FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 1/8 p. 26-29
  • Fianaram-pianakaviana Izay Mitondra Fifaliana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fianaram-pianakaviana Izay Mitondra Fifaliana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tokony hianarantsika?
  • Tano ho tony ny rivo-piainana
  • Ataovy manjary velona ny Baiboly
  • Ampio ny rehetra handray anjara
  • Mifampiresaha — Aza mampahatezitra!
  • Mendrika ny hatao ilay ezaka
  • Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Soa Azo Amin’ny Fianarana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fandaharam-potoanan’ny Fianakaviana—Fianaram-pianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Milofosa mba Hiarovana ny Fianakavianao ho ao Amin’ny Tontolo Vaovaon’Andriamani
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 1/8 p. 26-29

Fianaram-pianakaviana Izay Mitondra Fifaliana

“Fahalalana no hamenoana ny efitrano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 24:4). Tsy harena ara-nofo fotsiny akory ireo harena soa ireo, fa mahafaoka koa fitiavana marina sy tahotra araka an’Andriamanitra ary finoana matanjaka. Ny toetra toy izany tokoa dia mahatonga fiainam-pianakaviana ho ampoky ny soa. (Ohabolana 15:16, 17; 1 Petera 1:7). Mba hahazoana izany anefa, dia ilaintsika hoentina ao amin’ny ankohonantsika ny fahalalana an’Andriamanitra.

NY LOHAM-PIANAKAVIANA no manana ilay andraikitra handentika io fahalalana io ao amin’ireo mpianakaviny. (Deoteronomia 6:6, 7; Efesiana 5:25, 26; 6:4). Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra anaovana izany dia amin’ny alalan’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Mety hahafinaritra an’ireo mpandray anjara tokoa izany, rehefa tarihina amin’ny fomba sady ahitam-pianarana no mahafinaritra ilay fianarana! Andeha àry isika handinika ny sasany amin’ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fitarihana fianaram-pianakaviana mandaitra.a

Mandaitra indrindra ny fianaram-pianakaviana rehefa atao tsy tapaka. Raha miankina amin’ny kisendrasendra, na miankina amin’ny fanapahan-kevitra atao tampotampoka izy io, dia azo inoana fa mahalana vao hisy, raha hisy aza. Koa tsy maintsy ‘maka ny fotoana avy amin’ny fanaovan-javatra hafa’ ianao, ho an’ilay fianarana. (Efesiana 5:15-17, NW ). Mety ho zava-tsarotra ny fahitana fotoana tsy tapaka izay mety ho an’ny rehetra. “Sahirana izahay nitana ny fianaram-pianakavianay ho tsy tapaka”, hoy ny fieken’ny loham-pianakaviana iray. “Nanandrana fotoana samy hafa izahay ambara-pahitanay fotoana somary alinalina kely, izay nety taminay rehetra tamin’ny farany. Ankehitriny dia tsy tapaka ny fianaram-pianakavianay.”

Rehefa nahita fotoana mety ianao, dia mitandrema mba tsy hamela ireo fanelingelenana hanilika ilay fianarana. “Raha nisy mpitsidika tamin’ny fotoana nanaovanay fianarana”, hoy ny tsaroan’i Maria,b izay 33 taona izao, “dia nanasa azy ireo hiandry mandra-pahavitan’ilay fianarana, i Dada. Ary raha ny amin’ireo antso an-telefaonina, dia nilaza fotsiny tamin’ilay olona izy fa hiantso indray any aoriana kokoa”.

Izany anefa tsy midika hoe tsy azo atao mihitsy ny milefitra. Mety hisy hilana fanaovan-javatra maika na sampona hipoitra, ka mety ho tena ilaina indraindray ny hanafoanana na hanemorana ilay fianarana. (Mpitoriteny 9:11). Mitandrema anefa mba tsy hamela zavatra na inona na inona toy izany hanapaka ny fahazaranao. — Filipiana 3:16.

Tokony haharitra hafiriana ny fianarana iray? Hoy i Robert izay nitaiza tamim-pahombiazana zanakavavy iray sy zanakalahy iray: “Maharitra adiny iray mazàna ny fianaranay. Fony mbola kely ireo ankizy, dia niezaka nitana ny fahalianany nandritra ilay adiny iray izahay tamin’ny fandinihana zavatra maro isan-karazany, toy ny fehintsoratra vitsivitsy avy ao amin’ny lahatsoratra natao hianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, andalan-teny voafantina ao amin’ny Baiboly, ary ampahan’ny zavatra vita an-tsoratra hafa.” Izao no tadidin’i Maria: “Fony tena mbola kely izaho sy ny zokiko vavy roa, dia 20 minitra teo ho eo ny fianaranay ka indroa na intelo isan-kerinandro. Rehefa nihalehibe izahay, dia naharitra adiny iray na toy izany ny fianaram-pianakavianay isan-kerinandro.”

Inona no tokony hianarantsika?

Ny fandinihana io fanontaniana io amin’ny fotoana efa maha-vory lanona ny rehetra ho amin’ny fianarana, dia hiteraka fahakiviana sy fandaniana fotoana sarobidy natao hianarana. Raha izany no mitranga, dia tsy hanan-javatra voafaritra tsara andrandraina ireo ankizy, ka tsy ela dia hamoy ny fahalianany. Koa fanteno mialoha àry ny iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana hodinihina.

Nanome zavatra vita an-tsoratra tondraka azo isafidianana ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Angamba ianao afaka mampiasa boky iray izay mbola tsy nianaran’ny fianakaviana. Ary fahafinaretana toy inona moa ny mandinika tapany voafantina iray ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, raha misy amin’ny fiteninao ireo boky ireo! Azonao atao, ohatra, ny mamerina mijery lahatsoratra momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo, mandritra ireo herinandro alohan’ny Fahatsiarovana. Fianakaviana maro no mankafy ny fanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ilay herinandro diavina. Manome zavatra tsara dia tsara ianarana koa ireo lahatsoratra fanampiny ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Ny loham-pianakaviana, izay mahafantatra izay ilain’ny fianakaviany ara-panahy, no tsara toerana indrindra mba hanapaka izay zavatra vita an-tsoratra tokony hianarana.

“Nianatra zavatra vita an-tsoratra voafantina mialoha foana izahay”, hoy ny tadidin’i Maria. “Kanefa rehefa nisy fanontaniana na tarehin-javatra nipoitra tany an-tsekoly, dia niova ho amin’ny fanazavana azo nampiharina izahay.” Tena mipoitra ireo zavatra mampanahy manokana, toy ireo olana atrehin’ny tanora any an-tsekoly, ny fiarahana amin’ankizilahy na amin’ankizivavy tsy tahaka ny tena, ireo zavatra fanao ivelan’ny fandaharam-pampianarana, sy ny toy izany. Rehefa mitranga izany, dia mifantena lahatsoratra na zavatra vita an-tsoratra mivaofy ilay olana misy. Raha mahita fanazavana ao amin’ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! ianao ka ho tianao hiaraha-mandinika avy hatrany amin’ny fianakaviana izy io, dia aza misalasala mandamina izany. Mazava ho azy fa ho tianao ny hampilaza mialoha ny mpianakavy momba ilay fanovana. Kanefa ataovy izay hiverenana amin’ilay zavatra efa voalahatra hianarana, raha vantany vao voakarakara ilay zavatra nilaina.

Tano ho tony ny rivo-piainana

Ao anatin’ny toe-javatra milamina no andairan’ny fianarana indrindra. (Jakoba 3:18, NW ). Koa ataovy izay hisian’ny rivo-piainana tsy mihenjana, kanefa feno fanajana. Hoy ny loham-pianakaviana iray any Etazonia: “Na ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny na any an-davarangana izahay no mianatra, dia miezaka mipetraka mifanakaiky izahay fa tsy miparitadritaka ao amin’ny efitrano lehibe iray. Aminay, izany dia miteraka fihetseham-po feno hafanana.” Ary izao no tsaroan’i Maria tamim-piraiketam-po lehibe: “Navela hifidy ny toerana tao an-trano hanaovana ilay fianarana tamin’ny herinandro izaho sy ny rahavaviko. Nahatonga anay hahatsiaro tena ho nahazo aina tsara izany.” Tadidio fa samy mandray anjara avokoa amin’ny fahatoniana ny fahazavana araka ny tokony ho izy, sy ny fandaharana tsara ny fipetrahana, ary ny manodidina tsy misy korontan’entana. Manampy mba hahatonga ilay takariva hahafinaritra koa ny fandraisan’ny fianakaviana sakafo maivana aorian’ilay fianarana.

Misy aza fianakaviana sasany mifidy ny hampiditra fianakaviana hafa ao amin’ny fianaran’izy ireo indraindray, ka izany dia mahatonga ilay fianarana hahaliana kokoa sy hahamaro karazana ny valin-teny. Rehefa misy vaovao ao amin’ny fahamarinana asaina handray anjara amin’izany fandaharana izany, dia afaka mandray soa izy ireo amin’ny fandinihana loham-pianakaviana iray ampy fanandraman-javatra mitarika fianaram-pianakaviana.

Ataovy manjary velona ny Baiboly

Ataovy izay hahavelombelona ireo fotoam-pianarana ho an’ny ankizy, ary dia tsy ho andrin’izy ireo ny hanaovana izany. Afaka manao izany ianao amin’ny fampirisihana ireo ankizy kely mba hanao sary ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly. Rehefa mety izany, dia asaivo ataon’ny ankizy ho toy ny fampisehoana an-dampihazo ireo zava-nitranga na tantara ao amin’ny Baiboly. Amin’ireo ankizy mbola kely, dia tsy tena ilaina ny manaraka fomba voalamina misy fanontaniana sy valiny. Ny famakiana na ny fitantarana ireo tantara momba ny olona ao amin’ny Baiboly dia fomba iray mahafinaritra handentehana ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra. Izao no tsaroan’i Robert, izay voatonona etsy aloha kokoa: “Indraindray izahay dia namaky andalan-teny tao amin’ny Baiboly, nifandimby, namaky ireo anjara ‘feo’ samihafa nanendrena.” Azo asaina mifidy ilay ankizy hoe haka ny toeran’iza izy ao amin’ilay famakian-teny.

Hanampy ireo ankizy efa lehibe kokoa ny fampiasana sarintany sy fanehoana an-tsary mba hahazoana sary an-tsaina ireo faritra sy endriky ny tany izay nisehoan’ireo zava-nitranga resahina. Mazava fa, amin’ny fahaizana mahita hevitra kely fotsiny, dia azo atao velombelona sy miovaova ny fianaram-pianakaviana. Ary dia hampitombo faniriana mafy ny Tenin’Andriamanitra ireo ankizy. — 1 Petera 2:2, 3, NW.

Ampio ny rehetra handray anjara

Mba hankafizan’ny ankizy ny fianarana, dia tsy maintsy mahatsiaro tena ho tafiditra ao izy ireo. Mety ho zava-tsarotra anefa ny mampandray anjara ankizy tsy mitovy taona. Milaza toy izao anefa ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly: “Izay manapaka, dia aoka ho amin’ny fahazotoana [no hanaovany izany]”. (Romana 12:8). Manampy ny fanananao hafanam-po, satria mamindra ny hafanam-po.

Nampandray anjara an’i Dina, zanany vavy dimy taona, tamin’ny fianarana i Ronald, tamin’ny fampamakiana azy ny lohateny kely tao amin’ilay zavatra nianarana, sy tamin’ny fangatahana azy hanazava ireo sary. Raha nanakaiky ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny taon-dasa, dia nifantoka tamin’ireo sary tsara homarihina tao amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, izy.c Izao no marihiny: “Izany dia nanampy azy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ilay fisehoan-javatra.”

Lasa lavitra kokoa i Ronald tamin’i Misha, zanany vavy folo taona. “Efa nandroso i Misha ka hainy hatramin’ny hevitra asehon’ireo sary fa tsy ny mombamomba ireo sary fotsiny”, hoy i Ronald. “Koa rehefa nandinika ilay boky hoe Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!,* izahay, dia nifantoka tamin’ny hevitr’ireo sary, ary nanampy azy izany.”

Arakaraka ny itomboan’ireo ankizy ho zatovo, dia asao izy ireo hanao fampiharana azo tsapain-tanana an’ilay zavatra dinihina. Rehefa misy fanontaniana mipoitra mandritra ny fianarana, dia manendre anjara fikarohana. Nanao izany i Robert, fony nanontany azy i Paul, zanany lahy 12 taona, momba ny klioban-tsekoly vao niforona nisy ilay lalao hoe Donjons et Dragons (kilalao mampiseho firaisana miharo herisetra). Nitady fanazavana i Paul sy ny hafa tao amin’ilay fianakaviana tamin’ny fampiasana ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower; ary nojeren’izy ireo indray izany tao amin’ny fianaram-pianakaviany. “Vokatr’izany”, hoy i Robert, “dia takatr’i Paul haingana fa tsy mety ho an’ny Kristiana ilay lalao.”

Nanendry fanaovana fikarohana koa i Robert tamin’ny fotoana hafa. Izao no tsaroan’i Nancy, vadiny: “Rehefa nanao fikarohana momba ireo apostolin’i Jesosy izahay, ny tsirairay taminay dia nomena apostoly iray avy isan-kerinandro. Nampientam-po toy inona moa ny nahita ireo ankizy nampiseho tamin-kafanam-po ny tatitra nataony tamin’ny fianaram-pianakaviana!” Ny fanaovany ny fikarohany manokana sy ny fizarana amin’ny fianakaviana ny fanazavana hitany dia manampy ny ankizy ‘hitombo eo anatrehan’i Jehovah’. — 1 Samoela 2:20, 21.

Ny fanaovana fanontaniana — fanontaniana hahalalana fomba fihevitra sy ho fitarihana ny saina — dia fomba tsara dia tsara iray koa hampandraisana anjara ny ankizy. I Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, dia nanao fanontaniana hahalalana fomba fihevitra, toy ny hoe: “Ahoana no hevitrao”? (Matio 17:25). “Rehefa nisy nanana fanontaniana ny iray taminay, dia tsy mba namaly anay mivantana mihitsy ny ray aman-dreninay”, hoy ny tadidin’i Maria. “Nanao fanontaniana fitarihana ny saina foana izy ireo ka nanampy anay mba hanjohy hevitra momba ilay raharaha.”

Mifampiresaha — Aza mampahatezitra!

Hitombo ny fifaliana amin’ny fianaram-pianakaviana raha toa ny rehetra manatrika eo ka afaka milaza ny heviny sy ny fihetseham-pony, tsy misy tahotra ny hesoina. Kanefa dia “tsy hisy fifampiresahana tsara mandritra ny fianaram-pianakaviana iray raha tsy misokatra koa ny fifampiresahana amin’ny fotoana hafa”, hoy ny raim-pianakaviana iray. “Tsy azonao atao ny hoe amin’ilay fotoam-pianarana fotsiny ianao no mody manao izany.” Halaviro mihitsy ny fanaovana fanamarihana tsy amim-piheverana izay mandratra, toy ny hoe: ‘Izay fotsiny ve? Noheveriko fa mba hilaza inona aza ianao’; ‘Hadalana izany’; ‘Tsisy hatokona mihitsy ianao itỳ! Mbola zaza marina ianao itỳ ka.’ (Ohabolana 12:18). Aoka ianao hiantra sy hamindra fo amin’ny zanakao. (Salamo 103:13; Malakia 3:17). Mahità fahafinaretana amin’izy ireo, tohany izy ireo eo am-piezahany mampihatra izay ianarany.

Tokony ho mora andraisan’ny ankizy toromarika ny rivo-piainana ao amin’ny fianaram-pianakaviana. “Rehefa manomboka manitsy ankizy ianao, dia manana mpihaino somary tsy mandray tsara”, hoy ny fanazavan’ny ray iray nahita fahombiazana, izay manan-janaka efatra. Ao anatin’ny rivo-piainana toy izany, dia azo inoana fa tsy ho tafiditra ilay fanazavana. Koa halaviro ny manao ireo fotoam-pianarana ho fifehezana sy ho famaizana. Raha ilaina izany, dia omeo any aoriana ka ataovy isam-batan’olona.

Mendrika ny hatao ilay ezaka

Mila fotoana sy ezaka ny fanorenana fianakaviana manankarena ara-panahy. Nanambara toy izao anefa ny mpanao salamo: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo.” (Salamo 127:3). Ary ireo ray aman-dreny dia nanankinana andraikitra ‘hitaiza ny zanany ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah’. (Efesiana 6:4, NW ). Koa ampitomboy ny fahaizana mitarika fianaram-pianakaviana mandaitra sy mahafinaritra. Ataovy izay azonao atao mba hanomezana “ny ronono tsy misy fangarony izay an’ny teny”, mba hahafahan’ny zanakao ‘hitombo ho amin’ny famonjena’. — 1 Petera 2:2, NW; Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Na dia mahakasika fanampiana ankizy eo amin’ny fianaram-pianakaviana aza ny fanoloran-kevitra maro aseho ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ, ireo hevitra dia mihatra koa amin’ny fianakaviana tsy misy ankizy.

b Novana ny anarana sasany.

c Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara