‘Lehilahy Natolotra ho Fanomezana’ mba Hikarakara ny Ondrin’i Jehovah
“Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo ka [nanolotra lehilahy ho fanomezana, NW ]”. — EFESIANA 4:8.
1. Inona no nolazain’ny anabavy kristianina iray momba ireo loholona ao amin’ny kôngregasiônany?
“MISAOTRA noho ny fiahiana be dia be asehonareo aminay. Tena amim-pahatsorana ny tsikinareo sy ny fitiavanareo ary ny fiheverana asehonareo. Vonona foana ianareo ny hihaino ka hilaza teny avy ao amin’ny Baiboly izay mampahery anay. Mivavaka aho mba tsy hanao tsinontsinona anareo na oviana na oviana.” Izany no nosoratan’ny anabavy kristianina iray ho an’ireo loholona ao amin’ny kôngregasiônany. Mazava fa nanohina ny fony ny fitiavana nasehon’ireo mpiandry kristianina be fiahiana. — 1 Petera 5:2, 3.
2, 3. a) Araka ny Isaia 32:1, 2, ahoana no ikarakaran’ireo loholona be fangoraham-po ny ondrin’i Jehovah? b) Raha manao inona ny loholona iray no azo heverina ho fanomezana?
2 Nomanin’i Jehovah mba hikarakara ny ondriny, ireo loholona. (Lioka 12:32; Jaona 10:16). Mamin’ny fon’i Jehovah ny ondriny, eny, maminy tokoa, raha ny marina, hany ka novidiny tamin’ny ra sarobidin’i Jesosy. Tsy mahagaga àry raha faly i Jehovah rehefa miantra ny andian’ondriny ireo loholona. (Asan’ny Apostoly 20:28, 29). Mariho ny filazalazan’ny faminaniana iray an’ireny loholona, na “lehibe”, ireny, manao hoe: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:1, 2). Eny, eo izy ireo mba hiaro sy hamelombelona ary hampionona ny ondrin’i Jehovah. Ireo loholona izay miandry amim-pangoraham-po ny andian’ondry àry dia miezaka hanatontosa izay antenain’Andriamanitra amin’izy ireo.
3 Resahina ao amin’ny Baiboly hoe ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ ireny loholona ireny. (Efesiana 4:8, NW ). Rehefa mieritreritra fanomezana ianao, dia zavatra atolotra mba hanomezana fahafaham-po amin’izay ilaina na mba hitondra fahasambarana ho an’ilay olona mandray azy, no ao an-tsainao. Azo heverina ho fanomezana ny loholona iray, raha mampiasa ny fahaizany mba hanomezana ny fanampiana ilaina sy mba hitondra fahasambarana ho an’ny andian’ondry. Ahoana no azon’ny loholona anaovana izany? Manandratra ny fiahian’i Jehovah amim-pitiavana ny ondriny ny valin’io fanontaniana io, hita ao amin’ny tenin’i Paoly, ao amin’ny Efesiana 4:7-16.
‘Lehilahy natolotra ho fanomezana’ — Avy aiza?
4. Ho fahatanterahan’ny Salamo 68:18, tamin’ny ahoana i Jehovah no “niakatra ho any amin’ny avo”, ary iza moa ireo ‘fanomezana tamin’ny endrika lehilahy’?
4 Rehefa nampiasa ilay teny hoe ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ i Paoly, dia nanonona ny tenin’i Davida Mpanjaka, izay nilaza toy izao momba an’i Jehovah: “Efa niakatra ho any amin’ny avo Hianao ka nitondra babo; efa nandray fanomezana [amin’ny endrika lehilahy, NW ] Hianao”. (Salamo 68:18). Taona maromaro taorian’ny nidiran’ny Isiraelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia “niakatra” tamin’ny heviny ara-panoharana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona i Jehovah, ka nanao an’i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakan’ny Isiraely, ary nanao an’i Davida ho mpanjakany. Iza anefa ireo ‘fanomezana tamin’ny endrika lehilahy’? Tsy iza fa ireo lehilahy azo babo nandritra ny fakana ilay tany. Natolotra ireo Levita ny sasany tamin’ireo babo ireo tatỳ aoriana, mba hanampy tamin’ny asa tao amin’ny tabernakely. — Ezra 8:20.
5. a) Ahoana no nampisehoan’i Paoly fa nisy fahatanterahany teo amin’ny kôngregasiôna kristianina ny Salamo 68:18? b) Tamin’ny ahoana i Jesosy no “niakatra ho any amin’ny avo”?
5 Tao amin’ilay taratasiny ho an’ny Efesianina, dia nasehon’i Paoly fa nanana fahatanterahany tamin’ny ambaratonga lehibe teo amin’ny kôngregasiôna kristianina ireo tenin’ny mpanao salamo. Nanoratra toy izao i Paoly, rehefa nilaza tamin’ny fomba hafa ny Salamo 68:18: “Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra. Koa izany no ilazany hoe: ‘Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo ka [nanolotra lehilahy ho fanomezana, NW ]’.” (Efesiana 4:7, 8). Nampiharin’i Paoly tamin’i Jesosy, izay nisolo tena an’Andriamanitra, io salamo io teto. “Naharesy izao tontolo izao” i Jesosy tamin’ny tsy fivadihany. (Jaona 16:33). Nandresy ny fahafatesana sy nandresy an’i Satana koa izy, noho ny nananganan’Andriamanitra azy tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 2:24; Hebreo 2:14). Tamin’ny taona 33 am.f.i., dia niakatra ‘tany ambonin’ny lanitra rehetra’ i Jesosy, eny, tonga ambony noho ny zavaboary hafa rehetra tany an-danitra. (Efesiana 4:9, 10; Filipiana 2:9-11). Naka “babo” teo amin’ny fahavalo i Jesosy, ilay mpandresy. Tamin’ny fomba ahoana?
6. Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., tamin’ny ahoana i Jesosy izay efa nakarina ho any an-danitra no nanomboka nandroba ny tao an-tranon’i Satana, ary nataony inona ireo “babo”?
6 Fony izy teto an-tany, dia nasehon’i Jesosy fa nahery noho i Satana izy tamin’ny nanafahany ireo izay nandevozin’ny demonia. Toy ny hoe niditra an-keriny tao an-tranon’i Satana i Jesosy, ka namatotra azy, ary nandroba ny fananany. (Matio 12:22-29). Hevero ange izao e: Raha vantany vao tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy ka nanankinana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”, dia fandrobana toy inona moa no azony natao tamin’izay fotoana izay! (Matio 28:18). Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., i Jesosy izay efa nakarina ho any an-danitra sady solontenan’Andriamanitra, dia nanomboka nandroba ny tao an-tranon’i Satana. Nandroba izy tamin’ny ‘nitondrany olona maro ho babo’, dia lehilahy izay efa hatramin’ny ela no nandevozin’ny ota sy ny fahafatesana ary nofehezin’i Satana. Nanaiky an-tsitrapo ho tonga “mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo”, ireo “babo” ireo. (Efesiana 6:6). Nanafaka azy ireo teo ambany fifehezan’i Satana i Jesosy, raha ny marina, ka nanolotra azy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah ho ‘lehilahy fanomezana’ ho an’ny kôngregasiôna. Alao sary an-tsaina ny fisafoahan’i Satana izay tsy afa-nanoatra nahita azy ireo nofaohina teo ambany masony!
7. a) Inona avy no anjara asan’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ ao amin’ny kôngregasiôna? b) Fahafahana hanao inona no nomen’i Jehovah ny lehilahy tsirairay izay manompo amin’ny maha loholona?
7 Moa ve isika ankehitriny mahita ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ toy izany ao amin’ny kôngregasiôna? Eny tokoa! Hitantsika izy ireo manompo amin’ny maha loholona, ka miasa mafy amin’ny maha ‘evanjelista, mpiandry, sy mpampianatra’ ao amin’ireo kôngregasiôna maherin’ny 87 000 misy ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany. (Efesiana 4:11). Ho tena faly i Satana raha ratsy fitondra ny andian’ondry ireo loholona. Tsy hanao izany anefa no antony nanomezan’Andriamanitra azy ireo, tamin’ny alalan’i Kristy, ho an’ny kôngregasiôna. Nomen’i Jehovah kosa ireo lehilahy ireo mba hahasoa ny kôngregasiôna, ary ampamoahin’i Jehovah ny amin’ny ondry nankinina taminy izy ireo. (Hebreo 13:17). Raha loholona ianao, dia nomen’i Jehovah fahafahana mahatalanjona hanaporofo fa fanomezana, na fitahiana, ho an’ireo rahalahinao, ny tenanao. Afaka manao izany ianao amin’ny fiantsorohana andraikitra lehibe efatra.
Rehefa ilaina ny “fanitsiana”
8. Amin’ny lafiny inona avy no mila ny hahitsy isika rehetra indraindray?
8 Voalohany aloha, dia natolotra ireo “lehilahy ho fanomezana” mba “ho [fanitsiana, NW ] ny olona masina”, hoy i Paoly. (Efesiana 4:12). Manondro famerenana zavatra ho “eo amin’ny filaharana tokony ho izy”, ilay anarana grika nadika hoe “fanitsiana”. Olombelona tsy lavorary isika rehetra, ka samy mila ny hahitsy indraindray, mba hahatonga ny fomba fisainantsika, ny fihetsitsika, na ny fitondran-tenantsika ‘hiverina ho amin’ny filaharana tokony ho izy’, ka hifanaraka amin’ny fiheveran’Andriamanitra sy ny sitrapony. Nanolotra tamim-pitiavana “lehilahy ho fanomezana” i Jehovah, mba hanampiana antsika hanao ireo fanitsiana ilaina. Amin’ny fomba ahoana no anaovan’izy ireo izany?
9. Ahoana no azon’ny loholona iray anampiana mba hanitsiana ondry iray nanao fahadisoana?
9 Indraindray ny loholona iray dia mety hangatahina hanampy ondry iray nanao fahadisoana, izay angamba ‘azon’ny ota tsy nahy’. Ahoana no azon’ny loholona iray anampiana? “Miezaha hanitsy izany olona izany amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy” (NW ), hoy ny Galatiana 6:1. Noho izany, rehefa manolotra torohevitra ny loholona, dia tsy handevilevy an’ilay nanao fahadisoana, na hampiasa teny henjana. Tokony hampahery, fa tsy ‘hampitahotra’ an’ilay omena azy, ilay torohevitra. (2 Korintiana 10:9; ampitahao amin’ny Joba 33:7.) Mety ho efa mahatsiaro ho menatra ilay olona, koa halavirin’ny mpiandry be fitiavana iray ny hanaketraka izany olona izany. Rehefa hita mazava fa ny fitiavana no manosika an’ilay loholona hanome torohevitra, na fananarana mafy mihitsy aza, ary amim-pitiavana no anomezany azy, dia azo inoana fa hanitsy indray ny fomba fisaina na ny fitondran-tenan’ilay nanao fahadisoana izany, ka hanarina azy. — 2 Timoty 4:2.
10. Inona no voafaoka amin’ny fanitsiana ny hafa?
10 Rehefa nanolotra “lehilahy ho fanomezana” mba hanitsiana antsika i Jehovah, dia tao an-tsainy ny hoe hamelombelona ara-panahy sy ho mendrika hotahafin’ny vahoakany ireo loholona. (1 Korintiana 16:17, 18; Filipiana 3:17). Tsy ny fanitsiana ireo izay diso lalana fotsiny no voafaoka amin’ny fanitsiana ny hafa, fa ny fanampiana ireo mahatoky mba hifikitra amin’ny lalana mahitsy koa.a Olona maro amin’izao andro izao no mila fampaherezana mba haharetana hatrany, satria maro be aoka izany ny olana izay mitady hanakivy. Mety hila fanampiana amim-pitiavana ny sasany mba hampifanitsiany ny fomba fisainany amin’ny an’Andriamanitra. Miady mafy amin’ny fahatsapana lalina ho tsy ampy fahaizana na tsy mendrika, ohatra, ny Kristianina mahatoky sasany. Mety hihevitra ireny “fanahy ketraka” ireny fa tsy ho tia azy mihitsy i Jehovah, ary tsy ho azon’Andriamanitra ekena na oviana na oviana ny fiezahany, na dia ataony araka izay fara heriny aza. (1 Tesaloniana 5:14, NW ). Tsy mifanitsy amin’ny tena fiheveran’Andriamanitra ny mpivavaka aminy anefa izany fomba fisaina izany.
11. Inona no azon’ireo loholona atao mba hanampiana an’ireo izay miady mafy amin’ny fahatsapan-tena ho tsy mendrika?
11 Ry loholona, inona no azonareo atao mba hanampiana ny olona toy izany? Asehoy amin’izy ireo amin-katsaram-panahy ny porofo omen’ny Soratra Masina fa miahy ny mpanompony tsirairay avy i Jehovah, ary omeo toky indray izy ireo fa mihatra aminy manokana ireny andinin-teny ao amin’ny Baiboly ireny. (Lioka 12:6, 7, 24). Ampio izy ireo hahatakatra fa i Jehovah no ‘nitaona’ azy ireo hanompo azy, koa azo antoka fa tsy maintsy misy vidiny eo imasony izy ireo. (Jaona 6:44). Omeo toky izy ireo fa tsy irery akory ny tenany, satria mpanompon’i Jehovah mahatoky maro no nahatsapa toy izay tsapan’izy ireo koa. I Elia mpaminany, ohatra, dia efa ketraka izaitsizy indray mandeha, ka naniry ny ho faty. (1 Mpanjaka 19:1-4). Nahatsapa ho ‘nomelohin’ny’ fony, ny Kristianina voahosotra sasany tamin’ny taonjato voalohany. (1 Jaona 3:20). Mampionona ny mahafantatra fa “nanana fihetseham-po toy ny antsika” ireo olo-nahatoky tamin’ny andron’ny Baiboly. (Jakoba 5:17, NW ). Azonareo atao koa ny mandinika indray ireo lahatsoratra mampahery ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! miaraka amin’ireo kivy. Ny fiezahanareo amim-pitiavana hamerina indray ny fatokisan-tenan’ny olona toy ireny, dia tsy maintsy ho voamarik’Andriamanitra, izay nanolotra anareo ho ‘lehilahy fanomezana’. — Hebreo 6:10.
“Fampiorenana” ny andian’ondry
12. Inona no tondroin’ny hoe “fampiorenana ny tenan’i Kristy”, ary inona no fanalahidin’ny fampiorenana ny andian’ondry?
12 Faharoa, dia natolotra ireo “lehilahy ho fanomezana” mba ho “fampiorenana ny tenan’i Kristy”. (Efesiana 4:12, NW ). Mampiasa sarin-teny eto i Paoly. Mampahatsiahy fanorenana ny hoe “fampiorenana”, ary ny hoe “ny tenan’i Kristy” dia manondro olona, dia ireo mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna kristianina voahosotra. (1 Korintiana 12:27; Efesiana 5:23, 29, 30). Mila manampy ireo rahalahiny mba hitombo tanjaka ara-panahy, ireo loholona. Ny ‘[hampiorina, NW ], fa tsy ny handrava’ ny andian’ondry, no zava-kendren’izy ireo. (2 Korintiana 10:8). Ny fitiavana no fanalahidin’ny fampiorenana ny andian’ondry, satria “ny fitiavana mampiorina”. — 1 Korintiana 8:1, NW.
13. Inona no dikan’ny hoe mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, ary nahoana no zava-dehibe ny hanehoan’ny loholona fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa?
13 Ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, dia lafiny iray amin’ny fitiavana izay manampy ny loholona hampiorina ny andian’ondry. Ny dikan’ny hoe mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa, dia hoe mangoraka azy, izany hoe mahatakatra izay heveriny sy izay tsapany, ka mihevitra ny fetran’ny mety ho vitany. (1 Petera 3:8). Nahoana no zava-dehibe ny hahaizan’ny loholona hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa? Ambonin’ny zava-drehetra, dia satria Andriamanitra mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa i Jehovah, ilay manolotra ireo “lehilahy ho fanomezana”. Rehefa mijaly na ory ny mpanompony, dia mangoraka azy ireo izy. (Eksodosy 3:7; Isaia 63:9). Mihevitra ny fetran’ny mety ho vitan’izy ireo izy. (Salamo 103:14). Ahoana àry no ahafahan’ny loholona maneho fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa?
14. Amin’ny fomba ahoana avy no azon’ny loholona anehoana fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa?
14 Rehefa misy olona kivy tonga manatona ireo loholona, dia mihaino izy ireo, ka manisy fiheverana ny fihetseham-pon’ilay olona. Miezaka izy ireo hahatakatra ny mombamomba ireo rahalahiny: ny fiainany taloha, ny toetrany, ary ny toe-javatra misy azy. Koa rehefa manome fanampiana mampahery avy ao amin’ny Soratra Masina ny loholona, dia ho mora amin’ny ondry ny hanaiky izany, satria avy amin’ny mpiandry tena mahatakatra ny momba azy sy tena miahy azy izany. (Ohabolana 16:23). Ny fahaizana miombom-pihetseham-po amin’ny hafa koa dia manosika ny loholona hihevitra ny fetran’ny mety ho vitan’ny hafa sy izay mety ho tsapany ho vokatr’izany. Ohatra, mety hanamelo-tena ny Kristianina sasany izay tsy tia manao tsirambina, satria tsy mahavita bebe kokoa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, noho ny fahanterana na ny tsy fahasalamana angamba. Etsy an-danin’izany, dia mety hila fampaherezana mba hanatsarana ny fanompoany ny hafa. (Hebreo 5:12; 6:1). Hanosika ny loholona hitady “teny mahafinaritra”, izay mampiorina ny hafa, ny fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’izy ireny. (Mpitoriteny 12:10). Rehefa mahazo teny mampiorina ny ondrin’i Jehovah, ka manjary manana risi-po, dia hanosika azy ireo hanao izay rehetra azony atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fitiavany azy!
