Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Moa ve misy toe-javatra izay mety hampiasana mpanampy amin’ny fanompoana mba hanao lahateny ampahibemaso any ivelan’ny kongregasionan’ny tenany?
Ireo loholona no nametrahan’ny Soratra Masina ny andraikitra hanao “ny teny sy ny fampianarana” ao amin’ireo kongregasiona. (1 Tim. 5:17; 3:2). Any amin’izay rehetra mety, dia izy ireo no tokony hanao ny lahateny ampahibemaso. Raha tsy ampy ireo loholona azo ampiasaina, na dia efa misy fifanakalozana mpandahateny aza eo amin’ireo kongregasiona, ny fitambaran-doholona dia mety hanendry mpanampy amin’ny fanompoana sasany hanao lahateny ampahibemaso (na, raha azo atao, hanao tapany amin’ny fitohitohizan-dahateny iray) ao amin’ny kongregasiona misy azy ireo.
Amin’ny toe-javatra ara-dalàna, dia loholona ihany no hotendrena hanao lahateny ampahibemaso any amin’ny kongregasiona hafa noho ny an’ny tenany. Kanefa, raha tsy ampy tsotra izao ireo loholona azo ampiasaina eo amin’ilay faritra, amin’izay, mba hitohizan’ny fivoriana ampahibemaso amin’ny fomba tsy tapaka, dia mety hangatahin’ny kongregasiona eo akaiky ny mpanampy amin’ny fanompoana mba hanao lahateny ampahibemaso. Raha misy fangatahana momba ny fanampian’ny mpanampy amin’ny fanompoana voarain’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, ary mahatsapa ny fitambaran-doholona eo an-toerana fa hanao tsara ilay anjara izy ireo, dia mety hotendrena handaha-teny any amin’io kongregasiona hafa io izy ireo. Kanefa, raha tsy hoe nangatahina tamin’ny fomba voafaritra tsara ho mpandahateny angaha ny mpanampy amin’ny fanompoana, dia loholona ihany no tokony halefa any amin’ireo kongregasiona hafa mba handaha-teny.
Any amin’izay tsy ahazoana mpandahateny ampahibemaso mihitsy amin’ny herinandro sasany, amin’izay dia anolorana hevitra ny hamakiana amin’ny kongregasiona an’ilay fanazavana ao amin’ny planina feno nomen’ny Fikambanana. Izy ireo dia afaka mitady sy miara-mandinika an’ireo andinin-teny. (Aza mangataka taratasy fanasana ho amin’ny famelabelarana toy izany.) Amin’izay fomba izay, na misy mpandahateny ampahibemaso azo ampiasaina na tsia, dia handray sakafo ara-panahy omena amin’ny alalan’ny fandaharana fivoriana ampahibemaso ny rehetra.