Fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany
1 Noho ny fiahiany marina ny kongregasiona, i Jesosy dia hanome azy “fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany”. (Heb. 4:16, MN). Omena amin’ny alalan’ireo “fanomezana olona”, araka ny nampanantenaina ao amin’ny Efesiana 4:8,11, (MN), ny lafiny maro amin’izany fanampiana izany. Ny iray amin’ireo fanomezana ireo dia ny mpiandraikitra ny asa ao amin’ny kongregasiona tsirairay avy.
2 Amin’ny fomba ahoana avy no hahafahan’ny mpiandraikitra ny asa manampy antsika? Maromaro izy ireo: 1) Miezaka mafy izy mba hahatonga antsika rehetra hahatsapa mandrakariva ny maha-zava-dehibe ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. 2) Miahy izy ny amin’ny hanomezan’ireo fianarana ny bokin’ny kongregasiona fandaminana sy fitarihana tsara eo amin’ny fanompoana. 3) Mahaliana azy ny hahita ny tsirairay avy amintsika mahazo ny fanampiana ilaina mba hanatsarana ny fahaizantsika mahita vokatra tsara amin’ny maha-mpitory antsika.
REHEFA MITSIDIKA NY MPIANDRAIKITRA NY ASA
3 Ambonin’ny fanampiana tsara dia tsara tsy tapaka omena antsika amin’ny alalan’ny fandaharana amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona, dia misy fandaharana manokana natao mba handraisantsika fanampiana eo amin’ny lafin’ny isam-batan’ olona. Notendrena hitarika fianarana ny boky ny mpiandraikitra ny asa mazàna, kanefa indray mandeha isam-bolana izy dia mandao ny fianarana ny boky misy azy mba hiara-miasa amin’ny iray amin’ireo fianarana ny boky hafa mandritra ny herinandro. Misolo toerana azy ny mpanampy azy mandritra ny fotoana tsy maha-eo azy. Mampilaza ilay mpitarika ny fianarana ny boky mialoha izy ny amin’ny fitsidihany mba hahafahan’ ireo mpikambana ao manao ireo fandaharana hilaina mba handraisana soa amin’ny fomba feno avy amin’ireo asa hatao mandritra io herinandro io.
4 Mandritra io herinandro manokana io, dia tarihina amin’ny fomba mahazatra mandritra ny 45 minitra ny fianarana ny boky. Izany dia hamela 15 minitra ho an’ilay mpiandraikitra ny asa mba hanaovany lahateny mampahery natao hanampiana antsika hanatsara ny asa fitoriantsika ny filazantsara. Zava-dehibe ny hanatrehan’ny mpitory rehetra, sy ireo vao liana, izany.
5 Tokony hanao fandaharana mba handraisany anjara feno eo amin’ny fanompoana ny mpitory rehetra ao amin’ilay fianarana ny boky tsidihina mandritra io fitsidihana manokana io, indrindra fa amin’ ny faran’ny herinandro. Raha mety eo an-toerana izany, dia azo atao ny mandamina fanaovana fanambarana amin’ny hariva amin’ io herinandro io. Ny iray amin’ireo zava-kendren’ny mpiandraikitra ny asa dia ny hiara-miasa eo amin’ny fanompoana amin’ny mpitory betsaka araka izay azony atao. Angamba afaka ny hiaraka amin’ny sasany amintsika any amin’ireo fiverenana mitsidika sy fampianarana Baiboly tarihintsika izy. Afaka manatona azy ary mangataka fanampiana aminy izay rehetra mahatsapa fa mila izany na fampaherezana eo amin’ny fanompoana. Afaka mandray soa be dia be koa isika amin’ny fanatrehana ireo fivoriana ho amin’ ny asa fitoriana tarihiny mandritra io herinandro io.
6 Maka fotoana mba hiresahana momba ny asa nataon’ilay fianarana ny boky miaraka amin’ilay mpitarika io fianarana io ny mpiandraikitra ny asa. Dinihin’izy ireo indray ireo fandaharana tsy tapaka ho amin’ ny fanompoana mba hahazoana antoka fa voalamina amin’ny fomba mety ho an’ny rehetra izy ireo. Raha misy mila fanampiana na fampaherezana mba handraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, dia azony atao ny miresaka aminy manokana sy manolotra fanipazan-kevitra amin-katsaram-panahy mba hanampiana azy hanatsara ny fanompoany. Afaka manao fandaharana mba hitsidika ireo mpitory tapatapaka miaraka amin’ilay mpitarika ny fianarana ny boky ny mpiandraikitra ny asa. Afaka mandinika indray ny tahirin’ny filazana asa momba ireo fampianarana Baiboly miaraka amin’ilay mpitarika ny fianarana ny boky koa izy. Angamba izy ireo afaka miaraka amin’ny sasany amin’ireo mpitory any amin’ny fampianarana Baiboly tarihin’izy ireo any an-tokantrano ary hanolotra fampaherezana ara-panahy.
7 Ao amin’ireo kongregasiona misy fianarana ny boky maro, dia hahalana kokoa ireo fitsidihan’ny mpiandraikitra ny asa. Noho izany, ny rehetra dia tokony hanao fiezahana manokana mba handraisana soa amin’ny fomba feno rehefa tonga mitsidika izy. Mandritra ny fitsidihany, dia mariho tsara ireo fanipazan-kevitra omeny mba hanatsarana ny fanompoanao ary manaova fiezahana amim-paharisihana mba hampihatra izany alohan’ny fitsidihany manaraka. Mazava ho azy fa azo hatonina foana izy ao amin’ny kongregasiona amin’izay fotoana ilàntsika izany. Ao amin’ireo kongregasiona misy fianarana ny boky vitsy kokoa, dia hiezaka hitsidika ny fianarana ny boky tsirairay avy indray mandeha isaky ny enim-bolana fara fahakeliny ny mpiandraikitra ny asa.
8 Ny fahavononantsika hiara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny asa sy hanohana amin’ny fontsika feno ny fitsidihany ny fianarana ny boky misy antsika dia hanampy antsika hampitombo ny fahaizantsika mahita vokatra tsara eo amin’ny asa fanaovana mpianatra sy hahita fifaliana lehibe kokoa eo amin’ny fanompoantsika.