Lehilahy izay mampandroso ny firaisan-tsaina
15. Inona no dikan’ny hoe “firaisan’ny finoana”?
15 Fahatelo, dia natolotra ireo “lehilahy ho fanomezana” mba ‘hahatongavantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra’. (Efesiana 4:13). Ilay teny hoe “firaisan’ny finoana” dia tsy midika fotsiny hoe fitovian’ny zavatra inoana, fa midika koa hoe firaisan-tsain’ireo mpino. Izany àry no antony iray hafa nanoloran’Andriamanitra antsika ireo “lehilahy ho fanomezana”, dia ny hampandroso ny firaisan-tsaina eo anivon’ny vahoakany. Amin’ny fomba ahoana no anaovan’izy ireo izany?
16. Nahoana no zava-dehibe ny hihazonan’ny loholona firaisan-tsaina eo amin’izy samy izy?
16 Voalohany aloha, dia tsy maintsy mihazona firaisan-tsaina eo amin’izy samy izy, ireo loholona. Raha misara-tsaina ireo mpiandry, dia mety hatao tsirambina ny fikarakarana ny ondry. Mety ho lany tsy amin’antony amin’ny fivoriana sy ny adihevitra lava be momba ny zavatra madinika, ny fotoana sarobidy ho azo niandrasana ny andian’ondry. (1 Timoty 2:8). Mety tsy ho tonga dia hifanara-kevitra ho azy eo akory ireo loholona ny amin’ny raharaha rehetra iarahany midinika, satria samy manana ny toetrany izy ireo. Ny firaisan-tsaina akory tsy misakana ny fisian’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’izy ireo, na misakana ny hanehoany izany amim-pahaiza-mandanjalanja, mandritra ny fiaraha-midinika iray anehoana fahalalahan-tsaina. Mitsimbina ny firaisan-tsainy ireo loholona rehefa mifampihaino amim-panajana, tsy misy fitsarana an-tendrony. Ary raha mbola tsy misy foto-pitsipika ara-baiboly voadika koa, dia tokony ho vonona ny hilefitra ny tsirairay, ka hanohana ny fanapahan-kevitra farany horaisin’ny fitambaran-doholona. Asehony amin’ny toe-tsainy manaiky hilefitra fa tarihin’ny “fahendrena izay avy any ambony”, izay ‘tia fihavanana sy mandefitra’, izy ireo. — Jakoba 3:17, 18.
17. Ahoana no azon’ny loholona anampiana mba hitsimbinana ny firaisan-tsaina ao amin’ny kôngregasiôna?
17 Mailaka koa ireo loholona ny hampandroso ny firaisan-tsaina ao amin’ny kôngregasiôna. Rehefa misy fitaomana mampisaratsaraka mitady hanimba ny fihavanana, toy ny fifosana, ny fironana hihevitra ny hafa ho manana antony manosika ratsy, na ny toe-tsaina tia mifanditra, dia tsy mihambahamba izy ireo manolotra torohevitra mahasoa. (Filipiana 2:2, 3). Mety ho tsikaritry ny loholona, ohatra, fa misy olona manakiana tafahoatra na mirona hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa, ka tonga mpiraharaha ny an’olona. (1 Timoty 5:13; 1 Petera 4:15). Hiezaka hanampy ny olona toy izany ny loholona, mba hahatsapany fa mifanohitra amin’izay nampianarin’Andriamanitra antsika izany ataony izany, ary tsy maintsy ‘mitondra ny entany avy’ ny tsirairay. (Galatiana 6:5, 7; 1 Tesaloniana 4:9-12). Hampiasa ny Soratra Masina ny loholona mba hanazavana fa zavatra maro no avelan’i Jehovah amin’ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay, ka tsy misy amintsika tokony hitsara ny hafa momba ireny zavatra ireny. (Matio 7:1, 2; Jakoba 4:10-12). Mba hiaraha-manompo amim-piraisan-tsaina, dia tsy maintsy misy rivo-piainana anjakan’ny fitokisana sy ny fanajana ao amin’ny kôngregasiôna. Manampy antsika hitsimbina ny fihavanantsika sy ny firaisan-tsaintsika ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, amin’ny fanolorany torohevitra araka ny Soratra Masina, amin’ny fotoana ilana izany. — Romana 14:19.
Fiarovana ny andian’ondry
18, 19. a) Miaro antsika amin’iza ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’? b) Mila ny harovana amin’ny loza hafa inona ny ondry, ary inona no ataon’ny loholona mba hiarovana ny ondry?
18 Fahefatra, dia manolotra ireo “lehilahy ho fanomezana” i Jehovah, mba hiarovana antsika tsy ho voataonan’ny “rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana”. (Efesiana 4:14). Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “saim-petsy”, dia voalaza fa midika hoe “hafetsifetsena rehefa milalao kodiakely”, na hoe “fahakingana eo amin’ny fampiasana kodiakely”. Moa ve izany tsy mampahatsiahy antsika ny hafetsen’ny mpivadi-pinoana? Mampiasa fanaporofoan-kevitra mamitaka izy ireo, ka manolana ny Soratra Masina mba hitaomana ny Kristianina marina hiala amin’ny finoany. Tsy maintsy mailo amin’ny “amboadia masiaka” toy ireny ny loholona! — Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
19 Mila ny harovana amin’ny loza hafa koa ny ondrin’i Jehovah. Tsy nanan-tahotra i Davida mpiandry ondry fahiny, niaro ny andian’ondrin’ny rainy tamin’ny biby mpiremby. (1 Samoela 17:34-36). Amin’izao andro izao koa, dia mety hisy toe-javatra hipoitra izay tsy maintsy hanehoan’ny mpiandry kristianina herim-po, mba hiarovana ny andian’ondry amin’izay mety ho ratsy fitondra ny ondrin’i Jehovah na hampahory azy ireo, indrindra fa ireo ondry mora voa. Ny loholona dia ho mailaka ny hanaisotra ao amin’ny kôngregasiôna ireo mpanota an-tsitrapo, izay minia mampiasa saim-petsy sy fitaka ary teti-dratsy mba hanaovan-dratsy.b — 1 Korintiana 5:9-13; ampitahao amin’ny Salamo 101:7.
20. Nahoana isika no afaka mahatsapa ho milamin-tsaina eo ambany fikarakaran’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’?
20 Velom-pankasitrahana erỳ isika noho ny amin’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’! Eo ambany fiahiany feno fitiavana, dia afaka mahatsapa ho milamin-tsaina isika, satria manitsy antsika amim-pitiavana izy ireo, mampiorina antsika amim-pitiavana, tsy mihambahamba mitsimbina ny firaisan-tsaintsika, ary miaro antsika amin-kerim-po. Ahoana anefa no tokony hiheveran’ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, ny anjara asany ao amin’ny kôngregasiôna? Ary ahoana no azontsika anehoana ny fankasitrahantsika azy ireo? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny dikan-tenin’ny Septante grika, dia nampiasaina ao amin’ny Salamo 17[16]:5 io matoanteny izay nadika hoe ‘manitsy’ io. Ao amin’io salamo io, dia nivavaka i Davida nahatoky mba haharetan’ny diany eo amin’ny lalan’i Jehovah.
b Jereo, ohatra, ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1980, pejy faha-31-32, sy ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hankahala ny Ratsy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1997, pejy faha-26-29.
Tadidinao Ve?
◻ Iza moa ireo ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’, ary inona no antony nanomezan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny alalan’i Kristy ho an’ny kôngregasiôna?
◻ Ahoana no anatontosan’ny loholona ny andraikiny hanitsy ny andian’ondry?
◻ Inona no azon’ny loholona atao mba hampiorenana ny mpiray finoana aminy?
◻ Ahoana no azon’ny loholona itsimbinana ny firaisan-tsain’ny kôngregasiôna?
[Sary, pejy 10]
Manampy an’ireo loholona hampahery an’ireo kivy, ny fahaiza-miombom-pihetseham-po aminy
[Sary, pejy 10]
Mampandroso ny firaisan-tsaina ao amin’ny kôngregasiôna ny firaisan-tsaina eo anivon’ireo loholona