Fitahiana Tondraka Tany Amin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana”
TEO amin’ny 2 700 taona lasa teo ho eo izay, dia nanoratra toy izao i Isaia mpaminany: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena”. (Isaia 60:2). Niharihary ho marina toy inona moa ireo teny ireo! Na dia izany aza, dia misy fanantenana satria nampiposaka ny hazavana i Jehovah. Tamin’ny taona lasa, ireo izay tia ny fahazavan’Andriamanitra dia nasaina tamim-pitiavana mba hanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana”.
Natao, voalohany indrindra, tamin’ny volana Jona tany Amerika Avaratra, ny fandaharam-pivoriambe. Nandritra ireo volana nanaraka, dia natao tany amin’ny faritr’i Eoropa Atsinanana sy Andrefana, Amerika Afovoany sy Atsimo, Afrika, Azia, ary ireo nosin-dranomasina izany. Niisa ho an-tapitrisany maro ireo izay nanatrika izany. Ary sakafo ara-panahy tondraka toy inona moa no noraisin’izy ireo!
“Tonga Soa, Ianareo Rehetra Mpitondra Fahazavana!”
Tany amin’ny toerana maro, dia nanomboka ny zoma ny fivoriambe ary nifarana ny alahady tolakandro. Rehefa tafapetraka ireo mpanatrika ny zoma maraina, dia faly nandre indray mitopy maso ny amin’ny fomba nampanjelatra ny fahazavan’i Jehovah mbola tsy nisy toy izany nandritra izao andro farany izao. Avy eo dia niakatra teny amin’ny lampihazo ny mpitari-draharahan’ny fivoriambe. Nohamafisiny fa tokony ho mpitondra fahazavana ny Kristiana marina, ary niteny tamin-kafanam-po izy hoe: “Tonga soa, ianareo rehetra mpitondra fahazavana!” Ny fandaharam-pivoriambe dia hanampy ireo mpanatrika hanohy hampamirapiratra ny fahazavan’i Jehovah.
Ny lahateny fototra dia nanoritra ny toetoetra ankapoben’ilay fivoriambe manontolo. Nampahatsiahivin’ilay mpandahateny an’ireo mpanatrika fa maty ireo jiro ho an’ny olombelona hatrany amin’ny saha Edena. Hatramin’io i Satana dia nanajamba ny olombelona tsy hahita ny fahazavan’ny fahamarinana. (2 Korintiana 4:4). Na dia izany aza, dia tonga i Jesosy ho toy ny “fanazavana ny jentilisa”. (Isaia 42:1-6). Nanala sarona ireo fampianaran-diso ara-pivavahana izy, nampahafantatra izay atao hoe asan’ny maizina, nanohana ny fiandrianan’i Jehovah, ary nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nanao toy izany koa ireo mpanara-dia an’i Jesosy — ary mbola manao toy izany izy ireo! (Matio 28:19, 20). Niteny tamin’ny fomba nampientam-po toy izao ilay mpandahateny: ‘Isika koa, sahala amin’i Jesosy, dia afaka ny ho mpitondra fahazavana. Tsy misy asa lehibe kokoa noho izany amin’izao androntsika izao. Ary tsy misy tombontsoa lehibe kokoa noho izany mety ho azontsika.’
Raha teo am-pifaranana ny fotoam-pivoriambe voalohany, dia nisy zavatra tsy nampoizina. Niverina nankeny amin’ny lampihazo ny mpitari-draharahan’ny fivoriambe ary nanambara ny fivoahan’ny fitohitohizana taratasy mivalona vaovao efatra. Tehaka nafana no nandraisana io fisehoan-javatra io, ary nomena iray tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo taratasy mivalona ireo ny mpanatrika rehetra tonga teo.
Ny zoma tolakandro, dia nanintona ny saina ho amin’ny torohevitra fototra ho an’ireo Kristiana mitondra fahazavana ny fandaharam-pivoriambe. Ireo lahateny roa voalohany dia nanome torohevitra tsara dia tsara ny amin’ny fomba hanalavirana ny ho voapoizin’ny fahamaizinan’izao tontolo izao. Koa satria i Satana afaka miseho ho toy ny anjelin’ny mazava, dia iankinan’ny aina ny hitanana fomba fisaina araka ny fanahy mba tsy hanintonan’ireo zavatra tsy madio eo amin’izao tontolo izao antsika. (2 Korintiana 11:14). Nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina”. (Romana 12:2). Nandre ireo mpanatrika ny fivoriambe fa fanaovan-javatra mitohy ny fiovan’ny Kristiana iray. Voadio sy voavolavola amin’ny fomba mitohy ny saintsika arakaraka ny ianarantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ampiharantsika izay ianarantsika. Araka izany, dia manjary mihamanahaka an’i Jesosy izay “feno fahasoavana sy fahamarinana”, isika. — Jaona 1:14.
Tanora mpitondra fahazavana
Ny tapany faharoa tamin’ny zoma tolakandro dia nivantana tamin’ny tanora. Ny lahateny voalohany (“Ry Tanora — Inona no Katsahinareo?”) dia nidera ireo tanora kristiana izay ohatra tsara aoka izany eo amin’ny fahatokiana. Izany anefa dia mampahatsiahy azy ireo fa lasibatra manokan’i Satana izy ireo. Na dia ny atleta tsara ofana iray aza dia mila mpanazatra. Amin’ny fomba toy izany, ireo tanora dia mila ny fanampian’ireo ray aman-dreniny sy ny kongregasiona mba hanohizana handeha ao amin’ny mazava.
Izany dia nohamafisin’ilay fampisehoana tantara tsara dia tsara iray hoe Aoka Isika Hanao Izay Mahitsy eo Imason’i Jehovah, izay namarana ny fandaharana ny zoma. Nisongadina ny ohatr’i Josia Mpanjaka. Na dia mbola vao ankizilahy kely aza izy, dia tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah. Feno fitaoman-dratsy nanodidina azy, nefa noho ny fitarihan’i Hilkia mpisoronabe sy noho ny fitiavan’ny tenany manokana ny Lalàn’Andriamanitra, dia nanao izay tsara teo imason’i Jehovah i Josia. Enga anie ireo tanora kristiana amin’izao andro izao mba hanao zavatra amin’ny fomba mitovy amin’izany.
Ampamirapirato ny fahazavana
Taorian’ny fialan-tsasatra ny alina, dia tonga tao amin’ny fivoriambe indray ireo mpanatrika ny asabotsy maraina, vonona ny handray fanampin-torohevitra araka ny Soratra Masina mampandroso. Tsy diso fanantenana akory izy ireo. Nanaraka ny fiaraha-mandinika ny teny natao hovakina tamin’ilay andro, ny fandaharana dia nitohy tamin’ny fitohitohizan-dahateny iray nanasongadina fomba maro samy hafa ahafahan’ny Kristiana iray mampamirapiratra ny fahazavany. (Matio 5:14-16). Fomba iray tena lehibe ny fitoriana, ary mitana anjara toerana lehibe koa ny fitondran-tena tsara. Araka ny nolazain’ny mpandahateny, “ny fitoriana dia milaza amin’ny hafa izay inoantsika, kanefa ny fanehoana fitiavana dia manome porofo ny amin’izany”.
Nanintonana ny sain’ny mpanatrika tamin’izay ny fanampiana lehibe dia lehibe iray ho amin’ny fitoriana — ireo taratasy mivalona. Mbola velombelona tao an-tsain’ny mpanatrika ilay fampandrenesana ny omalin’iny, raha nandre fitantarana nanaporofo ny hery ananan’ireo fitaovana madinika ireo, izy ireo. Nampirisihina ny mpanatrika mba hitondra taratasy mivalona amin’ny fotoana rehetra, vonona ho amin’ny fahafahana miseho rehetra.
Nanaraka izay, dia nosintonina ho amin’ireo mpisava lalana ny saina, dia ho amin’ireo mpitory ilay Fanjakana manontolo andro izay miasa mafy eo amin’ny fitondrana fahazavana. Tena ankasitrahantsika tokoa ireo mpisava lalana miasa mafy ireo! Ary tsy mitsaha-mitombo ny isan’izy ireo. Na dia any amin’ireo tany nanomezana ny fahafahana ara-pivavahana vao haingana aza, dia mitombo aoka izany ny isan’ireo ao amin’ny laharan’ny mpisava lalana. Nampirisihina ireo mpisava lalana mba hankamamy ny tombontsoan’izy ireo. Ireo izay mbola tsy nanao ny asan’ny mpisava lalana dia nampirisihina mba handinika ny toe-javatra misy azy. Angamba izy ireo ho afaka handamina ireo raharahany koa mba hampamirapiratana ny fahazavany ao amin’ny fanompoana manontolo andro.
Mahatafiditra fanaovana sorona mazàna ny maha-mpitondra fahazavana, ary izany dia nasongadin’ilay lahateny nanaraka hoe “Aoka Isika Hanompo an’i Jehovah Amin’ny Toe-tsaina Feno Fahafoizan-tena”. Niangavy toy izao i Paoly: “Mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra”. (Romana 12:1). Ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena dia asehon’ireo izay miaritra fanenjehana. Manao sorona isan’andro ireo mpisava lalana mba hitoerana ao amin’ny fanompoana manontolo andro. Raha ny marina, ny Kristiana marina rehetra dia manao sorona amin’ny fisahiranana amin’ny fanompoana an’i Jehovah fa tsy amin’ireo raharaha mampiseho fitiavan-tena sy fitiavana zavatra ara-nofo eo amin’ity tontolo ity. Mitondra fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah ny fomba fiaina toy izany.
Izany lahateny izany dia nampiasaina ho toy ny fampidiran-dresaka mifanentana ho an’ilay nanaraka azy — ny lahatenin’ny batisa. Ireo izay natao batisa tany amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” dia azo antoka fa tsy hanadino izany lahateny izany mihitsy. Ho zava-dehibe eo amin’ny fiainan’izy ireo mandrakariva ny batisany. Nampahatsiahivina azy ireo fa nanaraka ny ohatr’i Jesosy Kristy, izay natao batisa teo amin’ny faha-30 taonany, izy ireo. Ambonin’izany, ireo mpilatsaka hatao batisa dia faly nitadidy fa izy ireo dia efa ‘nanary ny asan’ny maizina’ ary nanao fanapahan-kevitra mba ‘hanompo ny Tompo [“Jehovah”, NW ]’. (Romana 12:11; 13:12). Tamim-pifaliana, dia nitsangana teo anatrehan’ireo vahoaka nanatrika ny fivoriambe izy ireo ary nanao fanambarana ampahibemaso ren’ny sofina talohan’ny handehanana ho any amin’ny fanaovana batisa. (Romana 10:10). Mangataka ny fitahian’i Jehovah isika mba hirotsaka amin’ireo rehetra nanamarika ny fanoloran-tenany ho azy, tamin’ny filatsahana hatao batisa anaty rano nandritra ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana”.
Ny asabotsy tolakandro dia fotoana nanaovana fampitandremana nivantana sasantsasany. Izany dia tamin’ny endrika lahateny nitondra ny lohateny hoe: “Andosiro Ireo Fandriky ny Faniriana Mihoa-pampana”, “Misy Olona Manimba ny Fahazaranao Tsara Ve?” ary “Mitandrema Tena Amin’ny Karazana Fanompoan-tsampy Rehetra”. Ireo lahateny telo ireo dia nampahafantatra sasantsasany amin’ireo tetik’ady ampiasain’i Satana mba handemena Kristiana iray. Apostoly i Jodasy Iskariota nefa namadika an’i Jesosy izy noho ny vola. Nihalehibe tao amin’ny foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah indrindra i Samoela tanora nefa nisetra fifaneraserana tena ratsy tamin’ny fomba tsy azo nihodivirana izy. (1 Samoela 2:12, 18-20). Mety hahafaoka zavatra toy ny faharatsian-toetra eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fitsiriritana ny fanompoan-tsampy. (Efesiana 5:5; Kolosiana 3:5). Eny, ny faniriana mihoa-pampana, ny fifaneraserana ratsy, ary ny fanompoan-tsampy dia mampidi-doza ary tsy maintsy andosirana.
Niova fenitra avy eo ny fandaharan’ny fivoriambe, raha azo atao ny milaza izany. Ny lahateny nanaraka dia nampiseho fanontaniana ara-baiboly mahaliana vitsivitsy ary namaly izany. Ohatra, afaka manazava ve ianareo raha hatsangana amin’ny maty ireo olona tsy manaiky ny fahamarinana ka maty alohan’ny fahoriana lehibe? Inona no azon’ny Kristiana iray atao rehefa tsy mahita vady sahaza azy izy? Mba handalinana ny fahalalan’izy ireo ny Baiboly, dia nampirisihina ireo mpanatrika mba hampiasa amin’ny fomba feno ny Index des Publications de la Société Watch Tower, indrindra fa ny eo ambanin’ny lohateny hoe “Questions des Lecteurs”.
Ny fanatrehan’i Kristy sy ny fampiharihariana azy
Ny tapany namarana ny fandaharana ny asabotsy dia nitodika tamin’ny faminaniana tamin’ny alalan’ilay fitohitohizan-dahateny nitondra ny lohateny hoe “Aoka Isika Hanome Fahazavana Momba ny Fanatrehan’i Kristy sy ny Fampiharihariana Azy”. Nojerena indray ireo lafiny amin’ny “famantarana” manaporofo ny fanatrehan’i Jesosy Kristy. (Matio 24:3). Tao amin’ny tapany faharoa, dia noresahina ireo asa amin’ny andro ankehitriny ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Nampahatsiahivina fa hatramin’ny 1919, ny kilasin’ny mpanompo dia nitarika tamim-pahatokiana ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Avy eo, dia nisy vahoaka betsaka nangonina avy amin’ny firenena rehetra mba handray anjara miaraka amin’ireo Kristiana voahosotra eo amin’ny fampamirapiratana ny fahazavan’i Jehovah. Namarana ny teniny toy izao ny mpandahateny: “Aoka àry ny rehetra hanohy hanohana amin-jotom-po ny mpanompo mahatoky sy malina. Amin’ny fanaovana toy izany ihany no hahafahan’ireo rehetra toy ny ondry handre indray andro any, tsy ho ela intsony izao, ireto teny mahafaly ireto: ‘Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.’ — Matio 25:34.
Ny mpandahateny farany dia namelabelatra ny amin’izay tiana holazaina sy izay tafiditra amin’ny hoe fampiharihariana an’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 1:7, NW ). Tena ho fahitan-javatra tokoa izany fampiharihariana izany! Horavana i Babylona Lehibe. Hifarana amin’ny fandravana ity fandehan-javatra ity ny ady lehibe ifanaovan’ny tontolon’i Satana sy i Jesosy mbamin’ireo anjeliny. Amin’ny farany, i Satana mihitsy dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ary hatao tsy afa-mihetsika. Hisy anefa fanamaivanana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, miaraka amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry any an-danitra sy ny fisehoan’ny tany vaovao iray. Nanome fahafaham-po ny mpihaino azy ny mpandahateny tamin’ny fampisehoana ilay bokikely be velarana vaovao hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Ho fanampiana tsara dia tsara toy inona moa izany ho an’ireo olona manetry tena izay mila ny mahafantatra ny amin’ilay Mpamorona antsika be fiahiana sy ny fikasany ho antsika!
Ankohonana kristiana
Tonga izao ny alahady, andro farany tamin’ny fivoriambe. Kanefa dia maro no mbola tokony haroso. Taorian’ny fandinihana ny teny natao hovakina tamin’ilay andro, dia nanehoana fiheverana ny fianakaviana kristiana tamin’ny alalan’ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Ny Fifanehoana Fiahiana ao Amin’ilay Ankohonana Kristiana Misy Antsika”. Ny tapany voalohany dia nanampy ireo mpanatrika mba hahita ny fanalahidin’ny fananana fianakaviana kristiana mahomby: ny fametrahana ireo zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany. Ny tapany faharoa dia nampirisika ireo fianakaviana hanao zavatra miaraka, na mahatafiditra ny fanatrehana fivoriana izany, na ny asa fitoriana, na ny fianaram-pianakaviana, na ny fialam-boly. Ary ny tapany fahatelo tamin’ilay fitohitohizan-dahateny dia nampahatsiahy an’ireo mpanatrika ny amin’ny tombontsoany sy ny andraikiny hikarakara ireo be taona. “Ireo rahalahintsika sy anabavintsika be taona dia harena ho an’ny kongregasiona”, hoy ny mpandahateny. Aoka isika hankasitraka ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo ary hanahaka ny tsy fivadihany.
Izay tiana holazaina amin’ny fitenenana hoe “hendry” no nodinihina nanaraka izany. (1 Petera 4:7). Ny olona iray hendry dia manana fandanjalanjana, mahay mahataka-javatra, mahalala ny antonony, manetry tena, ary mahay misaina. Afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny diso, izy. Ambonin’izany, dia miezaka mafy izy mba hihazona fahasalamana ara-panahy tsara.
Ny lahateny farany tamin’ny fandaharana ny alahady maraina dia namelabelatra ny amin’ny fanekentsika an’Andriamanitra sy Kristy. “Tsy ho tafahoatra loatra ny fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fanehoana fanekena tsy mivadika amin’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy”, hoy ny mpandahateny. Nanohy nampiseho izy hoe amin’ny ahoana izany no mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Inona no hanampy antsika hanaiky hatrany? Ireto toetra tsara efatra ireto izany: ny fitiavana, ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny finoana, ary ny fanetren-tena.
Alahady tolakandro
Tsitapitapitr’izay, dia alahady tolakandro sahady ary fotoana ho an’ny fotoam-pivoriambe farany. Ho an’ny maro dia toy ny hoe vao teo no nanomboka ilay fivoriambe ary efa madiva hifarana sahady.
Ny lahateny ampahibemaso dia nitondra ny lohateny hoe “Araho Ilay Fahazavan’Izao Tontolo Izao”. Ireo izay tonga teo dia nomena fanazavana nanaitra momba ny anjara asan’ny fahazavana ara-batana eo amin’ny fitanana ny aina. Avy eo ny mpandahateny dia nampiseho ny maha-zava-dehibe kokoa ny fahazavana ara-panahy. Ny fahazavana ara-batana dia mitana antsika ho velona mandritra ny am-polony taona vitsivitsy, fa ny fahazavana ara-panahy kosa dia afaka mitana antsika ho velona mandrakizay doria. Anisan’ny hevi-dehiben’ilay lahateny ny fanazavana isan’andininy ny Jaona 1:1-16, izay ampahafantarana an’i Jesosy ho ny fahazavan’izao tontolo izao. Amin’izao andro izao, mandritra ireo taona farany amin’ity fandehan-javatra ratsy ity, dia mahadodona kokoa mbola tsy nisy toy izany ny fanarahana an’i Jesosy ao amin’io anjara asany io.
Taorian’ny famintinana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana natao ho amin’io herinandro io, dia tonga ny fotoana ho an’ny lahateny famaranana. Soa ihany fa nasehon’ilay mpandahateny fa misy zavatra maro be tokony handrandraina fatratra amin’ireo andro ho avy. Ohatra, nanambara ny fisian’ny cassette vaovao iray izy, dia ilay fampisehoana tantara hoe Aoka Isika Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Amin-jotom-po. Ary tsy izay ihany. Tokony ho nisy fitambarana vidéocassettes mitondra ny lohateny hoe Ny Baiboly — Bokin’ny Zava-misy sy ny Faminaniana, ka ny voalohany dia ilay manana ny foto-kevitra hoe Ny Baiboly — Tantara Marina, Faminaniana Azo Itokiana.
Farany, dia nanambara ny mpandahateny fa amin’ny 1993 dia hisy fivoriamben’ny distrika efatra andro, anisan’izany ireo fivoriambe iraisam-pirenena manokana atsy Afrika, any Azia, Eoropa, ary Amerika Atsimo. Na dia teo am-pifaranana aza ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana”, dia afaka nanomboka nanao planina ho an’ny taona ho avy sahady ireo mpanatrika.
Avy eo dia tonga ny fotoana hodian’ireo mpanatrika. Azo antoka fa tapa-kevitra mbola tsy nisy toy izany izy ireo ny hanohy hampamirapiratra fahazavana eo amin’ity tontolo maizina ity. Taorian’ireo telo andro ampoky ny zavatra ara-panahy, dia nandray heviny lehibe ireto teny tao amin’ny andinin-teny farany voatonona tao amin’ny lahateny famaranana ireto: “Andriamanitra Jehovah ka mampahazava antsika (...). Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; eny, mandrakizay ny famindrampony”. — Salamo 118:27, 29.
[Sary, pejy 15]
Fandaharan’ny fivoriambe amin’ny fiteny rosiana
[Sary, pejy 16, 17]
Nandray fitenenana ireo mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana tany amin’ny fivoriambe maro
Nisy solontena japoney teo amin’ireo izay tafavory tao St. Petersburg, any Rosia
Nisy tantara ara-baiboly nampientam-po iray nanamafy ny ilana hanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah
Nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny filatsahana hatao batisa ireo mpitondra fahazavana vaovao
Mpanatrika nankafy fatratra ny fandaharana tao St. Petersburg
[Sary, pejy 18]
Nientan-kafaliana ireo mpanatrika tamin’ny fandraisana ilay bokikely be velarana hoe “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?”