Mino ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ve Ianao?
“TADIDINAO ve ilay zazavavy mpifanila trano tamintsika izay naha-raiki-pitia anao fony ianao nihalehibe teto India?”, hoy ny nosoratan’i Mukundbhai tamin’ny zanany lahy, izay mpianatra tany amin’ny oniversite iray tany Etazonia. “Hanambady ato anatin’ny herinandro vitsivitsy izy. Noheveriko fa tokony ho fantatrao ilay izy.”
Nahoana ilay ray no nizara io vaovao io tamin’ny zanany lahy? Rehefa heverina tokoa, i Mukundbhai dia efa namarana an’io fitiavan-jatovo io tamin’ny teny tsy nampisalasala, taona maro lasa izay. Ankoatra izany, ilay zanakalahy dia tany Etazonia mba hanohy fianarana ambony nandritra ny enin-taona. Tsy nifandray tamin’ilay zazavavy izy nandritra izany fotoana izany, ary fantatr’i Mukundbhai izany.
Koa nahoana àry no nisy fiahiana? Nampiseho izany fiahiana izany i Mukundbhai satria nino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, na hoe fahaterahana indray, izy.a Raha sanatria ilay fitiavan-jatovo nisy teo amin’izy roa ireo ka vokatry ny efa naha-mpivady azy ireo teo amin’ilay fiainany tany aloha, dia ho halozana ankehitriny ny hampisarahana azy ireo tamin’izao taona efa nahafahany hanambady izao. Mba naniry hampahafantatra ilay tarehin-javatra tamin’ny zanany fotsiny i Mukundbhai, alohan’ny hahatongavan’ilay zazavavy ho vadin’olon-kafa, eto amin’itỳ fiainana itỳ.
Diniho itỳ ohatra iray hafa itỳ. Nisy zazavavy kely iray efa-taona niditra hopitaly imbetsaka ihany, tany Mumbai, tany India, noho ny fanaintainana mafy. Valviola iray simba tao amin’ny fony no aretiny. Tsy tantin’ireo ray aman-dreniny izay nanankarena ny nahita ilay zaza nijaly. Nanjohy hevitra toy izao anefa izy ireo: “Tsy maintsy manaiky isika. Tsy maintsy ho nanao zavatra izay mendrika an’izao fijaliana izao izy, teo amin’ny fiainany tany aloha.”
Ny finoana ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao dia mitana toerana lehibe eo amin’ny fiainan’olona an-tapitrisany maro manaraka ny Hindoisma, ny Bodisma, ny Jaïnisma, ny Sikhisma, sy ireo fivavahana hafa niandoha tao India. Ireo fanandraman-javatra eo amin’ny fiainana — manomboka eo amin’ny hoe manjary raiki-pitia ka hatramin’ny fijaliana mafy — dia heverina fa vokatr’ireo zavatra natao teo amin’ilay fiainana na ireo fiainana tany aloha.
Olona maro any amin’ny tany tandrefana koa no voasinton’ny fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. I Shirley MacLaine, mpilalao amin’ny sarimihetsika amerikana, dia manambara fa mino azy io ny tenany. I Laurel Phelan, mpanoratra, any Vancouver, any Colombie britanique, any Kanada, dia milaza ho manana fahatsiarovana ny amin’ireo fiainany miisa 50 tany aloha. Tao amin’ny fitsapan-kevitra Gallup natao tamin’ny 1994 ho an’ny CNN/USA Today, dia olon-dehibe maherin’ny 270 tamin’ireo 1 016 nadinadinina no nampahafantatra fa mino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao izy ireo. Anisan’ny zavatra inoan’ireo mpanohana ny Vanim-potoana Vaovao (Le Nouvel Âge), ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Inona anefa ny porofo manohana an’io zavatra inoana io?
“Ireo fahatsiarovana ny amin’ny fiainana iray tany aloha!”, hoy ireo mpino ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Ho vokatr’izany, rehefa nanomboka nanana “fahatsiarovana ny amin’ilay fiainany tamin’ny lasa izay naha-vehivavy mpivavaka maty teo amin’ny faha-60 taonany” azy i Ratana telo taona, tao Bangkok, dia nanaiky ny ankamaroan’ny mpandinika fa izay nitranga taminy dia porofo marim-pototra ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao.
Mahazo vahana anefa ny fisalasalana. Ary mety hisy fanazavana hafa ny amin’ireo fahatsiarovana lazaina fa avy amin’ny fiainana tany aloha.b Ao amin’ilay bokiny hoe Hinduism: Its Meaning for the Liberation of the Spirit, i Nikhilananda, filozofa hindoa, dia milaza fa ‘tsy azo porofoina amin’ny alalan’ny fahaizan’ny saina ireo fanandraman-javatra azo aorian’ny fahafatesana’. Milaza marimarina anefa izy fa “azo inoana kokoa noho ny hoe tsy azo inoana, ny fampianarana momba ny fahaterahana indray”.
Manohana an’io fampianarana io ve anefa ny Baiboly? Ary inona no fanantenana ho an’ny maty atolotry ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry?
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao”, hoy ny The New Encyclopædia Britannica, dia midika hoe “fahaterahan’ny fanahy indray ao amin’ny fisiana iray na maromaro mifandimby, izay mety ho olona na biby na indraindray aza, zavamaniry”. Ny teny hoe “fahaterahana indray” dia ampiasaina koa mba hilazalazana an’io fisehoan-javatra io, kanefa ilay teny hoe “fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao” no ekena mazàna. Misy diksionera indiana maromaro mampiasa ireo teny ireo amin’ny fomba mitovy.
b Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Jona 1994, pejy 5-7.
[Sary, pejy 4]
Moa ve izy voasazy noho ny fahotana nataony teo amin’ny fiainana iray tany aloha?