Ezaka Manokana Nahomby Niaraka Tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana
“NAHOANA ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao? — Mety Hisy ve ny Paradisa Iray Tsy Hisian’ny Zava-manahirana?” Io no lohatenin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34, taratasy mivalona misy pejy efatra izay nozaraina maneran-tany tamin’ny fiteny 139, nandritra ny volana Aprily sy May tamin’ny taona lasa. “Iray tamin’ireo zavatra nisongadina tamin’ilay taona”, no nilazalazan’ireo Vavolombelona tany Jamaika an’io fanompoana nanaovana ezaka manokana io. “Loharanom-pifaliana lehibe ho an’ireo rahalahy”, no niantsoan’ireo Vavolombelona tany Belzika azy io. Tany amin’ny République tchèque, dia sambany ny Vavolombelon’i Jehovah vao mba nanana fahafahana handray anjara tamin’ny fizarana Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray. Manao tatitra toy izao ny sampana: “Nitondra toe-tsaina feno zotom-po sy hafanam-po ilay ezaka manokana.” Re avy tany amin’ny tany maro hafa ny fihetseham-po mitovy amin’izany.
Nanana hafatra manokana ho an’ireo izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao amin’ny anaran’ny fivavahana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34. (Ezekiela 9:4). Izy io dia nanana fampiononana ho an’ireo izay mikorontam-piainana noho ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izay tsy azon’izy ireo fehezina. (2 Timoty 3:1, NW ). Raha nanintona ny saina ho amin’ny Baiboly ilay taratasy mivalona, dia nampiseho fa tena tsy ho ela dia ho voalamina ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. Zavatra azo antoka ny paradisa iray tsy hisian’ny zava-manahirana. (Lioka 23:43, NW ). Olona maro izay namaky ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana no resy lahatra tamin’ny hafatra noraketiny. Hoy ny lehilahy iray tany Togo tamin’ny Vavolombelona iray: “Tsy azo iadian-kevitra izay voalazanareo.”
Tsy azo lavina fa ny fizarana io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io dia nanintona ny saina tamin’ny fomba tsy nahazatra. Tany Danemarka, dia namaly toy izao an’ilay Vavolombelona izay nanolotra ilay taratasy mivalona, ny tompon-trano iray: “Vao tafaverina avy any Etazonia aho. Taloha kelin’ny nialako tany, dia nisy olona nanolotra ahy ny taratasy mivalonareo. Vao tonga eto aho izao, ary avy hatrany dia io taratasy mivalona io ihany no atolotra amin’ny fiteny danoa!”
Fanohanana tamin-kafanam-po an’ilay ezaka manokana
Nandray anjara tamin-kafanam-po tamin’ilay asa fizarana taratasy mivalona ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Ny sasany monja amin’ireo tany maro izay nanao tatitra momba ny tampon’isan’ny mpitory be indrindra nandritra ireo volana nizarana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana i Autriche sy i Salvador, i Haïti, i Hongrie, i Italia ary i Nouvelle-Calédonie.
Tany Zambia, dia nampiofana an’i Deborah, zanany vavy telo taona, mba hanolotra zavatra vita an-tsoratra isan-trano, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray. Nandritra ilay ezaka manokana niaraka tamin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34, dia nahapetraka maherin’ny 45 tamin’ilay taratasy mivalona i Deborah. Ny reniny dia nanomboka fampianarana ny Baiboly tamin’ny olona sasany izay nandray ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana avy tamin’i Deborah.
Tatsy Afrika Atsimo, dia nisy zatovo iray nanolotra ilay taratasy mivalona tamin’ny mpiara-mianatra taminy antsoina hoe Cashia. Namaky ilay taratasy mivalona i Cashia, ary nilaza hoe: “Mahatalanjona loatra tsotra izao izany — hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa! Nahoana aho no tsy mba nilazana ny amin’izy io teo aloha?” Natomboka ny fampianarana ny Baiboly. Tao anatin’ny herinandro dia naharay taratasy mivalona iray hafa i Cashia. Ilay faharoa dia avy tamin’ny Katolika mpifanoratra taratasy aminy, izay mipetraka any Chypre. Ilay mpifanoratra taratasy aminy dia nanazava tamin’i Cashia ny naha-diso ireo fampianaran’ny Eglizy Katolika, ary nilaza taminy fa nikasa ny hiara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Mazava ho azy, fa izany dia nanatanjaka be ny fahatapahan-kevitr’i Cashia hanohy ny fianarany.
Nandray anjara tamin’ny fizarana ilay taratasy mivalona niaraka tamin’ny reniny ny ankizilahy iray folo taona tany Soisa. Nanolotra iray ho an’ny ramatoa tanora iray izy ary nampirisika azy mba hamaky azy io amim-pitandremana. Nanontanian’ilay ramatoa tanora ilay ankizilahy raha tena ninoany izay nasehon’ilay sary teo amin’ny fonony — fiainana tsy hanam-pahataperana eto an-tany. Inona no valin-tenin’ilay ankizilahy? “Eny, tena azoko antoka.” Nambaran’ilay ramatoa tamin’izay fa teo am-pitadiavana ny tena finoana marina izy satria betsaka loatra ny fifanoheran-kevitra tao amin’ny fivavahana nisy azy. Tamin’ny fiverenana nitsidika, dia natomboka ny fampianarana ny Baiboly.
Fihetsika teo no ho eo
Indraindray ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana dia nahatonga fihetsika teo no ho eo teo amin’ireo izay namaky azy. Rehefa avy namaky ilay taratasy mivalona ny ankizivavy 11 taona tany Belzika, dia niaiky heloka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray fa nangalatra entana tany amin’ny mangazay izy. Tsy naniry ny hilazalazana ilay raharaha ny reniny, kanefa dia natosik’izay novakiny ny feon’ny fieritreretan’ilay ankizivavy kely ka nisisika ny handeha hizaha ny mpitantana an’ilay mangazay lehibe izy. Tamin’ny farany ilay renim-pianakaviana dia nanaiky hamela ny zanany vavy hiverina tany amin’ilay mangazay lehibe, niaraka tamin’ilay Vavolombelona. Gaga ilay mpitantana mangazay tamin’ny fieken-keloka nataony. Rehefa fantany fa ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana no nanosika an’ilay ankizivavy hanao izany, dia naka iray ho an’ny tenany izy mba hijerena hoe inona ao amin’izay raketin’izy io no nahery aoka izany. Izao io ankizivavy io dia mahazo fampianarana ny Baiboly mandroso.
Ny Vavolombelona iray tany Cameroun dia namela Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray tamin’ny lehilahy iray, ary nitantara toy izao: “Rehefa niverina izahay, dia hitanay fa efa notsipihiny ilay izy ary nanana fanontaniana maromaro izy. Rehefa avy nahazo valiny nahafa-po izy, dia nanambara hoe: ‘Marina tanteraka ny hoe nandray anjara tamin’ny tsy fahasambaran’ny olombelona ny fivavahana. Ny taratasy mivalonareo dia nanampy ahy hahazo hevi-javatra betsaka, kanefa dia maniry ny hahafantatra bebe kokoa aho.’ ” Izao izy dia mahazo fampianarana ny Baiboly tsy tapaka.
Ny Vavolombelona iray nitsidika isan-trano tany Uruguay dia nametraka taratasy mivalona iray tamin’ny rangahy iray. Nanohy ny asa fitoriany isan-trano ilay Vavolombelona, ary niasa nanodidina ilay fitambaran-trano mandra-pahatongany teo amin’ny varavarana tany ambadiky ny tranon’ilay rangahy. Gaga izy nahita ilay rangahy niandry azy, ilay taratasy mivalona teny an-tanany. Efa avy namaky azy io izy, ary naniry ny hahazo fanazavana bebe kokoa. Natomboka tsy nisy hataka andro ny fampianarana.
Manampy amin’ilay fizarana ny olona
Tany Japon, dia nisy Vavolombelona tanora iray nanatona rangahy iray teo amin’ny faha-50 taonany, ary dia nanolotra ho azy ilay taratasy mivalona. Nanontany toy izao ilay lehilahy: “Inona no ataonareo amin’itỳ bokikely itỳ rehefa mihaona amin’olona izay tsy afaka mahita ianareo?” Niaiky ilay Vavolombelona hoe tsy fantany. Nilaza taminy mba hiandry vetivety ilay rangahy, ary dia nandeha nankao an-tranony indray. Niverina izy nitondra Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray, ary nilaza hoe: “Efa naharay io bokikely io aho. Nihevitra aho fa nirakitra fanazavana tena mahaliana sy tena lehibe izy itỳ, koa nadikako tamin’ny soratra braille. Ampiasao ho an’ny olona jamba re izy itỳ, aza fady.” Nandany ora maro nandikana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana tamin’ny soratra braille ilay rangahy mba tsy ho diso anjara amin’izay raketiny ny jamba.
Tany Slovakia, dia tian’ny lehilahy iray aoka izany ilay taratasy mivalona hany ka nampanao photocopie 20 taminy izy, ary dia nozarain’ny tenany ireny kopia miloko mainty sy fotsy ireny. Ny mpitory iray tany Soisa dia namela Vaovao Momba Ilay Fanjakana tamin’ny fianakaviana iray ary dia nanohy ny asany tany ambony rihan’ilay trano nipetrahan’ilay fianakaviana. Rehefa nidina ny tohatra indray izy, dia notsenain’ny ankizilahy kely iray avy tao amin’ilay fianakaviana, izay nangataka 19 fanampiny tamin’ilay taratasy mivalona. Tany an-tsekolin’ilay ankizilahy, dia nangatahina ireo mpianatra mba hanoratra momba ireo zava-manahirana sy ny fitadiavana ala olana. Naniry hahazo Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray ho an’ny tsirairay avy amin’iray kilasy taminy izy.
Tsy nisy olona natao diso anjara
Ireo izay nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana dia niezaka mafy mba hahazoana antoka fa tsy nisy olona natao diso anjara. Tany Nouvelle-Calédonie dia nisy Vavolombelona roa nanao dia lavitra tany amin’ny faritany nisy foko lavitra iray mba hizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Teny an-dalana izy ireo dia nahamarika lalan-kely iray toa tsy nisy nampiasa, kanefa dia nanapa-kevitra ihany ny hizaha raha nisy olona nipetraka tany amin’ny faran’izy io. Namela ny fiarany izy ireo, nisahirana nanaraka ilay lalan-kely, nita nirobo-drano mandeha maro mandra-pahitan’izy ireo trano iray tamin’ny farany. Nisy mpivady izay mbola tsy nandre mihitsy ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah nipetraka tao, ary dia nandray Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray izy ireo. Tatỳ aoriana dia nanao fiverenana mitsidika ireo mpitory, ary akory ny hagagany nahita fa nanamboatra ilay lalana sy tetezana kely maromaro ilay mpivady, mba hahafahan’ireo Vavolombelona hamily ny fiarany hatrany amin’ilay trano. Natomboka ny fampianarana ny Baiboly tsy tapaka.
Tany Polonina, dia tsy maintsy nandeha an-tongotra nandalo toeram-panorenana iray ny Vavolombelona iray mba hanolorana Vaovao Momba Ilay Fanjakana iray tamin’ny tompon-trano iray. Nijery azy ireo mpiasa raha niverina nandalo ilay toeram-panorenana izy. Farany dia niantso azy ny iray tamin’ireo mpiasa, nangataka azy mba tsy hanadino azy ireo. Rehefa nanatona azy ireo izy, dia niato kely izy ireo ary dia nihaino tamim-pitandremana ny fomba fampiseho ilay taratasy mivalona. Nandray Vaovao Momba Ilay Fanjakana sy gazety koa izy ireo, ary boky tatỳ aoriana, tamin’ny fiverenana mitsidika iray.
Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34 an-jato tapitrisany maro no nozaraina tamin’ny fiteny maro. Efa nisy vokany mahery sahady ny hafatra noraketiny. Maro no nianatra fa mety hisy ny paradisa iray tsy hisian’ny zava-manahirana. Mivavaka izahay mba hanohy handray ireo olona mahitsy fo, ka amin’ny farany dia ho tonga anisan’ireo “mpandefitra” izay “handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:11.
[Efajoro, pejy 31]
Aza Mitsahatra Mizara Gazety!
Nahita ezaka manokana faran’izay nahomby ho fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34, ny volana Aprily sy May 1995. Nandritra ireo roa volana ireo, dia nisy koa fizarana niavaka an’ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Ny rahalahy iray any amin’ny République tchèque, ohatra, dia manao tatitra fa tamin’ny Aprily izy dia nahapetraka Vaovao Momba Ilay Fanjakana 250 sy gazety 750. Tany Guadeloupe, dia nofidina ho andro manokana fizarana gazety ny Asabotsy 15 Aprily. Saika ny mpitory rehetra tao amin’ilay tany no nandray anjara tamin’ny fanompoana tamin’io andro io! Nahazo tampon’isa vaovao teo amin’ny fizarana gazety i Slovakia tamin’ny Aprily. Misy tatitra mitovy amin’izany avy any amin’ny tany maro hafa.
Koa nahoana raha manao ny Aprily sy May 1996 ho volana miavaka ho amin’ny fizarana gazety? Afaka mandamina andro manokana fizarana gazety ireo kongregasiona. Afaka mandray anjara amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny isam-batan’olona. Amin’ireo fomba ireo sy amin’ny fomba hafa, no azo ampirisihana ny hizarana gazety, ary ho voaely hatrany ilay hafatra tena lehibe nambara tao amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34. Amin’izay, toy izay nitranga tamin’ny taona lasa, dia azo antoka fa hitahy ilay toe-tsaina feno zotom-po asehontsika i Jehovah. — 2 Timoty 4:22, NW.