Ankahalaina Noho ny Finoany
“Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako”. — MATIO 10:22.
1, 2. Moa ve ianao afaka mitantara zavatra tena nisy, niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fampiharany ny zavatra inoany ara-pivavahana?
NISY mpivarotra iray nanao ny marina tany amin’ny nosy Kreta. Imbetsaka anefa izy no nosamborina ary nentina niverimberina teo anatrehan’ny fitsarana grika. Tamin’ny fitambarany, dia nigadra nandritra ny enin-taona mahery izy, lavitra ny vadiny sy ireo zanany dimy. Tany Japon, dia voaroaka tany an-tsekoly ny mpianatra iray 17 taona, na dia tsara fitondran-tena sy loha laharana tamin’ireo mpianatra 42 niray kilasy taminy aza. Tany Frantsa, dia olona maro no nesorina avy hatrany tamin’ny asany, na dia nanana laza tsara ho nazoto niasa sy tsy nanao tsirambina ny asany aza. Inona no iraisan’ireo fisehoan-javatra tena nisy ireo?
2 Vavolombelon’i Jehovah avokoa ireo olona ireo. Fa inona ny “heloka” vitany? Noho izy ireo nampihatra ny zavatra inoany ara-pivavahana no votoatiny. Nilaza tamin’ny hafa ny finoany, ilay mpivarotra, ho fankatoavana ny fampianaran’i Jesosy Kristy. (Matio 28:19, 20). Niompana indrindra tamin’ny lalàna grika iray efa lany andro ny fanamelohana azy, satria lazain’io lalàna io ho heloka bevava ny fitaomana olona hanaraka ny finoan’ny tena. Ilay mpianatra kosa dia noroahina, satria voataizan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany ka tsy namela azy handray anjara tamin’ny fanazaran-tena hanao kendo (ady sabatra japoney), izay tsy maintsy nataon’ny mpianatra rehetra. (Isaia 2:4). Ireo nesorina tamin’ny asany tany Frantsa kosa indray, dia nilazana fa noho izy ireo nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah no hany antony nandroahana azy.
3. Nahoana, ho an’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no somary mahalana ihany vao miseho ny fampahoriana mafy ataon’olon-kafa?
3 Ny tarehin-javatra henjana toy izany dia mampiseho tsara ny zavatra niaretan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany sasany, tato ho ato. Ho an’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, dia somary mahalana ihany vao miseho ny fampahoriana mafy ataon’olon-kafa. Fantatra maneran-tany ho tsara fitondran-tena ny vahoakan’i Jehovah. Tsy misy antony marim-pototra tokony hanirian’ny olona hanisy ratsy azy ireo, noho izany laza tsara ananany izany. (1 Petera 2:11, 12). Tsy mikotrika teti-dratsy izy ireo na manana fitondran-tena miteraka fahavoazana ho an’ny hafa. (1 Petera 4:15). Miezaka kosa aza izy ireo mba hiaina mifanaraka amin’ny torohevitry ny Baiboly ny amin’ny tokony hanekena an’Andriamanitra aloha, ary avy eo dia ny fitondram-panjakana. Mandoa ny hetra takin’ny lalàna izy ireo ary miezaka mafy mba ‘hihavana amin’ny olona rehetra’. (Romana 12:18; 13:6, 7; 1 Petera 2:13-17). Mampirisika ny hanajana ny lalàna, sy ny fitsipika mifehy ny fianakaviana, ary ny fitsipi-pitondran-tena, izy ireo, eo amin’ny asa fampianarana Baiboly ataony. Fitondram-panjakana maro no nidera azy ireo noho izy olom-pirenena mpankato lalàna. (Romana 13:3). Araka ilay fehintsoratra fanokafana anefa, dia indraindray izy ireo no lasibatry ny fanoherana, eny, ny fandraran’ny fitondram-panjakana mihitsy aza, any amin’ny tany sasany. Tokony hahagaga antsika ve izany?
Ny ‘vidin’ny’ fahatongavana ho mpianatra
4. Araka ny voalazan’i Jesosy, inona no azon’ny olona iray ampoizina rehefa tonga anisan’ny mpianany izy?
4 Tsy nasian’i Jesosy Kristy fisalasalana mihitsy ny amin’izay voafaoka amin’ny hoe tonga mpianany. “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony”, hoy izy tamin’ireo mpanara-dia azy. “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. Nankahalaina “tsy amin’antony” i Jesosy. (Jaona 15:18-20, 25, NW; Salamo 69:4; Lioka 23:22). Afaka nanampo fanenjehana tsy misy antony marim-pototra toy izany koa ireo mpianany. Tsy indray mandeha ihany i Jesosy no nampitandrina azy ireo hoe: ‘Hankahalaina ianareo.’ — Matio 10:22; 24:9.
5, 6. a) Inona no antony nampirisihan’i Jesosy ireo mety ho tonga mpanara-dia azy mba ‘hanombana ny vidiny’? b) Nahoana àry isika no tsy tokony ho sanganehana rehefa tojo fanoherana?
5 Nampirisihin’i Jesosy àry ireo mety ho tonga mpanara-dia azy mba ‘hanombana ny vidin’ny’ fahatongavana ho mpianatra. (Lioka 14:28, Revised Standard Version). Nahoana? Tsy hoe mba hanapahan-kevitra raha tokony ho tonga mpanara-dia azy izy ireo na tsia, fa mba hahatapa-kevitra azy ireo hanatanteraka izay tafiditra amin’izany kosa. Tsy maintsy vonona hiaritra an’izay rehetra mety ho fisedrana na zava-tsarotra mifanindran-dalana amin’ilay tombontsoa isika. (Lioka 14:27). Tsy misy manery antsika hanompo an’i Jehovah ho fanarahana ny dian’i Kristy. Fanapahan-kevitra natao an-tsitrapo izany no sady tsy nataotao foana. Fantatsika mialoha fa, ankoatra ny fitahiana ho azontsika, noho isika mampifamatotra fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanoloran-tena, dia ‘hankahalaina’ koa isika. Tsy sanganehana àry isika rehefa tojo fanoherana. Efa ‘nanombana ny vidiny’ isika, ka vonona tanteraka ny hanefa izany. — 1 Petera 4:12-14.
6 Nahoana no maniry hanohitra ny Kristianina marina ny olona sasany, anisan’izany ny manam-pahefana sasany? Mba hahitana ny valin’izany, dia mahasoa ny handinihana vondron’olona mpivavaka roa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Samy nankahalaina izy roa tonta, saingy tena samy hafa ny antony.
Nankahala sy nankahalaina
7, 8. Fampianarana inona avy no nanome taratry ny fanimbazimbana ny Jentilisa, ary fihetsika nanao ahoana no nitombo teo anivon’ny Jiosy, vokatr’izany?
7 Teo ambanin’ny fitondrana rômanina ny Isiraely, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Tamin’ny ankapobeny, dia teo ambany vahohon’ireo mpitondra lozabe toy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny Jodaisma, izany hoe, ny fivavahan’ny Jiosy. (Matio 23:2-4). Nalain’ireny mpitarika nafana fo tafahoatra ireny ny Lalàn’i Mosesy, ka naolany ireo fitsipika momba ny fisarahana tamin’ireo firenena, mba hanerena ny olona hanamavo ny tsy Jiosy. Namokatra fivavahana izay niteraka fankahalana ny Jentilisa izy ireo tamin’ny fanaovana izany, ka nahatonga kosa ny Jentilisa hankahala azy ireo.
8 Tsy sarotra tamin’ireo mpitarika jiosy ny nampirisika ny hanazimbazimbana ny Jentilisa, satria nihevitra ny Jentilisa ho olona mamoafady ny Jiosy tamin’izany fotoana izany. Ireo mpitarika ara-pivavahana dia nampianatra fa tsy tokony ho irery miaraka amin’ny Jentilisa mihitsy ny vehivavy jiosy iray, satria “ahiahina hanao fitondran-tena vetaveta” izy ireny. Tsy tokony “hitoetra irery miaraka amin’izy ireny [ny lehilahy jiosy iray], satria ahiahina ho mandatsa-dra” izy ireny. Raha Jentilisa no nitery omby, dia tsy ho azo nampiasaina ilay ronono raha tsy hoe nisy Jiosy nanatrika azy nanao izany angaha. Notaomin’ireo mpitarika azy ny Jiosy, ka nanjary nihatakataka sy tsy nifandray mihitsy afa-tsy tamin’izy samy izy ihany. — Ampitahao amin’ny Jaona 4:9.
9. Inona no fiantraikan’ilay fampianarana nataon’ireo mpitarika jiosy, mahakasika ny tsy Jiosy?
9 Tsy nampisy firy fifandraisana tsara teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa izany fampianarana mahakasika ny tsy Jiosy izany. Nanjary noheverin’ny Jentilisa ho mpankahala ny olombelona rehetra ny Jiosy. Nilaza ilay mpahay tantara rômanina atao hoe Tacite (teraka tokony ho tamin’ny 56 am.f.i.) fa “nankahala fatratra toy ny fahavalo ny olombelona hafa rehetra ankoatra azy” ny Jiosy. Nilaza koa i Tacite fa ny Jentilisa izay tonga proselyta jiosy dia nampianarina hanary ny tanindrazany, ka tsy hanisy vidiny ny havana aman-tsakaizany. Tamin’ny ankapobeny, ny Rômanina dia nilefitra tamin’ny Jiosy, izay nampahatahotra noho izy maro an’isa. Nahatonga valifaty feno halozana avy tamin’ny Rômanina anefa ny fikomiana iray nataon’ny Jiosy tamin’ny 66 am.f.i., ka nitarika ho amin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i.
10, 11. a) Ahoana no tokony hitondrana ny vahiny, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy? b) Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’izay nitranga tamin’ny Jodaisma?
10 Manao ahoana izany fomba fijery ny vahiny izany raha ampitahaina amin’ilay endri-panompoam-pivavahana voasoritra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy? Tena nampirisika ny hisarahana tamin’ireo firenena tokoa ny Lalàna, saingy natao izany mba hiarovana ny Isiraelita, indrindra fa ny fanompoam-pivavahana madio natolotr’izy ireo. (Josoa 23:6-8). Na izany aza anefa, dia notakin’ny Lalàna ny hitondrana ara-drariny sy tsy misy fiangarana ny vahiny, ary koa ny hanehoana fahaiza-mandray vahiny amin’izy ireny, raha mbola tsy nandika an-karihary ireo lalàn’ny Isiraely koa izy ireny. (Levitikosy 24:22). Niharihary mazava fa azon’ny saina nekena ilay tena hevitra fonosin’ny Lalàna mahakasika ny vahiny. Nihataka tamin’io tena heviny io anefa ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, ka namokatra endri-panompoam-pivavahana izay sady niteraka fankahalana no nankahalaina. Namoy ny fankasitrahan’i Jehovah tamin’ny farany ilay firenena jiosy tamin’ny taonjato voalohany. — Matio 23:38.
11 Misy lesona azontsika tsoahina ve avy amin’izany? Eny, misy tokoa. Ny fihetsika mampiseho fiheveran-tena ho marina sy ho ambony kokoa, izay manambany an’ireo tsy mitovy finoana amintsika, dia tsy mampiseho araka ny marina ilay endri-panompoam-pivavahana madio atolotsika an’i Jehovah no sady tsy mahafaly azy rahateo. Diniho ireo Kristianina nahatoky tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nankahala ny tsy Kristianina izy ireo, no sady tsy nikomy tamin’i Roma. Na izany aza, dia ‘nankahalaina’ izy ireo. Nahoana? Ary iza no nankahala azy ireo?
Iza no nankahala ireo Kristianina tany am-boalohany?
12. Ahoana no anehoan’ny Soratra Masina mazava fa nirin’i Jesosy hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny tsy Kristianina ireo mpanara-dia azy?
12 Hita mazava amin’ny fampianaran’i Jesosy fa nokasainy hanana fomba fijery voalanjalanja momba ny tsy Kristianina ireo mpianany. Nilaza izy, tetsy an-danin’izany, fa ireo mpanara-dia azy dia tokony hisaraka amin’izao tontolo izao, izany hoe hanalavitra ireo fihetsika sy fitondran-tena mifanohitra amin’ny lalana marin’i Jehovah. Hitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa izy ireo eo amin’ny sehatry ny ady sy ny politika. (Jaona 17:14, 16). Tetsy an-danin’izany, i Jesosy dia tsy nampirisika velively ny fanimbazimbana ny tsy Kristianina, fa nilaza kosa tamin’ireo mpanara-dia azy aza mba ho ‘tia ny fahavalony’. (Matio 5:44). Nampirisika ny Kristianina toy izao ny apostoly Paoly: “Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny”. (Romana 12:20). Nilaza tamin’ireo Kristianina koa izy mba “hanao soa amin’ny olona rehetra”. — Galatiana 6:10.
13. Nahoana no nanohitra mafy an’ireo mpianatr’i Kristy ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy?
13 Tsy ela anefa dia ‘nankahalaina’ ireo mpianatr’i Kristy, ka loharano telo no niavian’izany. Voalohany aloha, dia teo ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy. Tsy mahagaga loatra raha nanintona haingana ny sain’izy ireo ny Kristianina! Nanana fari-pitsipika ambony momba ny fitondran-tena sy ny tsy fivadihany ny Kristianina. Hafatra manome fanantenana no notorin’izy ireo tamin-jotom-po fatratra. An’arivony maro no nandao ny Jodaisma ka niandany tamin’ny Kristianisma. (Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 6:7). Tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy, dia mpivadi-pinoana tsotra izao ireo Jiosy mpianatr’i Jesosy! (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:45.) Nihevitra ireny mpitarika feno fahatezerana ireny fa nanafoana ireo lovantsofiny ny Kristianisma. Nanda mihitsy ny fomba fijeriny ny Jentilisa aza izy io! Nanomboka tamin’ny 36 am.f.i., dia afaka ny ho tonga Kristianina ny Jentilisa, ka sady nitovy finoana no nitovy tombontsoa tamin’ireo Kristianina jiosy. — Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
14, 15. a) Nahoana no nanetsika ny fankahalan’ny mpanompo sampy ireo Kristianina? Manomeza ohatra. b) Iza no antokon’olona fahatelo nanjary ‘nankahala’ ireo Kristianina tany am-boalohany?
14 Faharoa, dia nanetsika ny fankahalan’ireo mpanompo sampy ny Kristianina. Tany Efesosy fahiny, ohatra, dia fandraharahana nahitana tombony ny fanefena volafotsy mba hanaovana sarin’ny tempolin’ilay andriamani-bavy nantsoina hoe Artemisy. Rehefa nitory tany anefa i Paoly, dia nisy Efesianina maro dia maro nandray tsara, ka nandao tanteraka ny fanompoam-pivavahana tamin’i Artemisy. Notandindomin-doza ny asan’ireo mpanefy volafotsy ka namelona rotaka izy ireo. (Asan’ny Apostoly 19:24-41). Nisy zavatra toy izany nitranga taorian’ny nielezan’ny Kristianisma hatrany Bitynia (any avaratrandrefana amin’i Tiorkia ankehitriny). Tsy ela taorian’ny nahavitan’ny Soratra Grika Kristianina, dia nilaza i Pline le Jeune, governoran’i Bitynia, fa lao ireo tempolin’ny mpanompo sampy ary nisy fitambotsorana lehibe ny fivarotana sakafom-biby ho an’ireo biby hatao sorona. Nomen-tsiny sy nenjehina ny Kristianina, satria tsy namela ny hanaovana sorona biby sy hampiasana sampy, ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. (Hebreo 10:1-9; 1 Jaona 5:21). Mazava fa nisy fiantraikany teo amin’ireo olona nahazo tombony tamin’ny fanompoan-tsampy ny fielezan’ny Kristianisma, hany ka tsy faly tamin’izany ireo namoy ny asany sy ny fidiram-bolany.
15 Fahatelo, dia nanjary “halan’ny” Rômanina tia tanindrazana ny Kristianina. Teo am-boalohany, dia antokom-pivavahana madinika sy nafana fo tafahoatra angamba, no nahafantaran’ny Rômanina ny Kristianina. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, ny nitononana fotsiny ho Kristianina dia efa nanjary fandikan-dalàna azo nanamelohana ho faty. Nahoana ny olom-pirenena nanao ny marina sy nanana fomba fiaina kristianina no noheverina ho mendrika ny henjehina sy hovonoina ho faty?
Nahoana no nankahalaina teo anivon’ny tontolo rômanina ny Kristianina tany am-boalohany?
16. Tamin’ny fomba ahoana avy no nitoeran’ny Kristianina ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao, ary nahoana izany no nahatonga azy ireo ho tsy tiam-bahoaka teo anivon’ny tontolo rômanina?
16 Voalohany indrindra, dia nankahalaina teo anivon’ny tontolo rômanina ny Kristianina, noho izy ireo nampihatra izay ninoany ara-pivavahana. Ohatra, nitoetra ho tafasaraka tamin’izao tontolo izao izy ireo. (Jaona 15:19). Tsy nitana andraikitra ara-politika àry izy ireo, ary nanda tsy hanao raharaha miaramila. Ny vokany dia “naseho ho toy ny olona tsy liana mihitsy tamin’ny fiaimpiainan’ny olona [izy ireo], ary tsy nisy nilana azy teo amin’ireo raharaha rehetra teo amin’ny fiainana”, hoy ilay mpahay tantara atao hoe Augustus Neander. Ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao dia nidika koa ho fanalavirana ireo fomba ratsy fanaon’ny tontolo rômanina nikororosy fitondran-tena. “Tia fivavahana sy mendrika ireo antokon’olom-bitsy kristianina, ka nanelingelina ny feon’ny fieritreretan’ilay tontolo mpanompo sampy adalam-pahafinaretana”, hoy ny fanazavan’ilay mpahay tantara atao hoe Will Durant. (1 Petera 4:3, 4). Nety ho nitady hampangina ny feon’ny fieritreretany nanenjika azy ny Rômanina, tamin’ny fanenjehana sy ny famonoana ny Kristianina.
17. Inona no mampiseho fa nandaitra ny asa fitoriana nataon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
17 Nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin-jotom-po tsy nety lefy ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Matio 24:14). Tokony ho tamin’ny 60 am.f.i., dia efa afaka nilaza i Paoly fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia efa nanao mpianatra nanerana ny Empira rômanina: tany Azia sy Eoropa ary Afrika! Tonga Kristianina hatramin’ny olona sasany anisan’ny “ankohonan’i Kaisara”.a (Filipiana 4:22). Niteraka tsy fahafaliana izany fitoriana tamin-jotom-po izany. Hoy i Neander: “Nanao fandrosoana tsy an-kijanona teo anivon’ny olona avy tamin’ny saranga rehetra ny Kristianisma, ary natahorana handrodana ny fivavaham-panjakana.”
18. Nahoana no nampifanolana ny Kristianina tamin’ny fitondram-panjakana rômanina ny nanolorany fifikirana tsy nizarazara tamin’i Jehovah?
18 Nanolotra fifikirana tsy nizarazara ho an’i Jehovah ireo mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 4:8-10). Raha oharina amin’ny lafiny hafa rehetra tamin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo, dia io angamba no tena nampifanolana azy ireo tamin’i Roma. Nilefitra tamin’ny fivavahana hafa ny Rômanina raha mbola nandray anjara tamin’ny fivavahana tamin’ny Emperora koa ireo mpino tao anatiny. Tsy afaka nandray anjara tsotra izao tamin’ny fivavahana toy izany ireo Kristianina tany am-boalohany. Nihevitra izy ireo fa ny tenany dia hampamoahina eo anatrehan’ny fahefana ambony noho ny an’ny Fanjakana Rômanina. Tsy inona akory izany fa ny fahefan’i Jehovah Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 5:29). Ny vokany dia noheverina ho fahavalom-pirenena ny Kristianina iray, na dia olom-pirenena fakan-tahaka toy inona aza izy tamin’ny lafiny hafa rehetra.
19, 20. a) Iza no tena rangory fototry ny afo tamin’ilay fanendrikendrehana feno haratsiam-panahy, izay naely momba ireo Kristianina nahatoky? b) Inona avy ireo fanasoketana natao tamin’ny Kristianina?
19 Mbola nisy antony hafa koa nahatonga ny Kristianina nahatoky ho ‘nankahalaina’ teo anivon’ny tontolo rômanina: Mora ninoana ny fanendrikendrehana feno haratsiam-panahy natao tamin’izy ireo. Ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy moa no tena rangory fototry ny afo nahatonga ireny fiampangana ireny. (Asan’ny Apostoly 17:5-8). Tokony ho tamin’ny 60 na 61 am.f.i., fony tany Roma i Paoly, niandry ny fitsaran’ny Emperora Néron, dia nilaza toy izao momba ny Kristianina ireo lohandohan’ny Jiosy: “Ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22). Azo antoka fa efa nandre fanendrikendrehana azy ireo i Néron. Tamin’ny 64 am.f.i., fony izy noraisina ho tompon’andraikitra tamin’ilay afo nandrava an’i Roma, dia voalaza fa ireo Kristianina efa nosoketaina no nofidiny hanilihana ny rihitra. Miharihary fa izany dia nampirongatra fanenjehana feno herisetra izay natao hamongorana ny Kristianina.
20 Matetika no nentina nanasoketana ny Kristianina ny lainga an-kitsirano, nifamahofaho tamin’ny fandikana vilana ny zavatra ninoan’izy ireo. Nopetahana anarana hoe tsy mino an’Andriamanitra izy ireo, satria nanompo Andriamanitra tokana sady tsy nivavaka tamin’ny emperora. Koa satria notoherin’ny mpianakavy sasany tsy Kristianina ireo havany kristianina, dia nampangaina ho nampisara-bazana ny fianakaviana ny Kristianina. (Matio 10:21). Nopetahana anarana hoe mpihinana olona izy ireo. Araka ny voalazan’ny loharanon-kevitra sasany, izany fiampangana izany dia niorina tamin’ny fanolanana ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. — Matio 26:26-28.
21. Inona ireo antony roa nahatonga ny Kristianina ho ‘nankahalaina’?
21 Araka izany, ireo Kristianina nahatoky dia ‘nankahalain’ny’ Rômanina noho ireto antony fototra roa ireto: 1) ireo zavatra ninoany sy ny fanaony niorina tamin’ny Baiboly sy 2) ny fanasoketana azy ireo. Na inona na inona antony, dia tanjona iray ihany no nananan’ireo mpanohitra, dia ny hanafoanana ny Kristianisma. Mazava ho azy fa ny tena rangory fototry ny afo nahatonga ny fanenjehana ny Kristianina dia ireo mpanohitra mahery noho ny olombelona, izay tsy iza akory fa ireo hery ara-panahy ratsy tsy hita maso. — Efesiana 6:12.
22. a) Inona no ohatra mampiseho fa miezaka mafy “hanao soa amin’ny olona rehetra” ny Vavolombelon’i Jehovah? (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-11.) b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
22 Tahaka ireo Kristianina tany am-boalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro maoderina izao dia ‘nankahalaina’ koa tany amin’ny tany maro samihafa. Tsy mankahala ireo tsy Vavolombelona tahaka azy anefa izy ireo no sady tsy mba loharanom-pikomiana tamin’ny fitondram-panjakana na oviana na oviana. Mifanohitra amin’izany aza fa fantatra maneran-tany ho tena maneho fitiavana marina izy ireo. Mandresy ireo sakana ara-tsosialy sy ara-pirazanana ary ara-poko ny fitiavana ananan’izy ireo. Nahoana àry izy ireo no nenjehina? Ary manao ahoana ny fihetsik’izy ireo eo anoloan’ny fanoherana? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay teny hoe “ankohonan’i Kaisara” dia tsy voatery hanondro ny mpianakavin’i Néron, izay nanjaka tamin’izany fotoana izany, fa mety hihatra kosa amin’ireo mpanompo tao an-trano sy tandapa nitana toerana ambany, izay angamba nanao ireo raharaha tao an-tokantrano toy ny fandrahoana sakafo sy ny fanadiovana, ho an’ny fianakavian’ny emperora sy ireo mpiasany.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no nampirisika ireo mety ho tonga mpanara-dia azy i Jesosy mba hanombana ny vidin’ny fahatongavana ho mpianany?
◻ Nisy fiantraikany nanao ahoana teo amin’ny Jodaisma ilay fiheverana nahazatra mahakasika ny tsy Jiosy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
◻ Inona avy ireo loharano telo nipoiran’ny fanoherana ireo Kristianina nahatoky tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Inona ireo antony fototra ‘nankahalan’ny’ Rômanina ny Kristianina tany am-boalohany?
[Efajoro, pejy 11]
‘Fanaovan-tsoa Amin’ny Olona Rehetra’
Manoro hevitra ny amin’ny tokony ‘hanaovan-tsoa amin’ny olona rehetra’ ny Baiboly, ka miezaka mafy hanaraka izany ny Vavolombelon’i Jehovah. (Galatiana 6:10). Amin’ny fotoam-pahasahiranana, dia atosiky ny fitiava-namana izy ireo ka manampy an’ireo tsy mitovy finoana aminy. Ohatra, nandritra ilay loza aman’antambo tany Rwanda tamin’ny 1994, dia nisy Vavolombelona avy any Eoropa nanolo-tena an-tsitrapo nankany Afrika mba handray anjara tamin’ny fitondrana fanampiana. Nisy toby tsara lamina sy hôpitaly an-kalamanjana natsangana haingana mba hahafahana hanome fanampiana. Sakafo sy fitafiana ary bodofotsy tsy toko tsy forohana no nalefa tamin’ny fiaramanidina. Maherin’ny avo telo heny noho ny isan’ny Vavolombelona tao amin’ilay faritra ny isan’ireo mpitsoa-ponenana nandray soa avy tamin’izany fanampiana izany.
[Sary, pejy 9]
Nitory ny vaovao tsara tamin-jotom-po tsy nety lefy ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany