Ry Fianakaviana, Mianara Tsy Tapaka ny Tenin’Andriamanitra
“Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”. — MATIO 4:4.
1. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny andraikitry ny loham-pianakaviana hampianatra ny zanany ny lalan’i Jehovah?
MATETIKA i Jehovah Andriamanitra no nampahatsiahy ny loham-pianakaviana ny amin’ny andraikiny hampianatra ny zanany. Sady hanomana ny zanaka ho amin’ny fiainana ankehitriny ny fampianarana toy izany, no afaka manampy azy ireo hiomana ho amin’ny fiainana ho avy. Ny anjely iray nisolo tena an’Andriamanitra dia nisarika ny sain’i Abrahama ho amin’ny andraikiny hampianatra ny ankohonany, mba ‘hitandreman’izy ireo ny làlan’i Jehovah’. (Genesisy 18:19). Nilazana ireo ray aman-dreny isiraelita mba hanazava tamin’ireo zanany ny fomba nanafahan’Andriamanitra ny Isiraely tany Ejipta, sy ny fomba nanomezany azy ireo ny Lalàny teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tany Horeba. (Eksodosy 13:8, 9; Deoteronomia 4:9, 10; 11:18-21). Toroana hevitra ny loham-pianakaviana kristianina mba hitaiza ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Na dia ny ray na ny reny fotsiny aza no manompo an’i Jehovah, dia tokony hiezaka hampianatra ny zanany ny lalan’i Jehovah izy. — 2 Timoty 1:5; 3:14, 15.
2. Ilaina ve ny fianaram-pianakaviana raha tsy misy zanaka ao an-trano? Hazavao.
2 Tsy midika akory izany hoe natao ho an’ny tokantrano misy zanaka ihany ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa manao fianaram-pianakaviana ny mpivady, na tsy misy zanaka aza ao an-trano, izany dia mampiseho fankasitrahana tsara dia tsara ny zavatra ara-panahy. — Efesiana 5:25, 26.
3. Nahoana no zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana tsy tapatapaka?
3 Mba hahatonga ny fampianarana hitondra soa be indrindra, dia ilaina hatao tsy tapaka izy io, mifanaraka amin’ilay lesona nampianarin’i Jehovah ny Isiraely tany an’efitra, manao hoe: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” (Deoteronomia 8:3). Mety hanao fandaharana hianatra isan-kerinandro ny fianakaviana sasany, miankina amin’ny tarehin-javatra misy azy; ny hafa kosa mety hanao fianarana fohy kokoa isan’andro. Na inona na inona fandaharana fidinareo, dia aza atao araka ny kisendrasendra ilay fianarana. ‘Makà fotoana’ hanaovana azy io. Tsy mahafaty antoka ny manao sorona mba hananam-potoana ho amin’izany, satria voakasika ny ain’ny mpianakavinao. — Efesiana 5:15-17, NW; Filipiana 3:16.
Zava-kendrena tokony hotadidina hatrany
4, 5. a) Tamin’ny alalan’i Mosesy, inona no zava-kendrena lehibe iray napetrak’i Jehovah teo anoloan’ny ray aman-dreny, rehefa nampianatra ny zanany izy ireo? b) Inona no voafaoka amin’izany amin’izao andro izao?
4 Rehefa mitarika ny fianaram-pianakaviana ianao, dia hitondra soa faran’izay betsaka ny fitadidiana zava-kendrena voafaritra mazava tsara. Diniho ireto zavatra vitsivitsy azo atao ireto:
5 Isaky ny mianatra, dia miezaha hampitombo fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra. Nivory teo amin’ny tany lemak’i Moaba ny Isiraely, talohan’ny nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tamin’izay i Mosesy dia nampifantoka ny sain’izy ireo ho amin’izay hampahafantarin’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana hoe ‘ny didy lehibe [indrindra] ao amin’ny lalàna’. Inona izany? “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra”. (Matio 22:36, 37; Deoteronomia 6:5). Nampirisihin’i Mosesy ny Isiraelita mba handentika io lalàna io tao am-pon’izy ireo, ka hampianatra azy io ny zanak’izy ireo. Izany dia hitaky famerimberenana, fanintonana ny saina ho amin’ireo antony tokony hitiavana an’i Jehovah, fanitsiana fihetsika sy fitondran-tena nety ho nanakantsakana ny fanehoana izany fitiavana izany, ary fanehoana fitiavana an’i Jehovah teo amin’ny fiainan’izy ireo. Mila karazam-pampianarana toy izany koa ve ny zanatsika? Eny! Ary mila ny hampiana koa izy ireo mba ‘hamora ny fon’izy ireo’, izany hoe mba hanaisotra ny zavatra rehetra izay hanakantsakana ny fitiavany an’Andriamanitra. (Deoteronomia 10:12, 16; Jeremia 4:4). Mety ho anisan’ny zavatra manakantsakana toy izany ny faniriana ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao, sy ny faniriana hahita fahafahana hiditra lalina amin’ireo zavatra ataon’izao tontolo izao. (1 Jaona 2:15, 16). Tsy maintsy arahin’asa sy mampiseho taratry ny fihetseham-pontsika ny fitiavana an’i Jehovah, ka manosika antsika hanao ireo zavatra mampifaly ny Raintsika any an-danitra. (1 Jaona 5:3). Mba handraisan-tsoa maharitra avy amin’ny fianaram-pianakaviana, dia tokony hanatanjaka izany fitiavana izany ny fomba itarihana ny fotoam-pianarana tsirairay.
6. a) Inona no takina mba hampitana fahalalana araka ny marina? b) Ahoana no anantitranteran’ny Soratra Masina ny maha zava-dehibe ny fahalalana araka ny marina?
6 Mampità fahalalana araka ny marina momba ireo zavatra takin’Andriamanitra. Inona no voafaoka amin’izany? Tsy ny fahaiza-mamaky valin-teny avy ao amin’ny gazety na boky fotsiny akory no voafaoka amin’izany. Mazàna no mitaky fiaraha-midinika izany mba hahazoana antoka fa azo mazava tsara ireo teny fototra sy ireo hevi-dehibe. Ny fahalalana araka ny marina dia lafin-javatra tena ilaina mba hitafiana ny toetra vaovao, mba hifantohana hatrany amin’ireo zavatra tena lehibe rehefa miatrika olana eo amin’ny fiainana, ary araka izany, dia tena ilaina mba hanaovana izay zavatra mampifaly an’Andriamanitra tokoa. — Filipiana 1:9-11; Kolosiana 1:9, 10; 3:10.
7. a) Fanontaniana inona avy no mety hanampy ny mpianakavy hampihatra ny zavatra nianarany? b) Ahoana no anantitranteran’ny Soratra Masina ny hasarobidin’ny zava-kendrena toy izany?
7 Ampio ny mpianakavy mba hampihatra ny zavatra nianarana. Ho fikendrena izany, dia manontania toy izao, mandritra ny fianaram-pianakaviana tsirairay: ‘Amin’ny ahoana no tokony hanan-kery eo amin’ny fiainantsika ity fianarana ity? Moa ve izany mitaky ny hanaovana fiovana eo amin’izay ataontsika ankehitriny? Nahoana isika no tokony haniry hanao fanitsiana?’ (Ohabolana 2:10-15; 9:10; Isaia 48:17, 18). Ny fanehoana fiheverana ampy ny amin’ny fomba hampiharana ireo zavatra nianarana dia mety ho anton-javatra lehibe mahatonga ny fitomboana ara-panahin’ny mpianakavy.
Ampiasao amim-pahendrena ireo fitaovam-pampianarana
8. Inona avy ireo fitaovam-pianarana Baiboly omen’ny kilasin’ny mpanompo?
8 Manome fitaovana be dia be, izay azo ampiasaina amin’ny fianarana, “ny mpanompo mahatoky sy malina”. Misy amin’ny fiteny 131 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, izay ampiasaina miaraka amin’ny Baiboly. Misy boky fianarana Baiboly amin’ny fiteny 153, bokikely amin’ny fiteny 284, cassettes amin’ny fiteny 61, vidéocassettes amin’ny fiteny 41, ary programa amin’ny ôrdinatera fanaovana fikarohana ara-baiboly mihitsy aza, amin’ny fiteny 9! — Matio 24:45-47, NW.
9. Ahoana no azontsika ampiharana ny torohevitra ao amin’ireo andinin-teny voatonona eo amin’ity fehintsoratra ity, rehefa miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ny mpianakavy?
9 Tokantrano maro no mampiasa ny fotoana fanaovana fianaram-pianakaviana mba hanomanana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana hataon’ny kôngregasiôna. Tena mahasoa tokoa izany! Mirakitra ny sakafo ara-panahy lehibe indrindra nokendrena hampiorenana ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ny mpianakavy, dia aza mianina amin’ny famakiana ireo fehintsoratra sy ny famaliana ireo fanontaniana fotsiny. Miezaha amim-pahatsorana hahazo hevi-javatra. Makà fotoana hijerena ireo andinin-teny voatonona fa tsy voasoratra. Asao ny mpianakavy hanazava ny fomba ifandraisan’ireo andinin-teny ireo amin’izay voalaza ao amin’ilay fehintsoratra dinihina. Ataovy izay hahatonga ny rehetra hanazava avy amin’ny fony. — Ohabolana 4:7, 23; Asan’ny Apostoly 17:11.
10. Inona no azo atao mba hampandraisana anjara ny zanaka amin’ilay fianarana, sy mba hahatonga ilay fianarana ho fotoana mahafinaritra azy ireo?
10 Raha misy ankizy ao an-tokantranonao, inona no azonao atao mba tsy hahatonga ny fianaranareo ho fahazarana fotsiny, fa mba ho fotoana mampahery sy mahaliana ary mahafinaritra kosa? Miezaha hampandray anjara hatrany ny tsirairay, amin’ny fomba mifanentana aminy, mba hifantoka hatrany amin’ilay fianarana ny saina. Raha azo atao, dia iezaho mba samy hanana ny Baiboliny sy ny gazetiny fianarana ny ankizy tsirairay. Azon’ny ray na ny reny atao ny mampipetraka ny zanany kely iray ho eo akaikiny, ka angamba hisakambina azy, ho fanahafana ny firaiketam-po nasehon’i Jesosy. (Ampitahao amin’ny Marka 10:13-16.) Azon’ny loham-pianakaviana asaina manazava sary iray ao amin’ilay fianarana ny ankizy iray. Azo tendrena mialoha hamaky andinin-teny iray ny ankizy kely iray. Azo tendrena hilaza ireo toe-javatra azo ampiharana ilay fianarana kosa ny ankizy zokiny kokoa.
11. Inona avy ireo fitaovam-pampianarana hafa omena, ary raha misy izy ireo, ahoana no azo ampiasana azy ireo mba handraisan-tsoa avy amin’ny fianaram-pianakaviana?
11 Na dia mety hampiasa Ny Tilikambo Fiambenana ho fototra iorenan’ny fiaraha-midinika ataonareo aza ianareo, dia aza hadinoina ny fitaovam-pianarana hafa izay misy amin’ny fiteny maro. Raha ilaina ny fanazavana ara-tantara na ny fanazavana ny hevitry ny teny ara-baiboly iray, dia mety hahitana izany ao amin’ny Étude perspicace des Écritures. Mety ho voavaly ny fanontaniana hafa amin’ny fijerena ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower, na amin’ny fampiasana ilay programa amin’ny ôrdinatera fanaovana fikarohana, nomen’ny Fikambanana. Mety ho tapany sarobidy amin’ny fianaram-pianakaviana ny fianarana mampiasa ireo fitaovana ireo, raha misy amin’ny fiteninareo izy ireo. Mba hanairana ny fahalianan’ireo ankizy, dia azonao atao koa ny manokana ny ampahany amin’ilay fotoam-pianaranareo mba hijerena ampahany amin’ny vidéo iray ahitana fianarana navoakan’ny Fikambanana, na mba hihainoana ampahany amin’ny fampisehoana tantara iray amin’ny cassette. Azo atao avy eo ny miara-mandinika ilay zavatra nojerena na nohenoina. Manampy mba hahatonga ny fianaram-pianakavianareo hahaliana sy hahasoa ny mpianakavy rehetra, ny fampiasana tsara ireny fitaovam-pianarana ireny.
Ampifanaraho amin’izay ilain’ny mpianakavy ny fianaram-pianakavianao
12. Inona no anjara asan’ny fianaram-pianakaviana, raha ny amin’ny fiatrehana zavatra ilana fikarakarana maika dia maika?
12 Angamba fahazaran’ny mpianakavinao ny miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ilay herinandro diavina. Aoka anefa ianao haharaka izay toe-javatra sy olana atrehin’ny mpianakavinao. Raha toa ka tsy voatery miasa ny renim-pianakaviana, dia azony atao ny manokana fotoana iarahana amin’ny zanany isan’andro, rehefa mody avy any an-tsekoly izy ireo. Misy zava-manahirana sasany azo karakaraina amin’izay fotoana izay; ny hafa kosa mety hilana fiheverana bebe kokoa. Rehefa misy zavatra ilana fikarakarana maika dia maika, dia aza odian-tsy hita izany. (Ohabolana 27:12). Tsy ireo olana any an-tsekoly ihany no voakasika amin’izany, fa eo koa ny toe-javatra hafa. Mifantena zavatra ianarana mifanentana amin’ilay toe-javatra, ary ilazao mialoha ny rehetra hoe inona no hianarana.
13. Nahoana no mety hahasoa ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy mahakasika ny fomba iatrehana ny fahantrana?
13 Ohatra, gejain’ny fahantrana ny tapany lehibe amin’izao tontolo izao; koa mety ho tena ilaina ny handinihana ny fomba hiatrehana ny fahantrana, any amin’ny toerana maro. Hahasoa ny mpianakavinao ve ny fianaram-pianakaviana miompana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana sy miompana amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly? — Ohabolana 21:5; Mpitoriteny 9:11; Hebreo 13:5, 6, 18.
14. Rehefa ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana avy no mety ho amin’ny ilana azy ny fiaraha-midiniky ny mpianakavy momba ny fiheveran’i Jehovah ny herisetra sy ny ady ary ny fialanalanana kristianina?
14 Foto-kevitra hafa iray ilaina hodinihina koa ny herisetra. Mila mandentika mafy ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fomba fihevitr’i Jehovah isika rehetra. (Genesisy 6:13; Salamo 11:5). Ny fianaram-pianakaviana momba io foto-kevitra io, dia azo anaovana fiaraha-midinika momba ny hoe ahoana no hiatrehana mpampijaly kely any an-tsekoly, sy ny hoe tokony hanao karate ve sa tsia, ary ny hoe ahoana no hifantenana fialam-boly sahaza ny Kristianina. Nanjary fahita mahazatra ny fifandonana amin-kerisetra; saika ny tany rehetra no ianjadian’ny ady an-trano, ny adilahy politika na ara-pirazanana, na ny ady ifanaovan’ireo andian-jiolahy. Vokatr’izany, dia mety hilain’ny mpianakavinao ny miara-midinika momba ny fihazonana fitondran-tena kristianina, rehefa voahodidin’ny ankolafiny miady. — Isaia 2:2-4; Jaona 17:16.
15. Ahoana no fomba tokony hampianarana ny zanaka momba ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fanambadiana?
15 Rehefa mihalehibe ny ankizy, dia mila fampianarana momba ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fanambadiana, araka izay sahaza ny taonany. Tsy miresaka mihitsy momba ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ireo zanany, ny ankamaroan’ny ray aman-dreny any amin’ny kolontsaina sasany. Mety hahazo hevitra voaolana avy amin’ny tanora hafa ny ankizy tsy mahazo fanazavana, ka mety ho loza ny vokany. Tsy aleo ve manahaka an’i Jehovah, izay manome torohevitra mivantana nefa tsy manafintohina, momba izany zavatra izany, ao amin’ny Baiboly? Hanampy ny zanatsika hitandro ny hajan’ny tenany sy hitondra amim-pahamendrehana ny tsy lahy na ny tsy vavy tahaka azy, ny torohevitra avy amin’Andriamanitra. (Ohabolana 5:18-20; Kolosiana 3:5; 1 Tesaloniana 4:3-8). Na dia efa niresaka momba ireo zavatra ireo aza ianareo, dia aza misalasala mamerina izany indray. Tena zava-dehibe ny famerimberenana, isaky ny misy toe-javatra vaovao mipoitra.
16. a) Any amin’ny tokantrano samihafa, inona no fotoana anaovana ny fianaram-pianakaviana? b) Ahoana no nandresenareo ireo vato misakana mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka?
16 Inona no fotoana azo anaovana ny fianaram-pianakaviana? Tokantrano maro no maka tahaka ny fianakavian’ny Betela maneran-tany, ka manao ny fianaram-pianakaviany ny alatsinainy hariva. Andro hafa kosa ny an’ny hafa. Tany Arzantina, ny fianakaviana iray nisy 11 mianaka, anisan’izany ny ankizy 9, dia nifoha tsy tapaka tamin’ny dimy ora maraina isan’andro mba hanao ny fianaram-pianakaviany. Tsy nisy fotoana hafa azo nanaovana izany, satria samy hafa ny fotoana niasana. Tsy mora tamin’izy ireo izany, kanefa nandentika tao an-tsain’ireo ankizy sy tao am-pony ny maha zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana izany. Tany Philippines, ny loholona iray dia nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany telo, mandra-pahalehiben’ireo ankizy. Nanao fianarana manokana niaraka tamin’ny zanany tsirairay koa izy mivady, tao anatin’ny herinandro, mba ho ny tenan’ny zanany tsirairay mihitsy no handray ny fahamarinana. Any Etazonia, ny anabavy iray manam-bady tsy Vavolombelona dia manatitra ireo zanany hatreo amin’ny toerana fandraisana ny aotobisin’ny sekoly, isa-maraina. Mandany folo minitra eo ho eo izy sy ireo zanany, miara-mamaky sy miara-mandinika boky fianarana araka ny Soratra Masina mifanentana amin’ireo ankizy, eo am-piandrasana ilay aotobisy. Avy eo ilay renim-pianakaviana dia manao vavaka fohy, alohan’ny hiakaran’ireo zanany ao amin’ilay aotobisy. Any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, ny vehivavy iray nilaozan’ny vadiny tsy mpino dia tsy maintsy manao ezaka mafy rehefa mianatra, satria tsy nandia fianarana firy izy. Tonga manampy ny zanany lahy efa lehibe, ka mamangy isan-kerinandro mba hitarika fianarana miaraka amin’ilay reniny sy ny zandriny telo lahy. Manome ohatra tsara dia tsara ilay renim-pianakaviana, amin’ny fanomanana amim-pahazotoana. Moa ve misy toe-javatra manasarotra ny hanaovanareo fianaram-pianakaviana tsy tapaka? Aza milavo lefona. Mangataha amim-pahatsorana ny fitahian’i Jehovah ny ezaka ataonareo mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka. — Marka 11:23, 24.
Valisoa entin’ny fikirizana
17. a) Inona no takina, mba hanaovana fianaram-pianakaviana tsy tapaka? b) Milazà fitantarana izay mampiseho ny hasarobidin’ny fampianarana tsy tapaka ny mpianakavy ny lalan’i Jehovah.
17 Ilaina ny fanaovana fandaharana mialoha. Takina koa ny fikirizana. Tena mendrika ny hanaovana izany anefa ireo soa azo avy amin’ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka. (Ohabolana 22:6; 3 Jaona 4). Nitaiza zaza 11 i Franz sy i Hilda, tany Alemaina. Taona maro tatỳ aoriana, dia hoy i Magdalena, zanany vavy: “Izao no heveriko ho zava-dehibe indrindra ankehitriny: Tsy nisy andro iray nandalo tamin’izany ka tsy nahazoanay fampianarana ara-panahy.” Rehefa nihamafy ny fanindrahindram-pirenena teo ambany fitondran’i Adolf Hitler, dia nampiasa ny Baiboly ny rain’i Magdalena mba hanomanana ny mpianakaviny ho amin’ireo fisedrana izay takany fa ho avy. Tatỳ aoriana, dia nalaina an-keriny ireo ankizy madinika ka nalefa tany amin’ny akany fitaizana zaza maditra; ny mpianakavy hafa nosamborina ka natao tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana. Ny sasany novonoina ho faty. Tsy nihozongozona ny finoan’izy rehetra, tsy nandritra ilay fotoan’ny fanenjehana tamin-kalozana ihany, fa nandritra ireo taona nanaraka koa, ho an’ireo sisa tsy maty.
18. Tamin’ny ahoana no nandraisana valisoa ny ezaka nataon’ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany?
18 Maro ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany sy ireo manam-bady tsy mpino, no nanao toy izany koa ka nampianatra Baiboly tsy tapaka ny zanany. Ny renim-pianakaviana iray maty vady, tany Inde, dia niezaka mafy mba handentika tao amin’ny zanany roa ny fitiavana an’i Jehovah. Nalahelo mafy anefa izy, rehefa nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny vahoakan’i Jehovah ny zanany lahy. Nitalaho tamin’i Jehovah io renim-pianakaviana io mba hamela ny helony, noho izay nety ho lesoka teo amin’ny fampianarany ilay zanany lahy. Tsy nanadino tanteraka izay nianarany anefa ilay zanany. Rehefa afaka folo taona mahery, dia niverina izy io, nanao fandrosoana ara-panahy tsara dia tsara, ary tonga loholona ao amin’ny kôngregasiôna. Mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, izy sy ny vadiny ankehitriny. Velom-pankasitrahana erỳ ireny ray aman-dreny ireny, izay nandray am-po ilay torohevitra avy amin’i Jehovah sy ny fandaminany mba hampianatra Baiboly tsy tapaka ny mpianakaviny! Mampihatra izany torohevitra izany ao an-tokantranonao ve ianao?
Hainao Hazavaina Ve?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fianaram-pianakaviana tsy tapaka?
◻ Inona avy no tokony ho zava-kendrentsika, mandritra ny fianaram-pianakaviana tsirairay?
◻ Fitaovam-pampianarana inona avy no azontsika ampiasaina?
◻ Ahoana no azo ampifanarahana ilay fianarana amin’izay ilain’ny mpianakavy?
[Sary, pejy 15]
Hanatsara ny fianaram-pianakavianao ny zava-kendrena voafaritra mazava