Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Marina ny Didinao Rehetra”
FOTOANA fohy talohan’ny nahafatesany i Mosesy dia nampirisika mafy ny vahoakan’ny Isiraely mba hankatoavany ny didin’i Jehovah rehetra. Hoy izy: “Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo”. — Deoteronomia 32:46, 47.
An-jatony taona maro tatỳ aoriana, dia nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fampianaran’Andriamanitra rehetra ny mpanao salamo rehefa nilaza toy izao: “Akaiky Hianao, Jehovah ô; ary marina ny didinao rehetra.” (Salamo 119:151). Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanisy firesahana ny amin’ny hasarobidin’ny “teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”, ny tenan’i Jesosy. (Matio 4:4). Ary teo ambanin’ny fitarihan’Andriamanitra dia nanoratra ny apostoly Paoly fa “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa”. — 2 Timoty 3:16.
Miharihary fa antenain’i Jehovah Andriamanitra amin’ireo mpivavaka aminy ny hiheveran’izy ireo ho zava-dehibe ny hafatra manontolo ampitaina amintsika ao amin’ny Teniny. Tsy misy na dia andalan-teny iray aza ao amin’ny Baiboly izay tsy sarobidy. Izany no tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny Tenin’Andriamanitra, araka ny asehon’itỳ fanandraman-javatra manaraka avy tany Maurice itỳ.
Atoa D —— dia nipetraka tany amin’ny vohitra mitokana iray, ary mpiambina amin’ny alina izy tao. Efa hatramin’ny fotoana ela no nitadiavany tamim-pahatsorana ny fomba tsara hanolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra. Nandritra ny anjara fiambenany amin’ny alina, dia nanomboka namaky ny Baiboly izy. Tamin’ny farany, dia nahavaky azy io manontolo izy. Nianarany fa ny anaran’Andriamanitra dia Jehovah — anarana izay miseho imbetsaka ao amin’ny Baiboliny amin’ny fiteny hindi. Hitany ho nahavariana indrindra ny bokin’ny Apokalypsy.
Nanontany tena àry izy raha nisy fivavahana nanaraka ny Baiboly amin’ny fitambarany. Nomarihiny fa ireo fivavahana fantany manokana dia zara raha nanaraka ampahany fotsiny amin’ny Baiboly. Nanaiky ny Soratra Hebreo ny fivavahana sasany fa nanda ny Soratra Grika Kristiana. Tsy niraharaha ny Soratra Hebreo ny fivavahana hafa, ka nilaza ny Soratra Grika Kristiana ho ny hany misy vidiny azo ampiharina.
Indray andro Atoa D —— dia nahita olona mpivady kotsan’ny orana ka nanasa azy ireo hialoka tao an-tranony. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nitazona ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! ilay vehivavy.a Avy hatrany Atoa D —— dia nangataka ilay boky tamin’izy ireo. Nihevitra ireo Vavolombelona fa sarotra loatra ho azy ka tsy ho takany ilay boky momba ny faminanian’ny Apokalypsy, koa boky hafa no natolony azy. Nanizingizina ny hahazo ny boky Fanambarana anefa Atoa D ——.
Rehefa nahazo ny bokiny izy dia nahavaky azy io haingana. Nanaiky àry izy hiara-mianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela izy dia voatohina tamin’ny hoe nihevitra ny Baiboly manontolo ho zava-dehibe ny Vavolombelona. Nanomboka nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ka tany dia samy nianarana tamim-pitandremana ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristiana. Ankehitriny izy dia mpitory ilay Fanjakana ary mpikambana vita batisa ao amin’ny kongregasiona kristiana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.