FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/06 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mamerina Haingana ny Tatitrao ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mpitory ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 6/06 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona no soa azo, rehefa mamerina tatitra momba ny fanompoana isika?

Lazaina hoe mampahery sy mamelombelona toy ny rano mangatsiatsiaka amin’ny olona reraka ny “filazana soa” na tatitra tsara. (Ohab. 25:25) Tena nampahery antsika, ohatra, ny namaky tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Mey, fa nahatratra 16 060 ny isan’ny mpitory teto Madagasikara tamin’ny Janoary, ary efa ho 300 000 ny gazety voapetraka! Mahafaly sy mamelombelona antsika tokoa ny tatitra mampientam-po toy izany!

Ny tatitra feno sy marina avy amintsika koa no ahafahan’ny fandaminana mandamina tsara ny asany, indrindra rehefa haminavina ny isan’ny boky sy gazety ilaintsika amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra izy. Ampiasaina koa ny tatitra toy izany, mba hamantarana ny toerana mila fanampiana bebe kokoa. Ho azo atao amin’izay ny mandefa fanampiana any amin’ny toerana toy ireny, mba hitoriana bebe kokoa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any.—Marka 13:10.

Ahoana anefa no hisian’ny tatitra mampahery sy mahasoa toy izany? Tsy ho afaka hanangona sy hamoaka tatitra feno sy mampahery toy izany ny biraon’ny sampana, raha tsy miezaka tsara mamerina tatitra tsy tapaka isam-bolana ny mpitory tsirairay. Mety ho zavatra kely angamba izany, nefa azontsika tsirairay heverina ho anisan’ny fomba hanatanjahana sy hampaherezana ireo rahalahintsika eran-tany. Moa ve izany tsy mendrika ny hoheverintsika ho zava-dehibe, sy hanaovana ezaka? Mamerena àry tatitra tsy tapaka, ary ampio koa ny hafa hanao izany. Ny mpiandraikitra fianarana boky sy ny mpiandraikitra ny fanompoana indrindra no tokony ho fakan-tahaka amin’ireo lafiny ireo. Tokony homena sy horaisina amim-pitiavana ny fampahatsiahivana mahasoa toy izany. Enga anie àry isika hifampiahy, mba hanaovana tatitra tsara.—1 Kor. 10:24.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara