Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana Tonga Amin’ny Ilana Azy Indrindra
“Efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.” — SALAMO 31:5.
1, 2. a) Inona no tsapan’ny anabavy iray mikasika izay novakiny tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? b) Fanontaniana inona avy no atao momba ireo gazetintsika?
“MISAOTRA indrindra anareo”, hoy ny nosoratan’ny anabavy kristiana iray, “noho ilay fanazavana mahatalanjona tao amin’ny lahatsoratry Ny Tilikambo Fiambenana hoe ‘Afaka Mahita Fampiononana Ianao Amin’ny Fotoana Isian’ny Fahorian-tsaina Mafy’.a Maro aoka izany amin’ireo hevitra napoitranareo no mitovy tanteraka amin’ireo fihetseham-po tsy maintsy nozakaiko; toy ny hoe nosoratana mivantana ho ahy mihitsy io lahatsoratra io. Tamin’ny namakiako azy voalohany, dia nanganohano ny masoko. Mahafinaritra aoka izany ny mahatakatra fa hay misy olon-kafa mahafantatra izay tsapako! Tena velom-pankasitrahana aho fa Vavolombelon’i Jehovah. Any an-toeran-kafa aiza moa isika no afaka mahita fampanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa amin’ny hoavy tsy ela, sy fampiononana ny fanahintsika amin’izao fotoana izao! Misaotra anareo. Misaotra anareo inarivo arivo.”
2 Mba efa nahatsapa fihetseham-po toy izany ve ianao? Mba efa nisy ve zavatra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ilay gazety namany hoe Mifohaza! toa nosoratana manokana ho anao? Inona ao amin’ireo gazetintsika no manintona ny fon’ny olona? Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa mba handray soa amin’ilay hafatra mamonjy aina raketin’izy ireo? — 1 Timoty 4:16.
Gazety izay miaro ny fahamarinana
3. Noho ny antony tsara inona no nahatonga ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! hamabo ny fon’ny mpamaky maro?
3 “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Salamo 31:5). Bokin’ny fahamarinana ny Teniny, dia ny Baiboly. (Jaona 17:17). Mandray ny fahamarinana ny olona manana fo tia ny fahamarinana. (Ampitahao amin’ny Jaona 4:23, 24.) Ny antony mahatonga Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! hamabo ny fon’ny mpamaky an-tapitrisany maro dia noho izy ireo gazetin’ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana. Raha ny marina, dia nahakasika ady hevitra momba ny tsy fivadihana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly indrindra no nanombohana namoaka Ny Tilikambo Fiambenana.
4, 5. a) Inona no tarehin-javatra nitarika an’i C. T. Russell hamoaka Ny Tilikambo Fiambenana? b) Ahoana no ampiasan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana?
4 Tamin’ny 1876, i Charles T. Russell dia nanjary mpiara-miasa akaiky tamin’i Nelson H. Barbour, avy tany Rochester, New York. Nanome ny vola nentina niasa i Russell mba hamelomana indray ny fanontana ny Herald of the Morning, ilay gazety ara-pivavahan’i Barbour izay nivoaka ara-potoana, ka tamin’izany dia i Barbour no lehiben’ny mpampanonta, ary i Russell no mpampanonta mpanampy. Sahabo ho herintaona sy tapany tatỳ aoriana anefa, tao amin’ny nomeraon’ny Herald Aogositra 1878, dia nanoratra lahatsoratra iray izay nanda ny vidim-panavotan’ny fahafatesan’i Kristy, i Barbour. I Russell, izay zandrin’i Barbour efa ho 30 taona, dia namaly tamin’ny lahatsoratra iray tao amin’ilay nomerao nanaraka mihitsy. Tao amin’io lahatsoratra io izy dia niaro ny avotra, izay notondroiny ho “iray amin’ireo fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra”. (Matio 20:28). Rehefa avy nanao fiezahana imbetsaka hiara-manjohy hevitra araka ny Soratra Masina tamin’i Barbour i Russell, dia nanapa-kevitra ny hanapaka ny fifandraisana rehetra tamin’ny Herald, tamin’ny farany. Nanomboka tamin’ny nomeraon’ny Jona 1879 amin’io gazety io, dia tsy niseho intsony ny anaran’i Russell, tamin’ny naha-mpampanonta mpanampy azy. Iray volana tatỳ aoriana, i Russell, izay 27 taona, dia nanomboka namoaka Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpitondra Hafatra Momba ny Fanatrehan’i Kristy (fantatra amin’izao fotoana izao amin’ny anarana hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah). Hatrany am-piandohany io gazety io dia niaro ny fahamarinana araka ny Soratra Masina, toy ny avotra.
5 Nandritra ireo 114 taona lasa, Ny Tilikambo Fiambenana, toy ny mpisolovava mahay iray, dia nanendry tena ho mpiaro ny fahamarinana sy ny foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly. Tamin’ilay fitsarana, dia nahazo ny fatokian’ny mpamaky feno fankasitrahana an-tapitrisany maro izy. Mbola manohana amin-kery ny avotra ihany izy io. (Jereo, ohatra, ny nomerao tamin’ny 15 May 1991.) Ary mbola izy no fitaovana lehibe indrindra ampiasain’ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ny Fitambara-mpitantany mba hanambarana ny Fanjakan’i Jehovah efa miorina sy mba hanomezana sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety”. — Matio 24:14, 45, NW.
6, 7. Inona no zava-kendren’ny L’Âge d’Or voambara, ary inona no mampiseho fa nisy olona misaina nandray tsara ny hafatra nentiny?
6 Ahoana ny amin’ny gazety Mifohaza!? Hatrany am-piandohany, dia niaro ny fahamarinana koa ny Mifohaza! Tany am-boalohany izy io dia nantsoina hoe L’Âge d’Or, ary natao hozaraina tamin’ny besinimaro. Mikasika ny zava-kendreny, dia izao no nolazain’ilay nomerao voalohany tamin’ny 1 Oktobra 1919: “Ny zava-kendreny dia ny hanazava araka ny fahendren’Andriamanitra ny tena hevitry ny fisehoan-javatra lehibe amin’izao andro izao, ary ny hanamarina amin’ireo saina tia mieritreritra amin’ny alalan’ny porofo tsy azo iadian-kevitra sy mampiaiky, fa efa akaiky izao ny fotoam-pitahiana lehibe ho an’ny taranak’olombelona.” Nisy olona misaina nandray tsara ny hafatry ny L’Âge d’Or. Nandritra ny taona maromaro, dia lehibe kokoa noho ny an’ny Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy aza ny fielezan’izy io.b
7 Lasa lavitra kokoa noho ny famoahana fahamarinana ara-poto-pampianarana sy fanazavana ny hevitra ara-paminanian’ireo toe-javatra eo amin’izao tontolo izao anefa ny fanintonan’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Namabo ny fon’ny olona noho ny antony hafa iray koa ireo gazetintsika, indrindra fa tao anatin’ireo folo na roapolo taona farany.
Lahatsoratra tonga amin’ny ilana azy indrindra izay mahakasika ny fiainan’ny olona
8. Fanitsiana inona no nataon’i Joda teo amin’ny zavatra nosoratany, ka nampirisika ireo mpamaky ny taratasiny hanohitra fitaomana inona tao anatin’ny kongregasiona?
8 Sahabo ho 30 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty, dia niatrika tarehin-javatra sarotra nitaky fanaovan-javatra i Joda mpanoratra ny Baiboly. Nisy lehilahy naloto fitondran-tena sy nitondra tena toy ny biby niditra an-tsokosoko teo anivon’ireo Kristiana. Nikasa ny hanoratra tany amin’ireo Kristiana namany momba ny foto-kevitra ara-poto-pampianarana iray izy — dia ny fanantenana iombonan’ireo Kristiana voahosotra. Ho solon’izany anefa, dia notarihin’ny fanahy masina izy ka nahita fa nilaina ny nampirisika ireo mpamaky ny taratasiny mba hanohitra ireo fitaomana nanimba tao anatin’ny kongregasiona. (Joda 3, 4, 19-23). Nifanaraka tamin’ny tarehin-javatra i Joda ka nanome torohevitra tonga tamin’ny nilana azy indrindra, dia torohevitra izay nanome izay nilain’ireo rahalahiny kristiana.
9. Inona no tafiditra amin’ny fanomezana toerana ho an’ny lahatsoratra tonga amin’ny ilana azy indrindra ao amin’ireo gazetintsika?
9 Toy izany koa fa andraikitra sarotra mitaky fanaovan-javatra ny fanomanana ireo lahatsoratra tonga amin’ny ilana azy indrindra ho an’ireo gazetintsika. Miova ny fotoana ary toy izany koa ny olona — ireo zavatra ilainy sy izay mahaliana azy dia tsy mitovy amin’ireo tamin’ny folo na roapolo taona lasa. Tsy ela izay, dia nanao izao fanamarihana izao ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Rehefa tonga Vavolombelona aho tany amin’ireo taona 1950, ny fomba fanaonay teo amin’ny fiaraha-mianatra ny Baiboly amin’olona dia ara-poto-pampianarana indrindra — mampianatra azy ireo ny fahamarinana momba ny Trinite, ny helo mirehitra afo sy ny fanahy ary ny toy izany. Amin’izao fotoana izao anefa, dia toa misy zava-manahirana sy fahasahiranana maro be aoka izany eo amin’ny fiainan’ny olona, hany ka voatery mampianatra azy ireo ny fomba fiaina isika.” Nahoana no toy izany no izy?
10. Nahoana no tsy tokony hahagaga antsika raha nisy fikororosiana tsy an-kijanona teo amin’ny raharahan’olombelona hatramin’ny 1914?
10 Mikasika ny “andro farany”, dia izao no nambaran’ny Baiboly mialoha: “Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia handroso hiharatsiratsy kokoa, sady mamitaka no voafitaka.” (2 Timoty 3:1, 13, NW ). Noho izany, dia tsy tokony hahagaga antsika raha nisy fikororosiana tsy an-kijanona teo amin’ny raharahan’olombelona hatramin’ny nanombohan’ny fotoan’ny farany tamin’ny 1914. Manampatra ny fahatezerany mbola tsy nisy toy izany amin’ny fitambaran’olona i Satana izay tsy manana afa-tsy fotoana fohy dia fohy sisa tavela. (Apokalypsy 12:9, 12). Vokatr’izany, dia tena hafa noho izay nisy tamin’ny 30 na 40 taona lasa monja ny fari-pitondran-tena sy ny zavatra heverina fa sarobidy eo amin’ny fianakaviana. Ny olona amin’ny ankapobeny dia tsy mirona ho amin’ny fivavahana toy ireo tamin’ny folo taona vitsivitsy teo aloha. Miely aoka izany ny fanaovana heloka bevava, hany ka ny olona dia mampiasa fitandremana izay tsy fantatra akory tamin’ny 20 na 30 taona lasa monja izay. — Matio 24:12.
11. a) Karazana foto-kevitra inona avy no ao an-tsain’ny olona, ary ho setrin’izany, ahoana no nataon’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina mikasika ireo zavatra ilaina? b) Manomeza ohatra ny amin’ny lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza! izay nahakasika ny fiainanao.
11 Tsy mahagaga àry raha ao an-tsain’olona maro ireo zava-manahirana ara-pihetseham-po sy ara-tsosialy ary ara-pianakaviana. Ho setrin’izany, dia nanao zavatra tamin-kerim-po tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina, tamin’ny famoahana lahatsoratra amin’ny ilana azy indrindra izay nivaofy ireo zavatra tena nilain’ny olona ka tena nahakasika marina tokoa ny fiainany. Diniho ireto ohatra sasany ireto.
12. a) Nahoana no nisy lahatsoratra mikasika ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, nomanina ho an’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1981? b) Ahoana no nilazan’ny anabavy iray ny fankasitrahany an’ireo lahatsoratra mikasika ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny?
12 Zava-manahirana ara-pianakaviana. Rehefa nasehon’ireo tatitra maneran-tany ny fitomboana haingana teo amin’ny isan’ireo fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny, dia nomanina ho an’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1981 ireo lahatsoratra mbola tsy fahita mikasika ny loha hevitra hoe “Ahoana no Hitaizana Irery ny Zanaky ny Tena?” Nanan-java-nokendrena roa sosona ireo lahatsoratra: 1) hanampy ireo mitaiza irery ny zanany hiatrika amim-pahombiazana ireo zava-manahirana manokana mahazo azy, ary 2) hanampy ny hafa hahazo fanazavana tsara kokoa mba hahafahany ‘hahay hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’ sy ‘hikarakara’ amim-pahatsorana ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ray na reny. (1 Petera 3:8, NW; Jakoba 1:27, NW ). Mpamaky maro no nanoratra mba hilazana ny fankasitrahany an’ireo lahatsoratra. “Tena latsaka ny ranomasoko rehefa nahita ilay fonony aho”, hoy ny nosoratan’ny reny iray mitaiza irery ny zanany, “ary rehefa nanokatra ilay gazety aho ka namaky ilay fanazavana, dia safononoky ny fankasitrahana an’i Jehovah ny foko noho ny nanomezany fanazavana toy izany amin’ny fotoana tena ilana azy.”
13. Dinidinika lalina momba ny fahaketrahana inona no navoaka tao amin’ny Réveillez-vous! 1981, ary inona no nolazain’ny mpamaky iray mikasika izany?
13 Zava-manahirana ara-pihetseham-po. Nodinihina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! hatramin’ireo taona 1960 ilay foto-kevitra momba ny fahaketrahana. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Nisy fomba fijery vaovao sy manorina mikasika io foto-kevitra io anefa nampidirina tao amin’ilay fitohitohizana lohateny hoe “Vos armes contre la dépression!” (Ny Fiadianao Amin’ny Fahaketrahana!) ao amin’ny Réveillez-vous! (Mifohaza! amin’ny teny frantsay) 8 Desambra 1981. Tsy ela dia tonga tsy an-kijanona tany amin’ny Fikambanana Watch Tower ireo taratasy avy any amin’ny tany rehetra eo amin’izao tontolo izao. “Ahoana no ahafahako maneho an-tsoratra izay tsapako ato am-poko?”, hoy ny nosoratan’ny anabavy iray. “Efatra amby roapolo taona aho, ary nandritra ireo folo taona farany, dia nandalo vanim-potoana maro nisian’ny fahaketrahana aho. Izao anefa dia mahatsiaro tena ho akaiky kokoa an’i Jehovah aho ary velom-pisaorana noho ny nanaovany zavatra ho an’izay ilain’ny olona ketraka, tamin’ny alalan’ireny lahatsoratra mampiseho fitiavana ireny, ary naniry ny hilaza izany aminareo aho.”
14, 15. a) Ahoana no namoaboasana ilay foto-kevitra momba ny fitondrana ratsy ny ankizy tao amin’ireo gazetintsika? b) Lahatsoratra inona tao amin’ny gazetintsika no nanaitra ny sain’ny mpanao hazakaza-tsoavaly iray tany Aostralia?
14 Zava-manahirana ara-tsosialy. Nilaza mialoha ny Baiboly fa amin’ny “andro farany”, ny olona dia “ho tia ny tenany, (...) tsy hanana firaiketam-po voajanahary, (...) tsy hanana fifehezan-tena, ho lozabe, tsy hanam-pitiavana izay tsara”. (2 Timoty 3:1-3, NW ). Noho izany, dia tsy tokony hahagaga antsika raha atao amin’ny ambaratonga lehibe amin’izao andro izao ny fitondrana ratsy ny ankizy. Novoaboasana tamin’ny fomba nivantana io foto-kevitra io tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fanampiana ho An’ireo Niharam-pahavoazana Noho ny Nandrian’ny Havana Akaiky Taminy” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1984. Valo taona atỳ aoriana, ny fitohitohizana lohateny hoe “Abus sexuels sur les enfants: Comment en effacer les séquelles” (Fametavetana ny ankizy: Ny fomba anafoanana ireo takaitra avy amin’izany) tao amin’ny Réveillez-vous! 8 Oktobra 1991, dia nomanina tamim-pitandremana mba hanome fahatakarana sy fanantenana ho an’ireo niharam-pahavoazana, ary koa mba hanomezana fanazavana ny hafa mba hahafahan’izy ireo hanolotra fanampiana mahasoa. Teo amin’ny tantaran’ireo gazetintsika, dia io fitohitohizan-dahatsoratra io no nanetsika mpamaky betsaka indrindra hamaly. Nanoratra toy izao ny mpamaky iray: “Ny hery lehibe indrindra teo amin’ny fahasitranako indray, dia ireo hevitra mampionona sy ireo teny nalaina avy ao amin’ny Soratra Masina tao amin’ireny lahatsoratra ireny. Ny fahafantarako fa tsy nihevitra ahy ho tsinontsinona i Jehovah dia fanamaivanana mahery. Ny fahafantarako fa tsy irery aho dia nampahery toy izany koa.”
15 Ny mpanao hazakaza-tsoavaly iray tany Melbourne, any Aostralia, dia nandefa antso lavitra an-telefaonina tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower tany Sydney, mba hilazana ny rikoriko tsapany mikasika ny tontolo manodidina ny hazakaza-tsoavaly. Nilaza izy fa vao avy namaky ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 Martsa mikasika ny “Fisavihana — Nofy ratsy ho an’ireo vehivavy”, ary sarotra taminy ny nino fa nisy ny gazety sarobidy toy izany. Nanao fanontaniana nandritra ny 30 minitra teo ho eo izy ary faly nandre ireo valiny nomena.
16. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiseho ny fankasitrahanao an’ireo gazetintsika?
16 Ahoana ny aminao? Moa ve ny fiainanao mba efa voakasika tamin’ny lahatsoratra iray manokana nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza!? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa mahatsapa fankasitrahana lalina an’ireo gazetintsika ianao. Ahoana no ahafahanao mampiseho ny fankasitrahanao? Azo antoka fa amin’ny famakian’ny tenanao ny nomerao tsirairay. Azonao atao koa ny mandray anjara amin’ny fizarana ireny gazety sarobidy ireny hiely patrana araka izay farany azo atao. Ahoana no ahafahana manao izany?
Zarao amin’ny hafa izy ireo!
17. Inona no azon’ny kongregasiona atao mba hampitomboana ny fizarana gazety?
17 Voalohany, dia misy zavatra azon’ny kongregasiona tsirairay atao. Izao no nolazain’ny nomeraon’ny Informateur (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana amin’izao fotoana izao) tamin’ny Oktobra 1952 (anglisy): “Ny fomba mandaitra indrindra hizarana ireo gazety dia ny fandehanana isan-trano sy isaky ny mpivarotra. Noho izany, dia ampirisihan’ny Fikambanana ny hanaovana ireny fomba fizarana gazety ireny ho tapany atao tsy tapaka amin’ny Andro Fizarana Gazety.” Mbola manan-kery ihany io torohevitra io amin’izao andro izao. Afaka manao fandaharam-potoana tsy tapaka ho an’ny Andro Fizarana Gazety ny kongregasiona, dia andro iray atokana voalohany indrindra ho an’ny fizarana gazety. Ho an’ny ankamaroan’ny kongregasiona, dia tsy isalasalana fa ho fotoana tsara ireo asabotsy voafaritra tsara. Eny, aoka ny kongregasiona tsirairay hanokana andro na takariva manokana ho amin’ny fizarana gazety — isan-trano, isaky ny mpivarotra sy eny amin’ny arabe ary amin’ireo lalana fizarana gazety. Ho fanampin’izany, inona no azonao atao, dia ianao mpitory ilay Fanjakana, mba hanampiana ho fampitomboana ny fizarana gazety?
18, 19. a) Amin’ny ahoana ny fahatongavana ho liana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no manampy anao hametraka gazety? b) Inona no tombontsoa amin’ny fanaovana fanolorana fohy sy mifandray amin’ny foto-kevitra rehefa manolotra ireo gazety? d) Inona no mampiseho ny hasarobidin’ny fitondrana ireo gazety any an-tranon’ny olona?
18 Ny fahatongavana ho liana amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana” sy ny “Mifohaza!” no dingana voalohany. Vakio mialoha ireo gazety. Eo am-pamakianao ny lahatsoratra tsirairay, dia manontania tena hoe: ‘Hahaliana an’iza itỳ lahatsoratra itỳ?’ Mieritrereta teny vitsivitsy azonao lazaina mba hanairana ny fahalianana amin’ilay lahatsoratra. Ankoatra ny fanohanana ny Andro Fizarana Gazety tsy tapaka, nahoana no tsy mitondra gazety miaraka aminao mba hahafahanao hanararaotra ny fahafahana rehetra hizarana izany amin’ny hafa — rehefa manao dia lavitra na rehefa miantsena, sy rehefa miresaka amin’ny mpiara-miasa, na mpiara-monina, na mpiara-mianatra, na mpampianatra?
19 Tano ho tsotra ny fanoloranao no fanipazan-kevitra faharoa. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1956: “Ny fanolorana fohy sy mifandray amin’ny foto-kevitra no tsara indrindra rehefa manolotra gazety. Ny zava-kendrena dia ny hametraka gazety betsaka. Izy ireo ihany no hanao ny ‘resaka’ ho an’ny tenany.” Hitan’ny mpitory sasany fa mandaitra ny fakana hevitra iray avy ao amin’ny lahatsoratra iray, dia mametraka izany ao anatin’ny teny fohy, ary manolotra ireo gazety. Raha vao tafiditra ao an-trano ireo gazety dia mety “hiresaka” amin’olon-kafa fanampiny ankoatran’ilay olona nandray gazety avy aminao. Tany Irlande, dia nisy tanora mpianatra tany amin’ny oniversite namaky Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1991, izay noraisin-drainy avy tamina Vavolombelona iray. Nanaitra ny fahalianany ireo lahatsoratra momba ny fifampiresahana sy ireo foto-kevitra hafa. Raha vantany vao voavakiny ilay gazety, dia niantso an-telefaonina ny Vavolombelona izy tamin’ny fiantsoana ilay nomerao tao amin’ny annuaire. Tsy ela dia natomboka ny fampianarana ny Baiboly, ary natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny Jolay 1993 ilay zatovovavy. Amin’ny fomba azo antoka, dia aoka isika hitondra ireo gazety any amin’ireo trano izay ahafahany “miresaka” amin’ny olona! Nanolotra fanipazan-kevitra tsotra iray hafa ny mpiandraikitra mpitety faritany: “Avoahy avy ao amin’ny kitaponao ireo gazety.” Marina tokoa fa raha tsy mahasarika ny fahalianan’ilay tompon-trano izay lazainao, amin’izay angamba dia ireo sary manintona eo amin’ny fonony no hametraka ireo gazety ho solonao.
20, 21. a) Ahoana no ahafahanao mampifanara-javatra rehefa mandray anjara amin’ny asa fizarana gazety? b) Inona no azonao atao mba hametrahana gazety betsaka kokoa isam-bolana?
20 Ny fanipazan-kevitra fahatelo dia ny hoe: Aoka ianao hahay hampifanara-javatra. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 9:19-23.) Manomàna fanolorana fohy vitsivitsy. Aoka ianao hahazo an-tsaina lahatsoratra iray izay hanintona ny lehilahy, ary iray hafa ho an’ny vehivavy. Ho an’ny tanora, dia azonao asongadina ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora hoe (...)”. Aoka ianao hahay hampifanara-javatra koa, rehefa mandray anjara amin’ny fizarana gazety. Ho fanampin’ny Andro Fizarana Gazety, dia mety ho hitanao fa manome fahafahana tsara dia tsara hanolorana gazety isan-trano ny fitoriana amin’ny takariva.
21 Ny fanipazan-kevitra fahefatra dia hoe: Aoka ianao hametra tanjona ho an’ny tenanao manokana. Izao no lazain’ilay takelaka fanampiny tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Martsa 1984 (anglisy): “Ho fanipazan-kevitra, ny mpitory, ohatra, dia mety hanana ho tanjona, gazety 10 isam-bolana, arakaraka ny tarehin-javatra misy azy; ny mpisava lalana mety hiezaka hahatratra 90. Mazava ho azy fa misy mpitory sasany mety ho afaka hametraka gazety betsaka kokoa isam-bolana, ka noho izany dia hametra tanjona ambony kokoa ho an’ny tenany manokana. Kanefa noho faharatsian’ny fahasalamana, na ilay karazana faritany, na noho ny antony tsara hafa, dia mety ho ambany kokoa ny tanjona feran’ny hafa. Na dia izany aza, ny fanompoana ataony ho an’i Jehovah dia mendrika toy izany koa. (Matio 13:23; Lioka 21:3, 4). Ny zava-dehibe dia ny hananana tanjona ho an’ny tena manokana.”
22. Amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika maneho ny fankasitrahantsika an’i Jehovah noho ireo gazetin’ny fahamarinana tonga amin’ny ilana azy indrindra ireo?
22 Velom-pisaorana toy inona moa isika noho ny nampiasan’i Jehovah, “Andriamanitry ny fahamarinana”, ny kilasin’ny mpanompo mahatoky sy malina sy ny Fitambara-mpitantany mba hanome antsika ireny gazety tonga amin’ny ilana azy indrindra ireny! (Salamo 31:5). Raha mbola maniry izany koa i Jehovah, ireny gazety ireny dia mbola hanohy hivaofy ireo zavatra tena ilain’ny olona. Hiaro hatrany ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambonin’i Jehovah izy ireo. Tsy hitsahatra ny hampandroso ny foto-pampianarana marina izy ireo. Ary izy ireo dia haharitra amin’ny fanintonana ny saina ho amin’ny fahatanterahana faminaniana izay manamarika ny androntsika ho ny fotoana anapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, sy fotoana anaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany mbola tsy nisy toy izany satria manao izany ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah izay mitombo isa hatrany. (Matio 6:10; Apokalypsy 11:15). Harena sarobidy toy inona moa no ananantsika amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Aoka isika hanararaotra ny fahafahana rehetra mba hizarana amin’ireo olona malemy fanahy ireny gazety lehibe ireny izay mahakasika ny fiainan’ny olona sady miaro ireo fahamarinan’ilay Fanjakana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a 15 Jolay 1992, pejy faha-19-22.
b Nandritra ny taona maro Ny Tilikambo Fiambenana dia noheverina fa gazety natao indrindra ho an’ny Kristiana voahosotra. Nanomboka tamin’ny 1935 anefa, dia nisy fanantitranterana nitombo natao, tamin’ny fampirisihana ny “olona betsaka” izay manantena fiainana mandrakizay eto an-tany, mba haka sy hamaky Ny Tilikambo Fiambenana. (Apokalypsy 7:9). Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1940, dia natolotra ny olona tsy tapaka teny amin’ny arabe Ny Tilikambo Fiambenana. Taorian’izay dia nitombo haingana ny fielezany.
Inona no Valin-teninao?
◻ Inona no mampiseho fa gazetin’ny fahamarinana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!?
◻ Tamin’ny ahoana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no nahakasika ny fiainan’ny olona?
◻ Inona no azon’ny kongregasiona atao mba hampitomboana ny fizarana gazety?
◻ Fanipazan-kevitra inona avy no afaka manampy anao hametraka gazety betsaka kokoa?
[Efajoro, pejy 22]
Lahatsoratra Sasany Izay Nahakasika ny Fiainan’ny Olona
Nandritra ireo taona, dia mpamaky maro no nanoratra mba hilazana ny fankasitrahany ireo lahatsoratra voafaritra tsara izay nivoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Voatanisa etsy ambany ny vitsivitsy monja amin’ireo foto-kevitra maro be izay nisy fiantraikany teo amin’ireo mpamaky ny gazetintsika. Moa ve ireo lahatsoratra ireo na ny hafa nampiova ny fiainanao?
Ny Tilikambo Fiambenana
“Ekeo ny Fanampian’Andriamanitra mba Handresena Ireo Kileman-toetranao Miafina” (15 Jolay 1985)
“Aoka Isika Haneho Toe-panahy Araka An’Andriamanitra Amin’ireo Havantsika Be Taona” (1 Septambra 1987)
“Fianarana Misy Zava-kendrena” (1 Novambra 1992)
Mifohaza! na Réveillez-vous!
“Ny Fiadianao Amin’ny Fahaketrahana!” (8 Desambra 1981, frantsay)
“Rehefa Mamely Olon-tiana Iray ny Fahafatesana (...)” (22 Jolay 1985, frantsay)
“Arovy ny Zanakao!” (8 Oktobra 1993, frantsay)
[Sary, pejy 23]
Any Kanada — fitoriana isan-trano miaraka amin’ireo gazety
[Sary, pejy 24]
Any Myanmar — fampisehoana ireo gazety izay manondro ny lalan’ny fiainana