Aza Manadino ny Hampiasa Bokikely
Rehefa manao fanambarana isan-trano na tsy ara-potoana isika, matetika ny resaka dia mihodinkodina eo amin’ny foto-kevitra iray velabelarin’ny iray amin’ireo bokikelintsika tsara tarehy. Ny tsirairay amintsika dia tokony hahatadidy izany ao an-tsaina indrindra rehefa manasongadina Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! mandritra ny volana Aprily sy May. Amin’ny fanananao foana bokikely samy hafa maromaro miaraka amin’ireo gazety hasongadinao eo amin’ny fanompoana, dia hanana ilay fitaovana tena ilaina azo atolotra mba hanaovana fanambarana mandaitra, ianao. Mandritra ny volana Aprily sy May, dia aza misalasala hampiasa na iza na iza amin’ireo bokikely (afa-tsy ny bokikely Sekoly) miaraka amin’ireo gazety hasongadinao na hampiasainao ho solony. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 15:23.