Ampirisiho ny fanatratrarana zava-kendrena ara-panahy
1 Mbola tsy nisy mihitsy tanora maro be toy izao mandray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana! Ana hetsiny maro no manaraka ny torohevitra ao amin’ny Mpitoriteny 12:1 manao hoe: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.” Inona no manosika ireny tanora ireny handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana, ary nahoana ny maro be aminy no miditra amin’ny asa fitoriana maharitra?
2 Tsy isalasalana fa maro no manahaka ny fitondrantenan’ilay tanora niavaka atao hoe Timoty. Nahita soa avy amin’ny fanabeazana ara-panahy nomen’ny reniny sy ny renibeny azy hatramin’ny fahazazana izy ary nampirisihiny izy hanatratra zava-kendrena ara-panahy. (2 Tim. 3: 14, 15). Araka izany, rehefa nitranga ny fahafahana hahazo tombontsoam-panompoana mitombo, dia ampy fahaizana izy sady vonona. — Asa. 16:1-3.
3 Ahoana no azo ampirisihana tanora maro kokoa hanatratra zava-kendrena ara-panahy? Karazana fototra inona no tsy maintsy apetraka? Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anorenana ao amin’ny zanany fankasitrahana ny fahamarinana sy anampiana azy ireny hametra zava-kendrena maharitra ela ho an’ny tenan’izy ireny?
4 Mametraha fototra araka ny Soratra Masina: Tsy maintsy ataon’ireo ray aman-dreny azo antoka fa izay ampianariny ireo zanany dia avy amin’i Jehovah ka izany dia mba hahatonga ny zanany ho ‘hendry ho amin’ny famonjena’. (2 Tim.3:15). Manaova ezaka mafy mba hambolena ao amin’izy ireny fitiavana lalina ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Izany dia mitaky fianarana Baiboly tsy tapaka, misy zava-kendrena mifanaraka amin’ny zavatra ilainy, miaraka amin’ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana. Mba hananan’ny tanora finoana matanjaka izay hanosika azy hanatratra zava-kendrena ara-panahy, dia tsy maintsy manana fandaharam-pianarana manokana ny Baiboly ho an’ny tenany izy ireny ary mampitombo ny fifandraisany manokana amin’i Jehovah. — 1 Tes. 5:21; Heb. 11:1.
5 Ho moramora kokoa ho an’ireo tanora kristiana ny hanatratra zava-kendrena ara-panahy raha manome ohatra tsara ny ray aman-dreniny sy ireo olona matotra hafa ao anatin’ny kongregasiona, ary manome taratry “ny fifaliana avy amin’i Jehovah.” (Neh. 8:10). Amin’ny fampisehoana fifaliana dia afaka manampy ireo tanora isika rehetra hahatakatra fa ny fepetra takin’ny Kristianisma marina dia tsy mampitondra enta-mavesatra. — 1 Jaona 5:3.
6 Nitondra fitaomana lehibe teo amin’ny tanora maro ireo mpitory maharitra, ireo misionera ary ireo mpiandraikitra mpitety faritany izay niara-niasa tamin’izy ireny teny amin’ny saha fitoriana na nanao teny fampaherezana taminy. Ny ray aman-dreny dia afaka manampy amin’ny fanasana ireo mpiasa manontolo andro fakan-tahaka hisakafo any aminy, na amin’ny fotoana hafa mba hisian’ny fisakaizana kristiana. Nanome ny ohatra tsara indrindra ny amin’ny fananana fiheverana voalanjalanja an’ireo mbola kely kokoa i Jesosy Kristy. — Marka 10:13-16.
7 Famerana zava-kendrena: Amin’ny fanomezan’ny ray aman-dreny fitarihana mety, dia matetika mametra zava-kendrena ara-panahy ho an’ny tenany ny zanany raha vao tanora. Rehefa tapa-kevitra ny amin’izay zava-kendrena ara-panahy mendrika tiany hotanterahina ny tanora, na ny asan’ny mpitory maharitra izany, na fanompoana any amin’izay ilàna izany indrindra, na fanompoana any amin’ny Betela na amin’ny asa misionera sy ny sisa, dia afaka manome fampirisihana amin’ny fomba mafana ireo ray aman-dreny sy ireo olona matotra hafa mba hiasany hatrany hanatratra ny zava-kendreny sy amin’ny fanomezana fanipazan-kevitra azo ampiharina mba handrosoany.
8 Ny kongregasiona tsirairay dia toy ny fianakaviana iray. Noho izany, isika tsirairay dia tokony haniry hanampy ireo tanora mba handehanany hatrany ao amin’ny fahamarinana ary hanaovany fandrosoana ara-panahy. Azontsika atao izany amin’ny fanamafisana ny fitiavantsika azy ireny ary amin’ny fampirisihana azy hanatratra zava-kendrena ara-panahy.