Iharan’ny Fitsarana An-tendrony ve Ianao?
INONA no iombonan’ny herisetra ara-pirazanana sy ny fanavakavaham-bolon-koditra ary ny fandripahana olona? Izy rehetra ireo dia vokatry ny fironana miely eo amin’ny olombelona — ny fitsarana an-tendrony!
Inona no atao hoe fitsarana an-tendrony? Mamaritra azy io ho “hevitra ananana kanefa tsy nakana fotoana na nananana fiahiana mba hotsaraina ara-drariny”, ny encyclopédie iray. Amin’ny maha-olombelona tsy lavorary antsika, dia manana fironana hitsara an-tendrony isika amin’ny fetra sasany. Angamba ianao afaka mieritreritra ny amin’ny tarehin-javatra izay nanaovanao fitsarana kanefa tsy fantatrao ny zava-niseho rehetra. Mampifanohitra ny fironana hitsara an-tendrony toy izany amin’ny fomba fitsaran’i Jehovah Andriamanitra ny Baiboly. Milaza toy izao izy io: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” — 1 Samoela 16:7.
Mahatonga fahavoazana ny fitsarana an-tendrony
Tsy isalasalana fa samy efa notsaraina tamin’ny fomba diso ny rehetra tamin’ny fotoana iray na hafa. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:21, 22.) Amin’ny ankapobeny, dia iharan’ny fitsarana an-tendrony isika rehetra. Kanefa, rehefa ariana haingana ireo hevitra mampiseho fitsarana an-tendrony dia azo inoana fa tsy hahatonga fahavoazana firy na tsy hahatonga fahavoazana. Ny fanolokoloana hevitra toy izany no miteraka voka-dratsy. Afaka mamitaka antsika hino lainga izany. Ohatra, eo ambany herin’ny fitsarana an-tendrony, dia misy tena mino marina fa tenda an-kanina, kamo, donto saina na miavonavona ny olona iray satria fotsiny anisan’ny antokom-pivavahana na antokom-pirazanana na antokom-pirenena iray.
Amin’ny toe-javatra maro, ny fitsarana amin’ny fomba ratsy toy izany dia mitarika ho amin’ny fitondrana tsy ara-drariny na amin’ny fomba ratsy na an-kerisetra ny hafa mihitsy aza. Olona an-tapitrisany maro no namoy ny ainy tamin’ny famonoana olona tsy manan-tsiny, fandripahana olona sy famonoana olona hafa firazanana, ary tamin’ny endrika hafa amin’ny fitsarana an-tendrony tafahoatra.
Maneran-tany, dia niady tamin’ny fitsarana an-tendrony ireo fitondram-panjakana tamin’ny fiantohana araka ny lalàna ny zo tsy azo dikaina ho amin’ny fahalalahana sy ny filaminana ary ny fitoviana. Raha mamaky ny lalàm-panorenana na fehezan-dalàna lehibe indrindra ao amin’ny taninao ianao, dia tsy isalasalana fa hahita ao tapany na fanitsiana natao hiarovana ny zon’ny olom-pirenena rehetra, na inona na inona firazanany, na lahy na vavy, na inona na inona fivavahany. Kanefa, maneran-tany dia miely patrana ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavahana.
Iharan’ny fitsarana an-tendrony ve ianao? Efa noharatsina ho tenda an-kanina, kamo, donto saina na miavonavona ve ianao noho ny firazananao, ny taonanao, noho ianao lahy na vavy, noho ny firenenao na ny zavatra ara-pivavahana inoanao? Nolavina ve ny fahafahanao hahazo fampianarana, asa, trano fonenana sy sampan’asa sosialy sahaza noho ny fitsarana an-tendrony? Raha izany no izy, ahoana no ahafahanao miatrika izany amim-pahombiazana?
[Sary, pejy 3]
Mampirisika ny fankahalana ara-pirazanana ny fanolokoloana fitsarana an-tendrony
[Sary nahazoan-dalana]
Nina Berman/Sipa Press