FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/98 p. 1
  • Mamaky Ireo Gazety ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mamaky Ireo Gazety ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana Tonga Amin’ny ...
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fampiasana Tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 10/98 p. 1

Mamaky Ireo Gazety ve Ianao?

1 Hoy ny mpivady misionera iray, atsy Afrika, momba ny gazetintsika: “Ny Tilikambo Fiambenana dia manampy anay ho mailo hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, eo amin’ny faritaninay. Manovo fampaherezana sy tanjaka avy amin’ny nomerao tsirairay izahay.” Mankasitraka lalina toy izany ireo gazetintsika ve ianao? Ary dodona tsy misy hafa amin’izany mba hamaky azy ireo ve ianao?

2 Mitaky fotoana betsaka ny fanomanana ireo lahatsoratra ao amin’ny gazety izay azo vakina ao anatin’ny minitra vitsy monja. Noho ny fahalalana izany, moa ve ianao hijery maimaika fotsiny ireo lahatsoratra, sy hijery ireo sary, na hamaky tsindraindray lahatsoratra iray izay toa manintona ny sainao? Hampiseho fahendrena isika raha manao mihoatra noho izany. Tokony haka fotoana hamakiana sy hamakafakana ny lahatsoratra rehetra ao amin’ny nomerao tsirairay amin’ny gazetintsika isika. Ny Tilikambo Fiambenana no gazetintsika lehibe indrindra mba hahazoana sakafo ara-panahy ara-potoana. Mirakitra lahatsoratra mahaliana sy ahitam-panazavana momba ny loha hevitra isan-karazany ny Mifohaza! Izay ianarantsika amin’ny famakiana ireny gazety ireny dia tsy hoe manatanjaka antsika ara-panahy fotsiny, fa manomana antsika koa mba handray anjara amin’ny fanompoana amin’ny fomba mandaitra kokoa. Hafana fo hanolotra ireo gazety amin’ny hafa isika, amin’ny maha mpamaky mazoto antsika.

3 Ny fomba hanatsarana ny fahazarana mamaky teny: Misy zavatra azonao hatsaraina ve mba haharahana ny famakianao ireo gazety? Indreto misy fanoloran-kevitra roa izay mety amin’ny olona maro: 1) Manorena fandaharam-pamakiana tsy tapaka. Ho gaga ianao noho ny habetsahan’ny zavatra voavakinao ao anatin’ny herinandro, amin’ny fanokanana 10 na 15 minitra monja isan’andro mba hamakiana teny. 2) Asio fomba hamantarana izay efa novakinao. Angamba afaka manisy marika eo am-piandohan’ny lahatsoratra tsirairay novakinao ianao. Raha tsy misy an’io, dia mety tsy ho voavakinao ny lahatsoratra sasany na ny gazety iray manontolo mihitsy aza. Zava-dehibe ny hanorenana fahazarana mamaky teny izay mety aminao sy ny hifikirana amin’izany. — Ampitahao amin’ny Filipiana 3:16.

4 Rehefa nisy toe-javatra niova, dia nanao zavatra tamim-pahendrena “ny mpanompo mahatoky sy malina” tamin’ny famoahana lahatsoratra izay mamakafaka ny zavatra tena ilain’ny olona. (Matio 24:45, NW ). Mahakasika ny fiainantsika marina tokoa ireo gazety. Miankina be dia be amin’ny hatsaran’ny fahazarantsika mamaky zavatra vita an-tsoratra teôkratika ny hafainganan’ny fandrosoantsika ara-panahy. Fitahiana ara-panahy tondraka no miandry an’ireo izay maka fotoana mba hamakiana ny gazety rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara