Aoka Ianareo ho Mpamaky Sambatra ny Bokin’ny Apokalypsy
“Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny”. — APOKALYPSY 1:3.
1. Tao anatin’ny tarehin-javatra nanao ahoana ny apostoly Jaona fony izy nanoratra ny Apokalypsy, ary inona no zava-kendrena tamin’ny nanaovana an-tsoratra ireny fahitana ireny?
“IZAHO Jaona, (...) dia tao amin’ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy.” (Apokalypsy 1:9). Tao anatin’izany tarehin-javatra izany no nanoratan’ny apostoly Jaona ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana. Heverina fa natao sesitany tany Patmo izy, nandritra ny fanapahan’ilay Emperora romanina atao hoe Domitien (81-96 am.f.i.), izay nanery ny olona hivavaka tamin’ny emperora ka nanjary mpanenjika ny Kristianina. Raha mbola tany Patmo i Jaona, dia nahazo fitohitohizana fahitana, izay nataony an-tsoratra. Nitantara ireny fahitana ireny izy, tsy hoe mba hampitahorana ireo Kristianina tany am-boalohany, fa mba hanatanjahana sy hampiononana ary hampaherezana azy ireo kosa, noho ny fisedrana efa zakain’izy ireo sy izay mbola niandry azy ireo. — Asan’ny Apostoly 28:22; Apokalypsy 1:4; 2:3, 9, 10, 13.
2. Nahoana no mahaliana ny Kristianina miaina amin’izao andro izao ilay toe-javatra nisy an’i Jaona sy ireo Kristianina tahaka azy?
2 Tena misy heviny ho an’ny Kristianina miaina amin’izao andro izao ilay toe-javatra nanoratana an’io boky ao amin’ny Baiboly io. Niharam-panenjehana i Jaona, satria vavolombelon’i Jehovah sy i Kristy Jesosy, Zanany. Niaina tao anatin’ny rivo-piainana izay nanjakan’ny fankahalana azy i Jaona sy ireo Kristianina tahaka azy, satria tsy afaka nivavaka tamin’ny emperora izy ireo, na dia niezaka ny ho olom-pirenena vanona aza. (Lioka 4:8). Any amin’ny tany sasany, dia ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany ny Kristianina marina amin’izao andro izao, satria mihevi-tena ho manan-jo hamaritra izay atao hoe “mety eo amin’ny lafiny ara-pivavahana” ny Fanjakana any aminy. Tena mitondra fampiononana àry ireo teny ao amin’ny fampidirana ny bokin’ny Apokalypsy, manao hoe: “Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.” (Apokalypsy 1:3). Eny, afaka mahita fahasambarana marina sy fitahiana maro ireo mpamaky ny Apokalypsy, izay mampifantoka tsara ny sainy sy mankato.
3. Iza no Loharanon’ilay Fanambarana natao tamin’i Jaona?
3 Iza no Loharano nipoiran’ny Apokalypsy, ary inona no fitaovana ampiasaina mba hampitana azy io? Milaza amintsika toy izao ilay andininy fanokafana: “Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony”. (Apokalypsy 1:1). Raha lazaina tsotra, ny tena Loharanon’ny Apokalypsy dia i Jehovah Andriamanitra, izay nanome azy io an’i Jesosy, ary i Jesosy kosa indray nampita azy io tamin’i Jaona, tamin’ny alalan’ny anjely iray. Rehefa bebe kokoa ny fandinihana atao, dia miharihary avy amin’izany fa nampiasa koa ny fanahy masina i Jesosy mba hampitana hafatra tany amin’ireo kôngregasiôna sy mba hanomezana fahitana an’i Jaona. — Apokalypsy 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22; 4:2; 17:3; 21:10; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:33.
4. Fitaovana inona no mbola ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao mba hitarihana ny vahoakany eto an-tany?
4 I Jehovah dia mbola mampiasa ny Zanany, ilay “Lohan’ny fiangonana”, mba hampianarana ny mpanompony eto an-tany. (Efesiana 5:23; Isaia 54:13; Jaona 6:45). Mampiasa ny fanahiny koa i Jehovah mba hampianarana ny vahoakany. (Jaona 15:26; 1 Korintiana 2:10). Nampiasa an’i “Jaona mpanompony” i Jesosy mba hampitana sakafo ara-panahy mahavelona tany amin’ireo kôngregasiôna tamin’ny taonjato voalohany. Toy izany koa amin’izao andro izao, satria mampiasa ny “mpanompo mahatoky sy malina”, voaforon’ireo ‘rahalahiny’ voahosotra eto an-tany, i Jesosy, mba hanomezana ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety’, ho an’ireo mpiasany sy ny naman’izy ireo. (Matio 24:45-47, NW; 25:40). Sambatra ireo izay manaiky an’ilay Loharanon’ny “fanomezan-tsoa” azontsika eo amin’ny lafiny sakafo ara-panahy, ary manaiky an’ilay fitaovana ampiasainy. — Jakoba 1:17.
Kôngregasiôna tarihin’i Kristy
5. a) Ampitahaina amin’ny inona ny kôngregasiôna kristianina sy ireo mpiandraikitra ao aminy? b) Inona no handray anjara amin’ny fahasambarantsika, na dia eo aza ny tsy fahalavorariantsika?
5 Ao amin’ireo toko fanokafana ny Apokalypsy, dia ampitahaina amin’ny fanaovan-jiro ny kôngregasiôna kristianina. Ampitahaina amin’ny anjely (mpitondra hafatra) sy ny kintana kosa ny mpiandraikitra ao amin’izy ireo. (Apokalypsy 1:20)a. Rehefa niresaka ny mombamomba azy tamin’i Jaona i Kristy, dia nasainy nanoratra toy izao i Jaona: “Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito”. (Apokalypsy 2:1). Asehon’ireo hafatra fito nalefa ho an’ireo kôngregasiôna tany Azia fa, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nanana ny lafiny nampahatanjaka azy sy ny lafiny nampahalemy azy, ireo kôngregasiôna sy ireo loholona tao aminy. Toy izany koa ny amin’izao andro izao. Ho sambatra tokoa àry isika raha tsy manadino na oviana na oviana fa eo anivon’ireo kôngregasiôna i Kristy, Ilay Lohantsika. Fantany marina tsara izay mitranga. Amin’ny heviny ara-panoharana, dia eny “an-tànany ankavanana” ireo mpiandraikitra, izany hoe, eo ambany fifehezany sy eo ambany fitarihany, ary ampamoahina eo anatrehany ny amin’ny fomba iandrasan’izy ireo ny kôngregasiôna. — Asan’ny Apostoly 20:28; Hebreo 13:17.
6. Inona no mampiseho fa tsy ireo mpiandraikitra ihany no ampamoahina eo anatrehan’i Kristy?
6 Hamita-tena anefa isika raha mihevitra fa ny mpiandraikitra ihany no ampamoahina eo anatrehan’i Kristy ny amin’izay ataony. Hoy i Kristy, ao amin’ny iray amin’ireo hafany: “Ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.” (Apokalypsy 2:23). Sady fampitandremana izany no loharanom-pampaherezana: fampitandremana fa mahalala ny antony manosika antsika lalina indrindra i Kristy, ary fampaherezana kosa satria manome toky antsika izy io hoe fantatr’i Kristy ny fiezahantsika, ka hitahy antsika izy raha manao araka izay rehetra azontsika atao isika. — Marka 14:6-9; Lioka 21:3, 4.
7. Tamin’ny ahoana ny Kristianina tany Filadelfia no ‘nitandrina ny tenin’i Jesosy ny amin’ny faharetana’?
7 Tsy nisy fananarana ny hafatr’i Kristy ho an’ny kôngregasiôna tany Filadelfia, tanàna any Lydia. Manome fampanantenana iray izay tokony hahaliana antsika indrindra anefa izy io. “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny [ora fitsapana, NW ] izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 3:10). Ilay teny grika nadika hoe “efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana”, dia mety hidika koa hoe “nitandrina izay nolazaiko momba ny faharetana”. Toa tondroin’ny andininy faha-8 fa tsy vitan’ny hoe nankato ireo didin’i Kristy ny Kristianina tany Filadelfia, fa nanaraka koa ilay toroheviny ny amin’ny tokony haharetan’izy ireo amim-pahatokiana. — Matio 10:22; Lioka 21:19.
8. a) Inona no fampanantenana nomen’i Jesosy an’ireo Kristianina tany Filadelfia? b) Mahakasika an’iza amin’izao andro izao ilay “ora fitsapana”?
8 Nanampy teny i Jesosy hoe hiaro azy ireo ho voavonjy amin’ny “ora fitsapana” izy. Tsy fantatsika hoe inona marina no hevitr’izany ho an’ireo Kristianina tamin’izany fotoana izany. Taorian’ny nahafatesan’i Domitien, tamin’ny 96 am.f.i., dia niato kely ilay fanenjehana. Na izany aza anefa, dia nirongatra indray ny fanenjehana vaovao, teo ambany fanapahan’i Trajan (98-117 am.f.i.), ka azo inoana fa niteraka fisedrana bebe kokoa. Amin’ny “andron’ny Tompo” mandritra izao “andro farany” iainantsika izao anefa ny “ora fitsapana” lehibe indrindra. (Apokalypsy 1:10; Daniela 12:4). Ireo Kristianina voahosotry ny fanahy dia nandia fotoam-pitsapana manokana iray nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy taorian’izy io avy hatrany. Mbola mitohy anefa ilay “ora fitsapana”, izay mahakasika an’ “izao tontolo izao” manontolo, ao anatin’izany ireo olona an-tapitrisany maro anisan’ny olona betsaka, manantena ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 3:10; 7:9, 14). Ho sambatra isika raha ‘mitandrina izay nolazain’i Jesosy momba ny faharetana’, dia ny hoe: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:13.
Fanekena amim-pifaliana ny fiandrianan’i Jehovah
9, 10. a) Amin’ny fomba ahoana avy no tokony hisy akony eo amintsika ilay fahitana momba ny seza fiandrianan’i Jehovah? b) Amin’ny ahoana no mandray anjara amin’ny fahasambarantsika ny famakiantsika ny Apokalypsy?
9 Ilay fahitana momba ny seza fiandrianan’i Jehovah sy ny kianjany any an-danitra, ao amin’ny toko faha-4 sy faha-5 amin’ny Apokalypsy, dia tokony hahatonga antsika hanana tahotra feno fanajana. Tokony hanaitra antsika ilay teny fiderana amim-pahatsorana ataon’ireo zavaboary mahery any an-danitra, eo am-paneken’izy ireo amim-pifaliana ny fiandrianana marin’i Jehovah. (Apokalypsy 4:8-11). Ny feontsika dia tokony ho re eo anivon’ireo izay milaza toy izao: “Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.” — Apokalypsy 5:13.
10 Raha amin’ny lafiny fampiharana, izany dia midika ho fanekena amim-pifaliana ny sitrapon’i Jehovah, amin’ny zavatra rehetra. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.” (Kolosiana 3:17). Hahatonga antsika ho sambatra marina tokoa ny famakiana ny Apokalypsy, raha toa isika, ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika lalina indrindra ao, ka manaiky ny fiandrianan’i Jehovah sy mihevitra ny sitrapony amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika.
11, 12. a) Ahoana no hanozongozonana sy handravana ny fandehan-javatr’i Satana eto an-tany? b) Araka ny Apokalypsy toko faha-7, iza no ‘hahajanona’ amin’izany fotoana izany?
11 Ny fanekena amim-pifaliana ny fiandrianan’i Jehovah no fototry ny fahasambarana, na eo amin’ny isam-batan’olona izany na eo amin’izao rehetra izao. Tsy ho ela, dia hisy horohoron-tany lehibe ara-panoharana iray hanozongozona hatramin’ny fotony ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izaon’i Satana, ka handrava azy io. Tsy hisy toeram-pialofana ho an’ny olona tsy mety manaiky ilay fitondram-panjakan’i Kristy any an-danitra, izay fisehoan’ny fiandrianana ara-dalàna ananan’Andriamanitra. Hoy ilay faminaniana: “Ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanan-karena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra; ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy: Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo, ka iza no mahajanona?” — Apokalypsy 6:12, 15-17.
12 Mahakasika an’io fanontaniana io, dia lazalazain’ny apostoly Jaona, ao amin’ny toko manaraka, ho ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ ireo anisan’ny olona betsaka, izay avy tamin’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 7:9, 14, 15). Ny fitsanganan’izy ireo eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra dia mampiseho fa manaiky ny maha ara-dalàna io seza fiandrianana io izy ireo, ary manaiky tanteraka ho eo ambanin’ny fiandrianan’i Jehovah. Mitana toeram-pankasitrahana izy ireo, noho izany.
13. a) Inona no iankohofan’ny ankamaroan’ny mponin’ny tany, ary sary mampiseho inona ilay marika eo amin’ny handrin’izy ireo na eo amin’ny tanany? b) Nahoana, araka izany, no hilaina ny faharetana?
13 Etsy an-danin’izany, ny toko faha-13 dia milazalaza ny sisa amin’ny mponin’ny tany ho miankohoka amin’ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana, izay aseho an’ohatra amin’ny endriky ny bibidia iray. Mandray marika eo amin’ny “handriny” na eo amin’ny “tànany” izy ireo, ka izany dia mampiseho ny fanohanan’izy ireo ara-tsaina sy ara-batana an’io fandehan-javatra io. (Apokalypsy 13:1-8, 16, 17). Manampy teny toy izao, avy eo, ny toko faha-14: “Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra (...). Indro ny faharetan’ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy.” (Apokalypsy 14:9, 10, 12). Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia vao mainka hipetraka izao fanontaniana izao: Iza no tohananao? I Jehovah sy ny fiandrianany ve sa ny fandehan-javatra ara-politika tsy tia an’Andriamanitra, izay aseho an’ohatra amin’ny endriky ny bibidia? Ho sambatra ireo izay tsy mandray ny mariky ny bibidia sy maharitra amim-pahatokiana, ho fanekena ny fiandrianan’i Jehovah.
14, 15. Hafatra inona no manapaka kely ilay filazalazana an’i Haramagedona, ao amin’ny Apokalypsy, ary inona no hevitr’izany ho antsika?
14 Eo an-dalana ho amin’ny fifandonana iray ireo mpanapaka eo amin’ “izao tontolo izao”, ary mizotra mba hifanandrina amin’i Jehovah mahakasika ilay raharaha iadian-kevitra momba ny fiandrianana. I Haramagedona, izany hoe “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, no hamarana tanteraka an’io adihevitra io. (Apokalypsy 16:14, 16). Ao anatin’ilay filazalazana momba ny fanangonana ireo mpanapaka amin’ny tany mba hiady amin’i Jehovah indrindra, no isehoan’ny andalan-teny tena mahaliana iray, izay mihataka amin’ilay foto-kevitra resahina. I Jesosy mihitsy no nanapaka kely an’ilay fahitana mba hilazana hoe: “Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.” (Apokalypsy 16:15). Izany dia mety hilaza tsy mivantana ireo Levita mpiambina ny tempoly, izay nampitanjahina sy nalam-baraka ampahibemaso raha tratra natory nandritra ny anjara fiambenany.
15 Mazava ilay hafatra tiana hampitaina: Raha irintsika ny ho tafita velona amin’i Haramagedona, dia tsy maintsy mitoetra ho mailo ara-panahy isika, ka miaro ilay fitafiana ara-panoharana ahafantarana antsika ho Vavolombelona mahatokin’i Jehovah Andriamanitra. Ho sambatra isika raha manalavitra ny fatoritoriana ara-panahy ka tsy mitsahatra mandray anjara amin-jotom-po amin’ny fampielezana ny “vaovao tsara mandrakizay” momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. — Apokalypsy 14:6, NW.
‘Sambatra izay mitandrina ireo teny ireo’
16. Nahoana no antom-pahasambarana manokana ireo toko famaranana ny Apokalypsy?
16 Ireo mpamaky sambatra ny bokin’ny Apokalypsy dia tsy afaka ny tsy hientan-kafaliana eo am-pamakiana ireo toko famaranana izay milazalaza izao fanantenantsika be voninahitra izao: lanitra vaovao sy tany vaovao, izany hoe, fitondram-panjakana marina any an-danitra, manapaka fitambaran’olona voadio sy vaovao, izay samy ho fiderana an’i ‘Jehovah Andriamanitra Tsitoha’. (Apokalypsy 21:22). Eo am-pifaranan’ireo fitohitohizana fahitana mahatalanjona, dia nilaza toy izao tamin’i Jaona ny anjely mpitondra hafatra iray: “Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. Ary, indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.” — Apokalypsy 22:6, 7.
17. a) Fanomezan-toky inona no omena ao amin’ny Apokalypsy 22:6? b) Tokony ho mailo isika hanalavitra ny inona?
17 Ho tadidin’ireo mpamaky sambatra ny Apokalypsy fa misy teny mitovy amin’ireo, eo am-piandohan’ilay “boky”. (Apokalypsy 1:1, 3). Manome toky antsika ireo teny ireo fa “ho tonga faingana” ny “zavatra” rehetra nambaran’ny faminaniana ao amin’io boky farany ao amin’ny Baiboly io. Efa lasa lavitra amin’ny andro farany isika izao, ka ireo fisehoan-javatra mifandray amin’izany, izay nambara mialoha ao amin’ny Apokalypsy, dia tsy maintsy hitranga tsy ho ela, ary hisesisesy haingana ny fitrangany. Tsy tokony handrotsirotsy antsika hatory àry izay rehetra mety ho toa filaminana eo amin’ny fandehan-javatr’i Satana. Ireo mpamaky mailo dia hitadidy ny fampitandremana omena ao amin’ireo hafatra nalefa ho an’ireo kôngregasiôna fito tany Azia, ka hanalavitra ny fandriky ny fiahiana fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo, ny fanompoan-tsampy, ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fahatongavana ho matimaty ara-panahy, ary ny famoronana sekta mpivadi-pinoana.
18, 19. a) Nahoana no tsy maintsy mbola ho avy i Jesosy, ary fanantenana inona nambaran’i Jaona no ananantsika? b) Mbola ho “avy” noho ny zava-kendrena inona i Jehovah?
18 Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia imbetsaka i Jesosy no milaza toy izao: “Avy faingana Aho.” (Apokalypsy 2:16; 3:11; 22:7, 20a). Tsy maintsy mbola ho avy izy hanatanteraka didim-pitsarana amin’i Babylona Lehibe, sy amin’ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana, ary amin’ny olombelona rehetra izay tsy mety manaiky ny fiandrianan’i Jehovah, izay ny Fanjakana Mesianika no endrika isehoany ankehitriny. Miara-manandra-peo amin’ny apostoly Jaona izay nihiaka toy izao isika: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — Apokalypsy 22:20b.
19 Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manambara hoe: “Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.” (Apokalypsy 22:12). Miandry ilay famaliana na valisoa be voninahitra isika, izany hoe ny fiainana tsy hanam-pahataperana amin’ny maha anisan’ilay “lanitra vaovao” nampanantenaina na anisan’ny “tany vaovao”. Koa eo am-piandrasana izany, dia enga anie isika handray anjara amin-jotom-po amin’ny fampielezana izao fanasana izao, any amin’ny olona tso-po rehetra: “Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 22:17). Ny irariana dia ny mba hahatongavan’izy ireny koa ho mpamaky sambatra ilay boky ara-tsindrimandry sy mampientam-po, dia ny Apokalypsy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-28-29, 136 (fanamarihana ambany pejy).
Hevitra ho Famerenana
◻ Fitaovana inona no nampiasain’i Jehovah mba hampitana ny Apokalypsy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
◻ Nahoana isika no tokony ho sambatra rehefa mamaky ny hafatra nalefa ho an’ireo kôngregasiôna fito tany Azia?
◻ Ahoana no ahafahantsika ho voaro hatrany mandritra ny “ora fitsapana”?
◻ Fahasambarana manao ahoana no ho azontsika raha mitandrina ny tenin’ilay boky mirakitra ny Apokalypsy isika?
[Sary, pejy 15]
Sambatra ireo izay manaiky ny Loharanon’ilay vaovao mahafaly
[Sary, pejy 18]
Sambatra izay miambina