FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 113
  • Milaza ve ny Baiboly fa Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa ny Olona Rehefa Maty?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Milaza ve ny Baiboly fa Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa ny Olona Rehefa Maty?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Mino ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Tokony Hino ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mino ve Ianao fa Efa Nisy Taloha?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 113
Lehilahy iray tamin’izy taloha sy izy amin’izao

Milaza ve ny Baiboly fa Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa ny Olona Rehefa Maty?

Valiny ara-baiboly

Tsia, tsy mampianatra an’izany ny Baiboly. Na ilay teny hoe “teraka indray ao amin’ny vatana hafa” aza tsy hita ao. Ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty no mahatonga ny olona hino hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona rehefa maty.a Milaza anefa ny Baiboly hoe noforonina avy tamin’ny vovoka ny olona, ary rehefa maty izy dia lasa tsy misy intsony. Tsy manana fanahy tsy mety maty àry ny olona.—Genesisy 3:19; Mpitoriteny 9:5, 6.

Inona no maha samy hafa ny hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa sy ny hoe hatsangana amin’ny maty?

Tsy avy amin’ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Ireo olona efa maty no hovelomina indray, ka hampiasa ny heriny Andriamanitra mba hananganana azy ireo. (Matio 22:23, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Hiaina ao amin’ny tany vaovao na fiaraha-monina vaovao ireo olona hatsangana, ary tsy ho faty intsony.—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Hevi-diso momba ny Baiboly sy ny fampianarana hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa

Hevi-diso: Milaza ny Baiboly hoe i Elia mpaminany ihany no Jaona Mpanao Batisa. Teraka indray tao amin’ny vatan’i Jaona izany i Elia.

Marina: Nilaza Andriamanitra hoe: “Hirahiko ho any aminareo i Elia mpaminany.” Noresahin’i Jesosy fa tanteraka tamin’i Jaona Mpanao Batisa io faminaniana io. (Malakia 4:5, 6; Matio 11:13, 14) Tsy midika anefa izany fa teraka indray tao amin’ny vatan’i Jaona Mpanao Batisa i Elia. Na i Jaona aza mantsy nilaza fa tsy i Elia izy. (Jaona 1:21) Nanao asa hoatran’ny nataon’i Elia kosa i Jaona, ka nitory ny hafatr’Andriamanitra hoe tokony hibebaka ny olona. (1 Mpanjaka 18:36, 37; Matio 3:1) Nanana ‘risi-po sy hery’ hoatran’ny an’i Elia koa i Jaona.—Lioka 1:13-17.

Hevi-diso: Teraka indray ao amin’ny vatana hafa no tian’ny Baiboly holazaina amin’ilay hoe “ateraka indray.”

Marina: Asehon’ny Baiboly fa olona mbola velona no ateraka indray, ary tsy ateraka ara-bakiteny ilay olona. (Jaona 1:12, 13) Tsy vokatry ny zavatra natao tany aloha ilay hoe ateraka indray, fa fitahiana avy amin’Andriamanitra, ary manantena hoavy sambatra izay ateraka indray.—Jaona 3:3; 1 Petera 1:3, 4.

a Avy tany Babylona fahiny ilay fampianarana hoe tsy mety maty ny fanahy ary mifindra ao amin’ny vatana hafa rehefa maty ny olona. Namorona fampianarana momba ny Karma ny filozofa karàna tatỳ aoriana. Milaza ny Rakipahalalana Britannica Momba ny Fivavahana Eran-tany (anglisy), fa ny Karma dia “ny lalàn’ny antony sy ny vokany, ka arakaraka izay natao tamin’ny fiainana teo aloha, hono, no ho fiainana manaraka.”​—Pejy 913.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara