FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w04 1/7 p. 3
  • Andriamanitra ve no Tokony Homen-tsiny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitra ve no Tokony Homen-tsiny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Nozahanay Toetra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Tena Miahy Anao Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Lazao hoe Tianao Izy Ireo
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mamela Heloka ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
w04 1/7 p. 3

Andriamanitra ve no Tokony Homen-tsiny?

NISY aretina mafy tao amin’ny atidohan’ny zanakavavin’i Saholy.a Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra àry izy, ary azo inoana fa ho nanao toy izany koa ny ankamaroantsika. Hoy i Saholy: “Mbola tsy nahatsiaro ho tsy afa-manoatra sy manirery toy izany mihitsy aho.” Niharatsy ny toe-pahasalaman’ny zanany tatỳ aoriana, ka nanomboka nisalasala izy raha misy tokoa Andriamanitra. Nanontany toy izao izy: “Nahoana izany no nitranga?” Tsy azony hoe nahoana ny Andriamanitra iray be fitiavana sy be fiahiana no nahafoy ny zanany toy izany.

Tsy maningana ny zavatra nanjo an’i Saholy. Maro be ny olona eran-tany no mahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Rehefa nisy namono ny zafikelin’i Lisa, dia hoy izy: “Mbola manitikitika ny saiko foana hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny zava-dratsy hisy ... Mbola mino an’Andriamanitra foana aho, nefa tsy toy ny teo aloha intsony izany.” Nilaza toy izao koa ny vehivavy iray, taorian’ny loza nihatra tamin’ny zanany kely: “Tsy nampionona ahy mihitsy Andriamanitra rehefa nitranga izany. Tsy nasehony akory hoe mba niahy na nangoraka ahy izy ... Hananako alahelo mandrakizay Andriamanitra noho izany.”

Tezitra amin’Andriamanitra indray ny hafa, rehefa mahita ny zava-mitranga eto amin’ity tontolo ity. Ao ny firenena faran’izay mahantra sy mosarena, ny mpitsoa-ponenana mamoy fo noho ny ady, ny ankizy kamboty maro be noho ny SIDA, ary ny olona an-tapitrisany ianjadian’ny aretina. Noho izany rehetra izany sy ny loza hafa koa, dia maro no manome tsiny an’Andriamanitra, satria toa tsy manao na inona na inona izy.

Raha ny marina anefa, dia tsy Andriamanitra mihitsy no tokony homen-tsiny noho ny olana mianjady amin’ny olombelona. Misy antony marim-pototra mantsy ahafahantsika mino, fa madiva hanarina ny fahavoazana mahazo antsika izy. Asainay ianao hijery ny lahatsoratra manaraka, mba hahitana fa tena miahy antsika tokoa Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara