“Miderà An’i Jah Ianareo, ry Olona!”
“Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah.” — SALAMO 150:6.
1, 2. a) Hatraiza ny firoboroboan’ny Kristianisma marina tamin’ny taonjato voalohany? b) Fampitandremana mialoha inona no efa nomen’ireo apostoly? d) Ahoana no nitomboan’ny fivadiham-pinoana?
NANDAMINA ny mpianany i Jesosy mba hahaforona ny kongregasiona kristiana, izay niroborobo tamin’ny taonjato voalohany. Na dia teo aza ny fanoherana mafy ara-pivavahana, ny ‘vaovao tsara dia notorina tamin’ny zavatra noforonina rehetra izay etỳ ambanin’ny lanitra’. (Kolosiana 1:23, NW ). Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy Kristy anefa, dia nikotrika tamim-pitaka fivadiham-pinoana, i Satana.
2 Efa nanome fampitandremana mialoha ny amin’izany ireo apostoly. Ohatra, niteny toy izao tamin’ireo loholona tany Efesosy i Paoly: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny [ran’ny Zanany, NW ]. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:28-30; jereo koa ny 2 Petera 2:1-3; 1 Jaona 2:18, 19.) Araka izany, tamin’ny taonjato fahefatra, dia nanomboka niara-niasa tamin’ny Empira Romana ny Kristianisma nivadi-pinoana. Taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanjary nanapaka teo amin’ny ampahany lehibe tamin’ny olombelona ny Empira Romana Masina, nifandray tamin’ny papan’i Roma. Tamin’ny farany, dia nikomy tamin’ireo zava-dratsy nihoa-pampana nataon’ny Eglizy Katolika ny Réforme Protestanta, nefa dia tsy nahavita namerina tamin’ny laoniny ny Kristianisma marina.
3. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny zavatra noforonina rehetra? b) Fanampoizan-javatra miorina amin’ny Baiboly inona avy no tanteraka tamin’ny 1914?
3 Na dia izany aza, rehefa nanatona ny faran’ny taonjato faha-19, dia nisy antoko-mpianatra ny Baiboly tso-po nisahirana indray nitory sy nanolotra ho an’ny ‘zavatra noforonina rehetra tetỳ ambanin’ny lanitra, ny fanantenana ny amin’ny vaovao tsara’. Niorina tamin’ny fianaran’izy ireo ny faminanian’ny Baiboly, io antokon’olona io dia nanondro, maherin’ny 30 taona mialoha, ny taona 1914 ho nanamarika ny “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, fe-potoana nisy “fetr’andro fito”, na 2 520 taona, izay nanomboka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. (Lioka 21:24, NW; Daniela 4:13). Nifanaraka tamin’ny nampoizina, dia voaporofo ho fotoana nisian’ny fiovana lehibe teo amin’ny raharahan’ny olombelona teto an-tany ny 1914. Nisy fisehoan-javatra ara-tantara nitranga koa tany an-danitra. Tamin’izay ilay Mpanjakan’ny mandrakizay no nametraka teo amin’ny seza fiandrianana tany an-danitra an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiara-manjaka aminy, ho fiomanana ho amin’ny fanafoanana ny faharatsiana rehetra amin’itỳ tany itỳ sy ho amin’ny fanorenana indray ny Paradisa. — Salamo 2:6, 8, 9; 110:1, 2, 5.
Tazano ilay Mpanjaka Mesianika!
4. Ahoana no niainan’i Jesosy nifanaraka tamin’ny hevitry ny anarany hoe Mikaela?
4 Tamin’ny 1914 dia nanomboka nanao zavatra io Mpanjaka Mesianika io, dia i Jesosy izany. Ao amin’ny Baiboly izy dia antsoina koa hoe Mikaela, izay midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”, satria tapa-kevitra ny hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah izy. Araka ny voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 12:7-12, dia nilazalaza toy izao izay hitranga, ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana iray: “Nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” Tena fahalavoana goavana tokoa!
5, 6. a) Fanambarana nampientam-po inona no natao avy tany an-danitra taorian’ny 1914? b) Ahoana no ifandraisan’ny Matio 24:3-13 amin’izany?
5 Nisy feo faran’izay mafy tany an-danitra avy eo nanambara hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina. Ary izy ireo [ireo Kristiana mahatoky] naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry [Kristy Jesosy] sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.” Midika ho fanafahana izany ho an’ireo mpihazona tsy fivadihana, izay naneho finoana ny sorom-panavotana sarobidin’i Jesosy. — Ohabolana 10:2; 2 Petera 2:9.
6 Manohy manambara toy izao ilay feo mahery tany an-danitra: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Ilay “loza” voalazan’ny faminaniana toy izany fa ho an’itỳ tany itỳ, dia niharihary tamin’ireo ady, mosary, areti-mandringana, sy horohoron-tany ary tsy fankatoavan-dalàna maneran-tany, izay nitondra loza ho an’ny tany tamin’itỳ taonjato itỳ. Araka ny tantarain’ny Matio 24:3-13 (NW ), dia nanambara mialoha i Jesosy, fa ho anisan’ny ‘famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra’ ireo. Mifanaraka amin’ny faminaniana, hatramin’ny 1914 dia nahita loza teto an-tany ny olombelona, dia loza izay mbola tsy nisy toa azy teo amin’ny tantaran’ny olombelona taloha rehetra.
7. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mitory amim-pahadodonana?
7 Afaka mahita fanantenana ho an’ny hoavy ve ny olombelona amin’izao fe-potoan’ny loza feno habibiana izao? Eny, satria hoy ny Matio 12:21 momba an’i Jesosy: “Ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa”! Ireo toe-piainana mampikorontana anaty eo amin’ireo firenena dia tsy vitan’ny hoe manamarika fotsiny ny ‘famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra’, fa manamarika koa ny ‘famantarana ny fanatrehan’i Jesosy’, amin’ny maha-Mpanjakan’ilay Fanjakana Mesianika any an-danitra azy. Momba io Fanjakana io, dia hoy ny teny fanampiny nataon’i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW ). Vahoaka tokana iza eto an-tany amin’izao andro izao no mitory ilay fanantenana lehibe momba ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ny Vavolombelon’i Jehovah! Amim-pahadodonana no anambaran’izy ireo ampahibemaso sy isan-trano fa madiva handray an-tanana ny raharahan’ny tany, ny Fanjakan’Andriamanitra hisian’ny fahamarinana sy fiadanana. Mandray anjara amin’io fanompoana io ve ianao? Tsy misy tombontsoa lehibe kokoa noho izany mety hanananao! — 2 Timoty 4:2, 5.
Ahoana no ahatongavan’ny “farany”?
8, 9. a) Ahoana no iantombohan’ny fitsarana “amin’ny ankohonan’Andriamanitra”? b) Ahoana no nandikan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny Tenin’Andriamanitra?
8 Miditra ao amin’ny fe-potoam-pitsarana ny taranak’olombelona. Ampahafantarina isika ao amin’ny 1 Petera 4:17 fa ny fitsarana dia niantomboka tamin’ny “ankohonan’Andriamanitra” — fitsarana an’ireo fikambanana milaza tena ho Kristiana izay niharihary hatramin’ny niandohan’ny “andro farany” tamin’ilay fandripahana tamin’ny Ady Lehibe Voalohany nandritra ny 1914-1918. Nanao ahoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’io fitsarana io? Diniho ny toerana notanan’ireo fiangonana teo amin’ny fanohanana ireo ady hatramin’ny 1914. Moa ve ny klerjy tsy voaloton’ny “ran’olona malahelo izay tsy manan-tsiny”, dia olona izay nanaovany toriteny tany am-bava ady? — Jeremia 2:34.
9 Araka ny Matio 26:52, dia nilaza toy izao i Jesosy: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” Toy inona moa ny fahamarinan’izany tamin’ireo adin’itỳ taonjato itỳ! Ny klerjy dia nandrisika mafy ireo zatovolahy mba handripaka zatovolahy hafa, na dia ireo mpiray finoana taminy aza — Katolika namono Katolika sy Protestanta namono Protestanta. Nasandratra ho ambonin’Andriamanitra sy i Kristy ny fanindrahindram-pirenena. Tsy ela izay, tany amin’ny firenena afrikana sasany, ny fatorana ara-poko dia napetraka ho alohan’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Tatsy Rwanda, izay Katolika ny ankamaroan’ny mponina ao, dia olona antsasa-tapitrisa fara fahakeliny no ripaka tamin’ny herisetra ara-poko. Niaiky toy izao ny papa tao amin’ny gazetin’ny Vatikana hoe L’Osservatore Romano: “Izy io dia fandripahana tanteraka foko iray manontolo, ka mampalahelo fa tompon’andraikitra na dia ireo Katolika aza.” — Ampitahao amin’ny Isaia 59:2, 3; Mika 4:3, 5.
10. Didim-pitsarana inona no hampiharin’i Jehovah amin’ny fivavahan-diso?
10 Ahoana no fiheveran’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay an’ireo fivavahana izay mampirisika ny olona hifandripaka, na tsy manao na inona na inona nefa ny mpikambana ao amin’ny andian’ondriny mamono mpikambana hafa? Momba an’i Babylona Lehibe, ny fandehan-javatry ny fivavahan-diso maneran-tany, dia izao no lazain’ny Apokalypsy 18:21, 24 amintsika: “Nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy. Ary teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.”
11. Zava-mahatsiravina inona avy no nitranga tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
11 Ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, dia nisy zava-nahatsiravina nitranga tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (Ampitahao amin’ny Jeremia 5:30, 31; 23:14.) Noho ny fihetsika milefitra loatran’ny klerjy indrindra indrindra, no mahatonga ny andian’ondriny ho vonton’ny fahalotoam-pitondran-tena. Any Etazonia, izay lazaina fa firenena kristiana, dia tokony ho ny antsasaky ny fanambadiana rehetra no miafara amin’ny fisaraham-panambadiana. Ny fananana anaka raha mbola zatovo sy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy dia mihoa-pampana eo amin’ireo mpiangona. Misy pretra mametaveta ankizy madinika — ary tsy mahalana izany. Voalaza fa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin’ireo raharaha ireo dia mety hahatonga ny Eglizy Katolika any Etazonia handoa vola arivo tapitrisa dolara ao anatin’ny folo taona. Ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia tsy niraharaha ny fampitandreman’ny apostoly Paoly hita ao amin’ny 1 Korintiana 6:9, 10 manao hoe: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.”
12. a) Ahoana no hamelezan’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay an’i Babylona Lehibe? b) Noho ny antony inona no hihiran’ny vahoakan’Andriamanitra famerimberenana ny hoe “Haleloia”, mifanohitra amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
12 Rehefa afaka fotoana fohy, dia hiasa amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, ilay Manamboninahitra ambony indrindra amin’ny tafiny any an-danitra i Jehovah, ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, ka handefa ny fahoriana lehibe. Voalohany, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ireo sampany hafa rehetra amin’i Babylona Lehibe no hizaka ny fampiharana ny didim-pitsaran’Jehovah. (Apokalypsy 17:16, 17). Niseho ho tsy mendrika ny famonjena izay nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy, izy ireo. Nanamavo ny anarana masin’Andriamanitra izy ireo. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 39:7.) Zava-mahatsikaiky toy inona moa ny fihiran’izy ireo misy famerimberenana ny hoe “Haleloia” ao amin’ireo tranom-pivavahany marevaka! Esoriny ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboliny ny anarana sarobidin’i Jehovah, nefa toa hadinony fa ny hoe “Haleloia” dia midika hoe “Miderà an’i Jah” — “Jah” dia fanafohezana ny hoe “Jehovah”. Tena mifanentana ny iraketan’ny Apokalypsy 19:1-6 famerimberenana ny hoe “Haleloia” izay hohiraina tsy ho ela, ho fankalazana ny fampiharan’Andriamanitra didim-pitsarana amin’i Babylona Lehibe.
13, 14. a) Fisehoan-javatra lehibe inona avy no hitranga manaraka izany? b) Inona ilay fiafarana sambatra ho an’ireo olona matahotra an’Andriamanitra?
13 Manaraka izany ny ‘fahatongavan’i’ Jesosy mba hanonona sy hampihatra didim-pitsarana eo amin’ireo firenena sy olona. Ny tenany mihitsy no naminany toy izao: “Ary raha tonga ny Zanak’olona [Kristy Jesosy] amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza [fitsarana] fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra [eto an-tany] hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. (Matio 25:31-34). Ny andininy faha-46 dia manohy mitantara fa ny kilasin’ny osy dia “hiala ho any amin’ny [fandringanana mandrakizay, NW ]; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.
14 Ny bokin’ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly dia milazalaza ny amin’ny “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, dia i Jesosy Kristy Tompontsika any an-danitra, izay hitaingin-tsoavaly amin’izany fotoana izany hanao ny ady ao Haramagedona, ka handringana ireo tapany ara-politika sy ara-barotry ny fandehan-javatr’i Satana. Amin’izany no handrarahan’i Kristy “ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha” eo amin’ny faritra eto an-tany manontolon’i Satana. Rehefa ‘lasa ireny zavatra taloha’ ireny, dia hampidirina ao amin’ny tontolo vaovao be voninahitra ireo olona matahotra an’Andriamanitra, ka ao dia ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony’. — Apokalypsy 19:11-16; 21:3-5.
Fotoana hiderana an’i Jah
15, 16. a) Nahoana no tena zava-dehibe ny anarahantsika ny teny ara-paminanian’i Jehovah? b) Inona no lazain’ireo mpaminany sy apostoly fa tsy maintsy ataontsika mba hovonjena, ary mety hidika ho inona izany amin’izao andro izao ho an’olona sesehena?
15 Efa antomotra io andro fampiharana didim-pitsarana io! Mahasoa antsika, noho izany, ny manaraka ny teny ara-paminanian’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay. Amin’ireo izay mbola voafatopatotra ao amin’ireo fampianarana sy fanaon’ny fivavahan-diso, dia manambara toy izao ny feo iray avy any an-danitra: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” Tsy maintsy mankaiza anefa ireo mpandositra? Tsy mety hisy afa-tsy fahamarinana tokana ihany, ka noho izany dia fivavahana marina tokana ihany. (Apokalypsy 18:4; Jaona 8:31, 32; 14:6; 17:3). Ny fahazoantsika fiainana mandrakizay dia miankina amin’ny fahitana io fivavahana io sy ny fankatoavantsika ny Andriamaniny. Mampitodika antsika any aminy ny Baiboly, ao amin’ny Salamo 83:18, izay amakiana hoe: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.”
16 Kanefa, mila manao zavatra bebe kokoa noho ny mahafantatra fotsiny ny anaran’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay isika. Mila mianatra ny Baiboly sy mianatra momba ireo toetrany sy fikasany lehibe isika. Avy eo isika dia mila manao ny sitrapony ho an’izao fotoana izao, araka ny aseho ao amin’ny Romana 10:9-13. Nanonona ny tenin’ireo mpaminany nahazo tsindrimandry ny apostoly Paoly, ka namarana ny teniny toy izao: “Izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena”. (Joela 3:5; Zefania 3:9). Hovonjena hoe? Eny, satria olona sesehena amin’izao andro izao, izay maneho finoana ny fandaharam-panavotana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy, no hafahana amin’ny fahoriana lehibe ho avy, rehefa hampiharana didim-pitsarana ny tontolo simba ara-pitondran-tenan’i Satana. — Apokalypsy 7:9, 10, 14.
17. Fanantenana lehibe inona no tokony hanosika antsika handray anjara dieny izao amin’ny fihirana ilay fihiran’i Mosesy sy ny an’ny Zanak’ondry?
17 Inona no sitrapon’Andriamanitra ho an’ireo izay manantena ny ho tafita velona? Ny handraisantsika anjara dieny izao amin’ny fihirana ilay fihiran’i Mosesy sy ny an’ny Zanak’ondry, amin’ny fiderana ilay Mpanjakan’ny mandrakizay eo am-piandrasana ny fandreseny. Manao izany isika amin’ny filazana amin’ny hafa ireo fikasany be voninahitra. Rehefa mandroso eo amin’ny fahatakarana ny Baiboly isika, dia manolotra ny fiainantsika ho an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay. Izany dia hitarika ho amin’ny fahavelomantsika mandrakizay doria eo ambanin’ilay fandaharana izay lazalazain’io Mpanjaka mahery io, araka ny hita ao amin’ny Isaia 65:17, 18 manao hoe: “Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao [Fanjakana Mesianikan’i Jesosy] sy tany vaovao [fitambaran’olo-marina vaovao], ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”.
18, 19. a) Tokony hanosika antsika hanao inona ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo faha-145? b) Inona no azontsika ampoizina amim-patokiana avy amin’ny tanan’i Jehovah?
18 Nilazalaza an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay tamin’ireto teny ireto, ny mpanao salamo: “Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.” (Salamo 145:3). Ny fahalehibiazany dia tsy takatry ny saina toy ny fetran’ny habakabaka sy ny mandrakizay! (Romana 11:33). Eo am-panohizantsika mandray fahalalana momba ny Mpamorona antsika sy ny fandaharam-panavotany tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, Zanany, dia haniry hidera an’ilay Mpanjakantsika mandrakizay bebe kokoa hatrany isika. Haniry hanao izay soritan’ny Salamo 145:11-13 toy izao isika: “Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao, mba hampahafantarina ny zanak’olombelona ny herinao sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary hihatra amin’ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.”
19 Afaka manantena amim-patokiana isika fa hotanterahin’Andriamanitsika ilay fanambarana hoe: “Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” Hitarika antsika amim-panehoam-pitiavana hamakivaky ny faran’izao andro farany izao ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, satria nanome toky antsika toy izao i Davida: “Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.” — Salamo 145:16, 20.
20. Ahoana no anoinanao ny fanasan’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay, araka ny voalaza ao amin’ireo salamo dimy farany?
20 Ny tsirairay amin’ireo salamo dimy farany ao amin’ny Baiboly dia manomboka sy mifarana amin’ny fanasana hoe “Haleloia”. Araka izany, dia manasa antsika toy izao ny Salamo faha-146: “[Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!, NW ] Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko. Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa.” Hanoina izany antso izany ve ianao? Tena tokony haniry hidera azy ianao! Enga anie ianao ka ho anisan’ireo izay voalazalaza toy izao ao amin’ny Salamo 148:12, 13: “Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.” Enga anie isika ka hanoina amin’ny fo manontolo ilay fanasana hoe: “Miderà an’i Jah ianareo, ry olona!” Aoka isika hiray feo hidera an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay!
Ahoana no Fanazavanao?
◻ Nampitandrina mialoha ny amin’inona ireo apostolin’i Jesosy?
◻ Fanaovan-javatra manapa-javatra inona avy no nitranga nanomboka tamin’ny 1914
◻ Didim-pitsarana inona avy no madiva hampiharin’i Jehovah?
◻ Nahoana no izao no fotoana lehibe indrindra mba hiderana ilay Mpanjakan’ny mandrakizay?
[Efajoro, pejy 19]
Izao Fe-potoana Mandoza Feno Korontana Izao
Eken’ny maro fa nisy fe-potoana feno korontana nanomboka niseho aloha be tamin’ny taonjato faha-20. Ohatra, ao amin’ny sasin-tenin’ny boky hoe Pandaemonium, nataon’i Daniel Patrick Moynihan, senatera amerikana, navoaka tamin’ny 1993, dia vakina toy izao ny fanazavana momba ny “loza tamin’ny 1914”: “Tonga ny ady ary dia niova izao tontolo izao — niova tanteraka. Tsy misy afa-tsy firenena valo eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao, izay sady efa nisy tamin’ny 1914, no mbola tsy novan’ny herisetra ny endriky ny fitondram-panjakany hatramin’izay. (...) Amin’ireo firenena 170 eo ho eo tavela, ny sasany dia niforona vao haingana loatra ka tsy nahita korontana betsaka vao haingana.” Tena marina tokoa fa nahita loza nisesy ny fe-potoana nanomboka tamin’ny 1914!
Navoaka tamin’ny 1993 koa ny boky Out of Control — Global Turmoil on the Eve of the Twenty-First Century (Tsy Voafehy Intsony — Korontana Maneran-tany eo An-tokonan’ny Taonjato Faharaika Amby Roapolo). Ny mpanoratra dia i Zbigniew Brzezinski, filohan’ny Filan-kevi-pilaminam-pirenena Amerikana teo aloha. Hoy ny nosoratany: “Tao amin’ny teny nataon’olona maro, ny fiandohan’ny taonjato faharoapolo dia narahabaina ho ny tena fiantombohan’ny Andron’ny Fahaiza-misaina. (...) Nifanohitra tamin’ny fampanantenana natolotry ny taonjato faharoapolo, fa izy io dia nanjary ny taonjato feno fandatsahan-dra sy fankahalana be indrindra ho an’ny olombelona, ny taonjaton’ny politika nandiso fanantenana sy ny an’ny vonoana olona mampihoron-koditra. Ny halozana dia naorina ho fanao amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany, ary ny fahafahana mamono olona dia nalamina mba hovokarina be dia be. Ny fifanoheran-javatra eo amin’ny fahaizana ara-tsiansa hanao soa sy ny faharatsiana eo amin’ny politika izay tena toy ny soavaly tapa-kofehy dia manafintohina. Mbola tsy nisy mihitsy taloha teo amin’ny tantara, vonoana olona nihanaka maneran-tany toy izao, mbola tsy naka ain’olona maro be toy izao mihitsy izy io taloha, mbola tsy nokatsahina tamin’ny fampifantohana ezaka mitohy toy izao mihitsy taloha ny fanafoanana olombelona mba hanatratrarana tanjona tsy eken’ny saina sy mampiseho fieboeboana aoka izany.” Toy inona moa ny fahamarinan’izany!
[Sary, pejy 17]
Nanjera an’i Satana sy ny andiany tetỳ ambonin’ny tany i Mikaela taorian’ny fiorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914