Valin’ny Fanontanianareo
◼ Tokony hataon’ny mpitan-tsoratra ahoana ireo tatitra momba ny fampianarana Baiboly, rehefa voangony ny tatitra momba ny fanompoana isam-bolana?
Tokony hotehirizin’ny mpitan-tsoratra mandritra ny roa volana ireo tatitra momba ny fampianarana. Azony omena ny mpiandraikitra fianarana boky izy ireny avy eo, mba hampaherezany sy hanampiany an’ireo mitarika fampianarana Baiboly, na ireo mpianatra mihitsy.
Tokony hiezaka hifankahalala amin’ireo olona mianatra Baiboly ny mpiandraikitra fianarana boky, ka hampirisika azy ireo hanatrika ny fianarana boky, araka izay azo atao. Afaka mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy mitarika fampianarana Baiboly koa izy. Azony atao aoriana na alohan’ny fivoriana izany. Mety hiaraka amin’ny mpitory sasany any amin’ny fampianarana Baiboly ataon’izy ireo izy, mba hampaherezana azy ireo. Azon’ny mpiandraikitra ny fanompoana ampiasaina koa ny fanamarihana ao amin’ny tatitra momba ny fampianarana, rehefa mitsidika fianarana boky izy, mba hiresahana lafiny samihafa amin’ny fanaovana mpianatra.
Tokony ho azon’ny mpiandraikitra ny faritra jerena koa ireny tatitra momba ny fampianarana ireny, rehefa mitsidika fiangonana izy. Hiaraka hampianatra Baiboly amin’ny mpitory sasany izy, ary tena hampahery an’ilay mpianatra sy hanampy an’ilay mpitory izany. Azony atao koa ny mitsidika ny mpianatra Baiboly sasany, amin’ny fotoana hafa.
Tokony homarihina ao amin’ny tatitra momba ny fampianarana, raha tsy mianatra intsony ny olona iray, ary lazaina ao ny antony. Hodinihin’ny mpiandraikitra ny faritra ireny tatitra ireny, rehefa mitsidika ilay fiangonana izy. Mety ho azo ampiana ireny olona tsy nianatra intsony ireny mba hahatsapa bebe kokoa fa mila an’Andriamanitra. Hahafaly tokoa rehefa hiverina hianatra indray ilay olona, ka ho azo ampiana!
Zava-dehibe amintsika rehetra ny asa fanaovana mpianatra. Te hampahery ireo vao mianatra ny fahamarinana isika isaky ny afaka manao izany. Manampy antsika hanao izany ny tatitra momba ny fampianarana Baiboly. Azon’ny mpiandraikitra fianarana boky potehina ireo tatitra teo aloha, rehefa mahazo tatitra vaovao avy any amin’ny mpitan-tsoratra izy.