FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/3 p. 10-15
  • Fianarana Mahita Fifaliana Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fianarana Mahita Fifaliana Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony ananan’ny sasany sy tsy ananan’ny hafa azy io
  • Fanasana manintona
  • Hanao ilay fiezahana ve ianao?
  • Tafiditra ny fonao
  • Ny fomba iorenan’ny fahatahorana an’Andriamanitra ao am-pontsika
  • Mianara Hatahotra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ireo Soa Azo Amin’ny Fahatahorana Ilay Andriamanitra Marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mety hitondra soa ho anao ve ny fahatahorana an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Matahora An’i Jehovah ary Tandremo ny Didiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/3 p. 10-15

Fianarana Mahita Fifaliana Amin’ny Fahatahorana An’i Jehovah

“Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” — SALAMO 34:11.

1. Ahoana no hanesoran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tahotra, kanefa ny karazan-tahotra rehetra ve izany?

HATRAIZA hatraiza ny olona dia maniry mafy fahafahana amin’ny tahotra — tahotra ny heloka bevava sy ny herisetra, tahotra ny tsy fananana asa, tahotra ny aretina mafy. Ho andro lehibe toy inona moa ny fotoana izay hahatongavan’izany fahafahana izany ho zavatra tena izy eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra! (Isaia 33:24; 65:21-23; Mika 4:4). Kanefa, tsy ny tahotra rehetra akory no hesorina amin’izay, no sady tsy tokony hitady handroaka ny tahotra rehetra amin’ny fiainantsika isika ankehitriny. Misy tahotra tsara sy tahotra ratsy.

2. a) Karazan-tahotra inona no ratsy, ary karazany inona no faniry? b) Inona no atao hoe fahatahorana an’Andriamanitra, ary ahoana no ilazan’ireo andinin-teny voatonona izany?

2 Mety ho poizina ho an’ny saina, mahatonga ny fahaizan’ny olona iray manjohy hevitra tsy ho afa-mihetsika, ny tahotra. Afaka mikiky ny herim-po sy mandrava ny fanantenana izy io. Mety ho tsapan’ny olona iray izay rahonan’ny fahavalo iray ara-batana izany tahotra izany. (Jeremia 51:30). Mety ho tsapan’ny olona iray izay mihevitra ho zava-dehibe loatra ny hahazoana ny fankasitrahan’ny olona manam-pahefana sasany, izy io. (Ohabolana 29:25). Kanefa, misy koa tahotra mahasoa, ilay karazany izay misakana antsika tsy hanao zavatra amim-pikoropahana, tsy hanimba ny tenantsika. Mahafaoka mihoatra noho izany mihitsy aza ny fahatahorana an’Andriamanitra. Fahatahorana miharo fanajana an’i Jehovah izy io, fanajana ara-pivavahana lalina ho azy, omban’ny tahotra mahasoa sao tsy hampifaly azy. (Salamo 89:7). Io fahatahorana ny hiharan’ny tsy fahafalian’Andriamanitra io dia avy amin’ny fankasitrahana ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana sy ny hatsaram-pony. (Salamo 5:7, NW; Hosea 3:5, NW ). Mahafaoka fahatakarana koa izy io fa i Jehovah no Mpitsara Fara Tampony sy Tsitoha, izay manana ny fahefana hampihatra fanasaziana, fahafatesana mihitsy aza, amin’ireo izay tsy mety mankato azy. — Romana 14:10-12.

3. Ahoana no ifanoheran’ny fahatahorana an’i Jehovah amin’izay ampifandraisina amin’ireo andriamanitra sampy sasany?

3 Mahasoa ny fahatahorana an’Andriamanitra, fa tsy mampitebiteby. Manosika ny olona iray ho hentitra ho an’izay marina izy io, fa tsy hanaiky lembenana amin’ny fanaovan-dratsy. Izy io dia tsy tahaka ilay tahotra izay ampifandraisina amin’ilay andriamanitra grika fahiny atao hoe Phobos, lazalazaina ho andriamanitra mahatahotra izay nampihorohoro. Ary izy io dia tsy tahaka ilay tahotra izay ampifandraisina amin’ilay andriamanibavy hindoa atao hoe Kali, izay lazalazaina indraindray ho lian-dra, mampiasa faty sy bibilava ary karandoha ho firavaka. Manintona ny fahatahorana an’Andriamanitra; tsy maharikoriko izy io. Mifamatotra akaiky amin’ny fitiavana sy ny fankasitrahana izy io. Araka izany, ny fahatahorana an’Andriamanitra dia mampanatona antsika amin’i Jehovah. — Deoteronomia 10:12, 13; Salamo 2:11.

