FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/06 p. 7
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Fizarana faha-5: Ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny asa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fiaraha-miasa Amin’ny Mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona Misy Antsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 4/06 p. 7

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Iza no hitarika ny fivoriana alohan’ny fanompoana, rehefa mitsidika Fianarana Boky ny mpiandraikitra ny fanompoana?

Ny mpiandraikitra ny fanompoana no hanao izany, mba hanomezany modely ho an’ny mpiandraikitra fianarana boky tsirairay. Sady ho afaka hampiseho ny fomba tsara itarihana ilay fivoriana izy amin’izay, no ho afaka handamina tsara koa an’ireo antoko-mpitory hanompo eny amin’ny saha. Amin’izany koa no hampisehoany fa azo vitaina ao anatin’ny 10 na 15 minitra monja ny fanomezana fanazavana sy ny fizarana ireo mpitory sy faritany.

Tena tsara raha manao fandaharana manokana ny mpiandraikitra ny fanompoana, mba hiaraha-miasa amin’ny olona samihafa eo anivon’ilay Fianarana Boky. Azony omena fampaherezana ankapobe momba ny fanompoana eny amin’ny saha izy ireo. Azony atao koa ny manome soso-kevitra voafaritra tsara, mba hanampiana azy ireo hanatsara ny fanompoany.

Miandrandra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fanompoana ny mpiandraikitra ny fianarana boky sy ny olon-kafa eo anivon’izy io. Tokony hanao ezaka fanampiny izy ireo, mba handraisana anjara feno amin’ny asa atao eo anivon’ilay Fianarana Boky, amin’io herinandro manokana io. Izany no ampisehoan’izy ireo fa mankasitraka ny fandaharana nalamin’ny fandaminana izy. Tsy inona izany, fa ny fitsidihana mahasoa ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fianarana Boky tsirairay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara