Jehovah — Ilay Andriamanitra Marina Sady Velona
NITENY tamim-panoherana an-karihary sy tamim-panesoana i Faraon’i Egypta rehefa nanontany hoe: ‘Iza moa i Jehovah?’ (Eksodosy 5:2). Araka izay nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, izany fihetsika izany dia nitondra loza sy fahafatesana teo amin’ireo Egyptiana, anisan’izany ny nahatongavan’ny rano ho fasan’i Farao sy ny tafiny.
Tany Egypta fahizay, dia noporofoin’i Jehovah Andriamanitra ny fahamboniany tanteraka teo amin’ireo andriamanitra sandoka. Misy zavatra maro lavitra tokony hianarana momba azy anefa. Inona avy ny lafiny sasany amin’ny toetra maha-izy azy? Ary inona no takiny amintsika?
Ny anarany sy ny lazany
Rehefa nanao ny fangatahany tamin’i Faraon’i Egypta i Mosesy, dia tsy nanao hoe: ‘Niteny toy izao sy toy izao ny Tompo’. Nihevitra ireo andriamaniny sandoka maro ho tompo i Farao sy ireo Egyptiana hafa. Tsia, nampiasa ilay anarana avy tamin’Andriamanitra hoe Jehovah i Mosesy. Ny tenany mihitsy no nandre ny nilazana izany avy tany an-danitra, fony izy teo amin’ilay roimemy nirehitra afo tany amin’ny tanin’ny Midiana. Hoy ilay fitantarana ara-tsindrimandry:
“Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; (...) Izaho efa nandre ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely, izay ampanompoin’ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. Koa lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo. Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ny tany [Kanana] izay nananganako tànana homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba [razanareo]; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.” — Eksodosy 6:1-8.
Izany indrindra no nataon’i Jehovah. Nanafaka ny Isiraelita tamin’ny fanandevozana egyptiana izy, ary namela azy ireo hipetraka teo amin’ny tany Kanana. Araka ny nampanantenaina, dia nataon’Andriamanitra izay hitrangan’izany rehetra izany. Mifanentana tokoa re izany! Ny anarany hoe Jehovah dia midika hoe “Mahatonga Izy”. Manondro an’i Jehovah amin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe “Andriamanitra”, “Tompom-piandrianana”, “Mpamorona”, “Ray”, “ny Tsitoha”, ary “ny Avo Indrindra” ny Baiboly. Na dia izany aza, ny anarany hoe Jehovah dia mampahafantatra azy ho ilay Andriamanitra marina izay manao izay hahatanteraka tsikelikely ny fikasany lehibe. — Isaia 42:8.
Raha namaky ny Baiboly tamin’ny fiteny nanoratana azy tany am-boalohany isika, dia ho nahita ny anaran’Andriamanitra inarivony maro. Amin’ny teny hebreo, izy io dia aseho amin’ny renisoratra efatra hoe Joda He Vao He (יהוה), antsoina hoe Tetragrama, izay vakina avy any an-kavanana miankavia. Ireo niteny hebreo dia nanome ny feon’ny zanatsoratra, saingy ny olona amin’izao andro izao dia tsy mahafantatra marina ny amin’ny hoe inona izy ireo. Na dia misy aza mifidy ny fanoratana hoe Iaveh, dia mahazatra sy mety tsara mba hilazana ny Mpamorona antsika ilay endriny hoe Jehovah.
Ny fampiasana ny anarana hoe Jehovah dia mampiavaka an’Andriamanitra koa amin’ilay antsoina hoe “ny Tompoko” ao amin’ny Salamo 110:1, izay toy izao ao amin’ny fandikana iray: “Ny TOMPO [Hebreo, יהוה] dia nilaza tamin’ny Tompoko hoe: Mipetraha hianao eto amin’ny tanako ankavanana, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” (King James Version). Noho ny fanekeny ny fisehoan’ilay anaran’Andriamanitra eto ao amin’ny soratra hebreo, dia izao no vakina ao amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao: “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eo an-tanako ankavanana, mandra-pametrako ireo fahavalonao ho toy ny fitoerana ho an’ny tongotrao.’ ” Ireo tenin’i Jehovah Andriamanitra ireo dia manisy fitenenana ara-paminaniana ny amin’i Jesosy Kristy izay nantsoin’ilay mpanoratra hoe “ny Tompoko”.
Nanao anarana ho an’ny tenany i Jehovah tamin’ny andron’i Farao. Tamin’ny alalan’i Mosesy, dia nilaza tamin’ilay mpanapaka mafy fo toy izao Andriamanitra: “Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra. Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tànako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany hianao. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” — Eksodosy 9:14-16.
Mikasika ny fialan’ny Isiraely tany Egypta sy ny fanonganana mpanjaka kananita sasany, dia izao no nolazain’i Rahaba, vehivavy tao Jeriko, tamin’ireo mpisafo tany hebreo roa lahy: “Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo [Isiraelita] ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo. Fa efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” (Josoa 2:9-11). Eny, niely ny lazan’i Jehovah.
Jehovah sy ny toetrany
Nanambara ny faniriany feno fahatsorana toy izao ny mpanao salamo: “Aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18). Koa satria manerana izao rehetra izao ny fiandrianan’i Jehovah, dia afaka nivavaka toy izao ireo mpanara-dia an’i Jesosy izay nenjehina: “Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny”. (Asan’ny Apostoly 4:24). Ary mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa i Jehovah dia “Mpihaino vavaka”! — Salamo 65:2.
Toetran’i Jehovah lehibe indrindra ny fitiavana. Marina tokoa fa “Andriamanitra dia fitiavana” — ilay tena sary velona mampiseho io toetra io. (1 Jaona 4:8). Ambonin’izany, dia ‘ao aminy no misy fahendrena sy hery’. I Jehovah dia feno ny fahendrena rehetra sy ny hery rehetra, kanefa dia tsy manampatra ny heriny mihitsy izy. (Joba 12:13; 37:23). Afaka matoky koa isika fa hifampiraharaha amintsika araka ny rariny mandrakariva i Jehovah, satria “fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandrianany”. (Salamo 97:2). Raha nanao fahadisoana isika kanefa mibebaka, dia afaka mahazo fampiononana amin’ny fahafantarana fa i Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana”. (Eksodosy 34:6). Tsy mahagaga raha afaka mahita fifaliana isika eo am-panompoana an’i Jehovah! — Salamo 100:1-5.
Ilay Mpanjaka tsy manam-paharoa any an-danitra
Hoy i Jesosy Kristy, Zanak’i Jehovah: “Andriamanitra dia Fanahy”. (Jaona 4:24). Noho izany dia tsy hitan’ny mason’olombelona i Jehovah. Raha ny marina, dia izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy mahazo mahita ny tavako hianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.” (Eksodosy 33:20). Be voninahitra aoka izany io Mpanjaka any an-danitra io ka tsy afaka hahatanty ny fahitana azy ny olombelona.
Na dia tsy hitan’ny masontsika aza i Jehovah, dia misy porofo maro ny amin’ny fisiany amin’ny maha-Andriamanitra Tsitoha azy. Marina tokoa fa “ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony”. (Romana 1:20). Ny tany — miaraka amin’ny ahi-maitso, ny hazo, ny voankazo, ny anambazaha, ary ny voninkazo eo aminy — dia manaporofo ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah. Tsy sahala amin’ireo andriamanitra-sampy tsy misy vidiny i Jehovah fa manome ranonorana sy taon-jina. (Asan’ny Apostoly 14:16, 17). Jereo ny kintana eny amin’ny lanitra amin’ny alina. Fanaporofoana lehibe ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah sy ny fahaizany mandamin-javatra re izany!
Nandamina ireo zavaboariny ara-panahy manan-tsaina sy masina any an-danitra koa i Jehovah. Amin’ny maha-fandaminana mirindra tsara azy, dia manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo araka ny nolazain’ny mpanao salamo hoe: “Misaora an’i Jehovah, hianareo anjeliny, dia hianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra, dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.” (Salamo 103:20, 21). Nandamina ny vahoakany teto an-tany koa i Jehovah. Voalamina tsara ny firenen’Isiraely, ary toy izany koa ireo mpanara-dia voalohany ny Zanak’Andriamanitra. Toy izany koa fa, amin’izao andro izao i Jehovah dia manana fandaminana iray maneran-tany voaforon’ny Vavolombelona be zotom-po, manambara ilay vaovao tsara hoe efa antomotra ny Fanjakany. — Matio 24:14, NW.
Jehovah no Andriamanitra marina sady velona
Naseho tamin’ny fomba maro aoka izany ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah! Nampietry ireo andriamanitra sandoka tany Egypta izy ary nitondra ny Isiraely soa aman-tsara tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Ny zavatra noforonina dia manome porofo tondraka momba ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah. Ary tsy misy tsotra izao ny fampitahana azo atao aminy sy ireo andriamanitra-sampy tsy misy dikany any amin’ny fivavahan-diso.
Ny mpaminany Jeremia dia nampiseho ny fifanoherana lehibe teo amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, sy ireo sampy tsy manana aina namboarin’olona. Voalaza tsara io fifanoherana io ao amin’ny Jeremia toko faha-10. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nanoratra toy izao i Jeremia: “Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay”. (Jeremia 10:10). Namorona ny zava-drehetra i Jehovah, ilay Andriamanitra velona sady marina. Nanafaka ny Isiraelita izay niaritra fahoriana tamin’ny fanandevozana egyptiana izy. Tsy misy na inona na inona tsy azony atao.
I Jehovah, ilay “Mpanjaka tsy manan-taloha”, dia hamaly ilay vavaka hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (1 Timoty 1:17; Matio 6:9, 10). Tsy ho ela ilay Fanjakana Mesianika any an-danitra, izay efa eo an-tanan’i Jesosy Kristy, dia hanao zavatra hamelezana ny ratsy fanahy sy handringanana ny fahavalon’i Jehovah rehetra. (Daniela 7:13, 14). Hitondra fitahiana tsy hanam-pahataperana ho an’ny olombelona mankatò ao amin’ny tontolo vaovao iray koa io Fanjakana io. — 2 Petera 3:13.
Misy zavatra be lavitra tokony hianarana momba an’i Jehovah sy ny fikasany. Nahoana raha manapa-kevitra ny handray izany fahalalana izany ary manao zavatra mifanaraka amin’izany? Raha manao izany ianao, dia hahazo tombontsoa hanana fiainana mandrakizay eo amin’ny paradisa iray eto an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. Hiaina ianao rehefa tsy ho eo intsony ny alahelo sy ny fanaintainana ary na dia ny fahafatesana aza, ka hameno ny tany ny fahalalana an’i Jehovah. (Isaia 11:9; Apokalypsy 21:1-4). Mety ho izany no hiafaranao amin’ny hoavy raha toa ianao ka mitady sy mahita ary manao zavatra mifanaraka amin’ny valiny omen’ny Baiboly amin’ilay fanontaniana hoe: ‘Iza moa i Jehovah?’
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.