Ny antony ananan’ny sasany sy tsy ananan’ny hafa azy io

4. Araka ny asehon’ny apostoly Paoly, tonga amin’ny toe-piainana manao ahoana moa ny olombelona, ary inona no anton’izany?

4 Tsy atosik’ilay toetra tsara, dia ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny olombelona amin’ny fitambarany. Ao amin’ny Romana 3:9-18, ny apostoly Paoly dia milazalaza hoe tonga hatraiza ny fialan’ny olombelona tamin’ny fahalavorariana voalohany. Taorian’ny nilazany fa mpanota avokoa ny rehetra, dia naka teny avy tao amin’ny Salamo i Paoly, ka nanao hoe: “Tsy misy marina na dia iray akory aza”. (Jereo ny Salamo 14:1.) Avy eo dia manome tsipiriany izy amin’ny fitanisana zavatra toy ny fanaovan’ny olona tsirambina ny fitadiavana an’Andriamanitra, ny tsy fananan’izy ireo hatsaram-panahy, ny fiteniny mamitaka, ny fanozonany, sy ny fandatsahany ra. Araka ny marina toy inona moa ny filazalazan’izany ny tontolo amin’izao andro izao! Tsy liana ny amin’Andriamanitra sy ny fikasany ny ankamaroan’ny olona. Izay mety ho fisehoana ivelan’ny hatsaram-panahy dia matetika loatra no atokana ho an’ny fotoana izay hahazoana tombony avy amin’izany. Fahita hatraiza hatraiza ny fandaingana sy ny fiteny maloto. Ny fandatsahan-dra dia asongadina, tsy ao amin’ireo filazam-baovao ihany, fa amin’ny fialam-boly koa. Inona no anton’izany tarehin-javatra izany? Marina fa taranak’i Adama mpanota avokoa isika rehetra, kanefa rehefa mandray ho fomba fiainany ireo zavatra lazalazain’ny apostoly Paoly ireo ny olona, dia misy zavatra mihoatra noho izany tafiditra. Manazava ny andininy faha-18 hoe inona izany, amin’ny filazana hoe: “Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra eo anoloan’ny masony”. — Jereo ny Salamo 36:1.

5. Nahoana no manana fahatahorana an’Andriamanitra ny olona sasany, fa tsy manana izany kosa ny hafa?

5 Na dia izany aza, nahoana no manana fahatahorana an’Andriamanitra ny olona sasany, fa tsy manana izany kosa ny hafa? Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, dia satria mamboly azy io ny olona sasany, fa tsy manao izany kosa ny hafa. Tsy misy amintsika teraka nanana azy io, kanefa manana fahafahana hanana azy io isika rehetra. Zavatra izay tsy maintsy ianarantsika ny fahatahorana an’Andriamanitra. Avy eo, mba hahatongavan’izy io ho hery manosika mahery eo amin’ny fiainantsika, dia ilaintsika ny mamboly azy.

Fanasana manintona

6. Iza no manolotra amintsika ilay fanasana voarakitra ao amin’ny Salamo 34:11, ary ahoana no ampisehoan’io andininy io fa tsy maintsy ianarana ny fahatahorana an’Andriamanitra?

6 Atolotra antsika ny fanasana manintona iray ao amin’ny Salamo 34 mba hianarana ny fahatahorana an’i Jehovah. Salamo nataon’i Davida izy io. Ary tandindon’iza moa i Davida? Tsy iza fa i Jesosy Kristy Tompo. Ny faminaniana iray izay nampiharin’ny apostoly Jaona tamin’ny fomba voafaritra tsara tamin’i Jesosy dia voarakitra an-tsoratra eo amin’ny Sal. 34 andininy faha-20 ao amin’io salamo io. (Jaona 19:36). Amin’izao androntsika izao, dia i Jesosy no ilay manolotra fanasana tahaka izao eo amin’ny Sal. 34 andininy faha-11 izao: “Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” Asehon’izany mazava tsara fa zavatra azo ianarana ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary faran’izay mahafeno fepetra indrindra i Jesosy Kristy mba hampianatra antsika. Nahoana moa?

7. Nahoana no i Jesosy indrindra no ilay hianarana ny fahatahorana an’Andriamanitra?

7 Fantatr’i Jesosy Kristy ny maha-zava-dehibe ny fahatahorana an’Andriamanitra. Izao no lazain’ny Hebreo 5:7 mikasika azy: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. Izany fahatahorana an’Andriamanitra izany dia toetra izay nasehon’i Jesosy Kristy, na dia talohan’ny nampifanatrehana azy tamin’ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana aza. Tadidio fa ao amin’ny Ohabolana toko faha-8, ny Zanak’Andriamanitra dia lazalazaina ho ny sary velon’ny fahendrena. Ary izao no lazaina amintsika ao amin’ny Ohabolana 9:10: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. Koa tapany fototra tamin’ny toetra naha-izy ny Zanak’Andriamanitra ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany, io fahatahorana an’Andriamanitra io.

8. Ao amin’ny Isaia 11:2, 3, inona no ianarantsika momba ny fahatahorana an’i Jehovah?

8 Ankoatra izany, mikasika an’i Jesosy Mpanjaka Mesianika, dia izao no lazain’ny Isaia 11:2, 3: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah”. Hakanton’izay fomba fiteny re izany! Tsy zavatra mahasosotra velively ny fahatahorana an’i Jehovah. Mahasoa sy manorina izy io. Toetra izay hanenika ny faritra manontolo hotapahin’i Kristy amin’ny maha-Mpanjaka, izy io. Manapaka izy ankehitriny, ary ho an’izay rehetra hangonina ho olom-peheziny, dia manome fampianarana ny fahatahorana an’i Jehovah izy. Amin’ny fomba ahoana?

9. Ahoana no ampianaran’i Jesosy Kristy antsika ny fahatahorana an’i Jehovah, ary inona no tiany hianarantsika momba azy io?

9 Amin’ny alalan’ireo fivorian’ny kongregasionantsika, fivoriamben’ny fizaran-tanintsika, sy fivoriamben’ny distrikantsika, i Jesosy, amin’ny maha-Lohan’ny kongregasiona voatendry sy Mpanjaka Mesianika azy, dia manampy antsika mba hahatakatra mazava izay atao hoe fahatahorana an’Andriamanitra sy ny hoe nahoana no mahasoa toy izany izy io. Araka izany, izy dia miezaka ny hanao izay hahalalina ny fahatakarantsika azy io mba hianarantsika ny hahita fifaliana amin’ny fahatahorana an’i Jehovah, tsy misy hafa aminy.

Hanao ilay fiezahana ve ianao?

10. Rehefa manatrika ireo fivoriana kristiana isika, inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hahatakatra ny hevitry ny fahatahorana an’i Jehovah?

10 Mazava ho azy fa ny famakiantsika ny Baiboly na ny fanatrehantsika ireo fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny dia tsy hiantoka fa hanana fahatahorana an’Andriamanitra isika. Mariho izay ilaintsika hatao raha tena tiantsika ny hahatakatra ny hevitry ny fahatahorana an’i Jehovah. Hoy ny Ohabolana 2:1-5: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” Koa rehefa manatrika ireo fivoriana isika dia mila manongilan-tsofina amin’izay lazaina, manao ezaka amim-pahatsorana mba hifantoka sy hitadidy ireo hevitra fototra, mieritreritra lalina ny amin’ny hoe amin’ny fomba ahoana izay tsapantsika momba an’i Jehovah no tokony hanan-kery eo amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny torohevitra omena — eny, manokatra ny fontsika. Amin’izay dia ho takatsika ny hevitry ny fahatahorana an’i Jehovah.

11. Mba hambolena fahatahorana an’Andriamanitra, dia inona no tokony hataontsika amim-pahatsorana sy matetika?

11 Misarika ny saina ho amin’ny lafin-javatra lehibe hafa iray, dia ny vavaka, ny Salamo 86:11. “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho”, hoy ny vavak’ilay mpanao salamo. “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” Nanaiky io vavaka io i Jehovah, satria nampiraketiny an-tsoratra ao amin’ny Baiboly izy io. Mba hambolena fahatahorana an’Andriamanitra, dia ilaintsika koa ny mivavaka amin’i Jehovah mba hahazoana ny fanampiany, ary handray soa amin’ny fivavahana amim-pahatsorana sy matetika isika. — Lioka 18:1-8.

Tafiditra ny fonao

12. Nahoana no tsy maintsy anehoana fiheverana manokana ny fo, ary mahafaoka inona izy io?

12 Misy zavatra hafa izay tokony homarihintsika ao amin’ny Salamo 86:11. Tsy nangataka fahatakaran’ny saina fotsiny izay atao hoe fahatahorana an’Andriamanitra ilay mpanao salamo. Nanonona ny fony izy. Ny fambolena fahatahorana an’Andriamanitra dia mahatafiditra ny fo ara-panoharana, izay mitaky fiheverana manokana, satria io ilay olona anaty miharihary eo amin’ny ataontsika rehetra eo amin’ny fiainana sy mahafaoka ireo eritreritsika, fihetsitsika, faniriantsika, antony manosika antsika, sy tanjona tiantsika hotratrarina.

13. a) Inona no mety hampiseho fa voazarazara ny fon’ny olona iray? b) Raha mbola mamboly fahatahorana an’Andriamanitra isika, dia inona no tanjona tokony hiezahantsika hotratrarina?

13 Mampitandrina antsika ny Baiboly fa mety ho voazarazara ny fon’ny olona iray. Afaka mamitaka izy io. (Salamo 12:2; Jeremia 17:9). Mety hanosika antsika handray anjara amin’ny zavatra atao mahasoa — fandehanana any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy fivoahana amin’ny asa fitoriana — izy io, kanefa mety ho tia ny lafiny sasany amin’ny fomba fiainan’izao tontolo izao koa. Mety hisakana antsika tsy hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’ny fanahintsika manontolo marina tokoa izy io. Amin’izay ilay fo mamitaka dia mety hanandrana ny handresy lahatra antsika fa, rehefa dinihina, dia manao be dia be toy ny maro hafa isika. Na angamba any an-tsekoly na any am-piasantsika, dia mety ho voataonan’ny tahotra olona ny fo. Vokatr’izany, any amin’ireny faritra ireny dia mety hisalasala isika hampahafantatra ny tenantsika ho Vavolombelon’i Jehovah ary mety hanao zavatra izay tsy mety amin’ny Kristiana mihitsy aza. Rehefa avy eo anefa, dia manelingelina antsika ny feon’ny fieritreretantsika. Tsy izany ilay karazan’olona tiantsika ho isika. Mivavaka amin’i Jehovah toy izao àry isika miaraka amin’ilay mpanao salamo: “Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” Tiantsika ny hanaporofoan’ilay olona anaty manontolo, izay miharihary eo amin’ny ataontsika rehetra eo amin’ny fiainana, fa ‘matahotra an’Andriamanitra sy mitandrina ny didiny’ isika. — Mpitoriteny 12:13.

14, 15. a) Rehefa nanambara mialoha ny hamerenana ny Isiraely avy tamin’ny fahababoana tany Babylona i Jehovah, dia inona no nampanantenainy fa homena ny vahoakany? b) Inona no nataon’i Jehovah tamin’ny fikendrena ny hanorina ny fahatahorana an’Andriamanitra tao am-pon’ny vahoakany? d) Nahoana no niala tamin’ireo lalan’i Jehovah ny Isiraely?

14 Nampanantena i Jehovah fa homeny izany fo matahotra an’Andriamanitra izany ny vahoakany. Nambarany mialoha ny hamerenana ny Isiraely tany amin’ny taniny, ka hoy izy, araka ny vakintsika ao amin’ny Jeremia 32:37-39: “Ho entiko amin’ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay; ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. Dia homeko fo iray sy làlana iray izy, mba hatahorany Ahy làlandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy”. Eo amin’ny Jer. 32 andininy faha-40, dia nohamafisina ny fampanantenan’Andriamanitra: “Ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.” Tamin’ny 537 al.f.i., i Jehovah dia tena nitondra azy ireo niverina nankany Jerosalema, araka ny nampanantenainy. Kanefa ahoana ny amin’ny tapany sisa amin’io fampanantenana io — fa hoe hanome azy ireo ‘fo iray mba hatahorany azy lalandava’ izy? Nahoana no niala tamin’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely fahiny rehefa avy nentiny niverina avy tany Babylona, hany ka noravana ny tempolin’izy ireo tamin’ny 70 am.f.i., ary tsy haorina intsony mihitsy?

15 Tsy noho ny tsy nanaovan’i Jehovah zavatra akory no nahatonga izany. Tena nanao dingana tokoa i Jehovah mba hametrahana ny fahatahorana an’Andriamanitra tao am-pon’ny vahoakany. Tamin’ny fanehoany famindram-po tamin’ny fanafahana azy ireo avy tany Babylona sy tamin’ny famerenana azy ireo tany amin’ny tanindrazany, dia nomeny azy ireo ny antony rehetra tokony hiheverana azy amim-panajana ara-pivavahana lalina. Nohamafisin’Andriamanitra izany rehetra izany tamin’ny teny fampahatsiahivana sy ny torohevitra ary ny fananarana, tamin’ny alalan’i Hagay sy i Zakaria ary i Malakia mpaminany; tamin’ny alalan’i Ezra, izay nirahina teo amin’izy ireo ho mpampianatra; tamin’ny alalan’i Nehemia Governora; ary tamin’ny alalan’ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Nihaino ny vahoaka indraindray. Nanao izany izy ireo rehefa nanorina indray ny tempolin’i Jehovah noho ny fampirisihan’i Hagay sy i Zakaria sy rehefa nandroaka ireo vehivavy hafa firenena nalainy ho vady tamin’ny andron’i Ezra. (Ezra 5:1, 2; 10:1-4). Kanefa matetika kokoa dia tsy nankato izy ireo. Niovaova izy ireo raha ny amin’ny fanehoana fitandremana; tsy nanohy ho vonona handray torohevitra izy ireo; tsy nihazona ny fony hisokatra izy ireo. Tsy namboly fahatahorana an’Andriamanitra ireo Isiraelita, ary ho vokatr’izany, dia tsy hery manosika nahery teo amin’ny fiainan’izy ireo izy io. — Malakia 1:6; Matio 15:7, 8.

16. Tao am-pon’iza no nanorenan’i Jehovah fahatahorana an’Andriamanitra?

16 Kanefa, tsy hoe tsy nahomby ilay fampanantenan’i Jehovah hametraka ny fahatahorana an’Andriamanitra ao am-pon’ny vahoakany. Nanao fanekena vaovao tamin’ny Isiraely ara-panahy, dia ireo Kristiana izay notolorany fanantenana ny ho any an-danitra, izy. (Jeremia 31:33; Galatiana 6:16). Tamin’ny 1919, Andriamanitra dia namerina azy ireo avy tamin’ny fahababoana tao amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Tao am-pon’izy ireo, dia naoriny mafy ny fahatahorana azy. Nitondra soa tondraka ho azy ireo sy ho an’ny “olona betsaka”, izay manana fanantenana ny fiainana amin’ny maha-olom-pehezin’ilay Fanjakana eto an-tany, izany. (Jeremia 32:39; Apokalypsy 7:9). Nanjary tonga tao am-pon’izy ireo koa ny fahatahorana an’i Jehovah.

Ny fomba iorenan’ny fahatahorana an’Andriamanitra ao am-pontsika

17. Ahoana no nametrahan’i Jehovah ny fahatahorana an’Andriamanitra tao am-pontsika?

17 Ahoana no nampiorenan’i Jehovah io fahatahorana an’Andriamanitra io tao am-pontsika? Tamin’ny fiasan’ny fanahiny. Ary inona no ananantsika izay vokatry ny fanahy masina? Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry. (2 Timoty 3:16, 17, NW ). Tamin’izay nataony tamin’ny lasa sy amin’ny fifampiraharahany amin’ireo mpanompony ankehitriny ho fahatanterahan’ny Teniny ara-paminaniana ary amin’ny alalan’ireo faminaniana ny amin’ny zavatra ho avy, i Jehovah dia manome antony marim-pototra ho antsika rehetra mba hambolena fahatahorana an’Andriamanitra. — Josoa 24:2-15; Hebreo 10:30, 31.

18, 19. Ahoana no anampian’ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary fivorian’ny kongregasiona antsika mba hahazo fahatahorana an’Andriamanitra?

18 Mendrika homarihina fa, araka ny voatantara ao amin’ny Deoteronomia 4:10, dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ny andro rehetra hiainany ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.” Mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao, fa i Jehovah dia manao fandaharana be dia be mba hanampiana ny vahoakany hianatra hatahotra azy. Any amin’ireo fivoriamben’ny distrika sy fivoriamben’ny fizaran-tany ary fivorian’ny kongregasiona, dia mitanisa ny porofon’ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana sy ny hatsaram-pony isika. Izany no nataontsika fony nianatra ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Nanao ahoana ny herin’io fianarana io teo aminao sy ny fihetsikao eo anatrehan’i Jehovah? Arakaraka ny nahitanao ireo lafiny samihafa amin’ny toetra lehibe maha-izy ilay Raintsika any an-danitra hita taratra teo amin’ny Zanany, moa ve izany tsy nanamafy ny fanirianao mba tsy hanao izay tsy hampifaly an’Andriamanitra mihitsy? — Kolosiana 1:15.

19 Any amin’ireo fivoriantsika, dia dinihintsika koa ireo fitantarana momba ny nanafahan’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny lasa. (2 Samoela 7:23). Rehefa mianatra ny bokin’ny Apokalypsy (Fanambarana) ao amin’ny Baiboly isika, miaraka amin’ny fanampian’ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, dia mianatra momba ireo fahitana ara-paminaniana izay efa tanteraka tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ sy momba ireo fisehoan-javatra mahatahotra izay mbola ho avy. Mikasika ireo asan’Andriamanitra rehetra ireo, dia hoy ny Salamo 66:5: “Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.” Eny, rehefa heverina amin’ny fomba mety, ireny asan’Andriamanitra ireny dia manorina ao am-pontsika fahatahorana an’i Jehovah, fanajana ara-pivavahana lalina. Araka izany, dia azontsika atao ny mahatakatra ny fomba anatanterahan’i Jehovah Andriamanitra ilay fampanantenany hoe: “Ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.” — Jeremia 32:40.

20. Mba hahatonga ny fahatahorana an’Andriamanitra hiorim-paka lalina ao am-pontsika, dia inona no takina amintsika?

20 Miharihary anefa fa tsy tonga ao am-pontsika tsy misy ezaka avy amintsika ny fahatahorana an’Andriamanitra. Tsy mandeha ho azy ny vokany. Manao ny anjarany i Jehovah. Tsy maintsy manao ny antsika isika amin’ny fambolena fahatahorana an’Andriamanitra. (Deoteronomia 5:26). Tsy nanao izany ny Isiraely ara-nofo. Kanefa amin’ny fianteherana amin’i Jehovah, ireo Isiraelita ara-panahy sy ireo namany dia efa mahita sahady ireo soa maro izay azon’ireo matahotra an’Andriamanitra. Handinika ny sasany amin’ireo soa ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. 

Ahoana no Havalinao?

◻ Inona no atao hoe fahatahorana an’Andriamanitra?

◻ Ahoana no ampianarana antsika mba hahita fifaliana amin’ny fahatahorana an’i Jehovah?

◻ Mba hananana fahatahorana an’Andriamanitra, dia ezaka inona no takina amintsika?

◻ Nahoana no mahatafiditra ny lafiny rehetra amin’ny fontsika ara-panoharana ny fahazoana ny fahatahorana an’Andriamanitra?

[Sary, pejy 12, 13]

Takina ny fianarana amim-paharisihana mba hahatakarana ny hevitry ny fahatahorana an’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara