahitam-pahombiazana fotsiny.” Ny “toe-piainana talohan’ny fahaterahana” nisy an’i Adama anefa, dia ny tsy fisiana. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, Andriamanitra dia tsy nikasa mihitsy ny hanao famindran-toerana mandeha ho azy ho any amin’ny faritra hafa sasany eo am-pahafatesana, toy ny hoe ny tany dia toeram-panomanana ho amin’ny fisiana iray ambony kokoa na ambany kokoa.
Ny finoana fa tsy mety maty ny fanahy olombelona dia tsy ampianarin’ny Teny ara-tsindrimandrin’ny fanahin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Tsy mampiasa ny teny hoe “fanahy tsy mety maty” na dia indray mandeha monja aza izy io. Lazainy fa noforonina ho fanahy i Adama, fa tsy nanana fanahy. Hoy ny Genesisy 2:7: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona [“fanahy velona”, NW ] izy”. Tsy nomena fanantenana fiainana mandrakizay any an-danitra na fijaliana mandrakizay any amin’ny afobe mihitsy ny taranak’olombelona. Asehon’ny Baiboly fa ny fanahy, na olona, izay maty dia tsy manana fisiana misy fahatsiarovan-tena. (Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Noho izany, ireo filozofa dia nanana fomba fihevitra tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina momba ny fanahy. Mila ny mitandrina isika mba tsy ho voafitaky ny hevitra izay mety hanamaizina ny fahatakarantsika ny tenin’i Jesosy momba ny fahaterahana indray.
Ateraka indray mba hanapaka toy ny mpanjaka
Nilaza tamin’i Nikodemosy i Jesosy fa ireo izay ‘ateraka indray (...) dia hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra’. (Jaona 3:3-5). Inona izany Fanjakana izany? Teo am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ary tamin’ny fitenenana ara-panoharana, i Jehovah Andriamanitra dia nanao filazana fohy ny amin’ny fikasany hampiasa “taranaka” manokana iray — mpanapaka iray ho avy — mba hanorotoro ny lohan’ilay Menarana ela, dia i Satana Devoly. (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:9). Araka ny voambara tsikelikely tao amin’ny Soratra Masina, dia fantatra fa i Jesosy Kristy no ilay “taranaka” izay manjaka miaraka amin’ny mpiara-manjaka ao amin’ny Fanjakana Mesianika, dia ilay hany fisehoan’ny fiandrianan’Andriamanitra. (Salamo 2:8, 9; Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44; 7:13, 14). Io ilay Fanjakan’ny lanitra, dia fitondrana iray any an-danitra izay hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah sy hamonjy ny taranak’olombelona amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. — Matio 6:9, 10.
Misy 144 000 izay navotana avy tamin’ny olona ampiarahina amin’i Jesosy ho mpiara-manjaka aminy. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-4). Nifidy ny sasany tao amin’ny fianakavian’olombelona tsy lavorary avy tamin’i Adama Andriamanitra mba ho tonga “olo-masin’ny Avo Indrindra” izay manapaka miaraka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana Mesianika. (Daniela 7:27; 1 Korintiana 6:2; Apokalypsy 3:21; 20:6). Ireo lehilahy sy vehivavy ireo dia mino an’i Jesosy Kristy izay nilaza fa “hateraka indray” izy ireo. (Jaona 3:5-7). Amin’ny fomba ahoana no itrangan’izany fahaterahana izany ary nahoana?
Ireo olona ireo dia natao batisa tao anaty rano tamin’ny naha-mpanara-dia an’i Kristy azy. Namela ny fahotany Andriamanitra niorina tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, nilaza azy ireo ho marina, ary nanangana azy ireo ho zanany ara-panahy. (Romana 3:23-26; 5:12-21; Kolosiana 1:13, 14). Ho an’ny olona toy izany no nilazan’ny apostoly Paoly hoe: “Nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana [ianareo], izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa”. — Romana 8:15-17.
Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy azy ireo, dia nahazo fahaterahana vaovao, na fiaingana vaovao teo amin’ny fiainana izy ireo. Izany dia nahatonga fiekena fa hahazo anjara amin’ny lovan’i Jesosy any an-danitra izy ireo. (Lioka 12:32; 22:28-30; 1 Petera 1:23). Nilazalaza toy izao ny amin’ny fahaterahana indray ny apostoly Petera: “[Andriamanitra] niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo”. (1 Petera 1:3, 4). Manjary mety hisy io fiainana vaovao any an-danitra io ho an’ny olona toy izany satria atsangan’Andriamanitra toy ny nananganany an’i Jesosy izy ireo. — 1 Korintiana 15:42-49.
Ahoana ny amin’ny tany?
Izany akory tsy midika hoe ny olombelona rehetra mankatò amin’ny farany dia hateraka indray mba hiala amin’ny tany ho any an-danitra. Ny hevitra diso toy izany dia mitovy amin’izay ninoan’ny filozofa toa an’i Philon, izay nihevitra fa “ny fiainana ao anatin’ny vatana dia manjary tsy inona fa vanim-potoana mihelina, mazàna tsy ahitam-pahombiazana fotsiny.” Tsy nisy naha-ratsy azy anefa ny zavatra noforonin’i Jehovah Andriamanitra teto an-tany tany am-boalohany. — Genesisy 1:31; Deoteronomia 32:4.
Tsy natao hihelina sy hampijaly mihitsy ny fiainan’olombelona. Hanaisotra ny vokatra manimba rehetra avy amin’ny fikomian’i Satana i Jesosy Kristy sy ireo nateraka indray mba hiasa amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka aminy. (Efesiana 1:8-10). Amin’ny maha-“taranak’i Abrahama” nampanantenaina azy ireo, dia amin’ny alalany no “hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Galatiana 3:29; Genesisy 22:18). Ho an’ny taranak’olombelona mankatò, izany dia hidika ho fiainana eo amin’ny tany paradisa iray, hafa lavitra noho ilay fisiana mihelina sy feno fijaliana amin’izao andro izao. — Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 21:1-4.
Iza no handray soa?
Ho anisan’ireo izay handray soa avy amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hitahiana ny taranak’olombelona ireo maty hatsangana izay haneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15). Ny ankamaroan’izy ireo dia mbola tsy nampianarina mihitsy ny amin’Andriamanitra sy i Kristy, ary noho izany dia tsy afaka naneho finoana an’i Jesosy. Ireo hatsangana amin’ny maty ireo dia hahafaoka koa an’ireo olona nahatoky sahala amin’i Jaona Mpanao batisa izay maty talohan’ny nanokafan’ny fahafatesan’i Jesosy lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra. (Matio 11:11). Ankoatra ireo, dia misy ‘olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra izay nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’, dia i Jesosy Kristy. Izy ireo dia mandray tsara ny asa fitoriana ilay Fanjakana izay tarihin’ireo ‘rahalahin’i Jesosy’ nateraka indray, ary ho tafita velona amin’ilay adin’Andriamanitra ao Haramagedona mba hiaina eo amin’ny tany iray voadio. (Apokalypsy 7:9-14; 16:14-16; Matio 24:14; 25:31-46). Ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra àry, dia hisy olona an-tapitrisany maro ho voavonjy na dia tsy nateraka indray mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra aza izy ireo. — 1 Jaona 2:1, 2.
Moa ve ianao ho anisan’ireo izay handova fiainana eo amin’ny tany paradisa iray? Afaka ny ho anisany ianao raha maneho finoana ny soron’i Jesosy Kristy ka miaraka amim-paharisihana amin’ny kongregasiona kristiana marina. Izy io dia tsy simban’ny filozofia fa nitoetra ho “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” kosa. (1 Timoty 3:15; ampitahao amin’ny Jaona 4:24; 8:31, 32.) Afaka manantena hoavy mampitolagaga àry ianao, rehefa hanapaka any an-danitra ireo zanak’Andriamanitra nateraka indray, ka ho tafaverina amin’ny fahatanterahana ny zanak’Andriamanitra rehetra etỳ an-tany, eo amin’ny tany paradisa iray mahafinaritra. Koa hararaoty àry ny fahafahana hahazo fiainana ao amin’izany tontolo vaovao hisian’ny fitahiana mandrakizay izany. — Romana 8:19-21; 2 Petera 3:13.
[Sary, pejy 6]
Tsy nomena an’i Adama mihitsy ny safidy hoe fiainana any an-danitra sa fijaliana mandrakizay any amin’ny afobe