Tontolo Iray Tsy Hisy Mpangalatra
HAINGANA aoka izany no nitrangan’ilay izy. Nisy lehilahy iray nitafy tsara nanatohoka poleta teo amin’ny lohan’i Antônio,a teo anoloan’ny tranony tany São Paulo, Brezila, ary nitaky ny lakile sy ny taratasin’ny fiarany izy, dia niriotra nitondra ilay fiara.
Tany Rio de Janeiro, dia nisy efa-dahy nirongo fiadiana, nampilavo lefona lehilahy iray antsoina hoe Paulo, teo imason’ny zanany vavy folo taona. Avy eo, rehefa avy nitondra ny fiara nankany an-tranon’i Paulo ireo mpangalatra, dia niditra ka naka izay niriny, nameno ny fiaran’i Paulo roa. Norahonan’izy ireo ho faty ny vadin’i Paulo ka nentiny niaraka tamin’ny mpiasa iray ho toy ny takalon’aina. Nentiny nankany amin’ny fivarotan’i Paulo firavaka tany an-tanàna izy ireo, ary dia norobainy izay rehetra sarobidy tao. Tamin’ny fomba tsy nampoizina anefa, dia niantso an-telefaonina ireo mpangalatra taorian’izay ka nilaza ny toerana namelany ireo fiara.
Mampangaihay toy inona moa izany hoe nangalarin’ny hafa ny vola sy fananana nisasaran’ny tena mafy! Na dia tsy nanao polisy tena aza i Antônio sy i Paulo, dia manao izany ny hafa. Mety hataon’izy ireo mahita faisana mihitsy ny mpangalatra, na izy ireo no mety hamoy ny ainy. Rehefa nandrombaka ny famantaranandrony, ohatra, ny tanora iray, dia namoaka ny poletany avy tao amin’ny poketrany ny vehivavy brezilianina iray tezitra, ary dia nitifitra ilay mpangalatra ka nahafaty azy. Inona no vokatr’izany? Nanao izao tatitra izao ny O Estado de S. Paulo: “Nidera ny fihetsik’ilay vehivavy tsy fantatra ireo olona nanatri-maso ilay fisehoan-javatra, ary tsy nisy tamin’izy ireo naniry hanampy ny polisy hampahafantatra azy io.” Na dia maniry mafy tontolo iray tsy misy mpangalatra aza ny Kristiana, dia tsy mamaly faty toy ny nataon’io vehivavy io izy ireo. Koa satria an’Andriamanitra ny famaliana, dia arahin’izy ireo ny teny ao amin’ny Ohabolana 24:19, 20 manao hoe: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy, ary aza mialona ny ratsy fanahy; fa tsy hisy fanantenana ho an’ny ratsy”.
Inona anefa no azonao atao raha misy manafika ianao? Asehon’ny zava-nitranga iray tany Rio de Janeiro ny maha-zava-dehibe ny fitoerana ho tony. Tao anaty aotobisy handeha hitarika fampianarana ny Baiboly ny vehivavy kristiana iray izay hantsointsika hoe Heloísa. Nisy roa lahy nanomboka nandroba ny mpandeha. Rehefa tonga teo amin’ilay fijanonana tokony hialany i Heloísa, dia nilaza tamin’izy ireo fa Vavolombelon’i Jehovah izy ary handeha hitarika fampianarana ny Baiboly. Nasehony ny Baiboliny sy boky fampianarany. Namela azy hidina ireo mpangalatra, tsy nisy fandrobana azy. Nisy mpandeha hafa iray anefa tsy navela handeha. Tatỳ aoriana dia nilaza ilay mpamily fa mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy izy.
Nitoetra ho tony koa i Regina rehefa nisy roa lahy nitam-piadiana nandidy azy hiditra tao anatin’ny fiarany. Tamin’ny fampisehoana ny gazetiny manokana Mifohaza!, dia nanao fanambarana i Regina. Koa satria hendratrendratra ireo mpangalatra, dia nangataka azy ireo izy mba hanokatra ny boîte à gants izay nitahirizany vatomamy sasany. Rehefa nahita ireo cassettes misy ny Mélodies du Royaume anefa izy ireo, dia nanomboka nihaino ilay mozika. Noho ny rivo-piainana nisy fisakaizana kokoa, dia nanapa-kevitra ny hamela an’i Regina tsy naninon-tsy naninona teo amin’ny autoroute ireo mpangalatra, tamin’ny fanomezana toky azy fa hahita olona tsara fanahy hanampy azy izy. Rehefa avy nandeha folo minitra izy, dia nahita trano iray, kanefa dia tsy nino ny fitantarany ilay tompon-trano nilaza hoe: “Toa tsy hita ho nisy nanafika izany akory ianao; tony aoka izany ianao.”
Na dia mety tsy haninon-tsy haninona ara-batana aza ny olona iray niharam-pahavoazana, ny fanandraman-javatra faran’izay mampihenjan-kozatra toy izany dia mety hisy vokany lehibe atỳ aoriana. ‘Mety hanjary ho be fanahiana ilay niharam-pahavoazana, hanjary ho feno fankahalana ny mpianakavy na ny hafa izay miezaka manampy azy, tsy ho afaka hatoky olona, ho sahiran-tsaina tafahoatra amin’ny fandaminana tsipirian-javatra, hihevitra fa tsy mampihatra ny rariny izao tontolo izao’, hoy ny tatitra nataon’ny O Estado de S. Paulo. Mifanohitra amin’izany, fa ny niharam-pahavoazana iray matoky an’i Jehovah Andriamanitra, dia azo inoana kokoa fa ho tafavoaka tsy haninon-tsy haninona ara-batana sy ara-pihetseham-po amin’ilay fanandraman-javatra. Na dia izany aza dia tsy hekenao ve fa ho fitahiana raha tsy misy intsony ny heloka bevava na izay zavatra mahatonga tahotra?
“Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony”
Na dia maro aza no tia kokoa ny fomba fiainany feno faniriana mihoa-pampana, ny Tenin’Andriamanitra dia nanampy mpangalatra hanova ny faniriany sy ny toetra maha-izy azy. (Efesiana 4:23). Noho ny fananana tena zava-kendrena eo amin’ny fiainana miorina amin’ny Baiboly, dia mandatsaka am-po ireto teny ireto izy ireo: “Aleo ny kely omban’ny fahamarinana toy izay ny harem-bevava azo amin’ny tsy rariny.” (Ohabolana 16:8). Nitantara toy izao i Cláudio: “Saiky Vavolombelona avokoa ny fianakaviako manontolo, kanefa dia tsy nihaino mihitsy izay nolazainy mikasika an’i Jehovah sy ny fikasany aho. Rehefa niverina avy tamin’ny dia lavitra iray efa ho [2 000 kilaometatra] tao amin’ny kamionety halatra aho, dia voatery nandalo toeram-pisavan’ny polisy maro. Teo am-panaovana izany aho dia nahatakatra fa voatery hanova ny fiainako. Efa nanandrana nanao izany aho taloha fa tsy nahavita. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia nanomboka nieritreritra ny amin’ireo havako izay Vavolombelon’i Jehovah aho. Hafa tokoa izy ireo, manam-pifaliana sy fahasambarana ary mandry feizay.” Ho vokatr’izany dia nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra i Cláudio, niala tamin’ny zava-mahadomelina sy ny namany taloha izy, ary tonga minisitra kristiana.
Misy hafa koa izao manaraka ireo teny hoe: “Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ny halatra”. (Salamo 62:10). Taorian’ny fanamelohana azy an-tranomaizina noho ny fanandramana hamono olona nandritra ny fangalarana iray, dia nandray soa tamin’ny fianarana ny Baiboly niaraka tamin’ny zaodahiny i José, mpidoroka sady mpivarotra an-tsokosoko zava-mahadomelina. Nitsahatra tsy nampiasa sy tsy nivarotra zava-mahadomelina izy, ary izao izy dia Vavolombelona be zotom-po.
Na dia izany aza, dia tsy mitranga avy hatrany na amin’ny fomba mahagaga akory ny toetra vaovao. Nitantara toy izao i Oscar izay tafiditra lalina tamin’ny zava-mahadomelina sy ny halatra: “Nivavaka tamin-kafanam-po aoka izany tamin’i Jehovah aho, hany ka mazàna ny gorodona dia toa nanjary farihy kely tamin’ny ranomasoko tondraka.” Eny, ankoatra ny fianarana amim-paharisihana ny Tenin’Andriamanitra, dia takina ny vavaka feno fikirizana sy fahatsorana. Mariho fa mampiseho fahendrena tokoa itỳ fiheverana feno fahatsorana itỳ: “Aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy: fandrao voky aho dia mandà anao, ka hanao hoe: Iza moa Iaveh? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny anaran’Andriamanitra.” — Ohabolana 30:8, 9, Kat.
Tsy maintsy soloana tena fitiavana marina ny tsy fitadiavana afa-tsy ny tombontsoan’ny tena: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.” (Efesiana 4:28). Toy ny tamin’ny Kristiana sasany tamin’ny taonjato voalohany, izay ‘mpangalatra na mpierina’ taloha, dia mamela amim-pamindram-po ireo izay mibebaka i Jehovah, amin’ny alalan’ny avotra nomen’i Jesosy Kristy. (1 Korintiana 6:9-11). Mampionona toy inona moa izany hoe na toy inona na toy inona fiainantsika tamin’ny lasa, dia afaka manova ny fomba fiainantsika isika, ary mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra! — Jaona 3:16.
Tsy fananana ahiahy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
Alao sary an-tsaina ny tany iray tsy misy mpangalatra. Tsy hila fandaharana mandany vola natao hampiharana ny lalàna toy ny mpitsara, mpisolovava, polisy sy tranomaizina intsony ianao! Izany dia ho tontolo iray hanankarena izay hisian’ny olona manaja ny hafa sy ny fananany! Toa sarotra inoana ve izany? Hisalovana tokoa amin’ny raharahan’olombelona ve Andriamanitra ka hamarana ny tsy fankatoavan-dalàna? Manasa anao izahay handinika ny porofo fa ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, ary azo ianteherana ny faminaniany. Hahita fanorenana mafy ianao mba hatokiana fa ho avy ny fiovana iray. Tsy misy olona afaka manakana an’Andriamanitra tsy hitondra ilay fanamaivanana nampanantenaina an’izay rehetra tia ny fahamarinana: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ny mpanao ratsy; ary aza mialona ny mpanao meloka; fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.” (Salamo 37:1, 2). Tsy ho ela dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ireo teny voasoratra efa hatramin’ny ela ireo.
Hamarana ny fahantrana sy ny tsy fahamarinana izay mahatonga famoizam-po sy fisalasalana aoka izany ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy olona ho sahirana ara-pivelomana ka hahatsiaro tena ho ao ambanin’ny fanerena hangalatra. Nomena toky ara-paminaniana toy izao isika: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza; hiròndròna tahaka ny any Libanona [fahiny] ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ny tany.” (Salamo 72:16). Marina tokoa fa ao amin’ilay Paradisa tafaverina indray, dia tsy hisy na inona na inona hanakotaba ny fiadanan’ny olombelona izay mahafantatra sy mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina. — Isaia 32:18.
Valisoa toy inona moa izany noho ny fanoherana ny lalan’itỳ tontolo feno faniriana mihoa-pampana itỳ! Hoy ny Ohabolana 11:19: “Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana; fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana.” Eny, aorian’ny famongorana ny ratsy fanahy, dia tsy hisy hanana antony hatahorana intsony ny amin’ny fiainany na ny fananany. Manome antsika izao fampanantenana izao ny Salamo 37:11: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
[Efajoro, pejy 5]
Fisetrana Amim-pahombiazana ny Fisian’ny Halatra
AO AN-TRANO — Koa satria ny mpangalatra mety hanamika ny tranonao na ao ianao na tsia, dia tano ho mikatona sy mihidy lakile hatrany ny varavarana. Mampirisika ny fananana fitaovana fanairana na alika mpiambina ny manam-pahaizana manokana. Ilazao ny mpiara-monina iray azo itokiana rehefa handeha hanao vakansy ianao. Mitoera ho tony — manao zavatra haingana sy tsy ampoizina ny mpangalatra, ary afaka manova tetika avy hatrany izy ireo raha manjary hendratrendratra. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia ampahafantaro izany, ary manandrama manao fanambarana. Mety ho azonao atao ny mampisy fisakaizana na fahatakarana ny toeran’ny hafa. Aza manohitra, raha tsy hoe tafihina ara-batana angaha ianao.
ENY AN-KALAMANJANA — Aoka ianao ho mailo hahamarika raha misy olona manaraka anao. Mandehana eo afovoan’ny trottoir. Halaviro ny arabe maizimaizina sy tsy misy olona. Ampirimo tsara ny fitoeram-bolanao na ny zava-tsarobidinao. Mandehana amim-pahavitrihana toy ny hoe misy alehanao. Halaviro ny fanaovana akanjo lafo vidy na firavaka marevaka. Miaraha amin’olona miantsena rehefa mahatonga hila izany ny toe-javatra. Izay vola ilainao ihany no ento, zarazarao any amin’ny paosy na toerana samihafa.
AO ANATY FIARA — Raha manjary mateti-piseho ao amin’ny faritra misy anao ny fanafihana olona ao anaty fiara, dia aza miandry ao anatin’ny fiaranao mijanona. Ovaovay ny lalana falehanao mandroso sy miverina mankany am-piasana. Mandehana amin’ny lalana azo antoka kokoa, na dia somary lavitra kokoa aza izany. Alohan’ny hametrahanao ny fiaranao, dia jereo ny manodidina mba hahitana raha misy zavatra toa mampiahiahy. Halaviro ny manokatra ny fitoeran’entana ao aoriana any amin’ny toerana tsy misy olona. Aza mamela zavatra sarobidy ho taza-maso ao anaty fiara. Ny fisian’ny rojo vy mihidy amin’ny lakile taza-maso na ny fitaovana fiarovana amin’ny mpangalatra toy izany dia mety hanakivy ny mpangalatra indraindray.
[Efajoro, pejy 6]
“Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” — Matio 6:19, 20