Ny Tilikambo Fiambenana — Hanina Ara-panahy Amin’ny Fotoana Mety
1 Nandritra ny efa ho 114 taona, Ny Tilikambo Fiambenana dia nampirisika ny mpamaky azy mba hifoha ara-panahy hatrany. Ilay gazety namany hoe Mifohaza! dia mampiorina ny fitokiana amin’ny fampanantenan’ny Mpamorona hanorina tontolo vaovao miadana sy milamina amin’izao taranaka misy antsika izao. Ireo gazety roa ireo niaraka dia niseho ho fitaovana mahatoky manazava ny lalantsika mamakivaky ity tontolo ao anatin’ny haizina ity. (Isaia 60:2). Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia tsy miova mihitsy, fa ny fahatakarantsika azy io kosa no mihamazava, noho ny fampiasan’i Jehovah ireo fitaovana ireo sy ny hafa koa mba hanomezana antsika ‘hanina ara-panahy amin’ny fotoana mety’. — Matio 24:45, NW; Ohab. 4:18.
2 Ampiasao amin’ny fomba tsara indrindra ireo gazety: Afaka mampiseho ny fankasitrahantsika noho ny fahazavana ara-panahy azontsika isika raha feno risi-po mampirisika ny olona mba hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Olona maro no mandray ireo gazety tsirairay amin’ny fomba tsy tapaka sady miharihary fa faly mamaky azy ireo. Mety ho faly hanao famandrihana ireny olona ireny.
3 Ahoana no ahafantarana raha tena liana amim-pahatsorana ny olona iray? Rehefa manasongadina hevitra iray na roa amin’ny gazety, na taratasy mivalona, na bokikely iray ianao, dia mariho ny fihetsik’ilay tompon-trano. Mihaino amim-pitandremana ve izy? Mampiseho fanajana ny Baiboly ve izy ary manaraka ny famakiana andinin-teny ao? Mamaly ireo fanontaniana momba ny fomba fiheviny atao aminy ve izy? Raha izany no izy, dia azonao atao ny mandamina ny hiverina hitsidika azy ao anatin’ny herinandro, ary na dia alohan’izay aza, sy hanohy hiresaka aminy amin’izay. Raha miharihary fa mamaky ilay zavatra vita an-tsoratra navelanao ilay tompon-trano ka mankasitraka ny firesahana momba ny zavatra ara-panahy, dia azonao atao ny manontany azy raha tiany ny hahazo ireo gazety tsy tapaka.
4 Azo atao ny manolotra gazety tsirairay amin’ireo mpiara-miasa, mpiara-mianatra ary amin’ireo havana. Azo atao koa ny manolotra ireo gazety amin’ireo olom-pantatsika sy rehefa manao fitoriana tsy ara-potoana isika.
5 Ireo gazety vaovao dia tokony ho azon’ireo mpitory raisina raha vantany vao tonga ao amin’ny kongregasiona. Rehefa maharay nomerao vaovao ianao, dia ataovy izay hahafantarana azy io tsara. Foto-kevitra inona avy no mahaliana mafy ny olona eo amin’ny manodidina anao? Ny fiadanana sy filaminana maneran-tany ve? Sa ny toe-karena? Sa ny fitondram-panjakana tsara iray? Sa ny tontolo iainana? Tena miavaka fa Ny Tilikambo Fiambenana dia mitarika ny olona ho amin’ilay hany fanafodiny maharitra, dia ny Fanjakan’Andriamanitra. (Dan. 2:44; Matio 6:10). Tena fanomezana tsy voavidim-bola aman-karena avy amin’ilay “mpampianatra” antsika tokoa izy io. — Isaia 30:20.
6 Ny volana Aprily sy May dia manolotra fahafahana faran’izay tsara mba hanokanana fotoana bebe kokoa eo amin’ny asa fanompoana. Koa satria misy faran’ny herinandro feno dimy ny volana May, dia maro no hirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Isika rehetra dia afaka mametra zava-kendrena manokana dieny izao mba hampitomboana ny asa fanompoantsika mandritra ireo volana roa ireo ary ho feno risi-po hampirisika ny olona rehetra hitantsika mba hamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!