Tongava Soa Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”!
ENY, antomotra ny fotoana ho an’ireo fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah, taona 1994. Hanomboka amin’ny Jona 1994 ka hatramin’ny Janoary 1995, dia ho re any amin’ny tanàna an-jatony maro manerana izao tontolo izao ny fandaharan’ny fivoriambe haharitra telo andro — voalohany any Amerika Avaratra, dia avy eo any Eoropa Atsinanana sy Andrefana, Azia, Amerika Afovoany sy Atsimo, Afrika, Aostralia ary any amin’ireo nosin-dranomasina.
“Tahotra Araka An’Andriamanitra”, loha hevitra mahatonga hieritreritra re izany! Izy io akory tsy tahotra mankarary ananan’ny olona iray izay tandindomin-doza ny fiainany, fa ny tahotra an’Andriamanitra, dia tahotra manome fiadanan-tsaina sy fifaliana. Hoy ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.” (Ohabolana 22:4). Ahoana no ahafahan’ny fahatahorana an’Andriamanitra hitondra “harena sy voninahitra ary fiainana”? Hanjary hiharihary izany rehefa hovelabelarina amin’ny tsipiriany ny loha hevitry ny fivoriambe mandritra ny telo andro ho feno lahateny sy dinidinika sy fampisehoana ary fampisehoana tantara iray.
Nanoratra ny apostoly Paoly fa tsy tokony ‘hanadino ny fiarahantsika mivory’ isika. (Hebreo 10: 25, NW ). Mandray izany ho tena zava-dehibe ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mivory intelo isan-kerinandro ho an’ny fianarana sy ny fanompoam-pivavahana ataon’ny kongregasiona. Manokana, anefa, ny fivoriamben’ny distrika isan-taona. Miandry azy io amim-panantenana izy ireo ary miresaka ny amin’izy io mandritra ny volana maro aorian’izany. Manasa anao amin-kafanam-po izahay, na inona na inona fivavahanao, mba hiaraka amin’izy ireo amin’ny fivoriambeny ary hifaly amin’ny fisakaizana kristiana mafana sy ny fanazavana ara-panahy tena lehibe. Ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana dia ho faly hilaza aminao ny toerana sy ny fotoana hanaovana ny fivoriambe akaikinao indrindra.