FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 72
  • Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Aoka Ianareo ho Mpamaky Sambatra ny Bokin’ny Apokalypsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Apokalypsy—Mahafaly ny Fiafaran’ilay Fampiharihariana!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Apokalypsy 21:1: “Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Zavatra Tsy Maintsy Hitranga Tsy ho Ela
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 72
Lehilahy iray mamaky ny bokin’ny Apokalypsy, ary maka sary an-tsaina ny bibidia iray sy ireo mpitaingin-tsoavaly resahina ao

Inona Marina no Voalaza ao Amin’ny Apokalypsy?

Valiny ara-baiboly

Avy amin’ny teny grika hoe Apôkalypsis, izay midika hoe “Fanalana Sarona” na “Fampahafantarana”, ny anaran’ilay boky ao amin’ny Baiboly hoe Apokalypsy. Hitantsika amin’io anarana io fa manala sarona na mampiharihary zava-miafina ilay boky, ary mampahafantatra zavatra hitranga fotoana ela aorian’ny anoratana azy. Mbola ho tanteraka ny faminaniana maro voalaza ao.

Topy maso amin’ny bokin’ny Apokalypsy

  • Teny fampidirana.—Apokalypsy 1:1-9.

  • Hafatr’i Jesosy ho an’ireo fiangonana fito.—Apokalypsy 1:10–3:22.

  • Fahitana momba an’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra.—Apokalypsy 4:1-11.

  • Fahitana mifampitohitohy:

    • Tombo-kase fito.—Apokalypsy 5:1–8:6.

    • Trompetra fito. Manambara loza telo ireo trompetra telo farany.—Apokalypsy 8:7–14:20.

    • Vilia fito. Misy loza iray ao anatin’ny vilia tsirairay, ary manondro ny didim-pitsaran’Andriamanitra hampiharina amin’ny tany ny loza tsirairay.—Apokalypsy 15:1–16:21.

    • Fahitana momba ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra.—Apokalypsy 17:1–20:10.

    • Fahitana momba ny fitahian’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany.—Apokalypsy 20:11–22:5.

  • Teny famaranana.—Apokalypsy 22:6-21.

Hevitra mila tadidina mba hahatakarana an’izay voalazan’ny Apokalypsy

  1. Zavatra tsara ho an’ireo manompo an’Andriamanitra no resahin’ny Apokalypsy, fa tsy zavatra mampahatahotra na mampihorohoro. Maro no mampifandray ny teny hoe “apokalypsy” amin’ny loza lehibe. Milaza anefa ny bokin’ny Apokalypsy, na eo am-piandohany na any amin’ny fiafarany, fa ho sambatra izay mamaky sy mahazo ary mampihatra an’izay voalaza ao.—Apokalypsy 1:3; 22:7.

  2. Misy “famantarana” na sary an’ohatra maro ao amin’ny Apokalypsy, ary tsy tokony horaisina ara-bakiteny izy ireny.—Apokalypsy 1:1.

  3. Maro amin’ny zavatra voalaza ao no efa resahin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly:

    • Jehovah, ilay “tena Andriamanitra any amin’ny lanitra” sady Mpamorona ny zava-drehetra.—Deoteronomia 4:39; Salamo 103:19; Apokalypsy 4:11; 15:3.

    • Jesosy Kristy, “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.”—Jaona 1:29; Apokalypsy 5:6; 14:1.

    • Satana Devoly, fahavalon’Andriamanitra.—Genesisy 3:14, 15; Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9.

    • Babylona Lehibe, izay fahavalon’i Jehovah Andriamanitra sy ny vahoakany sady mpampianatra lainga, toa an’i Babylona (Babela) fahiny.—Genesisy 11:2-9; Isaia 13:1, 11; Apokalypsy 17:4-6; 18:4, 20.

    • “Ny ranomasina”, izay manondro ny olombelona ratsy fanahy manohitra an’Andriamanitra.—Isaia 57:20; Apokalypsy 13:1; 21:1.

    • Ireo zavatra nampiasaina hanompoana an’Andriamanitra tao amin’ny tranolay masina fahiny. Anisan’izany ny Vata misy ny fifanekena, ranomasina tahaka ny fitaratra (kovetabe fisasana), jiro, emboka manitra natao fanatitra, ary ny alitara nanaovana sorona.—Eksodosy 25:10, 17, 18; 40:24-32; Apokalypsy 4:5, 6; 5:8; 8:3; 11:19.

    • Ireo bibidia, izay manondro ny fitondram-panjakan’olombelona.—Daniela 7:1-8, 17-26; Apokalypsy 13:2, 11; 17:3.

    • Isa misy heviny an’ohatra.—Apokalypsy 1:20; 8:13; 13:18; 21:16.

  4. Tanteraka amin’ny “andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914, ny fahitana ao amin’ny Apokalypsy. Tamin’io taona io no niorina ny Fanjakan’Andriamanitra ary lasa Mpanjaka i Jesosy. (Apokalypsy 1:10) Tanteraka amin’izao androntsika izao àry ny ankamaroan’izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy.

  5. Mila ny fahendrena avy amin’Andriamanitra isika raha te hahazo ny hevitra voalaza ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, sady mila ny fanampian’ny olona efa mahazo an’ilay izy. Izany koa no ilaina mba hahazoana an’izay voalazan’ny Apokalypsy.—Asan’ny Apostoly 8:26-39; Jakoba 1:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara