Fifampiresahana Mahasoa — Fanalahidy Iray ho An’ny Fanambadiana Vanona
Tamin’ny 1778, i Robert Barron dia nahazo ny taratasy nanamarina ny namoronany hidin-javatra iray nisy hidiny roa sosona izay mbola fototra anaovana ny hidim-baravarana maoderina foana. Io zavatra noforoniny io dia nitaky ny fampiasana fanalahidy tokana izay afaka namoha indray miaraka ireo hidiny roa tao amin’ilay hidim-baravarana.
TOY izany koa, ny fanambadiana vanona dia miankina amin’ny fiaraha-miasan’ny mpivady amim-piraisan-tsaina. Mba hahitana ilay fifaliana sarobidy entin’ny fanambadiana vanona, ka hiainana amin’izany, dia zavatra iray tena ilaina ny fifampiresahana mahasoa.
Izay tafiditra amin’ny fifampiresahana mahasoa
Inona no tafiditra amin’ny fifampiresahana mahasoa? Ny diksionera iray dia mamaritra ny fifampiresahana ho “fampitana na fifanakalozana izay ao an-tsaina, na hevitra, na vaovao, amin’ny alalan’ny teny, na soratra, na fihetsika”. Tafiditra amin’ny fifampiresahana àry ny fifamborahana fihetseham-po sy hevitra. Ary voafaoka amin’ny fifampiresahana mahasoa ireo zavatra mampandroso, mamelombelona, mampiseho hatsaran-toetra, mendri-piderana, ary mampionona. — Efesiana 4:29-32; Filipiana 4:8.
Ny fatokisana sy ny fitokisana ary ny fifankahazoan-kevitra no mahatonga ny fifampiresahana mahasoa hisy. Hita ireo toetra tsara ireo rehefa heverina ho fifandraisana maharitra ny fanambadiana, ary rehefa misy marina ny fahatapahan-kevitra hanao izay hahombiazan’izy io. Nanazava ny fifandraisana toy izany i Joseph Addison, mpanoratra tamin’ny taonjato faha-18, ka nanoratra toy izao: “Ny olon-droa izay nifampifidy tao anatin’ny maro, tamin’ny fananana fikasana ny hifanome fampiononana sy fahafinaretana, dia nanome adidy ny tenany tamin’ny fanaovana izany zavatra izany. Manana adidy àry izy mivady ho miramiran-tava, hahafinaritra, ho malina, hamela heloka, hanana faharetana, ary ho falifaly, raha ny amin’ny fahalemena sy ny tsy fahalavorarian’izy ireo avy.” Endrey ny hasambaran’ny fanambadiana toy izany! Ary afaka mandravaka ny fanambadianao ireo toetra toy ny vatosoa ireo, satria mety ho azonao amin’ny alalan’ny fifampiresahana mahasoa izy ireo.
Vato misakana ny fifampiresahana mahasoa
Manomboka ny fanambadiany amin’ny fijerena lafy tsaran-javatra, eny, amim-pahasambarana be mihitsy aza, ny ankamaroan’ny mpivady. Ho an’ny maro anefa, dia misinda vetivety foana ilay fahasambarana be, ary manjavona ilay fijerena lafy tsaran-javatra. Mety ho fifangaroana mangidin’ny fahadisoam-panantenana sy ny hatezerana sy ny fankahalana ary ny tsy fitiavana tanteraka mihitsy aza, no hisolo toerana ny fananan-toky. Amin’izay dia hanjary toe-javatra tsy maintsy hiaretana fotsiny “mandra-pahatongan’ny fahafatesana izay hampisaraka antsika”, ilay fanambadiana. Mba hanatsarana na hihazonana ilay fifampiresahana mahasoa, izay tena ilaina mba hahavanona ny fanambadiana àry, dia misy vato misakana sasany tsy maintsy resena.
Ny tahotra izay mety ho fihetsik’ilay vady manoloana ny zavatra holazaina, na faniriana sasany ambara aminy, dia mety ho tena vato misakana amin’ny fifampiresahana mahasoa. Ohatra, mety hipoitra ny tahotra ny holavina, rehefa fantatra fa misy takaitra lehibe efa miforona tsikelikely ao amin’ny tena. Ahoana no hanazavana amin’ny vadin’ny tena fa hanova be ny bika na ny fahafahan’ny tena hiasa ny zavatra iray hatao amin’ny hoavy? Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia vao mainka tena ilaina ny fifampiresahana amim-pahatsorana sy ny fanaovana fandaharana tsara momba ny hoavy. Ny teny fanomezan-toky fa mbola tiana foana ny tena, ary ny fihetsika mampiseho firaiketam-po atao matetika, dia hampiharihary ny fiahiana manokana, izay hanampy amin’ny fananana fanambadiana tena mahafa-po. Ao amin’ny fanambadiana no tokony hisehoan’ny fahamarinan’ity ohabolana ity amin’ny fomba feno indrindra: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” — Ohabolana 17:17.
Ny lonilony dia vato misakana hafa iray amin’ny fifampiresahana mahasoa. Voalaza tsara tokoa fa ny fanambadiana sambatra dia fikambanan’olon-droa mahay mamela heloka. Mba hitoviana amin’io filazalazana io, ny mpivady dia hanao ny ezaka rehetra mba hanarahana izao torohevitra mahasoa nomen’ny apostoly Paoly izao: “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Azo antoka fa mitaky fifampiresahana amim-panetren-tena fa tsy fitahirizana fahatezerana na lonilony, ny fampiharana io torohevitra io. Ireo olon-droa manana fanambadiana vanona dia tsy resin’ny fahatezerana sy ny fifandirana ary ny fanaovana otripo, tsy an-kijanona. (Ohabolana 30:33). Miezaka izy ireo hanahaka an’Andriamanitra, izay tsy mitahiry lonilony. (Jeremia 3:12). Eny tokoa, mifamela heloka amin’ny fo izy ireo. — Matio 18:35.
Ny tsy fetezana hiteny dia vato misakana miharihary amin’izay mety ho fifampiresahana. Mety ho tafiditra amin’izany ny endrika milondolondo, ny fisentoana lalina, ny fanaovan-javatra mandeha ho azy, ary ny tsy fetezana hiresaka. Ny vady maneho fihetsika toy izany dia mampita endriny iray amin’ny tsy fahafaliana. Ny filazana ny fihetseham-pon’ny tena amim-pahatsorana sy amin’ny fomba mahafinaritra anefa, dia manatsara lavitra ny fanambadiana noho ny fanginana sy ny filondolondoana.
Ny tsy fihainoana tsara, na ny tsy fihainoana mihitsy rehefa miteny ny vady, dia vato misakana hafa koa izay tsy maintsy resena mba hisian’ny fifampiresahana tsara eo amin’ny faritry ny fanambadiana. Angamba isika vizana loatra, na be atao loatra fotsiny ka tsy manana ny herin-tsaina sy ny herim-po ilaina mba hifampihainoana amim-pitandremana. Mety hipoitra ny fifamaliana momba ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny fandaharana natao. Nihevitra ny andaniny fa efa nambara mazava tsara ny amin’izy io, nefa manizingizinina ny ankilany fa sambany vao nandre azy io. Mazava ho azy, fa ny tsy fahampian’ny fifampiresahana no mahatonga ireny fahasahiranana ireny.
Ny fomba hampandrosoana ny fifampiresahana mahasoa
Zava-dehibe aoka izany ny hakana fotoana hifanaovana resaka feno fitiavana sy mahasoa! Misy mandany fotoana be loatra eo anoloan’ny televiziona, hijerena fiainan’olon-kafa, hany ka zara izy ireny raha manana fotoana ho an’ny tenany manokana. Noho izany, dia matetika ny fanapihana ny televiziona no dingana ilaina hatao mba hisian’ny fifampiresahana mahasoa.
Toy ny isian’ny fotoana mety hitenenana anefa, no isian’ny fotoana hanginana. Hoy ilay lehilahy hendry: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy (...): Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana”. Tsy azo lavina fa misy koa ny teny tsara tokony holazaina. “Endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!”, hoy ny marihin’ny ohabolana iray. (Mpitoriteny 3:1, 7; Ohabolana 15:23). Koa fantaro àry ny fotoana tsara indrindra hilazanao lafin-javatra tena lehibe, na hanambarana ny fanahiana ao am-ponao. Manontania tena hoe: ‘Vizana ve ny vadiko, sa afa-boly sy mavitrika? Mety hampisendaotra ve ilay zavatra tiako horesahina? Inona no tsy nankasitrahan’ny vadiko tamin’ny teny nampiasaiko, fony izahay niresaka farany momba io raharaha io?’
Tsara ny hitadidiana fa manana fihetsika mahafinaritra be ny olona, rehefa hitany ny fomba andraisan’ny tenany soa avy amin’ny fiaraha-miasa na ny fanekena fangatahana iray. Raha nisy tsy fifankahazoana nipoitra teo amin’ny mpivady, dia nety ho nirona hilaza toy izao ny iray taminy: “Nisy zavatra nahasosotra ahy, ka andeha halamintsika izao ankehitriny izao ilay izy!” Mazava ho azy, fa hiankina amin’ny tarehin-javatra ny fomba tena hilazana izany teny izany, nefa mety ho tsara kokoa ny hilazana zavatra sahala amin’izao: “Malala a, noeritreretiko ny amin’ilay raharaha noresahintsika teo aloha iny, sy ny fomba mety handaminana azy.” Iza amin’ireo no azo inoana kokoa fa hankasitrahan’ny vadinao?
Eny, tena zava-dehibe ny fomba ilazana zavatra. Toy izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka ny fiteninareo ho [mahafinaritra, NW ] mandrakariva, ho mamy sira”. (Kolosiana 4:6). Iezaho hatao mahafinaritra ny toetran’ny feonao sy ny teny ampiasainao. Tadidio fa “toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana”. — Ohabolana 16:24.
Ho an’ny mpivady sasany, ny fiaraha-manatontosa asa ao an-tokantrano dia mety hahatonga rivo-piainana tsara dia tsara mitarika ho amin’ny fifampiresahana. Ny fiaraha-miasa toy izany dia sady afaka mampisy fahatsapana ho nandray anjara, no manome fotoana hanaovana resadresaka mahasoa. Ho an’ny mpivady hafa, dia tsara kokoa ary mitarika bebe kokoa ho amin’ny fifampiresahana mahasoa, ny fotoana mangina iarahan’izy roa irery, tsy misy fitadiavana hanao zavatra.
Zavatra betsaka matetika no azo ianarana avy amin’ny fandinihana tsara ny fomba ifampiresahan’ny mpivady mifankahazo tsara. Inona no nahatonga azy ireo ho toy izany? Azo inoana tokoa, fa ny fifankahazoana sy ny fifampiresahana mora foana eo amin’izy ireo dia vokatry ny ezaka manokana sy ny faharetana ary ny fanehoam-piheverana feno fitiavana. Toa nanan-javatra maro nianarana koa izy ireo, satria tsy tonga ho azy fotsiny eo ny fanambadiana vanona. Tena zava-dehibe àry ny hanisiana fiheverana ny fomba fihevitry ny vadinao, sy ny hahatakarana ny zavatra ilainy, ary ny hanalefahana ireo toe-javatra mety tsy hampifankahazo, amin’ny fanaovana teny mampiseho fahamalinana. (Ohabolana 16:23). Raha manambady àry ianao, dia miezaha ho olona mahafinaritra hiaraha-miaina sy mora hialan-tsiny. Tena hanampy marina tokoa eo amin’ny fanaovana izay hahavanona ny fanambadianao izany.
Irin’i Jehovah Andriamanitra ny hananan’ny olona fanambadiana sambatra sy maharitra. (Genesisy 2:18, 21). Ny fanalahidin’izany anefa, dia eo an-tanan’ireo tafakambana ao amin’ny fanambadiana. Olon-droa be fitiavana izay tena miara-miasa no ilaina mba hamoha ny varavarana ho amin’ny fanambadiana vanona. Ny fahaizan’izy ireo mampiasa tsara ny fifampiresahana mahasoa no antok’izany.
[Sary, pejy 22]
Manome fotoana bebe kokoa hifampiresahana ny fanapihana ny televiziona
[Sary, pejy 23]
Manampy mba hampifamatotra ny fo ao amin’ny fitiavana maharitra ny fifampiresahana mahasoa