FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/93 p. 1-6
  • Ampio Ireo Vaovao mba Handroso

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Ireo Vaovao mba Handroso
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiaraha-miasa Amin’ny Mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona Misy Antsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ho volana manokana ve ny volana Aprily ho anao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Aprily — Fotoana ‘Ikelezantsika Aina sy Iezahana’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 4/93 p. 1-6

Ampio Ireo Vaovao mba Handroso

1 Tamin’ny 17 Aprily 1992, dia efa ho 11 tapitrisa sy sasany ireo olona naneran-tany niara-nivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Izany dia maherin’ny avo roa heny sy sasany noho ny tontalin’isan’ireo mpitory mifandray amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahafinaritra aoka izany ny mahita vahoaka betsaka toy izany mirohotra ho “any an-tendrombohitr’i Jehovah”! (Mika 4:2). Ankehitriny dia misy olona eo amin’ny fito tapitrisa eo ho eo no mampiseho fahalianana amin’ny fanompoam-pivavahana marina kanefa mbola tsy mpidera an’i Jehovah ampahibemaso. Tena mbola tsy nisy heviny lehibe noho ny amin’izao fotoana izao ilay tenin’i Jesosy hoe “be ny vokatra”! — Matio 9:37, 38.

2 Mandritra ny volana Aprily, dia hanao ezaka manokana isika mba hanampiana ireo rehetra mahafeno fepetra mba handray anjara amin’ny asa fanompoana. Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, ampian’ireo mpitory sy mpisava lalana mahay hafa ao amin’ilay antokon’olona tarihiny, dia hanana anjara asa fototra amin’izany. Misy lafiny telo ny zava-kendrentsika: 1) mandamina ny hitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ireo manatrika voalohany ny lahateny manokana sy ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity; 2) mampirisika ireo mpianatra mba hahafeno fepetra mba ho mpitory tsy vita batisa; ary 3) mampitombo ny fandraisan’ny tenantsika anjara amin’ny asa fanompoana.

3 Tokony hanao fiezahana manokana ny rehetra mba hiarahaba tonga soa ireo vaovao tonga manatrika ireo fivoriantsika ary hifankahalala amin’izy ireo. Inona no azontsika atao mba hampirisihana betsaka kokoa ihany amin’ireo olona liana ireo hanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantranony tsy tapaka?

4 Tamin’ny antsalany, dia nisy fampianarana Baiboly 13 106 notarihina isam-bolana teto Madagasikara tamin’ny taom-piasana 1992. Azon’ireo mpitory atao ny manasa ny mpitarika ny fianarana ny boky misy azy mba hiaraka aminy any amin’ireo fampianarana Baiboly tarihiny. Izany dia mba hifankahalalana tsara amin’ireo mpianatra. (kmMG 9/81 p. 2). Ny sasany amin’ireo mianatra ny Baiboly ireo izao dia efa mety hanatrika ireo fivoriana sy hahafeno fepetra mba handray anjara amin’ny fitoriana isan-trano. Moa ve izy ireo manao fanambarana amin’ny fomba tsy ara-potoana tsy tapaka ihany? Moa ve izy ireo mahafeno ireo fepetra mba hahatongavana ho mpitory tsy vita batisa, araka ny voasoritra ao amin’ny boky Voalamina, pejy faha-97-99? Raha izany no izy, dia hazavao aminy ny fomba mety hanombohany eo amin’ny fitoriana isan-trano aorian’ny nahatongavany ho mpitory tsy vita batisa.

5 Tsy tokony hanadino ny fifampaherezana eo amin’ny fifaneraserantsika kristiana isika. (Heb. 10:24, 25). Raha nisy nampihena ny fanompoany, ireo mpitarika fianarana ny boky dia tokony hanao fandaharana voafaritra tsara mba hanolorana fanampiana sy fampaherezana. Indraindray dia ny fanasana azy ireo amim-pitiavana mba hiaraka amintsika eo amin’ny asa fanompoana no hany zavatra ilaina.

6 Ny fanaovana ny volana Aprily ho volana miavaka eo amin’ny asa fanompoana dia mitaky ny fiaraha-miasan’ny rehetra. Ny fitarihana feno risi-pon’ilay mpitarika ny fianarana ny boky dia afaka ny ho zava-dehibe indrindra, satria manampy ny mpikambana tsirairay amin’ilay antokon’olona tarihiny mba handray anjara feno amin’ny fanompoana izy. Azo atao ny mandamina fivoriana ho amin’ny asa fanompoana fanampiny. Ireo be taona dia azo anehoana fiheverana manokana, ary ireo tanora dia azo ampiana amin’ny fomba azo ampiharina. Ireo ray aman-dreny dia tokony hanao izay handraisan’ny fianakaviany manontolo anjara amin’ny fanompoana mandritra ny volana Aprily. Raha manome ny tsara indrindra ananantsika ho an’i Jehovah isika amin’izao andron’ny fijinjana izao, dia hahazo fitahiana tondraka avy aminy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara