FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/08 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Fiantsorohana ny Andraikitra Hikarakara Ankohonana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 9/08 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Samy tokony hanoratra ny ora laniny nampianarana ny zanany ve ny mpivady, rehefa mamerina tatitra?

Miara-mampiofana ny zanany ny mpivady, na dia ny raim-pianakaviana aza no tena tokony hitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Mampirisika ny ankizy ny Baiboly hoe: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohab. 1:8) Tena ilaina mba hampiofanana ny ankizy ny fianaram-pianakaviana.

Mety hiara-mampianatra ny zanany tsy vita batisa izy mivady. Ilay ray na reny mitarika ilay fianarana foana anefa hatramin’izay no nanisa ora. Niova kosa izany izao. Afaka mamerina adiny iray avy isan-kerinandro, fara fahabetsany, ny mpivady raha miara-mampianatra an’ireo zanany. Marina aloha fa mety hihoatra ny adiny iray isan-kerinandro ny fotoana lanin’izy ireo hanaovana izany, satria tokony hampiofana ny zanany foana izy ireo. (Deot. 6:6-9) Ny ora lany tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha anefa no tena tokony hanaovantsika tatitra isam-bolana. Tsy tokony hihoatra ny adiny iray isan-kerinandro àry ny ora soratan’ny mpivady, na dia mihoatra ny adiny iray aza ilay fianarana. Izany foana no izy na dia mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro aza ireo zanany no mianatra, ary na tsy miaraka ampianarina aza izy ireo. Ny iray amin’izy mivady ihany anefa no hanoratra ao amin’ny tatitra hoe fampianarana iray ny zanany. Tsy hanoratra afa-tsy fitsidihana iray isan-kerinandro koa izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara