Ireo Soa Azo Amin’ny Fahatahorana Ilay Andriamanitra Marina
“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” — ISAIA 48:17.
1. Loza inona avy no ho azo nohalavirina tamin’ny alalan’ny fahatahorana an’Andriamanitra?
RAHA toa ka namboly fahatahorana an’Andriamanitra i Adama, dia ho afaka nisakana azy tsy hanao ilay fahotana izay nitarika ho amin’ny fahafatesany mandrakizay sy ho amin’ny fahoriana naharitra an’arivony taona maro ho an’ny taranany, izy io. Raha toa ka nanaraka ny torohevitr’i Jehovah mba hatahotra azy sy ho tia azy ny firenen’ny Isiraely fahiny, dia tsy ho nentina ho babo tany Babylona io firenena io, no sady tsy ho nanda tamim-panamavoana ny Zanak’Andriamanitra izy ireo ka tsy ho nanjary meloka tamin’ny nandatsahana ny rany. Raha toa ka natahotra an’Andriamanitra ny tontolo amin’izao andro izao, dia tsy ho nisy ny fandraisana kolikoly ao amin’ny fitondram-panjakana na ao amin’ny fandraharahana ahazoam-bola, tsy ho nisy ny heloka bevava, tsy ho nisy ny ady. — Ohabolana 3:7.
2. Na dia eo aza ny toe-piainana eo amin’ny tontolo manodidina antsika, nahoana isika no tokony hamboly fahatahorana an’i Jehovah?
2 Tsy maninona anefa izay ataon’ny tontolo manodidina antsika, fa isika, amin’ny maha-isam-batan’olona, amin’ny maha-fianakaviana, sy amin’ny maha-kongregasionan’ny mpanompon’i Jehovah dia afaka mandray soa avy amin’ny fambolena fahatahorana ilay Andriamanitra marina. Mifanaraka amin’izao teny fampahatsiahivana nomen’i Mosesy ny firenen’ny Isiraely izao izany: “Inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ny làlany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin’i Jehovah (...), mba hahita soa hianao?” (Deoteronomia 10:12, 13). Inona avy no sasany amin’ireo soa azontsika rehefa matahotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, isika?
Ny fahendrena — Sarobidy kokoa noho ny volamena
3. a) Inona no soa voalohany indrindra izay azontsika raisina? b) Inona no hevitry ny Salamo 111:10?
3 Ny soa voalohany indrindra dia ny tena fahendrena. Manambara toy izao ny Salamo 111:10: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. Inona no dikan’izany? Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa ny fahalalana amim-pahombiazana mba hamahana olana sy hampiviliana ny loza ary hahatratrarana tanjona sasany. Mahafaoka fahaiza-mitsara zavatra mafy orina izy io. Ny fiandohany, ny tapany voalohany, ny fanorenan’izany fahendrena izany, dia ny fahatahorana an’i Jehovah. Nahoana? Satria asa tanany ny zavaboary rehetra. Miankina aminy izy ireny. Nomeny safidy malalaka ny olombelona, fa tsy fahaizana mitarika ny dian’izy ireo manokana amim-pahombiazana tsy misy fitarihany. (Josoa 24:15; Jeremia 10:23, NW ). Raha tsy rehefa mahatakatra ireo zava-misy fototra momba ny fiainana ireo isika, ka miaina mifanaraka amin’izy ireo, vao afaka mahita fahombiazana maharitra. Raha manome antsika fiekena tsy azo hozongozonina ny fahalalantsika an’i Jehovah fa hahita fahombiazana tokoa ny sitrapon’Andriamanitra ary azo antoka ny fampanantenany sy ny fahaizany hamaly soa ny fahatokiana, amin’izay ny fahatahorana an’Andriamanitra dia hanosika antsika hanao zavatra amim-pahendrena. — Ohabolana 3:21-26; Hebreo 11:6.
4, 5. a) Nahoana ny fianaran’ny tovolahy iray tany amin’ny oniversite no nahatonga azy tsy hanana ny tena fahendrena? b) Ahoana no nahazoan’io lehilahy io sy ny vadiny ny tena fahendrena tatỳ aoriana, ary tamin’ny fomba ahoana no nanovan’izany ny fiainan’izy ireo?
4 Diniho itỳ ohatra iray itỳ. Am-polony taona vitsivitsy lasa izay, ny tovolahy iray dia nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Saskatchewan, any Kanada. Tafiditra tamin’ny taranja nianarana ny biolojia, ary nampianarina ny fivoarana miandalana izy. Taorian’ny nahazoany diplaoma, dia nifidy ny hifantoka manokana tamin’ny fizika ataomika izy, ary nahazo vatsim-pianarana mba hanohizany ny fianarany tany amin’ny Oniversiten’i Toronto. Arakaraka ny nianarany, dia hitany ny porofo mahatalanjon’ny filaminana sy ny famolavolan-kevitra tao amin’ireo rafitry ny ataoma. Kanefa, tsy nahazoana valiny ireto fanontaniana ireto: Iza no namolavola ireo zavatra rehetra ireo? Oviana? Ary nahoana? Raha tsy azony ny valin’ireo, moa ve izy nety ho afaka nampiasa ny fahalalany tamim-pahendrena teo amin’ny tontolo iray izay tao anatin’ny ady tamin’izay fotoana izay? Inona no hitari-dalana azy? Ny fanindrahindram-pirenena ve? Ny faniriana hahazo valisoa mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ve? Raha ny marina, nahazo ny tena fahendrena ve izy?
5 Tsy ela taorian’ny nahazoany diplaoma, dia nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io tovolahy io sy ny vadiny. Avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy, dia nanomboka nahazo ny valin’ireo fanontaniana izay tsy takany teo aloha izy ireo. Nanjary nahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona izy ireo. Rehefa nianatra momba an’i Mosesy tany amin’ny Ranomasina Mena sy momba an’i Daniela sy ireo namany tany Babylona izy ireo, dia takany ny maha-zava-dehibe ny hatahorana an’Andriamanitra fa tsy ny olona. (Eksodosy 14:10-31; Daniela 3:8-30). Nanomboka nanosika azy ireo hanao zavatra izany fahatahorana an’Andriamanitra nomban’ny fitiavana marina an’i Jehovah izany. Tsy ela dia niova ny lalana manontolon’ny fiainan’izy ireo. Fantatr’ilay tovolahy rehefa ela ny ela Ilay nianarany tamin’ny biolojia ny asa tanany. Nanomboka takany ny fikasan’Ilay hitany taratra tamin’ny fianarany fizika ny fahendreny. Tsy nampiasa ny fahalalany mba hanamboarana fitaovana izay handringanana ny olombelona tahaka azy izy, fa nirin’izy sy ny vadiny kosa ny hanampy ny hafa ho tia an’Andriamanitra sy ho tia ny mpiara-belona aminy. Nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro tamin’ny naha-mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izy ireo ary nirahina ho misionera.
6. Raha manana fahendrena miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah isika, fikatsahana tsy mahita lavitra inona avy no hohalavirintsika, ary inona kosa no hataontsika?
6 Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no afaka ny ho misionera. Kanefa, afaka mahazo ny fahendrena izay miorina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah isika rehetra. Raha mamboly izany fahendrena izany isika, dia tsy handray amim-pahadodonana ireo filozofian’olona izay fanombantombanana ny amin’ny hevitry ny fiainana fotsiny, raha ny marina. Hilofo amin’ny fianarana ny Baiboly, nomen’ny tsindrimandrin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’aina, ilay afaka manome antsika fiainana mandrakizay, isika. (Salamo 36:9; Kolosiana 2:8). Tsy ho tonga andevon’ny fandehan-javatra ara-barotra izay mangozohozo eo am-bavahoana isika, fa hanaraka kosa ny torohevitr’i Jehovah mba hianina amin’ny hanina sy ny fitafiana, raha mbola manao ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ho ny zavatra voalohany indrindra eo amin’ny fiainana. (1 Timoty 6:8-12). Tsy manao zavatra isika, toy ny hoe miankina amin’ny fahatongavana ho tsara toerana eto amin’itỳ tontolo itỳ ny hoavintsika. Hino ny Tenin’i Jehovah kosa isika rehefa milaza amintsika izy io fa mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. — 1 Jaona 2:17, NW.
7. a) Ahoana no anampian’ny Ohabolana 16:16 antsika mba hanana fiheverana voalanjalanja momba izay zavatra heverina fa sarobidy? b) Inona avy no valisoa azo avy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho ny votoatin’ny fiainantsika?
7 Mampahery antsika ny Ohabolana 16:16 amin’ny filazana ny marina toy izao: “Tsara ny mahazo fahendrena [ilay fahendrena izay manomboka amin’ny fahatahorana an’i Jehovah] noho ny volamena, ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.” Hanosika antsika hametraka ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ho ny votoatin’ny fiainantsika izany fahendrena sy fahalalana izany. Ary inona no asa nankinin’Andriamanitra tamin’ireo Vavolombelony amin’izao vanim-potoana eo amin’ny tantaran’olombelona izao? Ny fitoriana momba ilay Fanjakany sy ny fanampiana ireo olona tso-po mba ho tonga tena mpianatr’i Jesosy Kristy. (Matio 24:14; 28:19, 20). Izany no asa izay manome valisoa, dia ny fahafaham-po marina sy ny fahasambarana be dia be. Noho ny antony tsara àry no ilazan’ny Baiboly hoe: “Sambatra izay olona mahita fahendrena”. — Ohabolana 3:13.
Fiarovana amin’ny fanaovan-dratsy
8. a) Lazao ny soa faharoa izay azo avy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. b) Voaro amin’ny ratsy inona isika? d) Ahoana no ahatongavan’ny fahatahorana an’Andriamanitra ho hery manosika mahery?
8 Ny soa faharoa azo avy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra dia ny maha-voaro antsika amin’ny fanaovan-dratsy. Ireo izay manaja lalina an’Andriamanitra dia tsy manapa-kevitra ho an’ny tenany ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Tsy heverin’izy ireo ho ratsy izay lazain’Andriamanitra fa tsara, no sady tsy heverin’izy ireo ho tsara ireo zavatra izay lazain’Andriamanitra fa ratsy. (Salamo 37:1, 27; Isaia 5:20, 21). Ankoatra izany, ny olona iray atosiky ny fahatahorana an’Andriamanitra dia tsy mijanona amin’ny fahalalana fotsiny izay lazain’i Jehovah fa tsara sy izay lazainy fa ratsy. Tia izay tian’i Jehovah izany olona izany ary mankahala izay halan’i Jehovah. Vokatr’izany, dia manao zavatra mifanaraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra izy. Araka izany, araka ny voalaza ao amin’ny Ohabolana 16:6, dia “ny fahatahorana an’i Jehovah no analavirana ny ratsy”. Tonga hery manosika mahery mba hanatanterahana izay mety tsy ho vitan’ny olona iray amin’ny heriny manokana izany fahatahorana an’Andriamanitra izany.
9. Tamin’ny fomba ahoana ny faniriana mafy ny tsy hanao izay tsy hampifaly an’Andriamanitra no nanan-kery teo amin’ny fanapahan-kevitry ny vehivavy iray tany Meksika, ary nanao ahoana ny fiafarany?
9 Na dia vao manomboka fotsiny mitombo ao amin’ny olona iray aza ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia mety hanatanjaka azy mba hanalavirana ny fanaovana zavatra izay mety hanenenany amin’ny andro sisa hiainany, izy io. Ohatra, ny vehivavy bevohoka iray tany Meksika dia nanontany ny Vavolombelon’i Jehovah iray momba ny fanalana zaza. Namaky andininy vitsivitsy tamin’ilay ramatoa ilay Vavolombelona ary avy eo dia nanjohy hevitra toy izao: “Amin’ny Mpamorona, ny aina dia tena zava-dehibe, na dia ny ain’ireo izay mbola tsy teraka aza.” (Eksodosy 21:22, 23; Salamo 139:13-16). Nilaza ny tany amin’ny fisafoana fa mety ho sampona ny zanany. Kanefa izao ilay ramatoa dia voatosika hanao zavatra noho izay hitany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka nanapa-kevitra ny hiteraka ilay zanany. Tsy nety nihaona taminy intsony ny dokoterany, ary nandrahona ny handao azy ny vadiny, kanefa hentitra izy. Tamin’ny farany, dia niteraka vavikely iray — tsy sampona sy salama ary mahafatifaty — izy. Natosiky ny fankasitrahana izy ka nitady ny Vavolombelona, ary nanomboka nianatra ny Tenin’Andriamanitra niaraka taminy izy ireo. Tao anatin’ny herintaona, dia natao batisa izy sy ny vadiny. Tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia faly izy ireo nihaona indray tamin’ilay Vavolombelona tonga tao aminy voalohany ka nampahafantatra azy ilay zanak’izy ireo vavy efa-taona mahafatifaty. Azo antoka fa mampihatra fitaomana mahery eo amin’ny fiainan’ny olona iray ny fanajana mety an’Andriamanitra sy ny faniriana mafy ny tsy hanao izay tsy hampifaly azy.
10. Afaka manatanjaka ny olona hanafa-tena amin’ny endriky ny fanaovan-dratsy inona avy ny fahatahorana an’Andriamanitra?
10 Manatanjaka antsika hahatohitra fanaovan-dratsy maro samihafa ny fahatahorana an’Andriamanitra. (2 Korintiana 7:1). Rehefa ambolena amin’ny fomba mety izy io dia afaka manampy ny olona iray hamarana ireo fahotana miafina, izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy sy i Jehovah ihany. Afaka manampy azy hanafa-tena amin’ny fanandevozan’ny fanaranam-po amin’ny zava-pisotro misy alkaola na ny fidorohana zava-mahadomelina, izy io. Nanazava toy izao ny mpidoroka zava-mahadomelina taloha iray atsy Afrika Atsimo: “Arakaraka ny nandraisako fahalalana an’Andriamanitra, dia namboly tahotra sao hampalahelo azy na tsy hampifaly azy koa aho. Fantatro fa nitazana izy, ary nanana faniriana mafy ny hankasitrahana eo imasony aho. Nanosika ahy izany mba hanapotika ireo zava-mahadomelina nananako tamin’ny fanariana azy ireny tao an-kabine.” Nanampy olona an’arivony hafa koa tamin’ny fomba sahala amin’izany ny fahatahorana an’Andriamanitra. — Ohabolana 5:21; 15:3.
Fiarovana amin’ny tahotra olona
11. Afaka miaro antsika amin’ny fandrika mahazatra inona ny fahatahorana mahasoa an’i Jehovah?
11 Miaro antsika koa amin’ny tahotra olona ny fahatahorana mahasoa an’Andriamanitra. Ny ankamaroan’ny olona dia ampahorin’ny tahotra olona amin’ny ambaratonga lehibe kokoa na kely kokoa. Na dia ireo apostolin’i Jesosy Kristy aza dia nandao azy ka nandositra rehefa nosamborin’ireo miaramila tao amin’ny sahan’i Getsemane izy. Tatỳ aoriana, tao an-kianjan’ny mpisoronabe, i Petera, izay very hevitra sady raiki-tahotra, dia nanda fa tsy iray tamin’ny mpianatr’i Jesosy izy ary tsy nahafantatra azy mihitsy aza izy. (Marka 14:48-50, 66-72; Jaona 18:15-27). Kanefa, nampiana hahazo ny tsy fihilangilanany ara-panahy indray ireo apostoly. Etsy an-danin’izany, tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka, i Oria zanak’i Semaia dia raiki-tahotra aoka izany, hany ka nandao ny fanompoany tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah izy ary nandositra ilay tany, kanefa voasambotra sy novonoina ihany. — Jeremia 26:20-23.
12. a) Inona no fiarovana amin’ny tahotra olona tondroin’ny Ohabolana 29:25? b) Ahoana no itomboan’ny fatokiana an’Andriamanitra?
12 Inona no afaka manampy ny olona iray handresy ny tahotra olona? Rehefa avy mampitandrina ny Ohabolana 29:25 fa “mamandrika ny tahotra olona”, dia manampy teny toy izao: “Izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” Ny fatokiana an’i Jehovah no fanalahidiny. Miorina amin’ny fahalalana sy ny fanandraman-javatra izany fatokiana izany. Amin’ny fianarana ny Teniny, dia hitantsika ny porofon’ny maha-ara-drariny ireo lalan’i Jehovah. Manjary fantatsika tsara ireo fisehoan-javatra mampiseho ny maha-azo ianteherana azy, ny maha-azo antoka ireo fampanantenany (anisan’izany ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty), ny fitiavany sy ny heriny tsitoha. Avy eo, rehefa manao zavatra mifanaraka amin’izany fahalalana izany isika, amin’ny fanaovana ireo zavatra izay andidian’i Jehovah sy amin’ny fandavana mafy izay ampitandremany, dia manomboka mahatsapa mivantana ny fiahiany amim-pitiavana sy ny maha-azo ianteherana azy. Hitantsika eo amin’ny tenantsika ny porofo fa manjary miasa ny heriny mba hanatanterahana ny sitrapony. Mitombo ny fatokiantsika azy, ary mitombo miaraka amin’izany ny fitiavantsika azy sy ny faniriantsika amim-pahatsorana ny hanalavitra ny tsy fampifaliana azy. Miorina eo amin’ny fototra mafy izany fatokiana izany. Manjary manda fiarovana amin’ny tahotra olona izy io.
13. Ahoana no ahafahan’ny fahatahorana an’Andriamanitra manampy antsika any am-piasana sy ao an-trano ary any an-tsekoly?
13 Ny fatokiantsika an’i Jehovah, omban’ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia hahatonga antsika ho hentitra ho an’izay marina raha toa ka mandrahona antsika ny mpampiasa iray fa hamoy ny asantsika isika amin’ny fandavana tsy handray anjara amin’ireo fanao ara-barotra tsy marina. (Ampitahao amin’ny Mika 6:11, 12.) Mahatonga Kristiana an’arivony maro ho afaka ny haharitra amin’ny fanompoam-pivavahana marina eo anatrehan’ny fanoherana avy amin’ireo mpianakavy tsy mpino izany fahatahorana an’Andriamanitra izany. Manome herim-po an’ireo tanora mankany an-tsekoly koa izy io mba hampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah, ary manatanjaka azy ireo mba hiatrika ny fanesoana avy amin’ireo mpiara-mianatra izay manao tsinontsinona ireo fari-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Araka izany, dia hoy ny Vavolombelona tanora iray: “Tsy izay heverin’izy ireo no tena zava-dehibe. Izay heverin’i Jehovah no zava-dehibe.”
14. Ahoana no ahafahan’ny mpanompon’i Jehovah mivoaka ho mpandresy na dia rahonana aza ny ain’izy ireo?
14 Izany fiekena izany ihany no manatanjaka ireo Kristiana marina mba hifikitra mafy amin’ireo lalan’i Jehovah, na dia rehefa rahonana aza ny ain’izy ireo. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy manampo fanenjehana avy amin’izao tontolo izao izy ireo. Takatr’izy ireo fa nokapohina ireo apostoly ary ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy dia nokapohina sy novonoin’olona ratsy fanahy. (Marka 14:65; 15:15-39; Asan’ny Apostoly 5:40; ampitahao amin’ny Daniela 3:16-18.) Kanefa, manana fatokiana feno ireo mpanompon’i Jehovah fa afaka manatanjaka azy ireo mba hiaritra izy; fa afaka mivoaka ho mpandresy izy ireo noho ny fanampian’Andriamanitra; fa hamaly soa tokoa ireo izay mahatoky i Jehovah — raha ilaina dia amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty mihitsy aza ho amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaony. Ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra omban’ny fahatahorana an’Andriamanitra dia manosika azy ireo amin-kery hanalavitra ny fanaovan-javatra izay tsy hampifaly azy.
15. Inona no nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho afaka nihazona ny tsy fivadihany tany amin’ireo toby fitanana nazia?
15 Nahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho afaka hijoro tamin’ireo zavatra nampihorohoro tany amin’ireo toby fitanana nazia nandritra ireo taona 1930 sy 1940, izany antony manosika izany. Noraisin’izy ireo tao am-po itỳ torohevitr’i Jesosy hita ao amin’ny Lioka 12:4, 5 itỳ: “Lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny [Gehena, fanamarihana ambany pejy], rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.” Noho izany, i Gustav Auschner, Vavolombelona iray izay tany amin’ny toby fitanana tany Sachsenhausen, dia nanoratra toy izao tatỳ aoriana: ‘Nitifitra an’i August Dickmann ny SS ary nandrahona ny hitifitra ny sisa taminay raha tsy nanao sonia ny taratasy iray nilaza ny fandavanay ny finoanay izahay. Tsy nisy nanao sonia izahay. Natahoranay kokoa ny tsy hampifaly an’i Jehovah noho ireo balan’izy ireo.’ Mitarika ho amin’ny fanekena lembenana ny tahotra olona, fa mahatonga ny olona iray ho hentitra ho an’izay marina kosa ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Fitsimbinana ny aina
16. Inona no nahatonga an’i Noa ho afaka nitozo mandavantaona tamin’ny lalana marina hatramin’ny Safo-drano, ary nanao ahoana ny fiafaran-javatra ho azy sy ny ankohonany?
16 Niaina nandritra ny andro faran’ny tontolo talohan’ny Safo-drano i Noa. Tapa-kevitra ny handringana ny tontolo ratsy tamin’izay fotoana izay i Jehovah noho ny faharatsian’ny olona. Nandritra izay fotoana izay anefa, dia teo amin’izany tontolo izany, izay feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena lehibe ary tsy firaikana tamin’ny sitrapon’Andriamanitra, i Noa. Na dia teo aza ny fitorian’i Noa ny fahamarinana, dia “tsy [nanisy fiheverana izy ireo, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. (Matio 24:39). Tsy kivy tamin’ny asa izay napetrak’Andriamanitra teo anoloany anefa, i Noa. “Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.” (Genesisy 6:22). Inona no nanampy an’i Noa hitozo hatrany mandavantaona hatramin’ny Safo-drano mihitsy? Mamaly toy izao ny Hebreo 11:7 (NW ): “Noho ny finoana, i Noa, rehefa avy nomena ny fampitandreman’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hita, dia nampiseho fahatahorana an’Andriamanitra”. Vokatr’izany, dia notsimbinina tamin’ny Safo-drano izy sy ny vadiny ary ireo zanany lahy sy ny vadin’izy ireo.
17. a) Tsy maninona izay ataon’ny olon-kafa, fa inona no tokony hataontsika? b) Nahoana no vahoaka sambatra marina tokoa ireo izay matahotra an’i Jehovah?
17 Miaina ao amin’ny fe-potoana mitovy amin’ny lafiny maro amin’ny andron’i Noa isika. (Lioka 17:26, 27). Izao indray dia misy fampitandremana omena. Milaza ny amin’ny anjely iray manidina eo afovoan’ny lanitra izay mampirisika ny olona avy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny fiteny rehetra mba ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra azy’, ny Apokalypsy 14:6, 7. Tsy maninona izay ataon’ny tontolo manodidina antsika, fa araho ireo teny ireo, ary avy eo dia tolory ilay fanasana koa ny hafa. Tahaka an’i Noa, dia manaova zavatra amim-pinoana ary manehoa fahatahorana an’Andriamanitra. Afaka mitarika ho amin’ny fitsimbinana ny ainao sy ny ain’ny maro hafa ny fanaovanao izany. Raha mbola misaintsaina ireo soa azon’ireo izay matahotra an’ilay Andriamanitra marina isika, dia tsy afaka afa-tsy ny hiombon-kevitra amin’ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry izay nihira hoe: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra.” — Salamo 112:1.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo soa miavaka avy amin’ny fahatahorana ilay Andriamanitra marina?
◻ Ahoana no ahafahan’ny fahendrena izay miorina amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra miaro antsika?
◻ Nahoana no mampanalavitra antsika amin’ny ratsy ny fahatahorana an’Andriamanitra?
◻ Ahoana no iarovan’ny fahatahorana an’Andriamanitra antsika amin’ny tahotra olona?
◻ Inona no ifandraisan’ny fahatahorana an’Andriamanitra amin’ny fanantenantsika fiainana amin’ny hoavy?
[Sary, pejy 16, 17]
“Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra.” — Salamo 112:1