Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hosoratana eo amin’ny filazana asan’ny tena rehefa mitarika fampianarana Baiboly iray amin’ankizy tsy ampy taona?
Andraikitra mavesatra izay mitaky fotoana sy fiezahana betsaka avy amin’ireo ray aman-dreny kristiana ny fampianarana ny ankizy ao amin’ny lalan’i Jehovah. (Deot. 6:6, 7; Efes. 6:4). Na soratana daholo eo amin’ny filazana asa na tsia ny fotoana natokana ho amin’izany asa izany, dia tsy manala ny maha-zava-dehibe an’io adidy io.
Ny filazana asan’ny kongregasiona dia mampiseho indrindra ny asa tontosaina teny amin’ny asa fanompoana, tamin’ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsara sy ny asa fampianarana ireo olona izay tsy Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa. (Matio 24:14; 28:19. 20). Raha mitarika tsy tapaka fampianarana Baiboly amin’ny fianakaviany anefa ny Kristiana iray, ka misy ankizy tsy ampy taona tsy vita batisa mandray anjara amin’izany, dia tsy tokony hanisa mihoatra ny adiny iray, na mihoatra ny fitsidihana iray, io ray na io reny io amin’ny herinandro anaovana an’ilay fampianarana; tsy tokony hanoratra eo amin’ny filazana asany afa-tsy fampianarana Baiboly iray koa izy amin’io volana io. Ho toy izany no izy, na dia tarihina imbetsaka isan-kerinandro aza ny fampianarana na mihoatra ny adiny iray ny faharetany. Ny fampianarana na ny fotoana fanampiny atokana ho an’ny ankizy isam-batan’olona dia tsy tokony hampidirina ao amin’ny filazana asa. Tokony hoheverina kosa ho toy ny fanehoan’ny ray aman-dreny ny faniriany amim-pahatsorana hitaiza ny zanany ao amin’ny lalan’ny fifikirana amin’Andriamanitra izany. — Ohab. 22:6.
Inona no azo atao raha toa, noho ny antony iray na hafa, ka mila fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny fahamarinana ao am-pon’ireo zanany? Amin’izay, dia ho afaka hangataka ny fanampian’ny mpitory hafa izy ireo. Amin’ny toe-javatra tahaka izany, dia ho tsara ny hiresahana ny amin’io raharaha io amin’ny mpiandraikitra prezidà na ny mpiandraikitra ny asa. Amin’ny toe-javatra sasany, ohatra raha vaovao ao anatin’ny fahamarinana ny ray aman-dreny, dia ho azo atao àry ny hangataka mpitory hafa hitarika ny fampianarana amin’ny ankizy iray na maromaro. Raha tsy vita batisa izy ireo, dia ho azon’ilay mpitory mitarika ny fampianarana isaina ny fotoanany rehetra sy ny fampianarana ary ny fiverenana mitsidika rehetra. — Jereo ilay lahatsoratra hoe “Aoka Isika Hanao Soa Amin’ireo Tanora Kokoa” tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Desambra 1980.