FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/11 p. 8-11
  • Tsy Nisy Fisaintsainana Fanekena Lembenana!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nisy Fisaintsainana Fanekena Lembenana!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nankahalaina tsy ahoan-tsy ahoana
  • Nanamafy ny fanenjehany i Roma
  • Tsy fitoviana niharihary
  • Ny vidin’ny fanaovana fanambarana
  • Nitondra fanenjehana lehibe kokoa ny fitomboana
  • Ny valim-pitia
  • Ny Kristianisma Tany Am-boalohany sy ny Fitondrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Ny Kristiana Voalohany sy Izao Tontolo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ankahalaina Noho ny Finoany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Fizarana 6: Roma: Herim-panjakana Fahenina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/11 p. 8-11

Tsy Nisy Fisaintsainana Fanekena Lembenana!

NOMBA ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy voalohany ny tanan’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 11:21). Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia nanaraka lalana marina tsy nisy fanekena lembenana izy ireo. Zava-nisy ara-tantara malaza ny hoe niharan’ny fankahalana koa sy fanenjehana mafy dia mafy mihitsy aza izy ireo.

Nanjary fanta-daza ny tsy fivadihan’ireo mpanara-dia an’i Kristy voalohany nahatoky. Na dia namoizany ny ainy aza ho setriny, dia tsy nanaiky hampilefitra ny finoany izy ireo. Nahoana anefa no nentina tamin-kalozana toy izany izy ireo?

Nankahalaina tsy ahoan-tsy ahoana

Tahaka an’i Jesosy, ireo Kristiana marina dia tsy nitovy faniriana sy zavatra ninoana tamin’itỳ tontolo itỳ. (1 Jaona 4:4-6). Ary koa, ny fitomboan’ny Kristianisma “dia haingana aoka izany ary niavaka aoka izany ny fahombiazany, hany ka tsy azo nosorohina ny fifandonana nahatsiravina [tamin’ny fahefan’ny emperora romana]”, hoy ny fanamarihan’i Edmond de Pressensé, mpanoratra tantara.

Nampihatra tamin’ny tenany salamo ara-paminaniana iray i Jesosy indray mandeha tamin’ny filazana hoe: “Mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy”. (Jaona 15:25; Salamo 69:4, NW ). Talohan’ny nilazany an’io tamin’ireo mpianany, dia nampitandrina toy izao izy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. (Jaona 15:20). Tsy ho mora akory ny hanarahana ny diany. Ny antony iray dia satria nihevitra an’ireo mpianatr’i Jesosy jiosy ho mpivadi-pinoana tamin’ny Jodaisma ireo filoham-pivavahana teo amin’ny Jiosy. Rehefa notakina tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny tsy hitenenany intsony momba azy, dia nanda izany kosa izy ireo ary tsy nampilefitra ny finoany araka izany. — Asan’ny Apostoly 4:17-20; 5:27-32.

Tao amin’ny fanambarana naseho tamin’ny Synedriona jiosy, fotoana fohy taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i. dia nampangaina ho “niteny ratsy an’i Mosesy sy Andriamanitra” i Stefana mpianatra. Na dia nanala baraka aza ilay fiampangana dia notoraham-bato ho faty izy. Ho vokatr’izany “dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana tany Jerosalema; ka dia niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany”. (Asan’ny Apostoly 6:11, 13; 8:1). Maro no natao an-tranomaizina.

Nanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesosy “tamim-pankahalana tsy hay notonena” ny Jiosy, hoy ny boky Christianity and the Roman Empire. Matetika ny fitondram-panjakana romana no voatery nanao zavatra mba hiarovana ireo Kristiana! Namonjy ny apostoly Paoly tamin’ireo Jiosy nikasa hamono hahafaty azy, ohatra, ireo miaramila romana. (Asan’ny Apostoly 21:26-36). Kanefa dia nitoetra ho tsy nilamina ny fifandraisana teo amin’ny Kristiana sy ny Romana.

Nanamafy ny fanenjehany i Roma

Sivy taona teo ho eo, taorian’ny nahafatesan’i Stefana, dia nampamono an’i Jakoba apostoly i Heroda Agripa I, mpanapaka romana mba hahazoana sitraka tamin’ny Jiosy. (Asan’ny Apostoly 12:1-3). Efa niely tany Roma ny finoana an’i Kristy tamin’izany fotoana izany. (Asan’ny Apostoly 2:10). Ravan’ny afo ny tapany lehibe tamin’io tanàna io tamin’ny 64 am.f.i. Nisy fanenjehana naha-feno horohoro an’ireo Kristiana nanaraka izany, taorian’ny niampangan’i Néron azy ireo ho nahatonga ilay loza. Niezaka mantsy izy nampitony ny tsaho fa ny tenany no tompon’andraikitra tamin’ilay hain-tanàna. Nandoro ilay tanàna ve izy mba hananana antony hanorenana azy indray ho tsara tarehy kokoa ary hanome azy anarana vaovao ampiarahina amin’ny azy, dia ny hoe Néropolis? Sa kosa nampihatra fitaomana tamin’ny fanapahan-keviny hiampanga ireo Kristiana i Poppaea, vadin’ny emperora, izay proselyta jiosy fantatra noho ny tsy fitiavany azy ireo? Tsy azon’ireo mpikaroka antoka ny amin’izany, kanefa dia nahatsiravina ny vokany.

Hoy i Tacite, mpanoratra tantara romana: “Fanarabiana no nanampiana ny fahafatesana; notafiana hodi-biby [ireo Kristiana] ary norotidrotehin’ny alika; nofantsihina tamin’ny lakroa izy ireo; natao azo narehitra izy ireo, hany ka rehefa nihamaizina ny andro dia azo nampiasaina ho toy ny jiro”, fanilo olombelona natao hanazavana ny zaridainan’ny emperora, izy ireo. Nanampy teny toy izao i Tacite izay feno fankahalana ireo Kristiana: “Na dia meloka aza izy ireo ka mendrika famaizana fakan-tahaka dia nampangoraka rehefa novonoina ho faty, tsy ho tombontsoan’ny besinimaro, fa vokatry ny habibian’ny lehilahy iray”, dia i Néron izany.

Tsy fitoviana niharihary

Na dia nety tamin’ny nikasan’i Néron azy aza ny niampangany ireo Kristiana ho nandrava an’i Roma, dia tsy nandrara azy ireo na oviana na oviana izy ary tsy nanameloka ny Kristianisma tamin’ny naha-fivavahana tao amin’ny Fanjakana. Koa nahoana àry no nampihatra fanenjehana ny Romana? Satria “nanelingelina an’ilay tontolo mpanompo sampy lasa adalam-pahafinaretana ilay antokon’olom-bitsy kristiana tamin’ny fitiavam-pivavahana sy ny hatsaram-pitondran-tena nananany”, hoy i Will Durant mpanoratra tantara. Tsy nisy toy izany ny halehiben’ny tsy fitoviana teo amin’ny Kristianisma sy ny fandatsahan-dra tamin’ny adin’ireo gladiatera romana. Tsy azo navela handalo fotsiny ho an’ireo Romana ny fahafahana handripaka ireo Kristiana ka tamin’izany dia nampitony ny feon’ny fieritreretany izy ireo.

Toa tsy azo noresena i Roma tamin’ny naha-herim-panjakana azy. Nino ireo Romana fa ny fivavahany tamin’ireo andriamanitra rehetra no nahatonga ny fahaizany ara-tafika. Koa sarotra tamin’izy ireo àry ny nahatakatra ny fifikirana tsy voazaraza nananan’ireo Kristiana nino fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana sy ny fandavany ireo andriamanitra hafa rehetra, anisan’izany ny fivavahana tamin’ny emperora. Tsy nahagaga raha noheverin’i Roma ho fitaomana nanimba ny fanorenana ny empira mihitsy ny Kristianisma.

Ny vidin’ny fanaovana fanambarana

Tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany am.f.i., dia natao sesi-tany tany amin’ny nosy Patmo ny apostoly Jaona “noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy”. (Apokalypsy 1:9). Inoana fa ny emperora romana Domitien no tompon’andraikitra tamin’izany. Na dia teo aza ny fanerena nentina nampiharina tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia niely nanerana ny Empira Romana ny Kristianisma hatramin’ny fiandohan’ny taonjato. Ahoana no netezan’izany? Nilaza ny A History of the Early Church fa “voahazon’ny fanompoany niaraka” ny Kristianisma. Tahaka an’i Jaona, ireo Kristiana voalohany voaenjika dia tsy nampilefitra ny finoany fa naharitra tamin’ny firesahana ny amin’Andriamanitra sy ny fanambarana an’i Jesosy tamin-jotom-po. — Asan’ny Apostoly 20:20, 21; 2 Timoty 4:2.

Naka endrika vaovao ny fanenjehana ireo Kristiana hatreo amin’ny 112 am.f.i., roa taona taorian’ny nanendren’ny Emperora Trajan an’i Pline governoran’i Bitynia (avaratra andrefan’i Turquie ankehitriny). Baranahiny ny fitondrana teo aloha tao, ka niteraka korontana. Saiky foana ireo tempoly ary nihena be ny varotra sakafon’ireo biby fanao sorona. Nanakiana ny fahatsoran’ny fanompoam-pivavahana kristiana ireo mpivarotra noho ny tsy fisian’ny biby fanao sorona sy ny sampy.

Niasa mafy mba hamerenana indray tamin’ny laoniny ny fanompoan-tsampy i Pline, raha mbola namoy ny ainy noho ny tsy netezany hanolotra divay sy emboka manitra teo anoloan’ny tsangambaton’ny emperora ireo Kristiana. Tamin’ny farany, dia niaiky tsy satry ireo manam-pahefana romana fa ny Kristiana “dia olona tsara fitondran-tena, kanefa nankahala tamin’ny fomba tsy hay hazavaina an’ireo lovantsofina ara-pivavahana nentin-drazana”, hoy ny Profesora Henry Chadwick. Na dia nahavoaheloka ho faty aza ny fitoerana ho Kristiana, dia tsy nisaintsaina fanekena lembenana ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy.

Nipoitra koa ny fankahalana vokatry “ny hasosorana noho ny fiovam-pinoan’ny mpikambana ao amin’ireo fianakaviana mpanompo sampy”, hoy ny Profesora W. M. Ramsay. “Natao tena sarotra ny fiainana teo amin’ny fiaraha-monina rehefa tsy nanaraka fomba amam-panao faran’izay tsotra ny olona iray noho ny fiheverany an’izany ho fanajana ireo andriamanitra sampy”, hoy ny fanambaran’ny Dr. J. W. C. Wand. Tsy mahagaga raha noheverin’ny maro ho toy ny mpankahala olona ny Kristiana voalohany na ho tsy mino ny fisian’Andriamanitra.

Nitondra fanenjehana lehibe kokoa ny fitomboana

I Polycarpe izay nolazaina fa nampianarin’ny apostoly Jaona, dia tonga loholona nohajaina tao amin’ny tanànan’i Smyrna (Izmir ankehitriny). Noho ny finoany dia nodorana teo amin’ny tsato-kazo izy tamin’ny 155 am.f.i. Namory ny vahoaka i Statius Quadratus, governora tany amin’ny faritany romana. Mpanompo sampy feno fankahalana no nameno ny kianja, dia olona izay nanamavo an’i Polycarpe 86 taona, noho ny nisakanany ny fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamaniny, ary dia vonona ny hanangona ny kitay ireo Jiosy nafana fo tsy tamin’ny antony, na dia voatery nanao izany tamin’ny Sabata lehibe aza izy ireo.

Nisy onjam-panenjehana namely tampoka ireo Kristiana nanerana ny faritany romana avy eo. Nandriaka bebe kokoa aza ny ra teo ambany fanapahan’ny Emperora Marcus Aurelius. Raha nizaka ny zo-mpirenena romana izy ireo dia matin-tsabatra; raha tsy izany, dia novonoin’ireo biby dia tao amin’ireo amphithéâtres. Inona ny helony? Ny naha-Kristiana azy fotsiny, ka tsy netezany hampilefitra na handa ny finoany.

I Lyon, tanàna frantsay maoderina, dia avy tamin’i Lugdunum zana-tany romana izay foibem-pitondrana lehibe sady ny hany toby miaramila romana teo anelanelan’i Roma sy ny Renirano Le Rhin. Hatreo amin’ny 177 am.f.i., izy io dia nanana antokona Kristiana natanjaka izay notoherin’ny sarambaben’olona mpanompo sampy feno hatezerana. Nanomboka izany rehefa noroahina hiala tamin’ireo toerana ho an’ny besinimaro ny Kristiana. Nitabataba ny vahoaka tezitra ary lehibe aoka izany ny fanenjehana avy eo, hany ka tsy nisy Kristiana sahy nivoaka ny tranony. Nandidy ny hitadiavana ireo Kristiana mba hovonoina ho faty ilay governora romana.

Ny valim-pitia

Nanomboka nitombo ny fivadiham-pinoana teo amin’ireo nihambo ho Kristiana, niaraka tamin’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy ka tsy nisian’ny hery nisakana izany intsony. (2 Tesaloniana 2:7). Tany amin’ny faramparan’ny taonjato fahefatra am.f.i., dia tonga fivavaham-panjakana ny Kristianisma nivadi-pinoana. Nanjary simba izy io tamin’izay, ary nomanina mba hanaiky lembenana sy hampitovy ny tenany tamin’izao tontolo izao — zavatra izay tsy nataon’i Jesosy sy ny mpianany voalohany na oviana na oviana. (Jaona 17:16). Efa vita taloha kokoa anefa ny lisitr’ireo boky ao amin’ny Baiboly mirakitra fitantarana ny finoana kristiana.

Foana tsy nisy vokany ve ny fijaliana sy ny fahafatesan’ireo Kristiana voalohany an’arivony maro? Tsia dia tsia tokoa! Noho ny tsy nisaintsainany ny hampilefitra ny finoany, ‘izy ireo dia nahatoky hatramin’ny fahafatesana ary nomena ny satroboninahitra fiainana’. (Apokalypsy 2:10). Mbola mahatsapa ny hafanan’ny fanenjehana foana ireo mpanompon’i Jehovah, kanefa loharanom-pampaherezana lehibe ho azy hatrany ny finoana sy ny tsy fivadihan’ireo namany mpino voalohany. Noho izany dia tsy manolokolo fisaintsainana hanaiky lembenana koa ny Kristiana amin’ny andro ankehitriny.

[Sary, pejy 8, 9]

Néron

Sarin’i Roma tamin’ny andron’ny emperora

Alitara iray voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Kaisara

[Sary nahazoan-dalana]

Néron: Courtesy of The British Museum

Museo della Civiltà Romana, Roma

[Sary, pejy 10]

Marcus Aurelius

[Sary nahazoan-dalana]

The Bettmann Archive

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara