FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/92 p. 3-4
  • Ny Fomba Hanolokoloana ny Fahalianana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Hanolokoloana ny Fahalianana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Fiverenana mba Hanairana ny Fahalianana Amin’ny Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fiverenana Mitsidika Tsotra Sady Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 11/92 p. 3-4

Ny Fomba Hanolokoloana ny Fahalianana

1 Ny rakibolana iray dia milaza amintsika fa ny dikan’ny hoe “manolokolo fahalianana” dia hoe manomana na mampirisika ny fitomboana. Io teny io koa anefa dia mety hidika hoe manatsara amin’ny alalan’ny ezaka, ny fikarakarana na ny fianarana. Zava-kendrena lehibe eo amin’ny fanompoantsika ny fanaovana mpianatra. (Matio 28:19, 20). Noho izany, dia mila ny manao ezaka isika mba hanolokoloana ny fahalianana hitantsika eny amin’ny asa fanompoana.

2 Mazàna dia ilaina ny manao fiverenana mitsidika imbetsaka mba hampirisihana ny fitomboana ara-panahin’ireo olona tso-po. Tokony hitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly ireo fiverenana mitsidika mamokatra.

3 Moa ve ianao tsy miverina mitsidika afa-tsy ireo izay maneho fahalianana miavaka? Tsy mila ny mametraka zavatra vita an-tsoratra ianao vao hiverina hitsidika ireo olona. Misy mpisava lalana iray mitsidika ireo rehetra nampiseho fisakaizana taminy, nefa mazàna dia tsy mahapetraka zavatra vita an-tsoratra firy izy amin’ny fitsidihana voalohany. Ny resaka tsara iray nifanakalozana hevitra araka ny Soratra Masina dia fototra tsara dia tsara ho an’ny fiverenana mitsidika.

4 Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ireo fiverenana mitsidika: Mifanentana tsara amin’izao androntsika izao ireo foto-kevitra isan-karazany amin’ny taratasy mivalona ananantsika. Manasongadina ny ilana handraisana fahalalana ara-baiboly sy hampiharana izany izy ireo.

Azonao atao ny milaza hoe:

◼ “Tamin’ny farany isika dia niresaka momba ny antony sasany tokony hitokiana amin’ny Baiboly. Hoavy manao ahoana no resahin’ny Baiboly?” Manomboha mamaky eo amin’ny fehintsoratra faharoa eo amin’ny pejy faha-3 amin’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Jereo ireo andinin-teny. Anontanio an’ilay tompon-trano ny fomba fiheviny momba izay vakinao. Farano amin’ny fandinihana ny fanazavana eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Ny fomba hetezan’izany ho anao koa” eo amin’ny pejy faha-5.

5 Amin’ny fomba mitovy amin’izany koa, dia azonao atao ny mampiasa ny taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?

Ho azonao atao ny hilaza hoe:

◼ “Araka ny efa noresahintsika vetivety teo aloha, dia olona maro no tsy matoky an’Andriamanitra. Manontany izy ireo, ohatra, hoe: ‘Raha mahery aoka izany Andriamanitra, nahoana izy no mamela ny olona ho faty?’ Ity taratasy mivalona ity dia afaka manampy mba hamaliana izany fanontaniana izany.” Sariho ho amin’ilay fizarana manomboka amin’ny fehintsoratra fahefatra eo amin’ny pejy faha-2 ny sainy. Manaova fanontaniana mifanentana tsara aorian’ny fehintsoratra tsirairay, ary diniho ireo andinin-teny voatonona fa tsy voasoratra. Raha efa manana ilay bokikely vaovao hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ao amin’ny tahiry ny kongregasionanareo, dia azo ampiasaina amin’izany fomba izany koa izy io.

6 Ny fanohizana ilay fampianarana: Rehefa manaraka ireo fomba fanaovan-javatra anolorana hevitra eto ianao, dia efa manomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Mba hanohizana ilay resaka amin’ny fomba tsy tapaka, dia anontanio toy izao ilay tompon-trano amin’ny fifaranan’ny fitsidihanao: “Voamarikao ve fa namaly fanontaniana lehibe isika tao anatin’ny minitra vitsivitsy monja? Amin’ny herinandro ambony isika dia afaka maka fotoana lavalava kokoa mba hiresahana momba ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty na ny foto-kevitra hafa mahaliana anao.” Azonao atao fotsiny ny mampiasa ny iray amin’ireo fanontaniana tononina amin’ireto lahatsoratra ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ireto isaky ny manao fiverenana mitsidika ianao. Amin’ny fotoana mety, dia afaka mifindra amin’ny bokikely iray ianao na manomboka fampianarana amin’ny alalan’ny boky Hiaina Mandrakizay.

7 Mahafa-po toy inona moa ny mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona iray mitady amim-pahatsorana ny fahamarinana! Enga anie isika hotahina amin’ny alalan’ny fanompoana mamokatra, rehefa mampihatra ireo fanoloran-kevitra omena antsika momba ny fomba hanolokoloana ny fahalianana hitantsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara