FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/6 p. 4-7
  • Rehefa Tsy Hisy Intsony ny Fitsarana An-tendrony!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rehefa Tsy Hisy Intsony ny Fitsarana An-tendrony!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra
  • Ny herin’ny Baiboly
  • Fandrodanana ireo fefin’ny fitsarana an-tendrony
  • Ahoana no hiatrehana amim-pahombiazana?
  • ‘Tsy handratra izy’
  • Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Olana Eran-tany ny Fanavakavahana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Iharan’ny Fitsarana An-tendrony ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Nahoana no Misy ny Fanavakavahana?
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/6 p. 4-7

Rehefa Tsy Hisy Intsony ny Fitsarana An-tendrony!

ARAKA ny tatitra natao, dia nilaza ilay mpahay siansa atao hoe Albert Einstein indray mandeha fa eo amin’itỳ tontolo mampalahelo itỳ, dia sarotra kokoa ny mandresy ny fitsarana an-tendrony noho ny mampitresaka ataoma iray. Tahaka izany koa, i Edward R. Murrow, mpanao gazety iray izay nanjary nalaza nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sady tonga talen’ny U.S. Information Agency tatỳ aoriana, dia nilaza fa “tsy misy mihitsy afaka manafoana ny fitsarana an-tendrony — ekeny fotsiny ny fisian’izy ireny.”

Toa marina ve ireo filazana ireo? Tsy azo atao ve ny manafoana ny fanavakavaham-bolon-koditra? Manao ahoana ny fihevitr’Andriamanitra momba ny fitsarana an-tendrony?

Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra

Manameloka ny fizahan-tavan’olona ny Baiboly. (Ohabolana 24:23; 28:21). Milaza izy io fa “ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy [miangatra, fanamarihana ambany pejy] na mihatsaravelatsihy”. (Jakoba 3:17). Nohamafisina tamin’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely fahiny ny fahendrena toy izany. “Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana”, hoy ny toromarika nomena azy ireo. “Aza miandany foana amin’ny malahelo, na menamaso ny lehibe”. — Levitikosy 19:15.

Nohantitranterin’i Jesosy Kristy sy ry Petera sy Paoly apostoliny ny toerana mafy tanan’ny Baiboly manohitra ny fizahan-tavan’olona sy ny fitsarana an-tendrony. I Jesosy dia tsy niangatra tamin’ireo izay “nampahantraina (...) ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36). Izao no nampianariny: “Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.” — Jaona 7:24.

Mbola manome toky antsika i Petera sy i Paoly fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah Andriamanitra. Nilaza toy izao i Petera: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Milaza amintsika ny apostoly Paoly hoe: “Tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” — Romana 2:11.

Ny herin’ny Baiboly

Manana hery hanova ny toetran’ireo izay tarihiny ny Baiboly. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. Omban’ny fanampian’i Jehovah dia afaka manova ny fomba fisainany mihitsy ka hanjary tsy hiangatra amin’ny fifampiraharahany amin’ny hafa, ny olona iray mitsara an-tendrony.

Raiso, ohatra, izay nitranga tamin’i Saoly avy any Tarsosy. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, dia nisy fotoana nanoherany tamin-kerisetra ny kongregasiona kristiana noho izy nanaraka lovantsofina ara-pivavahana henjana. (Asan’ny Apostoly 8:1-3). Nampiaiky azy tanteraka ny lovantsofina jiosy fa mpivadi-pinoana sy fahavalon’ny fanompoam-pivavahana marina ny Kristiana rehetra. Ny fitsarana an-tendrony nananany dia nitarika azy hanohana ny famonoana ireo Kristiana. Milaza ny Baiboly fa “nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo” izy. (Asan’ny Apostoly 9:1). Teo am-panaovany izany, dia nihevitra izy fa nanatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny Jaona 16:2.

Kanefa, afaka nanary ny fitsarana an-tendrony tafahoatra nananany i Saoly avy any Tarsosy. Tonga Kristiana mihitsy aza ny tenany! Tatỳ aoriana, tamin’ny naha-Paoly, apostolin’i Jesosy Kristy azy, dia nanoratra toy izao izy: “Izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindrampo aho, satria tamin’ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.” — 1 Timoty 1:13.

Tsy i Paoly irery ihany no olona nanao fiovana sarotra toy izany teo amin’ny fomba fisainany. Tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, evanjelisitra tahaka azy, dia nananatra ireo Kristiana i Paoly “tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra. Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filana sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala”. — Titosy 3:2, 3.

Fandrodanana ireo fefin’ny fitsarana an-tendrony

Amin’izao andro izao, dia miezaka mafy manaraka io torohevitra io ireo Kristiana marina. Maniry hanalavitra ny fitsarana olona mifototra amin’ny fisehoana ivelany izy ireo. Io fihetsika io dia misakana azy ireo “tsy hiteny ratsy” ny hafa. Manana firahalahiana iraisam-pirenena izay miampita ireo fefy rehetra ara-pirenena sy ara-poko ary ara-pirazanana eo amin’itỳ tontolo itỳ izy ireo.

Diniho ny zavatra niainan’i Henrique, Breziliana iray mainty hoditra. Niharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra ny tenany, ka nampitombo fankahalana latsa-paka ho an’ny olona fotsy hoditra. Manazava toy izao izy: “Tonga tao an-tranoko ny Vavolombelona roa fotsy hoditra mba hiresaka momba ny anaran’Andriamanitra. Tsy naniry hihaino aho tamin’ny voalohany satria tsy nitoky tamin’ny olona fotsy hoditra. Tsy ela anefa dia afaka nahita aho fa toa ny fahamarinana ny hafatra nentin’izy ireo. Nanaiky hianatra Baiboly aho. Ny fanontaniana voalohany napetrako dia ny hoe: ‘Misy olona mainty hoditra maro ve ao am-piangonanareo?’ Namaly izy ireo hoe: ‘Eny’. Nasehony ahy avy eo ilay sary farany ao amin’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly,a mampiseho tanora samy hafa firazanana. Anisan’izany ny ankizilahy mainty hoditra iray, ka nampirisika ahy izany. Tatỳ aoriana, dia nitsidika ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ka tao dia nahita olona samy hafa firazanana nifampitondra tamim-panajana. Tena zava-dehibe tamiko izany.”

Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah azy ankehitriny, dia finaritra i Henrique tonga anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristiana marina. Takany fa tsy olombelona na iza na iza no tokony homem-boninahitra noho izany. Hoy izy: “Velom-pisaorana an’i Jehovah sy i Jesosy aho ankehitriny noho ny zava-drehetra nataony ho ahy. Miara-miasa amin’ny mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany maro tsy mivadika avy amin’ny firazanana sy volon-koditra ary fiaviana rehetra aho, tafaray noho ny zava-kendrena tokana.”

Raha nihalehibe i Dario, dia niharan’ny fitsarana an-tendrony koa. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy rehefa 16 taona. Izao no nomarihiny: “Teo amin’ireo Vavolombelona dia hitako fa tsy nisy ny hoe fahatsapana ho ambony firazanana.” Voatohina tamin’ny rivo-piainana nisy fitiavana marina izy. Nomarihiny indrindra fa nanompo tamin’ny toerana misy andraikitra ny olona samy hafa firazanana tao amin’ny faritry ny kongregasiona. Na oviana na oviana izy no iharan’ny karazana fitsarana an-tendrony na fanavakavahana ataon’ny olona any ivelan’ny kongregasiona, dia mitadidy i Dario fa tia ny olona amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra i Jehovah.

Ahoana no hiatrehana amim-pahombiazana?

Tiantsika rehetra ny hoentina amim-pahamendrehana sy amim-panajana. Izany no antony maha-fisedrana sarotra iaretana ny hoe iharan’ny fitsarana an-tendrony. Tsy miaro antsika mba tsy hiharan’ny vokatra rehetra amin’ny fihetsika mampiseho fitsarana an-tendron’itỳ tontolo ratsy itỳ, ny kongregasiona kristiana. Raha mbola mifehy ny raharahan’izao tontolo izao i Satana Devoly dia hisy ny tsy rariny. (1 Jaona 5:19). Mampiomana antsika toy izao ny Apokalypsy 12:12: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Tsy ny hahatonga fahasorisorena fotsiny no fikasany. Oharina amin’ny biby iray mpiremby izy. Milaza amintsika toy izao ny apostoly Petera: “Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany”. — 1 Petera 5:8.

Milaza amintsika toy izao koa ny Baiboly: “Maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” (Jakoba 4:7). Ny fanampiana tsara dia tsara iray mba hiatrehana amim-pahombiazana ny fitsarana an-tendrony dia ny fitodihana amin’Andriamanitra mba hahazo fiarovana, toy ny nataon’i Davida Mpanjaka toy izao: “Andriamanitro ô, afaho amin’ny tànan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tànan’ny mpanao meloka sy ny lozabe.” (Salamo 71:4). Azontsika atao mihitsy aza ny mivavaka toy ilay mpanao salamo nanao hoe: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.” — Salamo 56:1.

Ahoana no hamalian’Andriamanitra ny vavaka toy izany? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.” (Salamo 72:12, 13). Tsara toy inona moa ny mahalala fa amin’ny fotoana mety dia hitondra fanamaivanana ho an’ireo rehetra iharan’ny tsy rariny i Jehovah!

‘Tsy handratra izy’

Mety hanohy hiady amin’ny fitsarana an-tendrony amin’ny alalan’ireo lalàna sy ireo tetik’asa ataony ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao. Mety hanohy hampanantena fitoviana sy rariny izy ireo. Tsy afaka ny hahomby anefa izy ireo. (Salamo 146:3). Tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany no afaka sy hanafoana ny fitondrana amim-pitsarana an-tendrony rehetra. Hanova ny olombelona ho fianakaviana tafaray iray izy. “Olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” no ho tafita velona amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ka ho finaritra amin’ny fiainam-piadanana. — Apokalypsy 7:9, 10.

Hikosoka ny ratra rehetra nentin’ny fitsarana an-tendrony ara-pirazanana sy ara-tsosialy i Jehovah. Alao sary an-tsaina ange e, tsy hisy olona hoentina tsy ara-drariny intsony! “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Mika 4:4). Ary hoy ny Isaia 11:9 hoe: ‘Tsy handratra izy’.

Raha iharan’ny fitsarana an-tendrony ianao ankehitriny dia hanatanjaka ny fifandraisanao amin’i Jehovah io fanantenana kanto ny amin’ny hoavy io. Hanampy anao hiaritra ny tsy rariny eo amin’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izy io. Eo am-piatrehanao amim-pahombiazana ny fitsarana an-tendrony ka ijerenao eo anoloana, dia araho ny torohevitra mampiseho fahendrena ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah.” — Salamo 31:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

U.S. National Archives photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara