Fanasongadinana Bokikely mba Hikarohana Ireo Olona Liana
1 Fitaovana mahery ireo bokikely. Ao anatin’ny 32 pejy monja, ny bokikely iray dia afaka mampiorina mafy fahamarinana araka ny Soratra Masina ary mandrava fisainana sy fampianarana mifanohitra amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. — 2 Kor. 10:5.
2 Rehefa avy namaky ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany ny lehilahy iray, dia voatosika hanoratra hoe: “Mbola tsy nahita fandaminana toy izany aho. (...) Mahafinaritra ny mahita olona izay mandray ny sitrapon’Andriamanitra ho zava-dehibe aoka izany amin’izao andro izao izay ahitana fihatsarambelatsihy ara-pivavahana be dia be aoka izany.” Ny mpimasy iray atsy Afrika dia nianatra ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Inona no vokatr’izany teo aminy? Namela ny fanaony tamin’ny naha-mpimasy azy izy ary nanasa ireo vehivavy niarahany niaina handeha, afa-tsy ilay novadiny voalohany. Avy eo dia nanambady azy io ara-dalàna izy.
3 Ny bokikely Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? dia fitaovana fampahalalana ny fahamarinana izay feno porofo sy azon’ny saina ekena ary mandaitra. Raha niresaka momba azy io ny mpanoratra iray momba ny fivavahana ho an’ny The Sunday Gleaner any Jamaika, any Caraïbes, dia nanao hoe: “Io boky io (...) dia sangan’asa faran’izay miavaka nataon’ny Vavolombelona ary ankehitriny dia tsy misy olona mpino ny Trinite — na olona mpino an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ho iray ihany — afa-miala. Mitanisa fakàn-teny tsy an-kijanona avy amin’ny boky ara-tantara sy ara-pivavahana io bokikely io mba hampisehoana fa tsy avy amin’ny Baiboly ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite. (...) Sarotra indrindra ho ahy, mpanoratra momba ny fivavahana, ny mahita hoe ahoana no ahafahan’ny mpiangona tsotra iray — ary na dia ny tsy tsotra loatra aza — mamaly ireo fanaporofoan-kevitra mahery sy tsy azo arodana aroson’ny Vavolombelona mba hanoherana ilay fomba fihevitra fa Andriamanitra i Jesosy.”
4 Ampiasao amin’ny fomba tsara izy ireo: Mba handairan’ireo fitaovana tsara tarehy sy mampiaiky ireo, dia tsy maintsy apetraka amin’ny olona izay hamaky azy izy ireny. Koa satria manana bokikely maro samihafa isika, ary ny tsirairay avy aminy dia samy miresaka momba ny foto-kevitra hafa, dia tokony hiezaka mba hanolotra ilay heverintsika fa mifanentana indrindra amin’ilay olona itoriantsika, isika. Raha mahafantatra ireo bokikely isika ka manana karazany samihafa any amintsika, dia ho mora kokoa amintsika ny hampiasa azy ireo amin’ny fomba tsara, na eny amin’ny asa fanompoana izany, na ao an-trano, na any amin’ny toeran-kafa.
5 Ohatra, raha miresaka amin’ny olona iray izay very hevitra momba ny foto-pampianarana ny amin’ny Trinite ampianarin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ianao, na amin’ny olona iray izay mety hihevitra fa Andriamanitra i Jesosy, bokikely inona no hampiasainao? Raha manontany ny olona iray hoe nahoana ny Andriamanitra be fitiavana iray no hamela fijaliana be dia be toy izao hisy, bokikely inona no hahafa-po azy amin’izay ilainy? Raha milaza ny olona iray fa miahy ny amin’ny ilana fitondram-panjakana iray izay hitondra soa ho an’ny vahoaka izy, inona moa ilay bokikely mety hety aminy?
6 Ankoatra ny fahafantarana izay bokikely tokony hampiasaina, dia miezaha koa hampitsiriritra ilay olona momba ny ao anatiny. Raha mamela hanao izany ny toe-javatra, dia mariho ny teny na sary iray izay mety hanaitra ny fahalianany hamaky ilay fanazavana. Na azonao atao koa ny miara-mamaky fehintsoratra iray na roa aminy, mijery ireo andinin-teny voatonona ary mandinika ilay fanazavana. Fampianarana ny Baiboly tsara dia tsara maro no efa natomboka tamin’izany fomba izany.
7 Ireo bokikelintsika dia manolotra valin-teny araka ny Soratra Masina sady manome fanantenana an’ireo izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo amin’izao tontolo izao. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 9:4.) Olona toy ny ondry maro no hanaiky ny hafatra raketin’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny. Tombontsoantsika ny mampiasa azy amin’ny fomba tsara eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanompoantsika, eo am-pikarohantsika ireo olona liana.